1 ULB Ary izaho, ry rahalahy, dia tsy afaka niteny taminareo tahaka ny olona izay ara-panahy, fa kosa tahaka ny olona ara-nofo, tahaka ny zazakely ao amin'i Kristy. BSB BSB: Brothers, I could not address you as spiritual, but as worldly—as infants in Christ.
2 ULB Nofahanako ronono ianareo, fa tsy ventin-kanina, satria tsy vonona tamin'izany ianareo; ary na ankehitriny aza dia mbola tsy vonona amin'izany ianareo. BSB BSB: I gave you milk, not solid food, for you were not yet ready for solid food. In fact, you are still not ready,
3 ULB Satria ianareo mbola araky ny nofo. Fa na aiza misy fahasarotam-piaro sy fifandirana eo aminareo, dia tsy miaina araky ny nofo ve ianareo, ary tsy mandeha amin'ny fenitry ny olombelona? BSB BSB: for you are still worldly. For since there is jealousy and dissension among you, are you not worldly? Are you not walking in the way of man?
4 ULB Fa rehefa misy iray miteny hoe: "Izaho manaraka an'i Paoly," ary ny anankiray miteny hoe: "Izaho manaraka an'i Apolosy," dia tsy miaina tahaka ny olombelona ihany ve ianareo? BSB BSB: For when one of you says, “I follow Paul,” and another, “I follow Apollos,” are you not mere men?
5 ULB Iza ary Apolosy? Iza Paoly? Mpanompo izay tamin'ny alalany no ninoanareo, izay nomen'ny Tompo asa avy. BSB BSB: What then is Apollos? And what is Paul? They are servants through whom you believed, as the Lord has assigned to each his role.
6 ULB Izaho no namboly, Apolosy no nanondraka, fa Andriamanitra no nampitombo. BSB BSB: I planted the seed and Apollos watered it, but God made it grow.
7 ULB Ka noho izany, na izy izay mamboly na izy izay manondraka dia tsy misy dikany. Fa Andriamanitra no mampitombo. BSB BSB: So neither he who plants nor he who waters is anything, but only God, who makes things grow.
8 ULB Ary izy izay mamboly sy izy izay manondraka dia iray, ary ny tsirairay dia samy hahazo ny karamany avy araka ny asany. BSB BSB: He who plants and he who waters are one in purpose, and each will be rewarded according to his own labor.
9 ULB Fa izahay dia mpiara-miasa amin' Andriamanitra. Ianareo dia sahan'Andriamanitra, sy tranon'Andriamanitra. BSB BSB: For we are God’s fellow workers; you are God’s field, God’s building.
10 ULB Araka ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena ahy tahaka ny mpanao trano mahay, dia nametraka ny fototra aho ary hafa no manorina eo amboniny. Fa aoka ny lehilahy tsirairay hitandrina ny amin'ny fomba hanorenany eo amin'izany. BSB BSB: By the grace God has given me, I laid a foundation as an expert builder, and someone else is building on it. But each one must be careful how he builds.
11 ULB Fa tsy misy olona mametraka fototra afa-tsy ilay iray izay napetraka, izany hoe, Jesosy kristy. BSB BSB: For no one can lay a foundation other than the one already laid, which is Jesus Christ.
12 ULB Ankehitriny raha misy olona manorina eo ambonin'ny fototra amin'ny volamena, volafotsy, vato sarobidy, hazo, bozaka, na mololo, BSB BSB: If anyone builds on this foundation using gold, silver, precious stones, wood, hay, or straw,
13 ULB dia haseho ny asany, fa ny andro mazava no haneho izany. Satria haseho amin'ny afo izany. Ny afo no hitsapana ny hatsaran'ny nataon'ny tsirairay. BSB BSB: his workmanship will be evident, because the Day will bring it to light. It will be revealed with fire, and the fire will prove the quality of each man’s work.
14 ULB Raha mitoetra ny asan'ilay olona, dia hahazo valisoa izy; BSB BSB: If what he has built survives, he will receive a reward.
15 ULB fa raha may ny asan'ilay olona, dia ho fatiantoka izy, fa izy tenany dia ho vonjena, toy ny nitsoaka tamin'ny afo ihany. BSB BSB: If it is burned up, he will suffer loss. He himself will be saved, but only as if through the flames.
16 ULB Tsy fantatrareo ve fa ianareo dia tempolin' Andriamanitra ary ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao aminareo? BSB BSB: Do you not know that you yourselves are God’s temple, and that God’s Spirit dwells in you?
17 ULB Raha misy olona manimba ny tempolin'Andriamanitra, dia hanimba izany olona izany Andriamanitra. Fa masina ny tempolin'Andriamanitra, ary toy izany koa ianareo. BSB BSB: If anyone destroys God’s temple, God will destroy him; for God’s temple is holy, and you are that temple.
18 ULB Aza avela hisy olona hamita-tena. Raha misy olona eo aminareo mihevitra fa hendry izy amin'izao vanim-potoana izao, avelao izy ho lasa "adala" amin'izay mba mety ho lasa hendry izy. BSB BSB: Let no one deceive himself. If any of you thinks he is wise in this age, he should become a fool, so that he may become wise.
19 ULB Fa ny fahendren'izao tontolo izao dia fahadalana eo amin'Andriamanitra. Satria voasoratra hoe: "Nahatratra ny hendry tao amin'ny hafetsen'izy ireo Izy." BSB BSB: For the wisdom of this world is foolishness in God’s sight. As it is written: “He catches the wise in their craftiness.”
20 ULB Ary koa hoe: "Ny Tompo dia mahalala fa ny fihevitry ny hendry dia zava-poana." BSB BSB: And again, “The Lord knows that the thoughts of the wise are futile.”
21 ULB Noho izany tsy misy fireharehana momban'ny olona intsony! Fa ny zava-drehetra dia anareo, BSB BSB: Therefore, stop boasting in men. All things are yours,
22 ULB na Paoly, na Apolosy, na Kefasy, na izao tontolo izao, na fiainana, na fahafatesana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy. Ny zava-drehetra dia anareo, BSB BSB: whether Paul or Apollos or Cephas or the world or life or death or the present or the future. All of them belong to you,
23 ULB ary ianareo dia an'i Kristy, ary Kristy dia an'Andriamanitra. BSB BSB: and you belong to Christ, and Christ belongs to God.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.