1 ULB Rehefa tena antitra i Davida Mpanjaka, dia norakofan'izy ireo tamin'ny bodofotsy izy, kanefa tsy nety nahazo hafanana. BSB BSB: Now King David was old and well along in years, and though they covered him with blankets, he could not keep warm.
2 ULB Ka hoy ireo mpanompony taminy: "Aoka isika hitady tovovavy virijiny ho an'ny mpanjaka tompontsika. Aoka izy hanompo ny mpanjaka sy hikarakara azy. Aoka izy handry eo an-tsandriny mba hanafana ny mpanjaka tompontsika." BSB BSB: So his servants said to him, “Let us search for a young virgin for our lord the king, to attend to him and care for him and lie by his side to keep him warm.”
3 ULB Dia nitady zazavavy tsara tarehy eran'ny fari-tanin'Israely izy ireo. Nahita an'i Abisaga Sonemita izy ireo ka nitondra azy tany amin'ny mpanjaka. BSB BSB: Then they searched throughout Israel for a beautiful girl, and they found Abishag the Shunammite and brought her to the king.
4 ULB Tena tsara tarehy tokoa ilay zazavavy. Nanompo ny mpanjaka sy nikarakara azy izy, nefa tsy niray ara-nofo taminy ny mpanjaka. BSB BSB: The girl was unsurpassed in beauty; she cared for the king and served him, but he had no relations with her.
5 ULB Tamin'izany fotoana izany, i Adonia zanaka lahin'i Hagita dia nanandratra ny tenany, nanao hoe: "Izaho no ho mpanjaka." Ka nanomana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly niaraka tamin'ny dimampolo lahy mba handeha hialoha lalana azy izy. BSB BSB: At that time Adonijah, David’s son by Haggith, began to exalt himself, saying, “I will be king!” And he acquired chariots and horsemen and fifty men to run ahead of him.
6 ULB Ny rainy dia tsy mbola nanakorotan-tsaina azy, nanao hoe: "Nahoana ianao no nanao izao na izao?" I Adonia dia lehilahy tena tsara tarehy, teraka nanarakaraka an'i Absaloma. BSB BSB: (His father had never once reprimanded him by saying, “Why do you act this way?” Adonijah was also very handsome, born next after Absalom.)
7 ULB Nifampiresaka tamin'i Joaba zanak'i Zeroia sy tamin'i Abiatara mpisorona izy. Nanaraka an'i Adonia izy ireo ka nanampy azy. BSB BSB: So Adonijah conferred with Joab son of Zeruiah and with Abiathar the priest, who supported him.
8 ULB Fa Zadoka mpisorona, sy Benaia zanak'i Joiada, sy Natana mpaminany, Simey, Rey, ary ny lehilahy mahery izay an'i Davida kosa dia tsy mba nanaraka an'i Adonia. BSB BSB: But Zadok the priest, Benaiah son of Jehoiada, Nathan the prophet, Shimei, Rei, and David’s mighty men would not join Adonijah.
9 ULB Ary Adonia nanao sorona ondry aman'osy, omby ary zanak'omby mifahy teo akaikin'ny vaton'i Zoheleta, izay eo anilan'i En-rogela. Nasainy avokoa ny rahalahiny rehetra, ireo zanaka lahin'ny mpanjaka, ary ny lehilahin'i Joda rehetra, sy ireo mpanompon'ny mpanjaka. BSB BSB: And Adonijah sacrificed sheep, oxen, and fattened calves near the stone of Zoheleth, which is next to En-rogel. He invited all his royal brothers and all the men of Judah who were servants of the king.
10 ULB Saingy tsy nanasa an'i Natana mpaminany, sy Benaia ary ireo lehilahy mahery, na i Solomona rahalahiny izy. BSB BSB: But he did not invite Nathan the prophet, Benaiah, the mighty men, or his brother Solomon.
