1 ULB Nihira ho an'i Yaveh ireo teny amin'ity hira ity tamin'ny andro izay nanavotan'i Yaveh azy teo an-tanan'ireo fahavalony rehetra, sy teo an-tanan'i Saoly i Davida. BSB BSB: And David sang this song to the LORD on the day the LORD had delivered him from the hand of all his enemies and from the hand of Saul.
2 ULB Nivavaka izy hoe: "Yaveh no vatolampiko, fiarovana mafy ho ahy, ilay Iray izay mamonjy ahy. BSB BSB: He said: “The LORD is my rock, my fortress, and my deliverer.
3 ULB Andriamanitra no vatolampiko. Mialoka eo aminy aho. Izy no fiarovako, ilay tandroky ny famonjena ahy, fiarovana mafy ho ahy, sy fialofako, ilay Iray izay manavotra ahy amin'ny herisetra. BSB BSB: My God is my rock, in whom I take refuge, my shield, and the horn of my salvation. My stronghold, my refuge, and my Savior, You save me from violence.
4 ULB Hiantso an'i Yaveh, izay mendrika ny ho deraina aho, ka ho avotra amin'ireo fahavaloko aho. BSB BSB: I will call upon the LORD, who is worthy to be praised; so shall I be saved from my enemies.
5 ULB Fa nanodidina ahy ireo aloky ny fahafatesana, nanafotra ahy ireo rano mikorian'ny fahapotehana. BSB BSB: For the waves of death engulfed me; the torrents of chaos overwhelmed me.
6 ULB Nanodidina ahy ireo tadin'ny fiainan-tsy hita; namandrika ahy ireo fandriky ny fahafatesana. BSB BSB: The cords of Sheol entangled me; the snares of death confronted me.
7 ULB Tamin'ny fahoriako no niantsoako an'i Yaveh; niantso an'Andriamanitro aho; nandre ny feoko avy tao an-tempoliny Izy, ary tonga teo an-tsofiny ny antso vonjiko. BSB BSB: In my distress I called upon the LORD; I cried out to my God. And from His temple He heard my voice, and my cry for help reached His ears.
8 ULB Dia nihozona sy nihovitra ny tany. Nihovitrovitra sy voahozongozona ny fiorenan'ny lanitra, satria tezitra Andriamanitra. BSB BSB: Then the earth shook and quaked; the foundations of the heavens trembled; they were shaken because He burned with anger.
9 ULB Niakatra avy tamin'ny vavorony ny setroka, ary afo miredareda no nivoaka avy tamin'ny vavany. Voarehitr'izany ny vain'afo. BSB BSB: Smoke rose from His nostrils, and consuming fire came from His mouth; glowing coals blazed forth.
10 ULB Nanokatra ny lanitra Izy ka nidina, ary ny aizim-pito tao ambany faladiany. BSB BSB: He parted the heavens and came down with dark clouds beneath His feet.
11 ULB Nitaingina Kerobima Izy ka nanidina. Hita teny an'elatry ny rivotra Izy. BSB BSB: He mounted a cherub and flew; He soared on the wings of the wind.
12 ULB Nataony ho lay nanodidina Azy ny aizina, nanangona rahon'orana matevina teny amin'ireo habakabaka izy. BSB BSB: He made darkness a canopy around Him, a gathering of water and thick clouds.
13 ULB Avy tamin'ny tselatra teo anatrehany no nilatsahan'ny vain'afo. BSB BSB: From the brightness of His presence coals of fire blazed forth.
14 ULB Yaveh nampikotrokotroka avy tany an-danitra. Nihiaka mafy ilay Avo Indrindra. BSB BSB: The LORD thundered from heaven; the voice of the Most High resounded.
15 ULB Nandefa zana-tsipìka Izy ka nampiely ireo fahavalony— nandefa tsela-pahazavana ka nanaparitaka azy ireo. BSB BSB: He shot His arrows and scattered the foes; He hurled lightning and routed them.
16 ULB Avy eo dia niseho ny fantson-drano; niharihary tamin'ny hiakan'adin'i Yaveh ny fanambanin'izao tontolo izao, tamin'ny fipoahan'ny fofon'ain'ny vavorony. BSB BSB: The channels of the sea appeared, and the foundations of the world were exposed at the rebuke of the LORD, at the blast of the breath of His nostrils.
