1 ULB Dia nirehitra tamin'Israely indray ny fahatezeran'i Yaveh, ka nataony nanohitra azy ireo i Davida nanao hoe: "Mandehana, isao Israely sy Joda." BSB BSB: Again the anger of the LORD burned against Israel, and He stirred up David against them, saying, “Go and take a census of Israel and Judah.”
2 ULB Niteny tamin'i Joaba mpifehy ny tafika, izay niaraka taminy ny mpanjaka hoe: "Mandehana manerana ny fokon'Israely rehetra, manomboka any Dana ka hatrany Beri-sheba, ary isao ny olona rehetra, mba hahafantarako ny fitambaran'ny isan'ireo lehilahy sahaza ho an'ny ady." BSB BSB: So the king said to Joab the commander of his army, who was with him, “Go now throughout the tribes of Israel from Dan to Beersheba and register the troops, so that I may know their number.”
3 ULB Hoy i Joaba tamin'ny mpanjaka hoe: "Afaka mampitombo ny isan'ny vahoaka injato ve Yaveh Andriamanitrao, ary afaka mijery ny fitrangan'izany ve ny mason'ny mpanjaka tompoko. Nefa nahoana no maniry izany ny mpanjaka tompoko?" BSB BSB: But Joab replied to the king, “May the LORD your God multiply the troops a hundred times over, and may the eyes of my lord the king see it. But why does my lord the king want to do such a thing?”
4 ULB Na dia izany aza, ny tenin'ny mpanjaka dia nanohitra an'i Joaba sy nanohitra ireo mpifehy ny tafika ny farany. Ka nivoaka teo amin'ny fanatrehan'ny mpanjaka i Joaba sy ireo mpifehy mba hanisa ny vahoakan'Israely. BSB BSB: Nevertheless, the king’s word prevailed against Joab and against the commanders of the army. So Joab and the commanders of the army departed from the presence of the king to register the troops of Israel.
5 ULB Niampita an'i Jordana ary nitoby tao akaikin'i Aroera, atsimon'ny tanàna any an-dohasaha izy ireo. Dia nandroso hatrany Gada ka hatrany Jazera izy ireo. BSB BSB: They crossed the Jordan and camped near Aroer, south of the town in the middle of the valley, and proceeded toward Gad and Jazer.
6 ULB Tonga tany Gileada sy tany amin'ny tanin'i Tatima-hodsy izy ireo, avy eo dia tany Danajana ary nanodidina hatrany Sidona. BSB BSB: Then they went to Gilead and the land of Tahtim-hodshi, and on to Dan-jaan and around to Sidon.
7 ULB Tonga tany amin'ny fiarovana mafin'i Tyro sy ny tanànan'ny Hivita sy ny Kananita rehetra izy ireo. Avy eo dia nivoaka nankany Negeva any Joda ao Beri-sheba izy ireo. BSB BSB: They went toward the fortress of Tyre and all the cities of the Hivites and Canaanites. Finally, they went on to the Negev of Judah, to Beersheba.
8 ULB Ka rehefa avy nitety ny tany rehetra izy ireo, dia niverina tany Jerosalema izy ireo tamin'ny faran'ny sivy volana sy roapolo andro. BSB BSB: At the end of nine months and twenty days, having gone through the whole land, they returned to Jerusalem.
9 ULB Dia nitatitra ny fitambaran'isan'ireo lehilahy mpiady tany amin'ny mpanjaka i Joaba. Nisy lehilahy be herim-po 800. 000 izay nanatsoaka sabatra tao amin'Israely, ary ireo lehilahin'i Joda dia lehilahy 500. 000. BSB BSB: And Joab reported to the king the total number of the troops. In Israel there were 800,000 men of valor who drew the sword, and in Judah there were 500,000.
10 ULB Dia nampahory azy ny fon'i Davida rehefa avy nanisa ireo lehilahy izy. Ka niteny tamin'i Yaveh izy hoe: "Nanota tanteraka tamin'ny fanaovana izany aho. Ankehitriny, ry Yaveh, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana tokoa aho." BSB BSB: After David had numbered the troops, his conscience was stricken and he said to the LORD, “I have sinned greatly in what I have done. Now, O LORD, I beg You to take away the iniquity of Your servant, for I have acted very foolishly.”
11 ULB Rehefa nifoha i Davida ny maraina, dia tonga tamin'i Gada mpaminany, mpahitan'i Davida ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: When David got up in the morning, the word of the LORD had come to Gad the prophet, David’s seer:
12 ULB "Andeha lazao amin'i Davida hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh: "Manome safidy telo anao Aho. Ka misafidiana iray amin'ireo.'"" BSB BSB: “Go and tell David that this is what the LORD says: ‘I am offering you three options. Choose one of them, and I will carry it out against you.’”
13 ULB Dia nankany amin'i Davida i Gada ka niteny taminy hoe: "Mosary telo taona ve no ho tonga aminao ao amin'ny taninao? Sa handositra telo volana ireo fahavalonao ve ianao raha manenjika anao izy ireo? Sa hisy areti-mandringana telo andro ao amin'ny taninao? Ankehitriny manapaha hevitra ny amin'izay valiny tokony havaliko Azy ilay naniraka ahy." BSB BSB: So Gad went and said to David, “Do you choose to endure three years of famine in your land, three months of fleeing the pursuit of your enemies, or three days of plague upon your land? Now then, think it over and decide how I should reply to Him who sent me.”
