1 ULB Sendra nisy mpanakorontana iray teo amin'ilay toerana ary Seba no anarany zanaka lahin'i Bikry, Benjamita iray izy. Nitsoka ny trompetra izy sady niteny hoe: "Tsy manana anjara any amin'i Davida isika, no sady tsy mahazo lova any amin'ny zanaka lahin'i Jese. Avelao ny lehilahy rehetra hody any an-tranony, ry Israely." BSB BSB: Now a worthless man named Sheba son of Bichri, a Benjamite, happened to be there, and he blew the ram’s horn and shouted: “We have no share in David, no inheritance in Jesse’s son. Every man to his tent, O Israel!”
2 ULB Noho izany dia nandao an'i Davida ireo lehilahin'Israely rehetra ary nanaraka an'i Seba zanaka lahin'i Bikry. Nefa ireo vahoakan'i Joda nifikitra nanaraka ny mpanjakan'izy ireo, avy amin'ny lalan'i Jordana rehetra ka hatrany Jerosalema. BSB BSB: So all the men of Israel deserted David to follow Sheba son of Bichri. But the men of Judah stayed by their king all the way from the Jordan to Jerusalem.
3 ULB Rehefa tonga tao amin'ny lapany tao Jerosalema i Davida, dia naka ireo vady andevo folo izay navelany hiandry ny lapa izy, ary napetrany tao amin'ny trano iray voambina izy ireo. Nanome izay rehetra nilainy izy, fa tsy niara-nandry tamin'izy ireo intsony. Ka nihidy tao izy ireo mandra-pahatongan'ny andro nahafatesany, niaina tahaka ny mpitondratena izy ireo. BSB BSB: When David returned to his palace in Jerusalem, he took the ten concubines he had left to take care of the palace, and he placed them in a house under guard. He provided for them, but he no longer slept with them. They were confined until the day of their death, living as widows.
4 ULB Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Amasa hoe: "Vorio ao anatin'ny telo andro ireo lehilahin'i Joda; tsy maintsy eto ihany koa ianao." BSB BSB: Then the king said to Amasa, “Summon the men of Judah to come to me within three days, and be here yourself.”
5 ULB Dia lasa Amasa namory ireo lehilahin'i Joda, nefa naharitra ela kokoa noho ny fe-potoana izay nandidian'ny mpanjaka azy izy. BSB BSB: So Amasa went to summon Judah, but he took longer than the time allotted him.
6 ULB Ka hoy i Davida tamin'i Abisay hoe: "Ankehitriny i Seba zanaka lahin'i Bikry dia hanao ratsy antsika mihoatra noho ny nataon'i Absaloma. Ento ireo mpanompon'ny tomponao, ireo miaramilako, ka enjeho izy, raha tsy izany hahita tanàna mimanda izy ka tsy ho hitantsika." BSB BSB: And David said to Abishai, “Now Sheba the son of Bichri will do us more harm than Absalom. Take your lord’s servants and pursue him, or he will find fortified cities and elude us.”
7 ULB Dia lasa nanenjika azy ireo lehilahin'i Joaba, niaraka tamin'ireo Keretita sy ireo Peletita ary ireo mpiady mahery rehetra. Niala tao Jerosalema izy ireo mba hanenjika an'i Seba zanaka lahin'i Bikry. BSB BSB: So Joab’s men, along with the Cherethites, the Pelethites, and all the mighty men, marched out of Jerusalem in pursuit of Sheba son of Bichri.
8 ULB Rehefa teo amin'ilay vato lehibe izay tao Gibeona izy ireo, dia tonga i Amasa mba hitsena azy ireo. Efa nanaovan'i Joba teny aminy ny akanjo fiadiana, izay nisy fehinkibo teny am-balahany niaraka tamin'ny fitoeran-tsabany nifatotra tamin'izany. Ary raha nandeha izy, dia latsaka ilay sabatra. BSB BSB: And while they were at the great stone in Gibeon, Amasa joined them. Now Joab was dressed in military attire, with a dagger strapped to his belt. And as he stepped forward, he slipped the dagger from its sheath.
9 ULB Ka hoy i Joaba tamin'i Amasa hoe: "Salama tsara ve ianao, ry rahalahiko? Noraisin'i Joaba tamim-pitiavana tamin'ny tanany havanana ny volombavan'i Amasa mba horohany. BSB BSB: “Are you well, my brother?” Joab asked Amasa. And with his right hand Joab grabbed Amasa by the beard to kiss him.
10 ULB Tsy tsikaritr'i Amasa ny sabatra kely izay teny an-tanan-kavian'i Joaba. Notsindromin'i Joaba teo amin'ny kibony i Amasa, ka nivaroraka tamin'ny tany ireo tsinainy, tsy namely azy intsony Joaba, ary maty Amasa. Noho izany dia nanenjika an'i Seba zanaka lahin'i Bikry i Joaba sy Abisay rahalahiny. BSB BSB: Amasa was not on guard against the dagger in Joab’s hand, and Joab stabbed him in the stomach and spilled out his intestines on the ground. And Joab did not need to strike him again, for Amasa was dead. Then Joab and his brother Abishai pursued Sheba son of Bichri.
11 ULB Avy eo dia nijanona teo amin'i Amasa ny iray tamin'ireo lehilahin'i Joaba, ary hoy ilay lehilahy hoe: "Izay momba an'i Joaba, sy izay momba an'i Davida, avelao izy hanaraka an'i Joaba." BSB BSB: One of Joab’s young men stood near Amasa and said, “Whoever favors Joab, and whoever is for David, let him follow Joab!”
