1 ULB Ary mahakasika ny hanina atao sorona ho an'ny sampy—fantantsika fa: "Isika rehetra dia manam-pahalalana." Ny fahalalana mampirehareha, fa ny fitiavana manangana. BSB BSB: Now about food sacrificed to idols: We know that we all have knowledge. Knowledge puffs up, but love builds up.
2 ULB Raha misy olona iray mihevitra ny tenany fa mahafanta-javatra, dia mbola tsy mahafantatra araka izay tokony hahafantarany akory izany olona izany. BSB BSB: The one who thinks he knows something does not yet know as he ought to know.
3 ULB Fa raha misy olona iray tia an'Andriamanitra, dia fantany izany olona izany. BSB BSB: But the one who loves God is known by God.
5 ULB Fa mety misy ireo mody antsoina hoe andriamanitra, na any an-danitra na ety an-tany, toy ny hamaron'ireo "andriamanitra" sy ny hamaron'ireo "tompo." BSB BSB: For even if there are so-called gods, whether in heaven or on earth (as there are many so-called gods and lords),
6 ULB Fa ho antsika, "Iray ihany no Andriamanitra dia ilay Ray, izay avy aminy ny zavatra rehetra, ary Izy no antony hivelomantsika, ary iray no Tompo Jesosy Kristy, izay tamin'ny alalany no nisian'ny zavatra rehetra, ary tamin'ny alalany no nisiantsika." BSB BSB: yet for us there is but one God, the Father, from whom all things came and for whom we exist. And there is but one Lord, Jesus Christ, through whom all things came and through whom we exist. 7 ULB Na izany aza, izany fahalalana izany dia mbola tsy ao amin'ny tsirairay. Fa kosa, ny sasany teo aloha dia nampihatra ny fanompoan-tsampy, dia nihinana izany sakafo izany toy ny hoe zavatra natao sorona ho an'ny sampy izany. Noho izany dia simba ny fieritreretan'izy ireo satria malemy izany. BSB BSB: But not everyone has this knowledge. Some people are still so accustomed to idols that they eat such food as if it were sacrificed to an idol. And since their conscience is weak, it is defiled.
8 ULB Fa tsy ny hanina no hanolotra antsika eo amin'Andriamanitra. Fa tsy ratsy indrindra isika raha tsy mihinana, na koa hoe tsara kokoa raha mihinana izany. BSB BSB: But food does not bring us closer to God: We are no worse if we do not eat, and no better if we do.
9 ULB Tandremo mba tsy ny fahalalanareo no antony hahatonga ireo olona osa ara-pinoana ho tafintohina. BSB BSB: Be careful, however, that your freedom does not become a stumbling block to the weak.
10 ULB Fa ataovy toy ny hoe misy mahita ianao, izay manam-pahalalana, mihinana ny sakafo ao amin'ny tempolin'ny sampy. Tsy ny fahalemen'ny fieritreretany ve no nasahiany hihinana izay natolotra ho an'ny sampy? BSB BSB: For if someone with a weak conscience sees you who are well informed eating in an idol’s temple, will he not be encouraged to eat food sacrificed to idols?
11 ULB Koa nohon'ny fahalalanao ny toetra marina momba ny sampy, dia very ilay rahalahy malemy finoana iray, izay nahafatesan'i Kristy. BSB BSB: So this weak brother, for whom Christ died, is destroyed by your knowledge.
12 ULB Noho izany, rehefa manota amin'ny rahalahinareo ianareo ka mandratra ny saina malemin'izy ireo, dia manota manohitra an'i Kristy ianareo. BSB BSB: By sinning against your brothers in this way and wounding their weak conscience, you sin against Christ.
13 ULB Noho izany, raha ny sakafo no mahatonga ny rahalahiko ho tafintohina, dia tsy hihinan-kena intsony aho, mba tsy avy amiko no hahalavo ny rahalahiko. BSB BSB: Therefore, if what I eat causes my brother to stumble, I will never eat meat again, so that I will not cause him to stumble.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.