14 ULB Dia hoy i Davida tamin'i Gada hoe: "Ao anaty fikorontanana tanteraka aho. Aoka isika ho lavo eo an-tanan'i Yaveh toy izay eo an-tanan'ny olona, satria tena lehibe ny famindram-pony." BSB BSB: David answered Gad, “I am deeply distressed. Please, let us fall into the hand of the LORD, for His mercies are great; but do not let me fall into the hands of men.”
15 ULB Ka nandefa ny areti-mandringana teo amin' Israely nanomboka ny maraina ka hatramin'ny fotoana voatondro i Yaveh, ary olona fito alina no maty nanomboka tao Dana ka hatrany Beri-sheba. BSB BSB: So the LORD sent a plague upon Israel from that morning until the appointed time, and seventy thousand of the people from Dan to Beersheba died.
16 ULB Rehefa naninjitra ny tanany nankany Jerosalema mba hamotika izany ny anjely, dia niova hevitra nohon'ny ratsy izay haterak'izany Yaveh, ka niteny tamin'ny anjely izay namotika ny olona Izy hoe: "Ampy izay! Ahemory ny tananao izao." Tamin'io fotoana io ny anjelin'i Yaveh dia nitsangana teo am-pamoloan'i Araona Jebosita. BSB BSB: But when the angel stretched out his hand to destroy Jerusalem, the LORD relented from the calamity and said to the angel who was destroying the people, “Enough! Withdraw your hand now!” At that time the angel of the LORD was by the threshing floor of Araunah the Jebusite.
17 ULB Dia niresaka tamin'i Yaveh Davida rehefa nahita ny anjely izay namely ny vahoaka, ary nanao hoe: "Efa nanota aho, ary ratsy fitondran-tena. Nefa ireo ondry ireo, inona no nataony?" Aoka re mba izaho sy ny ankohonan-draiko no ho sazian'ny tananao!" BSB BSB: When David saw the angel striking down the people, he said to the LORD, “Surely I, the shepherd, have sinned and acted wickedly. But these sheep, what have they done? Please, let Your hand fall upon me and my father’s house.”
18 ULB Avy eo dia tonga teo amin'i Davida tamin'io andro io i Gada ary niteny taminy hoe: "Miakara ary manamboara alitara ho an'i Yaveh eo am-pamoloan'i Araona ilay Jebosita." BSB BSB: And that day Gad came to David and said to him, “Go up and build an altar to the LORD on the threshing floor of Araunah the Jebusite.”
19 ULB Dia niakatra araka izay nandidian'i Gada azy ho ataony Davida, araka izay nandidian'i Yaveh. BSB BSB: So David went up at the word of Gad, just as the LORD had commanded.
20 ULB Nijery tany ivelany Araona ary nahita ny mpanjaka sy ireo mpanompony nanatona. Dia nivoaka i Araona ary nampiankohoka ny tavany teo amin'ny tany teo amin'ny mpanjaka. BSB BSB: When Araunah looked out and saw the king and his servants coming toward him, he went out and bowed facedown before the king.
21 ULB Dia hoy i Araona hoe: "Nahoana no tonga eto amiko, mpanompony, ny mpanjaka tompoko?" Namaly i Davida hoe: "Hividy ny famoloanao, mba hahafahako manamboatra alitara ho an'i Yaveh, mba hialan'ny areti-mandringana eo amin'ny vahoaka." BSB BSB: “Why has my lord the king come to his servant?” Araunah said. “To buy your threshing floor,” David replied, “that I may build an altar to the LORD, so that the plague upon the people may be halted.”
22 ULB Hoy i Araona tamin'i Davida hoe: "Ataovy toy ny anao izany, ry mpanjaka tompoko. Ataovy amin'izany izay tsara eo imasonao. Indro, indreto misy omby atao fanatitra dorana sy fivelezam-bary ary ziogan'omby atao kitay. BSB BSB: Araunah said to David, “May my lord the king take whatever seems good to him and offer it up. Here are the oxen for a burnt offering and the threshing sledges and ox yokes for the wood.
23 ULB Ireo rehetra ireo, ry mpanjakako, izaho, Araona, dia hanome anao izany." Dia hoy izy tamin'ilay mpanjaka hoe: "Hanaiky anao anie Yaveh Andriamanitrao." BSB BSB: O king, Araunah gives all these to the king.” He also said to the king, “May the LORD your God accept you.”
24 ULB Hoy ny mpanjaka tamin'i Araona hoe: "Tsia, hovidiko amin'ny vidiny izany. Tsy hanolotra fanatitra dorana ho an'i Yaveh amin'ny zavatra izay tsy nisasarako aho." Koa novidian'i Davida sekely volafotsy dimampolo ny famoloana sy ireo omby. BSB BSB: “No,” replied the king, “I insist on paying a price, for I will not offer to the LORD my God burnt offerings that cost me nothing.” So David bought the threshing floor and the oxen for fifty shekels of silver.
25 ULB Nanamboatra alitara ho an'i Yaveh tao Davida ary nanolotra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo amin'izany. Dia nitalaho tamin'i Yaveh ho an'ny tany izy ireo, ka nampitsahatra ny areti-mandringana nanerana an'Israely Izy. BSB BSB: And there he built an altar to the LORD and offered burnt offerings and peace offerings. Then the LORD answered the prayers on behalf of the land, and the plague upon Israel was halted.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.