12 ULB Nihosona ny ràny teo afovoan'ny lalana i Amasa. Rehefa hitan'ilay lehilahy fa nijanona ny olona rehetra, dia nafindrany niala teo amin'ny lalana ho any amin'ny saha i Amasa. Nosaromany lamba teo amboniny satria hitany fa izay olona mandalo eo aminy dia mijanona. BSB BSB: But Amasa wallowed in his blood in the middle of the road, and when the man saw that all the troops were stopping there, he dragged the body off the road into a field and threw a garment over it.
13 ULB Rehefa avy nesorina teo amin'ny lalana i Amasa, dia nanaraka an'i Joaba hanenjika an'i Seba zanaka lahin'i Bikry ny lehilahy rehetra. BSB BSB: As soon as Amasa’s body was removed from the road, all the men went on with Joab to pursue Sheba son of Bichri.
14 ULB Seba dia namakivaky ireo fokon'Israely rehetra tany Abela any Beti-maka, sy nanerana ny tanin'ny Berita rehetra, izay niangona ary nanenjika an'i Seba ihany koa. BSB BSB: Sheba passed through all the tribes of Israel to Abel-beth-maacah and through the entire region of the Berites, who gathered together and followed him.
15 ULB Tratra izy ka nataon'izy ireo fahirano tany Abela tany Beti-maka. Nanandratra tovo-tany iray manoloana ny manda teo amin'ny tanàna izy ireo. Ny tafika rehetra izay nanaraka an'i Joaba dia nandrava ny manda mba hampianjera izany. BSB BSB: And Joab’s troops came and besieged Sheba in Abel-beth-maacah and built a siege ramp against the outer rampart of the city. As all the troops with Joab were battering the wall to topple it,
16 ULB Avy eo dia nisy vehivavy hendry iray niantso ny tao an-tanàna hoe: "Henoy, mba henoy re, ry Joaba! Mankanesa eto akaikiko mba ho afaka hiresaka aminao aho." BSB BSB: a wise woman called out from the city, “Listen! Listen! Please tell Joab to come here so that I may speak with him.”
17 ULB Ka nanatona azy i Joaba, hoy ilay vehivavy hoe: "Ianao ve no Joaba?" Dia namaly izy hoe: "Izaho no izy." Ary hoy izy taminy hoe: "Henoy ny tenin'ny mpanomponao." Dia namaly izy hoe: "Mihaino aho." BSB BSB: When he had come near to her, the woman asked, “Are you Joab?” “I am,” he replied. “Listen to the words of your servant,” she said. “I am listening,” he answered.
18 ULB Dia hoy izy hoe: "Fitenin'ireo taloha ny hoe: 'Mitadiava hevitra any amin'i Abela,' ary izany hevitra izany no hampitsahatra ny olana. BSB BSB: Then the woman said, “Long ago they used to say, ‘Seek counsel at Abel,’ and that is how disputes were settled.
19 ULB Izahay dia tanàna iray amin'ireo izay tena milamina sy mahatoky indrindra eto Israely. Mikasa hamotika tanàna iray izay reny eto Israely ianao. Nahoana ianao no mitady hihinana ny lovan'i Yaveh?" BSB BSB: I am among the peaceable and faithful in Israel, but you are trying to destroy a city that is a mother in Israel. Why would you swallow up the LORD’s inheritance?”
20 ULB Ka namaly i Joaba ary niteny hoe: "Sanatria, dia sanatria amiko, ny haka na hanimba. BSB BSB: “Far be it!” Joab declared. “Far be it from me to swallow up or destroy!
21 ULB Tsy marina izany. Fa misy lehilahy iray avy any amin'ny tany havoan'i Efraima, antsoina hoe Seba zanaka lahin'i Bikry, nanandratra ny tanany hanohitra ny mpanjaka, hanohitra an'i Davida. Izy irery no atolory, dia hiala eto amin'ny tanàna aho." Hoy ravehivavy tamin'i Joaba hoe: "Ho atsipy eo aminao hihoatra ny manda ny lohany. BSB BSB: That is not the case. But a man named Sheba son of Bichri, from the hill country of Ephraim, has lifted up his hand against the king, against David. Deliver him alone, and I will depart from the city.” “Look,” the woman replied, “his head will be thrown to you over the wall.”
22 ULB Ary tamim-pahendreny no nanatonan'ilay vehivavy ny olon-drehetra. Notapahan'izy ireo ny lohan'i Seba zanaka lahin'i Bikry ary natsipin'izy ireo teo amin'i Joaba. Avy eo nitsoka ny trompetra izy ary nandao ny tanàna ireo lehilahin'i Joaba, ny lehilahy rehetra ho any an-tranony avy. Avy eo i Joaba dia niverina tany Jerosalema ho any amin'ny mpanjaka. BSB BSB: Then the woman went to all the people with her wise counsel, and they cut off the head of Sheba son of Bichri and threw it to Joab. So he blew the ram’s horn and his men dispersed from the city, each to his own home. And Joab returned to the king in Jerusalem.
23 ULB Ary i Joaba dia ambonin'ireo tafiky ny Israely rehetra, ary Benaia zanaka lahin'i Joiada dia ambonin'ireo Keretita sy ireo Peletita. BSB BSB: Now Joab was over the whole army of Israel; Benaiah son of Jehoiada was over the Cherethites and Pelethites;
24 ULB Adorama dia ambonin'ireo lehilahy izay nanao asa an-terivozona. Ary Josafata zanaka lahin'i Ahiloda no mpitahiry. BSB BSB: Adoram was in charge of the forced labor; Jehoshaphat son of Ahilud was the recorder;
25 ULB Seva no mpanora-dalàna, ary Zadoka sy Abiatara no mpisorona. BSB BSB: Sheva was the scribe; Zadok and Abiathar were priests;
26 ULB Ira ilay Jairita no mpanolo-tsaina an'i Davida. BSB BSB: and Ira the Jairite was David’s priest.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.