1 ULB Ireto ary ny tenin'i Davida farany— Davida zanaka lahin'i Jese, ilay lehilahy tena nomem-boninahitra, ilay lehilahy izay voahosotry ny Andriamanitr'i Jakoba, ilay mpanao salamo mahafinaritry ny Israely. BSB BSB: These are the last words of David: “The oracle of David son of Jesse, the oracle of the man raised on high, the one anointed by the God of Jacob, and the sweet psalmist of Israel:
2 ULB "Ny fanahin'i Yaveh niteny tamin'ny alalako, ary teo amin'ny lelako ny teniny. BSB BSB: The Spirit of the LORD spoke through me; His word was on my tongue.
3 ULB Niteny ny Andriamanitr'Israely, niteny tamiko ilay Vatolampin'Israely hoe: 'Ilay manapaka ny olona amin'ny fahamarinana, ilay manapaka amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra. BSB BSB: The God of Israel spoke; the Rock of Israel said to me, ‘He who rules the people with justice, who rules in the fear of God,
4 ULB Izy dia ho tahaka ny fahazavan'ny maraina rehefa miposaka ny masoandro, maraina tsy misy rahona, rehefa mitsimoka avy amin'ny tany ny ahi-maitso amin'ny alalan'ny famirapiratan'ny masoandro aorian'ny orana. BSB BSB: is like the light of the morning at sunrise of a cloudless dawn, the glistening after the rain on the sprouting grass of the earth.’
5 ULB Eny tokoa, tsy tahaka izany eo anatrehan'Andriamanitra ve ny ankohonako? Tsy efa nanao fanekena mandrakizay, voalahatra sy azo antoka amin'ny fomba rehetra tamiko ve Izy? Moa tsy mampitombo ny famonjena ahy sy manatanteraka ny faniriako rehetra ve Izy? BSB BSB: Is not my house right with God? For He has established with me an everlasting covenant, ordered and secured in every part. Will He not bring about my full salvation and my every desire?
6 ULB Kanefa ny tsy mendrika dia ho tahaka ny tsilo ariana avokoa, satria tsy voaangon'ny tanan'ny olona ireny. BSB BSB: But the worthless are all like thorns raked aside, for they can never be gathered by hand.
7 ULB Ny olona izay mikasika azy ireo dia tsy maintsy mampiasa fitaovana vita amin'ny vy na zana-tsipikan-defona. Tsy maintsy dorana eo amin'izay itoerany ireny.'" BSB BSB: The man who touches them must be armed with iron or with the shaft of a spear. The fire burns them to ashes in the place where they lie.”
8 ULB Ireto avy ny anaran'ireo miaramila sangan'i Davida: Josebala ilay Takemonita no mpitarika ireo miaramila sangany. Nahafaty lehilahy valonjato tao anatin'ny ady iray izy. BSB BSB: These are the names of David’s mighty men: Josheb-basshebeth the Tahchemonite was chief of the Three. He wielded his spear against eight hundred men, whom he killed at one time.
9 ULB Manarakaraka azy i Eleazara, zanaka lahin'i Dodo, zanaka lahin'i Ahohita, iray amin'ireo lehilahy telo maherin'i Davida. Teo izy tamin'ny nandresen'izy ireo ny Filistina izay niangona niaraka mba hiady, sy tamin'ny nihemoran'ny lehilahin'Israely. BSB BSB: Next in command was Eleazar son of Dodo the Ahohite. As one of the three mighty men, he went with David to taunt the Philistines who had gathered for battle at Pas-dammim. The men of Israel retreated,
10 ULB Nitsangana i Eleazara ary niady tamin'ny Filistina mandra-pahavizana ny tanany ary niraikitra teo amin'ny tahon'ny sabany ny tanany. Nitondra fandresena lehibe tamin'izany andro izany i Yaveh. Niverina nanaraka an'i Eleazara ny tafika, mba hitsimpona izay amin'ireo faty fotsiny ihany. BSB BSB: but Eleazar stood his ground and struck the Philistines until his hand grew weary and stuck to his sword. The LORD brought about a great victory that day. Then the troops returned to him, but only to plunder the dead.