17 ULB Nidina avy tany ambony Izy; nihazona mafy ahy Izy! Nisintona ahy tamin'ny rano manonja Izy. BSB BSB: He reached down from on high and took hold of me; He drew me out of deep waters.
18 ULB Namonjy ahy tamin'ny fahavaloko matanjaka Izy, tamin'ireo izay nankahala ahy, satria tena natanjaka izy ireo tamiko. BSB BSB: He rescued me from my powerful enemy, from foes too mighty for me.
19 ULB Tonga nanohitra ahy izy ireo tamin'ny androm-pahoriako, kanefa Yaveh no mpanohana ahy. BSB BSB: They confronted me in my day of calamity, but the LORD was my support.
20 ULB Namoaka ahy ho any amin'ny toerana midadasika ihany koa Izy. Namonjy ahy Izy satria faly tamiko. BSB BSB: He brought me out into the open; He rescued me because He delighted in me.
21 ULB Efa namaly soa ahy tamin'ny refin'ny fahamarinako Yaveh; efa namerina ahy tamin'ny laoniny tamin'ny refin'ny fahadiovan'ny tanako Izy. BSB BSB: The LORD has rewarded me according to my righteousness; He has repaid me according to the cleanness of my hands.
22 ULB Fa efa nitandrina ireo lalan'i Yaveh aho ary tsy mba nanao izay ratsy tamin'ny fialana tamin'ny Andriamanitro. BSB BSB: For I have kept the ways of the LORD and have not wickedly departed from my God.
23 ULB Satria ireo didiny marina rehetra dia efa teo anoloako; raha ny amin'ireo lalàny indray, dia tsy nivily tamin'ireny aho. BSB BSB: For all His ordinances are before me; I have not disregarded His statutes.
24 ULB Efa tsy nanan-tsiny teo anatrehany ihany koa aho, ary nitandrina ny tenako tsy hanota aho. BSB BSB: And I have been blameless before Him and kept myself from iniquity.
25 ULB Noho izany dia naverin'i Yaveh tamin'ny laoniny tamin'ny refin'ny fahamarinako aho, tamin'ny refin'ny fahadiovako teo imasony. BSB BSB: So the LORD has repaid me according to my righteousness, according to my cleanness in His sight.
26 ULB Ho an'ny iray izay mahatoky, mampiseho ny tenanao ho mahatoky Ianao; ho an'ny olona izay tsy manan-tsiny, dia mampiseho ny tenanao ho tsy manan-tsiny Ianao. BSB BSB: To the faithful You show Yourself faithful, to the blameless You show Yourself blameless;
27 ULB Amin'ny madio dia mampiseho ny tenanao ho madio Ianao, fa mivadika amin'ireo mpiolakolaka Ianao. BSB BSB: to the pure You show Yourself pure, but to the crooked You show Yourself shrewd.
28 ULB Manavotra ireo olona ory Ianao, nefa ireo masonao dia manohitra ny mpirehareha, ary ahetrinao izy ireny. BSB BSB: You save an afflicted people, but Your eyes are on the haughty to bring them down.
29 ULB Fa Ianao no faniloko, ry Yaveh. Manazava ny aiziko Yaveh. BSB BSB: For You, O LORD, are my lamp; the LORD lights up my darkness.
30 ULB Fa noho Ianao dia afaka mihazakazaka mihoatra ny sakana aho; noho ilay Andriamanitro dia afaka mandingana rindrina aho. BSB BSB: For in You I can charge an army; with my God I can scale a wall.
31 ULB Raha ny amin'Andriamanitra, tanteraka ny lalany. Madio ny tenin'i Yaveh. Izy dia fiarovana ho an'ireo rehetra izay mialoka eo Aminy. BSB BSB: As for God, His way is perfect; the word of the LORD is flawless. He is a shield to all who take refuge in Him.
32 ULB Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Yaveh, ary iza no vatolampy afa-tsy ny Andriamanitsika? BSB BSB: For who is God besides the LORD? And who is the Rock except our God?
33 ULB Andriamanitra no fialofako, ary mitarika ny olona tsy manan-tsiny amin'ny lalany Izy. BSB BSB: God is my strong fortress, and He makes my way clear.
34 ULB Manafaingana ny tongotro tahaka ny diera Izy ary mametraka ahy eny amin'ny havoana avo. BSB BSB: He makes my feet like those of a deer and stations me upon the heights.