11 ULB Ary Natana niteny tamin'i Batseba renin'i Solomona, nanao hoe: "Mbola tsy renao ve fa lasa mpanjaka i Adonia zanaka lahin'i Hagita, ary tsy mahafantatra izany i Davida tompontsika? BSB BSB: Then Nathan said to Bathsheba the mother of Solomon, “Have you not heard that Adonijah son of Haggith has become king, and our lord David does not know it?
12 ULB Noho izany dia avelao aho hanoro hevitra anao izao, mba hamonjenao ny ainao sy ny ain'i Solomona zanaka lahinao. BSB BSB: Now please, come and let me advise you. Save your own life and the life of your son Solomon.
13 ULB Mandehana mankany amin'i Davida mpanjaka; lazao aminy hoe: 'Ry mpanjaka tompoko, moa ve ianao tsy nianiana tamin'ny mpanomponao, nanao hoe: "Azo antoka tokoa fa i Solomona zanakao lahy no hanjaka handimby ahy, ary hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako izy?" Koa nahoana no Adonia no manjaka?' BSB BSB: Go at once to King David and say, ‘My lord the king, did you not swear to your maidservant, “Surely your son Solomon will reign after me, and he will sit on my throne”? Why then has Adonijah become king?’
14 ULB Raha mbola miresaka amin'ny mpanjaka eny ianao, dia ho avy ao aorianao aho ary hanamafy ireo teninao." BSB BSB: Then, while you are still there speaking with the king, I will come in after you and confirm your words.”
15 ULB Ka nankao amin'ny efitranon'ny mpanjaka i Batseba. Efa tena antitra ny mpanjaka, ary Abisaga Sonemita no nanompo ny mpanjaka. BSB BSB: So Bathsheba went to see the king in his bedroom. Since the king was very old, Abishag the Shunammite was serving him.
16 ULB Nanondrika ny tenany sy nandohalika teo anatrehan'ny mpanjaka i Batseba. Dia hoy ny mpanjaka hoe: "Inona no irianao?" BSB BSB: And Bathsheba bowed down in homage to the king, who asked, “What is your desire?”
17 ULB Dia hoy izy taminy: "Ry Tompoko, ianao nianiana tamin'ny mpanomponao tamin'ny alalan'i Yaveh Andriamanitrao, nilaza hoe: 'Azo antoka tokoa fa i Solomona zanaka lahinao no hanjaka handimby ahy, ary hipetraka eto amin'ny seza fiandrianako izy.' BSB BSB: “My lord,” she replied, “you yourself swore to your maidservant by the LORD your God: ‘Surely your son Solomon will reign after me, and he will sit on my throne.’
18 ULB Ankehitriny, indro, Adonia no mpanjaka, ary ianao, ry mpanjaka tompoko, dia tsy mahafantatra izany. BSB BSB: But now, behold, Adonijah has become king, and you, my lord the king, do not know it.
19 ULB Nanao sorona omby, zanak'omby mifahy, sy ondry aman'osy maro dia maro izy, ary nanasa ireo zanaka lahin'ny mpanjaka rehetra, Abiatara mpisorona, ary Joaba kapitenin'ny tafika, kanefa tsy nanasa an'i Solomona mpanomponao izy. BSB BSB: And he has sacrificed an abundance of oxen, fattened calves, and sheep, and has invited all the other sons of the king, as well as Abiathar the priest and Joab the commander of the army. But he has not invited your servant Solomon.
20 ULB Fa raha ny aminao, ry mpanjaka tompoko, ny mason'ny Israely rehetra dia eo aminao, miandry anao mba hilaza amin'izy ireo hoe iza no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianana handimby anao, ry tompoko. BSB BSB: And as for you, my lord the king, the eyes of all Israel are upon you to tell them who will sit on the throne of my lord the king after him.
21 ULB Fa raha tsy izany, dia heverina ho tahaka ny mpanao meloka izaho sy Solomona zanako, rehefa hodimandry miaraka amin'ireo razany ny mpanjaka tompoko." BSB BSB: Otherwise, when my lord the king rests with his fathers, I and my son Solomon will be counted as criminals.”
