1 ULB Nolazaina tamin'i Joaba hoe: "Indro, mitomany sy misaona ho an'i Absaloma ny mpanjaka." BSB BSB: Then it was reported to Joab, “The king is weeping and mourning over Absalom.”
2 ULB Ka dia nivadika fisaonana ho an'ny tafika rehetra ilay fandresena tamin'io andro io, fa ny tafika nahare izany tamin'io andro io hoe: "Misaona ho an'ny zanany lahy ny mpanjaka." BSB BSB: And that day’s victory was turned into mourning for all the people, because on that day they were told, “The king is grieving over his son.”
3 ULB Tsy maintsy niala mangingina ny tanàna tamin'io andro io ireo miaramila, tahaka ny vahoaka menatra miala moramora raha handeha an'ady izy ireo. BSB BSB: So they returned to the city quietly that day, as people steal away in humiliation after fleeing a battle.
4 ULB Nanarona ny tavany ny mpanjaka ary nitomany tamin'ny feo mafy hoe: "Ry Absaloma zanako, Absaloma, ny zanako, ny zanako!" BSB BSB: But the king covered his face and cried out at the top of his voice, “O my son Absalom! O Absalom, my son, my son!”
5 ULB Ary niditra tao an-trano tao amin'ny mpanjaka i Joaba ary niteny taminy hoe: "Nanala baraka ireo tavan'ny miaramilanao rehetra anio, izay nanavotra ny ainao androany, ny ain'ireo zanakao lahy sy ireo zanakao vavy, sy ny ain'ireo vadinao ary ny ain'ireo vadin'ny andevonao ianao, BSB BSB: Then Joab went into the house and said to the king, “Today you have disgraced all your servants who have saved your life and the lives of your sons and daughters, of your wives, and of your concubines.
6 ULB satria ianao dia tia ireo izay mankahala anao, ary mankahala ireo izay tia anao. Fa androany dia nasehonao fa tsinontsinona aminao ireo mpifehy sy miaramila. Ankehitriny dia mino aho fa raha velona i Absaloma, ary maty daholo isika, dia ho nahafaly anao izany. BSB BSB: You love those who hate you and hate those who love you! For you have made it clear today that the commanders and soldiers mean nothing to you. I know today that if Absalom were alive and all of us were dead, it would have pleased you!
7 ULB Koa noho izany mitsangàna ka mivoaha ary resaho am-pahatsorana ireo miaramilanao, fa mianiana amin'i Yaveh aho, fa raha tsy mandeha ianao, dia tsy hisy olona na iray aza hijanona miaraka aminao anio alina. Ho ratsy kokoa aminao noho ny loza rehetra izay efa nihatra taminao hatramin'ny fahatanoranao ka hatramin'izao izany." BSB BSB: Now therefore get up! Go out and speak comfort to your servants, for I swear by the LORD that if you do not go out, not a man will remain with you tonight. This will be worse for you than all the adversity that has befallen you from your youth until now!”
8 ULB Koa nitsangana ny mpanjaka ary nipetraka teo am-bavahadin'ny tanàna, ary ny vahoaka rehetra nilazana hoe: "Indro, mipetraka eo am-bavahady ny mpanjaka," ary nankeo anoloany ny vahoaka rehetra. Dia nitsoaka ny Israely, samy nankany an-tranony avy ny olona rehetra. BSB BSB: So the king got up and sat in the gate, and all the people were told: “Behold, the king is sitting in the gate.” So they all came before the king. Meanwhile, the Israelites had fled, each man to his home.
9 ULB Ary ny vahoaka rehetra niady hevitra ny amin'ny fokon'Israely rehetra nanao hoe: "Namonjy antsika teo an-tanan'ireo fahavalontsika ny mpanjaka, ary nanavotra antsika teo an-tanan'ireo Filistina izy, fa ankehitriny dia nitsoaka ny tany izy noho i Absaloma. BSB BSB: And all the people throughout the tribes of Israel were arguing, “The king rescued us from the hand of our enemies and delivered us from the hand of the Philistines, but now he has fled the land because of Absalom.
10 ULB Absaloma, izay nohosorantsika hanjaka teto amintsika, dia efa maty tany an'ady. Koa nahoana ianareo no tsy miteny na inona na inona ny amin'ny fampodiana ny mpanjaka?" BSB BSB: But Absalom, the man we anointed over us, has died in battle. So why do you say nothing about restoring the king?”
