1 ULB Na iza na iza mino fa i Jesosy no Kristy dia naterak'Andriamanitra, ary na iza na iza tia ny Ray ihany koa dia tia ny zanaka naterany. BSB BSB: Everyone who believes that Jesus is the Christ has been born of God, and everyone who loves the Father also loves those born of Him.
2 ULB Noho izany no ahafantarantsika fa tiantsika ireo zanak'Andriamanitra: rehefa tia an'Andriamanitra sy manatanteraka ireo didiny isika. BSB BSB: By this we know that we love the children of God: when we love God and keep His commandments.
3 ULB Satria izany no fitiavana ho an'Andriamanitra: dia ny hanatanterahantsika ireo didiny. Ary ireo didiny dia tsy mavesatra. BSB BSB: For this is the love of God, that we keep His commandments. And His commandments are not burdensome,
4 ULB Fa ny olona rehetra izay naterak'Andriamanitra dia mandresy an'izao tontolo izao. Ary izany dia fandresena izay efa nandresy an'izao tontolo izao: ny finoantsika. BSB BSB: because everyone born of God overcomes the world. And this is the victory that has overcome the world: our faith.
5 ULB Iza ilay iray izay mandresy an'izao tontolo izao? Ilay iray izay mino fa i Jesosy dia Zanak'Andriamanitra. BSB BSB: Who then overcomes the world? Only he who believes that Jesus is the Son of God.
6 ULB Izany dia ilay Iray izay tonga tamin'ny rano sy rà: Jesosy Kristy. Izy dia tonga tsy tamin'ny rano ihany, fa tamin'ny rano sy rà. BSB BSB: This is the One who came by water and blood, Jesus Christ—not by water alone, but by water and blood. And it is the Spirit who testifies to this, because the Spirit is the truth.
7 ULB Fa misy telo izay mijoro vavolombelona: BSB BSB: For there are three that testify:
8 ULB ny Fanahy, ny rano, ary ny rà. Ireo telo ireo dia mifanaraka. BSB BSB: the Spirit, the water, and the blood—and these three are in agreement.
9 ULB Raha mandray ny fijoroana vavolombelon'ny olona isika, dia ho lehibe kokoa ny fijoroana vavolombelon'Andriamanitra. Fa ny fijoroana vavolombelon'Andriamanitra dia izao: izy dia mijoro vavolombelona mahakasika ny Zanany. BSB BSB: Even if we accept human testimony, the testimony of God is greater. For this is the testimony that God has given about His Son.
10 ULB Na iza na iza mino ny Zanak'Andriamanitra dia manana fijoroana vavolombelona ao amin'izy tenany. Izay tsy mino an'Andriamanitra dia manao Azy ho mpandainga, satria izy dia tsy nino ny fijoroana vavolombelona izay efa nomen'Andriamanitra mahakasika ny Zanany. BSB BSB: Whoever believes in the Son of God has this testimony within him; whoever does not believe God has made Him out to be a liar, because he has not believed in the testimony that God has given about His Son.
12 ULB Ilay iray izay manana ny Zanaka dia manana ny fiainana. Ny olona izay tsy manana ny Zanak'Andriamanira dia tsy manana fiainana. BSB BSB: Whoever has the Son has life; whoever does not have the Son of God does not have life.
14 ULB Toy izany ihany koa, izao no fifanekena izay ananantsika eo anatrehany, fa na inona na inona angatahantsika araka ny sitrapony, dia maheno antsika Izy. BSB BSB: And this is the confidence that we have before Him: If we ask anything according to His will, He hears us.
15 ULB Toy izany ihany koa, raha fantantsika fa mandre antsika Izy- na inona na inona angatahantsika Aminy-dia fantantsika fa azontsika izay rehetra nangatahantsika taminy. BSB BSB: And if we know that He hears us in whatever we ask, we know that we already possess what we have asked of Him.
16 ULB Raha misy olona iray mahita ny rahalahiny manao fahotana izay tsy miteraka fahafatesena, tsy maintsy mivavaka izy, ary Andriamanitra dia hanome fiainana ho azy. Izaho dia mampitaha ireo izay manana fahotana tsy miteraka fahafatesana. Misy fahotana izay miteraka fahafatesana; tsy miteny aho hoe tokony hivavaka amin'izany izy. BSB BSB: If anyone sees his brother committing a sin not leading to death, he should ask God, who will give life to those who commit this kind of sin. There is a sin that leads to death; I am not saying he should ask regarding that sin.
17 ULB Ny tsy fahamarinana rehetra dia fahotana, nefa misy fahotana tsy miteraka fahafatesana. BSB BSB: All unrighteousness is sin, yet there is sin that does not lead to death.
18 ULB Fantantsika fa na iza na iza naterak'Andriamanitra dia tsy manota. Nefa ilay iray izay naterak'Andriamanitra dia miaro ny tenany, ary ny ratsy dia tsy afaka ny ahakasika azy. BSB BSB: We know that anyone born of God does not keep on sinning; the One who was born of God protects him, and the evil one cannot touch him.
19 ULB Fantantsika fa avy amin'Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao dia mitoetra ao amin'ny ratsy. BSB BSB: We know that we are of God, and that the whole world is under the power of the evil one.
20 ULB Kanefa fantantsika fa ny Zanak'Andriamanitra dia efa tonga ary efa nanome antsika fahazavan-tsaina mba ahafantarantsika ilay iray izay tena marina. Toy izany ihany koa, isika dia ao amin'ilay iray izay marina, ao amin'i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina ary fiainana mandrakizay. BSB BSB: And we know that the Son of God has come and has given us understanding, so that we may know Him who is true; and we are in Him who is true—in His Son Jesus Christ. He is the true God and eternal life.
21 ULB Anaka, arovy amin'ireo sampy ny tenanareo. BSB BSB: Little children, keep yourselves from idols.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.