1 ULB Rehefa misy iray aminareo manana ady amin'iray hafa, sahy handeha any amin'ny fitsarana eo anatrehan'ny mpitsara tsy mpino ve izy, fa tsy eo anatrehan'ireo mpino? BSB BSB: If any of you has a grievance against another, how dare he go to law before the unrighteous instead of before the saints!
2 ULB Moa tsy fantatrareo ve fa ireo mpino no hitsara an'izao tontolo izao? Raha izany, ianareo no hitsara an'izao tontolo izao, moa tsy mahavita mandamina raharaha madinika ve ianareo? BSB BSB: Do you not know that the saints will judge the world? And if you are to judge the world, are you not competent to judge trivial cases?
3 ULB Moa tsy fantatrareo ve fa hitsara ireo anjely isika? Toy ny ahoana, noho izany, ny fihoaran'ny fahafahantsika mitsara ireo raharaha amin'ity fiainana ity? BSB BSB: Do you not know that we will judge angels? How much more the things of this life!
4 ULB Raha toa ary ka afaka mitsara ny zavatra izay miseho amin'ny andavanandrom-piainana ianao, nahoana ianao no mametraka karazana tranga tahaka izany eo anatrehan'ireo izay tsinontsinona ao amin'ny fiangonana? BSB BSB: So if you need to settle everyday matters, do you appoint as judges those of no standing in the church?
5 ULB Hahamenatra anareo no hilazako izany. Moa ve tsy mba misy ampy fahendrena na dia iray akory aza eo aminareo handamina ny disadisa eo amin'ny mpirahalahy? BSB BSB: I say this to your shame. Is there really no one among you wise enough to arbitrate between his brothers?
6 ULB Fa kosa, misy mpino iray mandeha mifanatrika amin'ny mpino hafa eo amin'ny fitsarana, ary izany raharaha izany dia hapetraka eo anatrehan'ny mpitsara izay tsy mpino! BSB BSB: Instead, one brother goes to law against another, and this in front of unbelievers!
7 ULB Ny fisian'ny ady eo aminareo Kristiana rehetra dia efa faharesena ho anareo sahady. Fa tsy aleo ve mijaly amin'ny fahadisoana? Fa tsy aleo ve avela ho voafitaka ny tenanareo? BSB BSB: The very fact that you have lawsuits among you means that you are thoroughly defeated already. Why not rather be wronged? Why not rather be cheated?
8 ULB Fa ianareo dia nandiso sy namitaka ireo hafa, ary dia rahalahinareo ihany izy ireo! BSB BSB: Instead, you yourselves cheat and do wrong, even against your own brothers!
9 ULB Moa ve tsy fantatrareo fa ny tsy marina dia tsy handova ny Fanjakan'Andriamanitra? Aza mino lainga. Ireo vetaveta, ireo mpanompo sampy, ireo mpijangajanga, ireo lehilahy mpivaro-tena, ireo izay miara-mandry amin'ny samy lehilahy, BSB BSB: Do you not know that the wicked will not inherit the kingdom of God? Do not be deceived: Neither the sexually immoral, nor idolaters, nor adulterers, nor men who submit to or perform homosexual acts,
10 ULB ireo mpangalatra, ireo tsy mahalala onona, ireo mpimamo, ireo mpanaratsy, ireo mpanao an-keriny—tsy misy iray amin'izy ireo handova ny fanjakan'Andriamanitra. BSB BSB: nor thieves, nor the greedy, nor drunkards, nor verbal abusers, nor swindlers, will inherit the kingdom of God.
11 ULB Toy izany ny sasany aminareo. Fa efa voadio ianareo, nohamasinina ianareo, ary voamarina teo amin'Andriamanitra ianareo tamin'ny anaran'ny Tompo Jesosy Kristy sy tamin'ny Fanahin'Andriamanitsika. BSB BSB: And that is what some of you were. But you were washed, you were sanctified, you were justified, in the name of the Lord Jesus Christ and by the Spirit of our God.
12 ULB "Ny zavatra rehetra dia ara-dalàna amiko," fa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa. "Ny zavatra rehetra dia ara-dalàna amiko," fa tsy ho andevozin'ny iray amin'ireo aho. BSB BSB: “Everything is permissible for me,” but not everything is beneficial. “Everything is permissible for me,” but I will not be mastered by anything.
13 ULB "Ny hanina dia ho an'ny kibo, ary ny kibo natao ho an'ny hanina," fa Andriamanitra dia hanafoana azy roa ireo. Ny vatana dia tsy natao ho an'ny fijangajangana. Fa kosa, ny vatana dia natao ho an'ny Tompo, ary ny Tompo dia hanome ho an'ny vatana. BSB BSB: “Food for the stomach and the stomach for food,” but God will destroy them both. The body is not intended for sexual immorality, but for the Lord, and the Lord for the body.
14 ULB Andriamanitra dia efa nanangana ny Tompo sady hanangana antsika amin'ny heriny koa. BSB BSB: By His power God raised the Lord from the dead, and He will raise us also.
15 ULB Moa tsy fantatrareo ve fa ny tenanareo dia rantsam-batan'i Kristy? Ka ho entiko ve izany ireo rantsam-batan'i Kristy ary hampiray azy ireo amin'ny mpivaro-tena? Tsy hisy anie izany! BSB BSB: Do you not know that your bodies are members of Christ? Shall I then take the members of Christ and unite them with a prostitute? Never!
16 ULB Moa tsy fantatrareo ve fa izay miray amin'ny mpivaro-tena dia lasa nofo iray aminy? Tahaka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe: "Ho nofo iray ihany izy roa." BSB BSB: Or don’t you know that he who unites himself with a prostitute is one with her in body? For it is said, “The two will become one flesh.”
17 ULB Fa izy izay miray amin'ny Tompo dia lasa fanahy iray Aminy. BSB BSB: But he who unites himself with the Lord is one with Him in spirit.
18 ULB Hialao ny fijangajangana! Ny fahotana rehetra hafa izay ataon'ny olona dia ivelan'ny tena, fa ny olona mpijangajanga dia manota ho amin'ny tenany ihany. BSB BSB: Flee from sexual immorality. Every other sin a man can commit is outside his body, but he who sins sexually sins against his own body.
20 ULB Fa olom-boavidy ianareo. Noho izany dia mankalazà an' Andriamanitra amin'ny tenanareo. BSB BSB: you were bought at a price. Therefore glorify God with your body.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.