1 ULB Ary mahakasika ireo olana izay nosoratanareo momban'ny hoe: "Tsara ho an'ny lehilahy ny tsy mikasika vehivavy." BSB BSB: Now for the matters you wrote about: It is good to abstain from sexual relations.
2 ULB Nefa noho ireo fakam-panahy amin'ny fahavetavetana maro isan-karazany, dia tokony hanana ny vadiny manokana avy ny lehilahy tsirairay, ary ny vehivavy tsirairay dia tokony hanana ny vadiny manokana avy. BSB BSB: But because there is so much sexual immorality, each man should have his own wife, and each woman her own husband.
3 ULB Ny lehilahy dia tokony hanome ireo zo ara-panambadiana ho an'ny vadiny, ary toy izany koa ny vehivavy ho an'ny vadiny. BSB BSB: The husband should fulfill his marital duty to his wife, and likewise the wife to her husband.
4 ULB Tsy ny vehivavy no manana fahefana amin'ny vatany manokana, fa ny vadiny. Toy izany koa, tsy ny lehilahy no manana fahefana amin'ny vatany manokana, fa ny vadiny no manana. BSB BSB: The wife does not have authority over her own body, but the husband. Likewise the husband does not have authority over his own body, but the wife.
5 ULB Aza mifanakatsakana ianareo tsirairay, afa-tsy amin'ny fifanarahana nifanaovana ary amin'ny fotoana voatokana. Ataovy izany mba hafahanareo manokan-tena amin'ny vavaka. Avy eo dia tokony hiara-hatory indray ianareo, mba tsy hafahan'ny Satana maka fanahy anareo nohon'ny tsy fanananareo fifehezan-tena. BSB BSB: Do not deprive each other, except by mutual consent and for a time, so you may devote yourselves to prayer. Then come together again, so that Satan will not tempt you through your lack of self-control.
6 ULB Kanefa izaho dia milaza ireo zavatra ireo aminareo am-pahalalahana fa tsy didy akory. BSB BSB: I say this as a concession, not as a command.
8 ULB Ho an'ireo izay tsy manambady sy ireo mpitondratena dia miteny aho fa tsara ho azy ireo raha mijanona tsy manambady izy ireo, tahaka ahy. BSB BSB: Now to the unmarried and widows I say this: It is good for them to remain unmarried, as I am.
9 ULB Kanefa izy ireo raha tsy afaka mamehy tena, dia tokony hanambady. Satria tsara kokoa ho azy ireo ny manambady toy izay ampirehetin'ny filàna ara-nofo. BSB BSB: But if they cannot control themselves, let them marry. For it is better to marry than to burn with passion.
10 ULB Ary ho an'ireo izay manambady dia manome izao didy izao aho—tsy izaho, fa ny Tompo—ny vehivavy dia tsy tokony hisaraka amin'ny vadiny, BSB BSB: To the married I give this command (not I, but the Lord): A wife must not separate from her husband.
11 ULB (fa raha toa izy ka misaraka amin'ny vadiny, dia tokony hijanona tsy hanambady na koa miverina mihavana amin'ny vadiny) —ary ny lehilahy dia tsy tokony hisaraka amin'ny vadiny. BSB BSB: But if she does, she must remain unmarried or else be reconciled to her husband. And a husband must not divorce his wife.
12 ULB Fa ho an'ny sisa dia milaza aho—izaho, fa tsy ny Tompo—hoe raha misy rahalahy iray manana vady tsy mpino, ary raha mahafaly azy ny miara-miaina aminy, dia tsy tokony hisaraka amin'ny vadiny izy. BSB BSB: To the rest I say this (I, not the Lord): If a brother has an unbelieving wife and she is willing to live with him, he must not divorce her.
13 ULB Raha ny vehivavy iray no manana vady tsy mpino, ary raha mahafaly azy ny miara-miaina aminy, dia tsy tokony hisaraka amin'ny vadiny izy. BSB BSB: And if a woman has an unbelieving husband and he is willing to live with her, she must not divorce him.
14 ULB Satria ny lehilahy tsy mpino dia natokana noho ny amin'ny vadiny, ary ny vehivahy tsy mpino dia natokana nohon'ny amin'ny rahalahy. Fa raha tsy izany dia ho maloto ny zanakareo, nefa raha ny marina dia efa voatokana izy ireo. BSB BSB: For the unbelieving husband is sanctified through his believing wife, and the unbelieving wife is sanctified through her believing husband. Otherwise your children would be unclean, but now they are holy.
