1 ULB Nisy mosary nandritra ny telo taona nisesy tamin'ny andron'i Davida, ary nitady ny tavan'i Yaveh i Davida. Ka hoy Yaveh hoe: "Eo aminareo io mosary io noho i Saoly sy ny fianakaviany mpamono olona, satria namono ireo Gibeonita izy." BSB BSB: During the reign of David there was a famine for three successive years, and David sought the face of the LORD. And the LORD said, “It is because of the blood shed by Saul and his family, because he killed the Gibeonites.”
2 ULB Ary ireo Gibeonita dia tsy avy amin'ny vahoakan' Israely; fa avy amin'ny sisan'ireo Amorita izy ireo. Efa nianiana tsy hamono azy ireo ny vahoakan'Israely, saingy niezaka hamono azy ireo tamin'ny zotom-pony ihany i Saoly ho an'ireo vahoakan'Israely sy Joda. BSB BSB: At this, David summoned the Gibeonites and spoke to them. (Now the Gibeonites were not Israelites, but a remnant of the Amorites. The Israelites had taken an oath concerning them, but in his zeal for Israel and Judah, Saul had sought to kill them.)
3 ULB Noho izany i Davida Mpanjaka dia niantso niaraka ireo Gibeonita ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Inona no tokony hataoko ho anareo? Ahoana no hahafahako manao fanavotana, mba hanomezanareo tso-drano ireo vahoakan'i Yaveh, izay mandova ny hatsaràny sy ireo fampanantenany?" BSB BSB: So David asked the Gibeonites, “What shall I do for you? How can I make amends so that you may bless the inheritance of the LORD?”
4 ULB Namaly azy ireo Gibeonita hoe: "Tsy resaka volafotsy na volamena eo aminay sy Saoly na ny fianakaviany izany. Tahaka izany koa no tsy hamonoanay olona ao Israely." Dia namaly i Davida hoe: "Inona no lazainareo fa tokony hataoko ho anareo?" BSB BSB: The Gibeonites said to him, “We need no silver or gold from Saul or his house, nor should you put to death anyone in Israel for us.” “Whatever you ask, I will do for you,” he replied.
5 ULB Namaly ny mpanjaka izy ireo hoe: "Ilay lehilahy izay niezaka hamono anay rehetra, izay nanao tetika hanoherana anay, mba ho potika izahay izao ary tsy hanana toerana ao amin'ireo sisin-tanin'Israely— BSB BSB: And they answered the king, “As for the man who consumed us and plotted against us to exterminate us from existing within any border of Israel,
6 ULB aoka hisy lehilahy fito avy amin'ny taranany hatolotra anay, ary hanantona azy ireo eo anatrehan'i Yaveh any Gibean'i Saoly, ilay iray nosafidian'i Yaveh izahay." Dia hoy ny mpanjaka hoe: "Homeko anareo izy ireo." BSB BSB: let seven of his male descendants be delivered to us so that we may hang them before the LORD at Gibeah of Saul, the chosen of the LORD.” “I will give them to you,” said the king.
7 ULB Fa namindra fo tamin'i Mefiboseta zanaka lahin'i Jonatana zanaka lahin'i Saoly ny mpanjaka, nohon'ny fianianan'i Yaveh teo amin'izy ireo, teo amin'i Davida sy Jonatana, zanaka lahin'i Saoly. BSB BSB: Now the king spared Mephibosheth son of Jonathan, the son of Saul, because of the oath before the LORD between David and Jonathan son of Saul.
8 ULB Kanefa nalain'ny mpanjaka ireo zanaka roa lahy an'i Rizpa zanaka vavin'i Aia, zanany avy amin'i Saoly—Armony sy Mefiboseta no anaran'ireo roa lahy; ary nalain'i Davida ihany koa ireo zanaka dimy lahy an'i Mikala zanaka vavin'i Saoly, izay avy amin'i Adriela zanaka lahin'i Barzilay ilay Meholatita. BSB BSB: But the king took Armoni and Mephibosheth, the two sons whom Rizpah daughter of Aiah had borne to Saul, as well as the five sons whom Merab daughter of Saul had borne to Adriel son of Barzillai the Meholathite.
9 ULB Natolony teo an-tanan'ireo Gibeonita izy ireo. Nahanton'izy ireo tany an-tendrombohitra nanoloana an'i Yaveh izy ireo, ary niara-maty izy fito. Tamin'ny fotoam-pararano no namonoana azy ireo, nandritra ny andro voalohany tamin'ny fiantombohan'ny fijinjana ny vary hordea. BSB BSB: And he delivered them into the hands of the Gibeonites, and they hanged them on the hill before the LORD. So all seven of them fell together; they were put to death in the first days of the harvest, at the beginning of the barley harvest.
10 ULB Avy eo i Rizpa, zanaka vavin'i Aia, naka lamba fisaonana ary namelatra izany ho an'ny tenany teo amin'ny tendrombohitra akaikin'ireo vata-mangatsiaka, hatramin'ny fiantombohan'ny fijinjana ka hatramin'ny nilatsahan'ny orana teo amin'izy ireo avy any an-danitra. Tsy navelany hanakorontana ireo razana ny voron'ny lanitra ny atoandro na ireo bibidia ny alina. BSB BSB: And Rizpah the daughter of Aiah took sackcloth and spread it out for herself on a rock. From the beginning of the harvest until the rain from heaven poured down on the bodies, she did not allow the birds of the air to rest on them by day, nor the beasts of the field by night.