11 ULB Davida mpanjaka naniraka tany amin'i Zadoka sy Abiatara mpisorona nanao hoe: "Ilazao ireo loholon'i Joda hoe: 'Nahoana no ianareo indray no farany amin'ny fampodiana ny mpanjaka any amin'ny lapany, nefa ny resaky ny Israely rehetra dia mankasitraka ny mpanjaka, mba hitondra azy hiverina any amin'ny lapany? BSB BSB: Then King David sent this message to Zadok and Abiathar, the priests: “Say to the elders of Judah, ‘Why should you be the last to restore the king to his palace, since the talk of all Israel has reached the king at his quarters?
12 ULB Rahalahiko ianareo, nofoko sy taolako. Koa nahoana no ianareo indray no farany amin'ny fampodiana ny mpanjaka?' BSB BSB: You are my brothers, my own flesh and blood. So why should you be the last to restore the king?’
13 ULB Ary ilazao i Amasa hoe: 'Moa ve ianao tsy nofoko sy taolako? Hataon'Andriamanitra amiko anie izany, ary mihoatra noho izany aza, raha tsy kapitenin'ny tafiko eo amin'ny toeran'i Joaba ianao manomboka izao." BSB BSB: And say to Amasa, ‘Aren’t you my flesh and blood? May God punish me, and ever so severely, if from now on you are not the commander of my army in place of Joab!’”
14 ULB Ary dia babony toy ny olona iray ireo fon'ny lehilahin'i Joda rehetra. Naniraka tany amin'ny mpanjaka izy ireo nanao hoe: "Miverena, ianao sy ny olonao rehetra." BSB BSB: So he swayed the hearts of all the men of Judah as though they were one man, and they sent word to the king: “Return, you and all your servants.”
15 ULB Dia niverina ny mpanjaka ka tonga teo amin'ny Jordana. Ary ny vahoakan'i Joda tonga teo Gilgala mba hitsena ny mpanjaka ary avy eo hitondra ny mpanjaka hiampita ny jordana. BSB BSB: So the king returned, and when he arrived at the Jordan, the men of Judah came to Gilgal to meet him and escort him across the Jordan.
16 ULB Simey zanaka lahin'i Gera, ilay Benjamita, izay avy any Bahorima, dia nidina faingana niaraka tamin'ny vahoakan'i Joda mba hitsena an'i Davida Mpanjaka. BSB BSB: Then Shimei son of Gera, a Benjamite from Bahurim, hurried down with the men of Judah to meet King David,
17 ULB Nisy arivo lahy avy any Benjamina niaraka taminy, ary Ziba ilay mpanompon' i Saoly, sy ireo zanany lahy dimy ambin'ny folo ary ireo mpanompony roapolo niaraka taminy. Niampita ny jordana teo anatrehan'ny mpanjaka izy ireo. BSB BSB: along with a thousand men of Benjamin, as well as Ziba the steward of the house of Saul and his fifteen sons and twenty servants. They rushed down to the Jordan before the king
18 ULB Niampita mba hitondra ny fianakavian'ny mpanjaka sy hanao izay rehetra noheveriny fa tsara izy ireo. Niankohoka teo anatrehan'ny mpanjaka i Simey zanaka lahin'i Gera mialohan'ny hiampitany ny Jordana. BSB BSB: and crossed at the ford to carry over the king’s household and to do what was good in his sight. When Shimei son of Gera crossed the Jordan, he fell down before the king
19 ULB Hoy i Simey tamin'ny mpanjaka hoe: "Tsia, ry tompoko, aza manameloka ahy na mahatsiaro izay nataon'ny mpanomponao tamim-pahamafisan-doha tamin'ny andro nialan'ny mpanjaka tompoko tao Jerosalema. Miangavy, aoka tsy handray izany am-po anie ny mpanjaka. BSB BSB: and said, “My lord, do not hold me guilty, and do not remember your servant’s wrongdoing on the day my lord the king left Jerusalem. May the king not take it to heart.
20 ULB Fa ireo mpanomponao dia mahalala fa efa nanota aho. Indro, izany no antony nahatongavako voalohany tamin'ireo fianakavian'i Josefa rehetra androany mba hidina hitsena ny mpanjaka tompoko." BSB BSB: For your servant knows that I have sinned, so here I am today as the first of all the house of Joseph to come down to meet my lord the king.”
21 ULB Fa i Abisay zanaka lahin'i Zeroia namaly ary nanao hoe: "Tsy tokony ho vonoina ve i Simey noho izany, satria nanozona an'ilay voahosotr'i Yaveh izy?" BSB BSB: But Abishai son of Zeruiah said, “Shouldn’t Shimei be put to death for this, because he cursed the LORD’s anointed?”