22 ULB Ary raha mbola niresaka tamin'ny mpanjaka izy, dia niditra i Natana mpaminany. BSB BSB: And just then, while Bathsheba was still speaking with the king, Nathan the prophet arrived.
23 ULB Ireo mpanompo niteny tamin'ny mpanjaka hoe: "Io i Natana mpaminany." Rehefa nandroso teo anoloan'ny mpanjaka izy, dia nampiankohoka ny tenany teo anatrehan'ny mpanjaka no sady nihohoka tamin'ny tany ny tavany. BSB BSB: So the king was told, “Nathan the prophet is here.” And Nathan went in and bowed facedown before the king.
24 ULB Hoy i Natana: "Ry mpanjaka tompoko, nilaza ve ianao hoe: 'I Adonia no hanjaka handimby ahy, ary hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako izy?' BSB BSB: “My lord the king,” said Nathan, “did you say, ‘Adonijah will reign after me, and he will sit on my throne’?
25 ULB Satria nandeha nidina izy androany ary nanao sorona omby, sy zanak'omby mifahy, ary ondry aman'osy maro dia maro, sy nanasa ny zanaky ny mpanjaka rehetra, ireo kapitenin'ny tafika, ary Abiatara mpisorona. Mihinana sy misotro eo anoloany izy ireo, ka miteny hoe: "Ho ela velona anie i Adonia mpanjaka!" BSB BSB: For today he has gone down and sacrificed an abundance of oxen, fattened calves, and sheep, and has invited all the sons of the king, the commanders of the army, and Abiathar the priest. And behold, they are eating and drinking before him, saying, ‘Long live King Adonijah!’
26 ULB Fa izaho, mpanomponao, sy Zadoka mpisorona, Benaia zanaka lahin'i Joiada, ary Solomona mpanomponao, dia tsy nasainy izahay. BSB BSB: But me your servant he has not invited, nor Zadok the priest, nor Benaiah son of Jehoiada, nor your servant Solomon.
27 ULB Dia nanao izany ka tsy niteny taminay, mpanomponao, izay tokony hipetraka eo amin'ny seza fiandrianana handimby azy ve ny mpanjaka tompoko?" BSB BSB: Has my lord the king let this happen without informing your servant who should sit on the throne after my lord the king?”
28 ULB Dia namaly i Davida mpanjaka ka nanao hoe: "Antsoy hiverina eto amiko i Batseba." Dia niditra teo anatrehan'ny mpanjaka izy ary nitsangana teo anoloan'ny mpanjaka. BSB BSB: Then King David said, “Call in Bathsheba for me.” So she came into the king’s presence and stood before him.
29 ULB Nanao voady ny mpanjaka ka nanao hoe: "Raha mbola velona koa i Yaveh, izay nanafaka ahy tamin'ny olana rehetra, BSB BSB: And the king swore an oath, saying, “As surely as the LORD lives, who has redeemed my life from all distress,
30 ULB tahaka ny nanaovako voady taminao tamin'ny alalan'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, manao hoe: "Hanjaka handimby ahy i Solomona zanakao, ary hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako eo amin'ny toerako izy,' dia ho ataoko izany androany." BSB BSB: I will carry out this very day exactly what I swore to you by the LORD, the God of Israel: Surely your son Solomon will reign after me, and he will sit on my throne in my place.”
31 ULB Dia nanondrika ny tavany tamin'ny tany i Batseba, ary nampiankohoka ny tenany teo anoloan'ny mpanjaka nanao hoe: "Ho velona mandrakizay anie Davida mpanjaka tompoko!" BSB BSB: Bathsheba bowed facedown in homage to the king and said, “May my lord King David live forever!”
32 ULB Hoy i Davida mpanjaka hoe: "Antsoy hankaty amiko i Zadoka mpisorona, sy Natana mpaminany, ary Benaia zanak'i Joiada." Ka nankeo anatrehan'ny mpanjaka izy ireo. BSB BSB: Then King David said, “Call in for me Zadok the priest, Nathan the prophet, and Benaiah son of Jehoiada.” So they came before the king.