11 ULB Nolazaina tamin'i Davida izay nataon'i Rizpa, zanaka vavin'i Aia, ilay vady andevon'i Saoly. BSB BSB: When David was told what Saul’s concubine Rizpah, daughter of Aiah, had done,
12 ULB Noho izany dia nandeha i Davida ary naka ny taolan'i Saoly sy ny taolan'i Jonatana zanany lahy teo amin'ireo lehilahin'i Jabesi-gileada, izay nangalatra ireo tao an-kianjan'ny daholobe tany Beti-sana, tany amin'izay nanantonan'ireo Filistina azy ireo, rehefa avy namono an'i Saoly tao Gilboa izy ireo. BSB BSB: he went and took the bones of Saul and his son Jonathan from the men of Jabesh-gilead, who had stolen them from the public square of Beth-shan where the Philistines had hung the bodies after they had struck down Saul at Gilboa.
13 ULB Nalain'i Davida hiala tao ny taolan'i Saoly sy ny taolan'i Jonatana zanany lahy, ary nanangona ny taolan'ireo lehilahy fito izay nahantona ihany koa izy ireo. BSB BSB: So David had the bones of Saul and his son Jonathan brought from there, and they also gathered the bones of those who had been hanged.
14 ULB Nalevin'izy ireo tany amin'ny tanànan'i Benjamina tany Zela ny taolan'i Saoly sy Jonatana zanany, tao amin'ny fasan'i Kisy rainy. Nataon'izy ireo avokoa izay rehetra nodidian'ny mpanjaka. Taorian'izany dia novalian'Andriamanitra ny vavak'izy ireo ho an'ny tany. BSB BSB: And they buried the bones of Saul and his son Jonathan in Zela in the land of Benjamin, in the tomb of Saul’s father Kish. After they had done everything the king had commanded, God answered their prayers for the land.
15 ULB Avy eo ireo Filistina dia nandeha niady tamin'Israely indray. Noho izany dia nidina niaraka tamin'ny tafiny i Davida ary niady nanohitra an'ireo Filistina. Reraky ny ady i Davida. BSB BSB: Once again the Philistines waged war against Israel, and David and his servants went down and fought against the Philistines. But David became exhausted.
16 ULB Jisbibenoba, taranaky ny Refaita, izay nilanja telonjato sekely ny lefony varahina, ary izay nanana sabatra fitaovam-piadiana vaovao, dia nikasa hamono an'i Davida. BSB BSB: Then Ishbi-benob, a descendant of Rapha, whose bronze spear weighed three hundred shekels and who was bearing a new sword, resolved to kill David.
17 ULB Kanefa Abisay zanak'i Zeroia nanavotra an'i Davida, nanafika ny Filistina, ary namono azy. Avy eo ireo lehilahin'i Davida nianiana taminy, nanao hoe: "Tsy tokony handeha hiady hiaraka aminay intsony ianao, mba tsy hamonoanao ny jiron'Israely." BSB BSB: But Abishai son of Zeruiah came to his aid, struck the Philistine, and killed him. Then David’s men swore to him, “You must never again go out with us to battle, so that the lamp of Israel may not be extinguished.”
18 ULB Ary taorian'io dia nisy ady niaraka tamin'ireo Filistina indray tao Goba, rehefa novonoin'i Sibeka ilay Hosatita i Safa, izay iray tamin'ny taranak'ireo Refaita. BSB BSB: Some time later at Gob, there was another battle with the Philistines. At that time Sibbecai the Hushathite killed Saph, a descendant of Rapha.
19 ULB Dia nisy ady indray tamin'ireo Filistina tao Goba, izay namonoan'i Elanana zanaka lahin'i Jare ilay Betlehemita an'i Goliata ilay Gatita, izay toy ny vodi-tenon'ny mpanenona ny lefony. BSB BSB: Once again there was a battle with the Philistines at Gob, and Elhanan son of Jair the Bethlehemite killed the brother of Goliath the Gittite, the shaft of whose spear was like a weaver’s beam.
20 ULB Ary tamin'ny ady hafa tao Gata dia nisy lehilahy vaventy nanana rantsan-tanana enina isaky ny tanany ary rantsan-tongotra enina isaky ny tongotra, efatra amby roapolo ny isany. Avy amin'ny taranaka Refaita ihany koa izy. BSB BSB: And there was also a battle at Gath, where there was a man of great stature with six fingers on each hand and six toes on each foot—twenty-four in all. He too was descended from Rapha,
21 ULB Rehefa naneso an'Israely izy, dia novonoin'i Jonatana zanaka lahin'i Simea, rahalahin'i Davida. BSB BSB: and when he taunted Israel, Jonathan the son of David’s brother Shimei killed him.
22 ULB Ireo no taranaka Refaita tao Gata, ary novonoin'ny tanan'i Davida sy ny tanan'ireo miaramilany izy. BSB BSB: So these four descendants of Rapha in Gath fell at the hands of David and his servants.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.