22 ULB Ary i Davida niteny hoe: "Moa mpifaninona izaho sy ianao, ry zanaka lahin'i Zeroia, no tokony ho mpanohitra ahy ianareo ankehitriny? Tokony hisy lehilahy ho vonoina ve eto Israely anio? Fa moa tsy fantatro ve fa izaho no mpanjakan'Israely anio?" BSB BSB: And David replied, “Sons of Zeruiah, what have I to do with you, that you should be my adversaries today? Should any man be put to death in Israel today? Am I not indeed aware that today I am king over Israel?”
23 ULB Koa niteny tamin'i Simey ny mpanjaka hoe: "Tsy ho faty ianao." Dia nampanantena azy tamim-pianianana ny mpanjaka. BSB BSB: So the king said to Shimei, “You shall not die.” And the king swore an oath to him.
24 ULB Ary Mefiboseta zanaka lahin'i Saoly nidina mba hitsena ny mpanjaka. Tsy nanisy kapa ny tongony izy, na nanala ny volom-bavany, na nanasa ireo lambany nanomboka tamin'ny andro nandehanan'ny mpanjaka ka hatramin'ny andro nahatongavany soa aman-tsara tao an-trano. BSB BSB: Then Mephibosheth, Saul’s grandson, went down to meet the king. He had not cared for his feet or trimmed his mustache or washed his clothes from the day the king had left until the day he returned safely.
25 ULB Koa rehefa tonga avy tany Jerosalema izy mba hitsena ny mpanjaka, dia hoy ny mpanjaka taminy hoe: "Nahoana ianao no tsy niaraka tamiko, ry Mefiboseta?" BSB BSB: And he came from Jerusalem to meet the king, who asked him, “Mephibosheth, why did you not go with me?”
26 ULB Namaly izy hoe: "Ry mpanjaka tompoko, namitaka ahy ny mpanompoko, fa hoy aho hoe: 'Hanisy lasely ny ampondrako aho mba hahafahako mitaingina izany sy miaraka amin'ny mpanjaka, satria mandringa ny mpanomponao. BSB BSB: “My lord the king,” he replied, “because I am lame, I said, ‘I will have my donkey saddled so that I may ride on it and go with the king.’ But my servant Ziba deceived me,
27 ULB Ziba mpanompoko dia efa nanendrikendrika ahy, mpanomponao, tamin'ny mpanjaka tompoko. Fa ny mpanjaka tompoko dia toy ny anjelin'Andriamanitra. Noho izany, ataovy izay tsara eo imasonao. BSB BSB: and he has slandered your servant to my lord the king. Yet my lord the king is like the angel of God, so do what is good in your eyes.
28 ULB Satria ny taranaky ny raiko rehetra dia efa lehilahy maty eo anatrehan'ny mpanjaka tompoko, kanefa ianao nametraka ny mpanomponao ho isan'ireo izay nihinana teo amin'ny latabatrao manokana. Koa inona intsony noho izany no rariny ho ahy izay tokony mbola hitarainako amin'ny mpanjaka?" BSB BSB: For all the house of my grandfather deserves death from my lord the king, yet you have set your servant among those who eat at your table. What further right, then, do I have to keep appealing to the king?”
29 ULB Dia hoy ny mpanjaka taminy hoe: "Nahoana no manazava zavatra mihoatra?" Efa nanapa-kevitra aho fa ianao sy Ziba no hizara ireo saha." BSB BSB: The king replied, “Why say any more? I hereby declare that you and Ziba are to divide the land.”
30 ULB Ary Mefiboseta namaly ny mpanjaka hoe: "Eny, aoka izy haka azy rehetra, satria ny mpanjaka tompoko dia efa tonga soa aman-tsara ato an-tranony." BSB BSB: And Mephibosheth said to the king, “Instead, since my lord the king has safely come to his own house, let Ziba take it all!”
31 ULB Ary Barzilay ilay Gileadita dia nidina avy any Rogelima mba hiampita ny Jordana miaraka amin'ny mpanjaka, ary nanatitra ny mpanjaka niampita ny Jordana izy. BSB BSB: Now Barzillai the Gileadite had come down from Rogelim to cross the Jordan with the king and send him on his way from there.
32 ULB Barzilay dia lehilahy efa tena antitra, valopolo taona. Efa nanome vatsy ny mpanjaka izy fony izy nipetraka tao Mahanaima, satria lehilahy tena mpanefoefo izy. BSB BSB: Barzillai was quite old, eighty years of age, and since he was a very wealthy man, he had provided for the king while he stayed in Mahanaim.
33 ULB Hoy ny mpanjaka tamin'i Barzilay hoe: "Ndeha hiara-mita amiko, ary hanome anao toerana miaraka amiko any Jeroselama aho." BSB BSB: The king said to Barzillai, “Cross over with me, and I will provide for you at my side in Jerusalem.”