11 ULB Nanarakaraka azy i Sama zanaka lahin'i Age, ilay Hararita. Niara-niangona teo amin'izay nisy tanim-boanemba ny Filistina, ary ny tafika nandositra azy ireo. BSB BSB: And after him was Shammah son of Agee the Hararite. When the Philistines had banded together near a field full of lentils, Israel’s troops fled from them.
12 ULB Fa i Sama kosa nitsangana teo afovoan'ny saha ary niaro izany. Novoiny ny Filistina, ary nitondra fandresena lehibe Yaveh. BSB BSB: But Shammah took his stand in the middle of the field, defended it, and struck down the Philistines. So the LORD brought about a great victory.
13 ULB Ny telo tamin'ireo miaramila telopolo dia nidina tany amin'i Davida tamin'ny fotoanan'ny fararano, tao amin'ny zohin'i Adolama. Nitoby teo amin'ny Lohasahan'i Refaita ny tafik'ireo Filistina. BSB BSB: At harvest time, three of the thirty chief men went down to David at the cave of Adullam, while a company of Philistines was encamped in the Valley of Rephaim.
14 ULB Tamin'izany fotoana izany i Davida dia tao amin'ny fiarovany mafy, zohy iray, raha nitoetra tao Betlehema ny Filistina. BSB BSB: At that time David was in the stronghold, and the garrison of the Philistines was at Bethlehem.
15 ULB Nitady rano i Davida ka hoy izy hoe: "Raha mba misy olona manome ahy rano ho sotroina avy amin'ny lava-drano ao Betlehema, ilay lava-drano eo akaikin'ny vavahady izao!" BSB BSB: David longed for water and said, “Oh, that someone would get me a drink of water from the well near the gate of Bethlehem!”
16 ULB Koa dia namakivaky ny tafiky ny Filistina ireo telo lahy mahery ireo ary naka rano avy tao amin'ny lava-dranon'i Betlehema, ilay lava-drano eo akaikin'ny vavahady. Nalain'izy ireo ny rano ary nentiny tany amin'i Davida, kanefa nandà ny hisotro izany izy. Fa nararany ho an'i Yaveh kosa izany. BSB BSB: So the three mighty men broke through the Philistine camp, drew water from the well near the gate of Bethlehem, and brought it back to David. But he refused to drink it; instead, he poured it out to the LORD,
17 ULB Avy eo dia hoy izy hoe: "Ry Yaveh, sanatria, raha anao izany aho. Tokony hisotro ny ràn'ireo lehilahy izay nanao sorona ny ainy ve aho?" Ka dia nandà ny hisotro izany izy. Ireo zavatra ireo no nataon'ireo telo lahy mahery. BSB BSB: saying, “Far be it from me, O LORD, to do this! Is this not the blood of the men who risked their lives?” So he refused to drink it. Such were the exploits of the three mighty men.
18 ULB Abisay, rahalahin'i Joaba ary zanaka lahin'i Zeroia, no kapitenin'izy telo. Niady tamin'ireo telo arivo lahy izy ary namono azy ireo tamin'ny lefona. Voatonona matetika niaraka tamin'ireo miaramila telo izy. BSB BSB: Now Abishai, the brother of Joab and son of Zeruiah, was chief of the Three, and he wielded his spear against three hundred men, killed them, and won a name along with the Three.
19 ULB Tsy nalaza noho ireo telo lahy ve izy? Natao kapitenin'izy ireo izy. Kanefa, ny lazany dia tsy nitovy tamin'ny lazan'ireo miaramila telo lahy malaza indrindra. BSB BSB: Was he not more honored than the Three? And he became their commander, even though he was not included among the Three.
20 ULB Benaia avy any Kabezela dia zanaka lahin'i Joiada; izy dia lehilahy matanjaka izay nanao asa lehibe. Namono ny zanaka roa lahin'i Ariela tany Moaba izy. Nidina tao anaty lavaka ihany koa izy ary namono liona raha mbola nisy oram-panala iny. BSB BSB: And Benaiah son of Jehoiada was a man of valor from Kabzeel, a man of many exploits. He struck down two champions of Moab, and on a snowy day he went down into a pit and killed a lion.