15 ULB Fa raha ny vady tsy kristianina no mandao, avelao izy andeha. Amin'ny toe-javatra toy izany, ny rahalahy na ny rahavavy dia tsy voafatotr'ireo voadin'izy ireo. Andriamanitra dia niantso antsika mba hiaina am-piadanana. BSB BSB: But if the unbeliever leaves, let him go. The believing brother or sister is not bound in such cases. God has called you to live in peace.
16 ULB Fa amin'ny fomba ahoana no ahalalanao, ry vehivavy, raha ho voavonjinao ny vadinao? Na amin'ny fomba ahoana no ahalalanao, ry lehilahy, raha ho voavonjinao ny vadinao? BSB BSB: How do you know, wife, whether you will save your husband? Or how do you know, husband, whether you will save your wife?
17 ULB Fa avelao fotsiny ny tsirairay avy hiaina ny fiainana izay efa nanendren'ny Tompo azy, ary araka ny efa niantsoan'Andriamanitra azy. Io no fitsipiko ao amin'ny fiangonana rehetra. BSB BSB: Regardless, each one should lead the life that the Lord has assigned to him and to which God has called him. This is what I prescribe in all the churches.
18 ULB Efa voafora ve ny olona iray rehefa nantsoina mba hino? Izy dia tsy tokony hiezaka ny hisehoseho tahaka ny tsy voafora. Tsy voafora ve ny olona iray rehefa nantsoina ho amin'ny finoana? Tsy tokony ho foraina izy. BSB BSB: Was a man already circumcised when he was called? He should not become uncircumcised. Was a man still uncircumcised when called? He should not be circumcised.
20 ULB Ny tsirairay avy dia tokony hijanona amin'ny fiantsoana izay nisy azy rehefa nantsoin'Andriamanitra mba hino izy. BSB BSB: Each one should remain in the situation he was in when he was called.
21 ULB Andevo ve ianao fony Andriamanitra niantso anao? Aza miahiahy ny amin'izany. Fa raha mety ho afaka ianao, dia araraoty izany. BSB BSB: Were you a slave when you were called? Do not let it concern you—but if you can gain your freedom, take the opportunity.
22 ULB Satria ny olona iray izay nantsoin'ny Tompo ho andevo dia olona afaky ny Tompo. Toy izany koa ny olona izay afaka fony izy nantsoina mba hino dia andevon'i Kristy. BSB BSB: For he who was a slave when he was called by the Lord is the Lord’s freedman. Conversely, he who was a free man when he was called is Christ’s slave.
23 ULB Ianareo dia voavidy, noho izany dia aza tonga toy ireo andevon'ny olona. BSB BSB: You were bought at a price; do not become slaves of men.
24 ULB Ry rahalahy, na inona na inona fiainana nisy antsika tsirairay fony isika nantsoina mba hino, dia aoka isika hijanona ho toy izany. BSB BSB: Brothers, each one should remain in the situation he was in when God called him.
25 ULB Ary mahakasika ireo izay tsy nanambady mihitsy, izaho dia tsy manana didy avy any amin'ny Tompo. Nefa izaho dia manome ny hevitro tahaka ny iray izay, amin'ny alalan'ny famindram-pon'ny Tompo, dia mendri-pitokisana. BSB BSB: Now about virgins, I have no command from the Lord, but I give a judgment as one who by the Lord’s mercy is trustworthy.
26 ULB Noho izany, mieritreritra aho fa nohon' ny loza izay ho avy, dia tsara ho an'ny lehilahy ny mijanona amin'ny maha izy azy. BSB BSB: Because of the present crisis, I think it is good for a man to remain as he is.
27 ULB Voafatotra amin'ny vehivavy ve ianareo? Aza mitady ny ho afaka aminy. Afaka amin'ny vadinao ve ianao? Aza mitady vady. Nefa raha manambady ianareo, dia tsy nanota. BSB BSB: Are you committed to a wife? Do not seek to be released. Are you free of commitment? Do not look for a wife.
28 ULB Raha ny vehivavy tsy manambady no manambady, dia tsy nanota izy. Nefa ireo izay manambady dia hanana karazan'olana maro raha mbola velona, ary izaho dia te hanala anareo amin'izany. BSB BSB: But if you do marry, you have not sinned. And if a virgin marries, she has not sinned. But those who marry will face troubles in this life, and I want to spare you this.