34 ULB Barzilay namaly ny mpanjaka hoe: "Hafiriana moa sisa no andro hiainako, no mbola tokony hiara-hiakatra amin'ny mpanjaka any Jerosalema aho? BSB BSB: But Barzillai replied, “How many years of my life remain, that I should go up to Jerusalem with the king?
35 ULB Valopolo taona aho. Mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy ve aho? Mahavita mihinana izay haniko sy sotroiko ve ny mpanomponao? Moa ve aho mahare ny feon'ny mpihira lahy sy mpihira vavy intsony? Koa nahoana ny mpanomponao no mbola ho vesatra ho an'ny mpanjaka tompoko? BSB BSB: I am now eighty years old. Can I discern what is good and what is not? Can your servant taste what he eats or drinks? Can I still hear the voice of singing men and women? Why should your servant be an added burden to my lord the king?
36 ULB Te-hiampita an'i Jordana miaraka amin'ny mpanjaka fotsiny ny mpanomponao. Koa nahoana ny mpanjaka no dia hamaly fitia ahy tahaka izany? BSB BSB: Your servant will go with the king only a short distance past the Jordan; why should the king repay me with such a reward?
37 ULB Aoka re ny mpanomponao hody, mba ho faty any amin'ny tanànako eo akaikin'ny fasan'ny raiko sy ny reniko aho. Fa indro, inty i Kimama mpanomponao. Aoka izy hiara-mita amin'ny tompoko mpanjaka, ary ataovy aminy izay heverinao fa tsara aminao." BSB BSB: Please let your servant return, that I may die in my own city near the tomb of my father and mother. But here is your servant Chimham. Let him cross over with my lord the king, and do for him what is good in your sight.”
38 ULB Dia namaly ny mpanjaka hoe: "Hiara-mita amiko i Kimama, ary hataoko aminy izay heverinao fa tsara, ary na inona na inona irinao aty amiko, dia hataoko izany ho anao." BSB BSB: The king replied, “Chimham will cross over with me, and I will do for him what is good in your sight, and I will do for you whatever you desire of me.”
39 ULB Ary dia niampita an'i Jordana ny vahoaka rehetra, niampita ny mpanjaka, dia nanoroka an'i Barzilay izy ary nitso-drano azy. Dia nody tany an-tranony i Barzilay. BSB BSB: So all the people crossed the Jordan, and then the king crossed over. The king kissed Barzillai and blessed him, and Barzillai returned home.
40 ULB Dia nita an'i Gilgala ny mpanjaka, ary Kimama nita niaraka taminy. Ny tafik'i Joda rehetra dia nitondra ny mpanjaka niampita, ary koa ny antsasa-tafiky ny Israely. BSB BSB: Then the king crossed over to Gilgal, and Chimham crossed over with him. All the troops of Judah and half the troops of Israel escorted the king.
41 ULB Vetivety dia nanomboka tonga teo amin'ny mpanjaka ny lehilahin'Israely rehetra ary niteny tamin'ny mpanjaka hoe: "Nahoana ireo rahalahintsika, ireo lehilahin'i Joda, no nangalatra anao ary nitondra ny mpanjaka sy ny fianakaviany nita an'i Jordana, ary ny lehilahin'i Davida rehetra niaraka taminy?" BSB BSB: Soon all the men of Israel came to the king and asked, “Why did our brothers, the men of Judah, take you away secretly and bring the king and his household across the Jordan, together with all of David’s men?”
42 ULB Dia namaly ny lehilahin'Israely ny lehilahin'i Joda hoe: "Izany dia satria ny mpanjaka akaiky anay kokoa. Koa nahoana ianareo no tezitra amin'izany? Efa nandany izay novidin'ny mpanjaka ve izahay? Efa nanome fanomezana ho anay ve izy?" BSB BSB: And all the men of Judah replied to the men of Israel, “We did this because the king is our relative. Why does this anger you? Have we ever eaten at the king’s expense or received anything for ourselves?”
43 ULB Dia namaly ny lehilahin'i Joda ny lehilahin'Israely hoe: "Manana foko folo mifandray amin'ny mpanjaka izahay, noho izany manan-jo kokoa ny amin'i Davida noho ianareo izahay. Koa nahoana ianareo no manao tsinontsinona anay? Moa ve tsy ny tolo-kevitray ny amin'ny hitondrana ny mpanjakanay hiverina no rè voalohany?" Fa ireo tenin'ny lehilahin'i Joda dia mahery kokoa noho ireo tenin'ny lehilahin'Israely. BSB BSB: “We have ten shares in the king,” answered the men of Israel, “so we have more claim to David than you. Why then do you despise us? Were we not the first to speak of restoring our king?” But the men of Judah spoke more fiercely than the men of Israel.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.