33 ULB Dia hoy ny mpanjaka tamin'izy ireo hoe: "Ento miaraka aminareo ny mpanompon'ny tomponareo, ary ampitaingeno ny apondrako i Solomona zanako lahy ka ento midina any Gihona izy. BSB BSB: “Take my servants with you,” said the king. “Set my son Solomon on my own mule and take him down to Gihon.
34 ULB Aoka i Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany hanosotra azy ho mpanjaka eo amin'ny Israely ary hitsoka ny trompetra ka anao hoe: "Ho ela velona anie i Solomona Mpanjaka!" BSB BSB: There Zadok the priest and Nathan the prophet are to anoint him king over Israel. You are to blow the ram’s horn and declare, ‘Long live King Solomon!’
35 ULB Dia hiakatra hanaraka azy ianareo, ka hiditra sy hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako izy; satria ho mpanjaka eo amin'ny toerako izy. Izaho efa nanendry azy ho mpitondra eo amin'ny Israely sy Joda." BSB BSB: Then you shall go up with him, and he is to come and sit on my throne and reign in my place. For I have appointed him ruler over Israel and Judah.”
36 ULB Dia namaly ny mpanjaka i Benaia zanak'i Joiada, ka nanao hoe: "Ho tanteraka anie izany! Ho hamafisin'Yaveh, Andriamanitry ny mpanjaka tompoko, anie izany. BSB BSB: “Amen,” replied Benaiah son of Jehoiada. “May the LORD, the God of my lord the king, so declare it.
37 ULB Tahaka ny nombàn'i Yaveh mpanjaka tompoko anie, no hanombàny an'i Solomona koa, ary hataony lehibe noho ny seza fiandrianan'i Davida mpanjaka tompoko ny seza fiandrianany." BSB BSB: Just as the LORD was with my lord the king, so may He be with Solomon and make his throne even greater than that of my lord King David.”
38 ULB Koa lasa nidina niaraka tamin'i Solomona nitaingina ny apondran'i Davida mpanjaka i Zadoka mpisorona, Natana mpaminany, Benaia zanak'i Joiada, sy ireo Keretita, ary ireo Peletita, nentin'izy ireo nidina tany Gihona izy. BSB BSB: Then Zadok the priest, Nathan the prophet, and Benaiah son of Jehoiada, along with the Cherethites and Pelethites, went down and set Solomon on King David’s mule, and they escorted him to Gihon. 39 ULB Naka ny tandroka misy menaka avy tao amin'ny lay i Zadoka mpisorona ary nanosotra an'i Solomona. Dia notsofin'izy ireo ny trompetra, ary hoy ny olona rehetra hoe: "Ho ela velona anie Solomona mpanjaka!" BSB BSB: Zadok the priest took the horn of oil from the tabernacle and anointed Solomon. Then they blew the ram’s horn, and all the people proclaimed, “Long live King Solomon!”
40 ULB Avy eo dia niakatra nanaraka azy ny vahoaka rehetra, ary nitsoka sodina ny vahoaka ary niravoravo tamin'ny fifaliana lehibe, ka nihozongozona nohon'ny feon'izy ireo ny tany. BSB BSB: All the people followed him, playing flutes and rejoicing with such a great joy that the earth was split by the sound.
41 ULB Ary i Adonia sy ireo vahiny rehetra izay niaraka taminy nandre izany rehefa avy nihinana izy ireo. Rehefa nandre ny feon'ny trompetra i Joaba, dia hoy izy hoe: "Maninona no misy tabataba eto amin'ny tanàna?" BSB BSB: Now Adonijah and all his guests were finishing their feast when they heard the sound of the ram’s horn. “Why is the city in such a loud uproar?” asked Joab.
42 ULB Raha mbola niteny izy, dia tonga i Jonatana zanak'i Abiatara mpisorona. Hoy i Adonia hoe: "Mandrosoa, fa lehilahy mendrika ianao ary mitondra vaovao mahafaly." BSB BSB: As he was speaking, suddenly Jonathan the son of Abiathar the priest arrived. “Come in,” said Adonijah, “for you are a man of valor. You must be bringing good news.”
