1 ULB Nanisa ireo miaramila izay niaraka taminy i Davida ary nanendry kapitenin'ny arivo sy kapitenin'ny zato teo amin'izy ireo. BSB BSB: Then David reviewed his troops and appointed over them commanders of thousands and of hundreds.
2 ULB Avy eo dia nalefan'i Davida ny tafika, ny ampahatelony teo ambany fifehezan'i Joaba, ny ampahatelony iray hafa teo ambany fifehezan'i Abisay zanaka lahin'i Zeroia, rahalahin'i Joaba, ary ampahatelony iray hafa teo ambany fifehezan'Itahy Gatita. Hoy ny mpanjaka tamin'ny tafika hoe: "Izaho ihany koa dia handeha hiaraka aminareo tokoa." BSB BSB: He sent out the troops, a third under Joab, a third under Joab’s brother Abishai son of Zeruiah, and a third under Ittai the Gittite. And the king said to the troops, “I will surely march out with you as well.”
3 ULB Fa hoy ireo lehilahy hoe: "Aoka tsy handeha amin'ny ady ianao, fa raha mandositra amin'ny ady izahay dia tsy hiraharaha izay momba anay izy ireo, na raha maty ny antsasakay dia tsy hiraharaha izy ireo. Fa ianao dia mendrika ny iray alina aminay! Noho izany dia tsara raha vonona hanampy anay avy aty amin'ny tanàna ianao." BSB BSB: But the people pleaded, “You must not go out! For if we have to flee, they will not care about us. Even if half of us die, they will not care. But you are worth ten thousand of us. It is better now if you support us from the city.”
4 ULB Ka namaly azy ireo ny mpanjaka hoe: "Ho ataoko izay mety ho tsara aminareo." Dia nitsangana teo amin'ny vavahady ny mpanjaka mandra-pivoaka isan-jatony sy isan'arivony ny tafika. BSB BSB: “I will do whatever seems best to you,” the king replied. So he stood beside the gate, while all the troops marched out by hundreds and by thousands.
5 ULB Nandidy an'i Joaba, Abisay, ary Itahy ny mpanjaka nanao hoe: "Nohon'ny amiko dia mifanaraha amin-katsaram-panahy amin'ilay tovolahy, amin'i Absaloma." Ny vahoaka rehetra dia nandre fa nanome izany baiko izany an'ireo kapiteny momban'i Absaloma ny mpanjaka. BSB BSB: Now the king had commanded Joab, Abishai, and Ittai, “Treat the young man Absalom gently for my sake.” And all the people heard the king’s orders to each of the commanders regarding Absalom.
6 ULB Ka lasa nankany ambanivohitra nanohitra an'Israely ny tafika; niparitaka tamin'ny alan'i Efraima ny ady. BSB BSB: So David’s army marched into the field to engage Israel, and the battle took place in the forest of Ephraim.
7 ULB Resy tany teo anatrehan'ireo miaramilan'i Davida ny tafik'Israely; nisy famonoana olona roa alina tany tamin'io andro io. BSB BSB: There the people of Israel were defeated by David’s servants, and the slaughter was great that day—twenty thousand men.
8 ULB Niparitaka eraky ny faritra iray manontolo ny ady, ary maro kokoa ny olona ravan'ny ala noho ny sabatra. BSB BSB: The battle spread over the whole countryside, and that day the forest devoured more people than the sword.
9 ULB Ary nifanehatra tamin'ny sasany tamin'ireo miaramilan'i Davida i Absaloma. Nitaingina ny ampondrany izy, ary nandeha tao ambany sampana matevin'ny hazo terebinta lehibe ny ampondrany, ka voahazona tao amin'ny rantsan'ny hazo ny lohany. Tavela nikiraviravy teo anelanelan'ny tany sy ny lanitra izy raha lasa ny ampondra notaingenany. BSB BSB: Now Absalom was riding on his mule when he met the servants of David, and as the mule went under the thick branches of a large oak, Absalom’s head was caught fast in the tree. The mule under him kept going, so that he was suspended in midair.
10 ULB Nisy olona iray nahita izany ka niteny tamin'i Joaba hoe: "Indro, hitako nihantona tamin'ny hazo terebinta i Absaloma." BSB BSB: When one of the men saw this, he told Joab, “I just saw Absalom hanging in an oak tree!”
11 ULB Hoy i Joaba tamin'ilay olona izay niteny taminy ny momban'i Absaloma: "Indro, Hitanao izy! Nahoana no tsy novelesinao hianjera amin'ny tany izy? Mety ho nomeko sekela volafotsy folo sy fehinkibo ianao." BSB BSB: “You just saw him!” Joab exclaimed. “Why did you not strike him to the ground right there? I would have given you ten shekels of silver and a warrior’s belt!”
12 ULB Namaly an'i Joaba ilay olona hoe: "Na dia nandray sekela volafotsy arivo aza aho, dia mbola tsy haninjitra ny tanako amin'ny zanaky ny mpanjaka, satria renay rehetra fa ny mpanjaka dia nibaiko anao, an'i Abisay, sy an'Itahy, nanao hoe: 'Aoka tsy hisy na iza na iza hikasika an'ilay tovolahy dia i Absaloma.' BSB BSB: The man replied, “Even if a thousand shekels of silver were weighed out into my hands, I would not raise my hand against the son of the king. For we heard the king command you and Abishai and Ittai, ‘Protect the young man Absalom for my sake.’