29 ULB Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Fohy ny fotoana. Manomboka izao, aleo ireo izay efa manam-bady hiaina ho tahaka ny tsy manana. BSB BSB: What I am saying, brothers, is that the time is short. From now on those who have wives should live as if they had none;
30 ULB Ireo izay mitomany dia tokony hanao ho tahaka ny tsy mitomany, ireo izay mifaly ho tahaka ny tsy mifaly, ary ireo izay mividy ho tahaka ny tsy manana na inona na inona; BSB BSB: those who weep, as if they did not; those who are joyful, as if they were not; those who make a purchase, as if they had nothing;
31 ULB ary ireo izay mampiasa izao tontolo izao dia tsy tokony hanao tahaka ny mampiasa izany tanteraka. Satria izao tontolo izao amin'ny endriny ankehitriny dia ho tonga amin'ny fiafarana. BSB BSB: and those who use the things of this world, as if not dependent on them. For this world in its present form is passing away.
32 ULB Tiako ianareo ho afaka amin'ireo ahiahy. Ny lehilahy tsy manambady dia miahiahy ny amin'ny ireo zavatry ny Tompo, ny amin'ny fomba hampifaliana Azy. BSB BSB: I want you to be free from concern. The unmarried man is concerned about the work of the Lord, how he can please the Lord.
33 ULB Fa ny lehilahy manambady dia miahiahy ny amin'ny zavatr'izao tontolo izao, ny amin'ny fomba hampifaliana ny vadiny— BSB BSB: But the married man is concerned about the affairs of this world, how he can please his wife,
34 ULB mizarazara izy. Ny vehivavy tsy manambady na virijiny dia miahiahy ny amin'ny zavatry ny Tompo, ny amin'ny fomba hanokanana amin'ny tena sy ny fanahy. Fa ny vehivavy manambady dia miahiahy ny amin'ny zavatr'izao tontolo izao, ny amin'ny fomba hampifaliana ny vadiny. BSB BSB: and his interests are divided. The unmarried woman or virgin is concerned about the work of the Lord, how she can be holy in both body and spirit. But the married woman is concerned about the affairs of this world, how she can please her husband.
35 ULB Lazaiko izany ho an'ny tombotsoanareo manokana, fa tsy hametraka izay rehetra sakantsakana eo aminareo. Milaza izany aho noho izay marina, amin'izay ianareo mba hanolo-tena ho an'ny Tompo tsy misy fanelingelenana. BSB BSB: I am saying this for your own good, not to restrict you, but in order to promote proper decorum and undivided devotion to the Lord.
36 ULB Nefa raha misy olona iray mihevitra fa tsy mitondra ny fofom-badiny am-panajana—raha mihoatra ny taonan'ny fanambadiana ilay vehivavy ary tsy maintsy toy izany—dia tokony hanao izay tiany izy. Tsy manota izy. Tokony hivady izy ireo. BSB BSB: However, if someone thinks he is acting inappropriately toward his betrothed, and if she is beyond her youth and they ought to marry, let him do as he wishes; he is not sinning; they should get married.
37 ULB Nefa raha nikasa tsara tao am-pony izy, raha toa ka tsy ambany faneriterena fa afaka mifehy ny sitrapony manokana, ary raha nanapa-kevitra tao am-pony izy ny hanao izany, mba hitazomana ny fofombadiny ho virijiny, dia tsara ny ataony. BSB BSB: But the man who is firmly established in his heart and under no constraint, with control over his will and resolve in his heart not to marry the virgin, he will do well.
38 ULB Koa izay manambady ny fofombadiny dia manao ny tsara, ary izay misafidy ny tsy hanambady dia hanao ny tsaratsara kokoa aza. BSB BSB: So then, he who marries the virgin does well, but he who does not marry her does even better.
39 ULB Ny vehivavy dia voafatotry ny vadiny raha mbola velona ralehilahy. Fa raha maty ny vadiny, dia malalaka tsara izy ny hanambady izay tiany ho vadiana, nefa ao amin'ny Tompo ihany. BSB BSB: A wife is bound to her husband as long as he lives. But if her husband dies, she is free to marry anyone she wishes, as long as he belongs to the Lord.
40 ULB Nefa amin'ny fitsarako dia tokony ho faly kokoa izy raha miaina amin'izao ihany. Ary heveriko fa izaho ihany koa dia manana ny Fanahin' Andriamanitra. BSB BSB: In my judgment, however, she is happier if she remains as she is. And I think that I too have the Spirit of God.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.