43 ULB Dia namaly i Jonatana ka niteny tamin'i Adonia hoe: "Davida mpanjaka tompontsika efa nanao an'i Solomona ho mpanjaka, BSB BSB: “Not at all,” Jonathan replied. “Our lord King David has made Solomon king.
44 ULB ary ny mpanjaka efa naniraka an'i Zadoka mpisorona, Natana mpaminany, sy Benaia zanak'i Joiada, ary ireo Keretita sy ireo Peletita. Efa nampitaingenan'izy ireo ny ampondran'ny mpanjaka i Solomona. BSB BSB: And with Solomon, the king has sent Zadok the priest, Nathan the prophet, and Benaiah son of Jehoiada, along with the Cherethites and Pelethites, and they have set him on the king’s mule.
45 ULB Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany dia efa nanosotra azy ho mpanjaka tany Gihona, ary niakatra tamim-pifaliana avy tany, hany ka anaty tabataba ny tanàna. Izany no tabataba renao. BSB BSB: Zadok the priest and Nathan the prophet have anointed him king at Gihon, and they have gone up from there with rejoicing that rings out in the city. That is the noise you hear.
46 ULB Ary mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakana ihany koa i Solomona. BSB BSB: Moreover, Solomon has taken his seat on the royal throne.
47 ULB Fanampin'izany, dia tonga nitsodrano an'i Davida mpanjaka tompontsika ny mpanompon'ny mpanjaka, nanao hoe: "Hataon'Andriamanitrao tsara noho ny anaranao anie ny anaran'i Solomona, ary hataony lehibe noho ny seza fiandriananao anie ny seza fiandrianany.' Dia niankohoka teo am-pandriana ny mpanjaka. BSB BSB: The king’s servants have also gone to congratulate our lord King David, saying, ‘May your God make the name of Solomon more famous than your own name, and may He make his throne greater than your throne.’ And the king has bowed in worship on his bed,
48 ULB Dia hoy koa ny mpanjaka hoe: "Deraina anie Yaveh, ilay Andriamanitry ny Israely, izay nanome olona iray hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako amin'izao andro izao, ka afaka mahita izany ny masoko."' BSB BSB: saying, ‘Blessed be the LORD, the God of Israel! Today He has provided one to sit on my throne, and my eyes have seen it.’”
49 ULB Dia raiki-tahotra ireo vahinin'i Adonia rehetra. Dia nitsangana izy ireo ka samy nandeha tamin'ny lalany avy. BSB BSB: At this, all the guests of Adonijah arose in terror and scattered.
51 ULB Avy eo dia nambara tamin'i Solomona izany, nanao hoe: "Indro, matahotra an'i Solomona mpanjaka i Adonia, satria nihazona ireo tandroky ny alitara izy, nanao hoe, 'Aoka i Solomona mpanjaka hianiana amiko mialoha fa tsy hamono ny mpanompony amin'ny sabatra izy.'" BSB BSB: It was reported to Solomon: “Behold, Adonijah fears King Solomon, and he has taken hold of the horns of the altar, saying, ‘Let King Solomon first swear to me not to put his servant to the sword.’”
52 ULB Dia hoy i Solomona: "Raha haneho ny tenany ho lehilahy mendrika izy, na dia singam-bolony iray aza tsy ho latsaka amin'ny tany, fa raha faharatsiana kosa no hita ao aminy, dia ho faty izy." BSB BSB: And Solomon replied, “If he is a man of character, not a single hair of his will fall to the ground. But if evil is found in him, he will die.”
53 ULB Ka dia naniraka olona i Solomona mpanjaka, izay nitondra an'i Adonia nidina avy teo amin'ny alitara. Dia avy izy ka nandohalika teo amin'i Solomona Mpanjaka, ary hoy i Solomona taminy: "Mandehana any an-tranonao." BSB BSB: So King Solomon summoned Adonijah down from the altar, and he came and bowed down before King Solomon, who said to him, “Go to your home.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.