21 ULB Ary dia namono lehilahy Egyptiana maro izy. Nanana lefona teny an-tanany ilay Egyptiana, kanefa tamin'ny tehina ihany no niadian'i Benaia taminy. Nalainy teny amin'ny tanan'ilay Egyptiana ny lefona ary tamin'ny lefony ihany no namonoany azy. BSB BSB: He also struck down an Egyptian, a huge man. Although the Egyptian had a spear in his hand, Benaiah went against him with a club, snatched the spear from his hand, and killed the Egyptian with his own spear.
22 ULB Benaia zanaka lahin'i Joiada no nanao izany asa lehibe izany, ary nankalazaina niaraka tamin'ireo telo lahy mahery izy. BSB BSB: These were the exploits of Benaiah son of Jehoiada, who won a name along with the three mighty men.
23 ULB Nalaza noho ireo miaramila telopolo izy amin'ny ankapobeny, kanefa tsy dia tena nalaza tahaka ireo miaramila telo sangany indrindra. Nefa i Davida nampiandraikitra azy ho mpiambina azy. BSB BSB: He was most honored among the Thirty, but he did not become one of the Three. And David appointed him over his guard.
24 ULB Anisan'ireo telopolo ireto lehilahy manaraka ireto: Asahela rahalahin'i Joaba, Elanana zanaka lahin'i Dodo avy any Bethlehema, BSB BSB: Now these were members of the Thirty: Asahel the brother of Joab, Elhanan son of Dodo of Bethlehem,
25 ULB Sama ilay Harodita, Elika ilay Harodita, BSB BSB: Shammah the Harodite, Elika the Harodite,
26 ULB Heleza ilay Paltita, Ira zanaka lahin' Ikesy ilay Tekoita, BSB BSB: Helez the Paltite, Ira son of Ikkesh the Tekoite,
27 ULB Abiezera ilay Anatotita, Mebonay ilay Hosatita, BSB BSB: Abiezer the Anathothite, Mebunnai the Hushathite,
28 ULB Zalmona ilay Ahohita, Maharay ilay Netofatita; BSB BSB: Zalmon the Ahohite, Maharai the Netophathite,
29 ULB Haleba zanaka lahin'i Bana, ilay Netofatita, Itahy zanaka lahin'i Ribay avy any Gibean'ny taranak'i Benjamina, BSB BSB: Heled son of Baanah the Netophathite, Ittai son of Ribai from Gibeah of the Benjamites,
30 ULB Benaia ilay Piratonita, Hiday avy amin'ny lohasahan'ny Gasy. BSB BSB: Benaiah the Pirathonite, Hiddai from the brooks of Gaash,
31 ULB Abi-albona ilay Arbatita, Azmaveta ilay Psaromita, BSB BSB: Abi-albon the Arbathite, Azmaveth the Barhumite,
32 ULB Eliaba ilay Salbonita, zanaka lahin'i Jasena, Jonatana zanaka lahin'i Sama ilay Hararita; BSB BSB: Eliahba the Shaalbonite, the sons of Jashen, Jonathan
33 ULB Ahiama zanaka lahin'i Sarara ilay Hararita, BSB BSB: son of Shammah the Hararite, Ahiam son of Sharar the Hararite,
34 ULB Elifeleta zanaka lahin'i Ahasbay ilay Makatita, Eliama zanaka lahin'i Ahitofela ilay Gilonita, BSB BSB: Eliphelet son of Ahasbai the Maacathite, Eliam son of Ahithophel the Gilonite,
35 ULB Hezray ilay Karmelita, Paray ilay Arbita, BSB BSB: Hezro the Carmelite, Paarai the Arbite,
36 ULB Jigala zanaka lahin'i Natana avy any Zoba, Bany avy amin'ny fokon'ny Gadita, BSB BSB: Igal son of Nathan of Zobah, Bani the Gadite,
37 ULB Zaleka ilay Amonita, Naharay ilay Berotita, mpitondra ny fitaovam-piadiana ho an'i Joaba zanaka lahin'i Zeroia, BSB BSB: Zelek the Ammonite, Naharai the Beerothite, the armor-bearer of Joab son of Zeruiah,
38 ULB Ira ilay Jitrita, Gareba ilay Jitrita, BSB BSB: Ira the Ithrite, Gareb the Ithrite,
39 ULB Oria ilay Hetita—fito amby telopolo izy rehetra. BSB BSB: and Uriah the Hittite. There were thirty-seven in all.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.