35 ULB Manazatra ny tanako amin'ny ady Izy, sy ny sandriko hamoritra tsipìka varahina. BSB BSB: He trains my hands for battle; my arms can bend a bow of bronze.
36 ULB Efa nanome ahy ny fialofan'ny famonjenao Ianao, ary ny sitrakao no nanao ahy ho lehibe. BSB BSB: You have given me Your shield of salvation, and Your gentleness exalts me.
37 ULB Efa nanao toerana midadasika ho an'ny tongotro teo ambaniko Ianao, ka tsy nibolisatra ny tongotro. BSB BSB: You broaden the path beneath me so that my ankles do not give way.
38 ULB Nanenjika ireo fahavaloko aho ka namotika azy ireo. Tsy niverina aho mandra-pahapotik'izy ireo. BSB BSB: I pursued my enemies and destroyed them; I did not turn back until they were consumed.
39 ULB Nandevona azy ireo sy namotipotika azy ireo aho; ka tsy afaka nitsangana izy ireo. Lavo tao ambany faladiako izy ireo. BSB BSB: I devoured and crushed them so they could not rise; they have fallen under my feet.
40 ULB Nametraka hery tao amiko toy ny fehinkibo ho amin'ny ady Ianao; nametraka ireo izay nitsangana hanohitra ahy teo ambaniko Ianao. BSB BSB: You have armed me with strength for battle; You have subdued my foes beneath me.
41 ULB Nanome ahy ny hatok'ireo fahavaloko Ianao; nandringana ireo izay nankahala ahy aho. BSB BSB: You have made my enemies retreat before me; I destroyed those who hated me.
42 ULB Niantso vonjy izy ireo, saingy tsy nisy nanavotra azy ireo; niantso mafy an'i Yaveh izy ireo, saingy tsy namaly azy ireo Izy. BSB BSB: They looked, but there was no one to save them—to the LORD, but He did not answer.
43 ULB Namely azy ireo ho singa madinika toy ny vovoka amin'ny tany aho, notorotoroiko toy ny fotaka eny amin'ny lalana izy ireo. BSB BSB: I ground them as the dust of the earth; I crushed and trampled them like mud in the streets.
44 ULB Efa namonjy ahy tamin'ny fifandiran'ireo vahoakako ihany koa Ianao. Efa notananao ho lohan'ireo firenena aho. Ny vahoaka izay tsy fantatro dia manompo ahy. BSB BSB: You have delivered me from the strife of my people; You have preserved me as the head of nations; a people I had not known shall serve me.
45 ULB Noterena hiankohoka tamiko ireo vahiny. Vantany vao nandre ny momba ahy izy ireo, dia nankatò ahy. BSB BSB: Foreigners cower before me; when they hear me, they obey me.
46 ULB Ireo vahiny dia nivoaka am-pangovitana tao amin'ny fiarovana mafin'izy ireo. BSB BSB: Foreigners lose heart and come trembling from their strongholds.
47 ULB Velona i Yaveh! Ho deraina anie ny vatolampiko. Asandratra anie Andriamanitra, ilay vatolampin'ny famonjena ahy. BSB BSB: The LORD lives, and blessed be my Rock! And may God, the Rock of my salvation, be exalted—
48 ULB Izany no Andriamanitra izay manatanteraka famaliana ho ahy, Ilay Iray izay mampihetry vahoaka maro eo ambaniko. BSB BSB: the God who avenges me and brings down nations beneath me,
49 ULB Manafaka ahy amin'ireo fahavaloko Izy. Nanandratra ahy ho ambonin'ireo izay nitsangana hanohitra ahy tokoa Izy. Mamonjy ahy amin'ireo lehilahy mahery setra Ianao. BSB BSB: who frees me from my enemies. You exalt me above my foes; You rescue me from violent men.
50 ULB Noho izany dia hanolotra fisaorana ho Anao, eo amin'ireo firenena aho, ry Yaveh; hihira fiderana ho an'ny anaranao aho. BSB BSB: Therefore I will praise You, O LORD, among the nations; I will sing praises to Your name.
51 ULB Andriamanitra manome fandresena lehibe ho an'ny mpanjakany, ary mampiseho ny tsy fivadiham-panekeny amin'ilay voahosony Izy, ho an'i Davida sy ho an'ny taranany mandrakizay." BSB BSB: Great salvation He brings to His king. He shows loving devotion to His anointed, to David and his descendants forever.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.