13 ULB Raha nahafoy ny aiko tamin'ny lainga aho (ary tsy misy zavatra miafina amin'ny mpanjaka), dia mety ho nanary ahy ianao." BSB BSB: If I had jeopardized my own life—and nothing is hidden from the king—you would have abandoned me.”
14 ULB Dia hoy i Joaba hoe: "Tsy hiandry anao aho." Ka naka lefona telo teny an-tanany i Joaba ary nandetika ireo tao amin'ny fon'i Absaloma, raha mbola velona sy nihantona teo amin'ny hazo terebinta izy. BSB BSB: But Joab declared, “I am not going to wait like this with you!” And he took three spears in his hand and thrust them through the heart of Absalom while he was still alive in the oak tree.
15 ULB Avy eo ireo tovolahy folo izay nilanja ny fitaovam-piadian'i Joaba nanodidina an'i Absaloma, namely azy, ary namono azy. BSB BSB: And ten young men who carried Joab’s armor surrounded Absalom, struck him, and killed him.
16 ULB Avy eo i Joaba nitsoka ny trompetra, ary niverina avy tamin'ny fanenjehana an'Israely ny tafika, satria i Joaba no nifehy ny tafika. BSB BSB: Then Joab blew the ram’s horn, and the troops broke off their pursuit of Israel because Joab had restrained them.
17 ULB Nalain'izy ireo i Absaloma ka natsipin'izy ireo tany anaty lavaka lehibe tao an'ala; nalevin'izy ireo tao ambany antontam-bato lehibe ny vatany, raha toa ka nandositra ny Israely rehetra, ny olon-drehetra ho any an-tranony avy. BSB BSB: They took Absalom, cast him into a large pit in the forest, and piled a huge mound of stones over him. Meanwhile, all the Israelites fled, each to his home.
18 ULB Ary i Absaloma, raha mbola velona, dia nanangana antontam-bato lehibe tao amin'ny Lohasahan'ny Mpanjaka ho azy, fa hoy izy hoe: "Tsy manan-janaka lahy hitondra ny anarako aho." Nomeny ny anarany ilay antontam-bato, ka tamin'io andro io ihany dia nantsoina hoe: Tsangam-baton'i Absaloma izany. BSB BSB: During his lifetime, Absalom had set up for himself a pillar in the King’s Valley, for he had said, “I have no son to preserve the memory of my name.” So he gave the pillar his name, and to this day it is called Absalom’s Monument.
19 ULB Ary hoy i Ahimaza zanak'i Zadoka hoe: "Avelao hihazakazaka hitondra vaovao mahafaly ho any amin'ny mpanjaka aho, dia ny fomba namonjen'i Yaveh azy teo an-tanan'ireo fahavalony." BSB BSB: Then Ahimaaz son of Zadok said, “Please let me run and tell the king the good news that the LORD has avenged him of his enemies.”
20 ULB Namaly azy i Joaba hoe: "Tsy ianao no ho mpitondra vaovao anio; aoka amin'ny andro manaraka ianao no manao izany. Tsy hitondra vaovao ianao anio satria maty ny zanaka lahin'ny mpanjaka." BSB BSB: But Joab replied, “You are not the man to take good news today. You may do it another day, but you must not do so today, because the king’s son is dead.”
21 ULB Ary hoy i Joaba tamin'ilay Kosita iray hoe: "Mandehana, lazao amin'ny mpanjaka izay hitanao." Dia niankohoka teo amin'i Joaba ilay Kosita, ary lasa nihazakazaka. BSB BSB: So Joab said to a Cushite, “Go, tell the king what you have seen.” The Cushite bowed to Joab and took off running.
22 ULB Avy eo i Ahimaza zanak'i Zadoka mbola niteny tamin'i Joaba indray hoe: "Na inona na inona mety hitranga, dia avelao hihazakazaka ihany koa aho ka hanaraka ilay Kosita." Joaba namaly hoe: "Nahoana ianao no te-hihazakazaka, ry zanako, nefa mahita fa tsy hahazo valisoa amin'ireo vaovao ianao?" BSB BSB: Ahimaaz son of Zadok, however, persisted and said to Joab, “No matter what, please let me also run behind the Cushite!” “My son,” Joab replied, “why do you want to run, since you will not receive a reward?”
23 ULB "Na inona na inona mitranga," hoy i Ahimaza, "Dia hihazakazaka aho." Ka namaly azy i Joaba hoe: "Mihazakazaha." Ary nihazakazaka tamin'ny tany lemaka i Ahimahaza, ka nihoatra an'ilay Kosita. BSB BSB: “No matter what, I want to run!” he replied. “Then run!” Joab told him. So Ahimaaz ran by way of the plain and outran the Cushite.
24 ULB Ary i Davida nipetraka teo anelanelan'ny anatiny sy ivelan'ny vavahady. Nandeha teny amin'ny tafon'ny vavahady teny amin'ny manda ilay mpiambina ary nanandratra ny masony. Raha nijery izy, dia nahita lehilahy nanatona, nihazakazaka irery. BSB BSB: Now David was sitting between the two gates when the watchman went up to the roof of the gateway by the wall, looked out, and saw a man running alone.
25 ULB Nihiakiaka ilay mpiambina ary niteny tamin'ny mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka hoe: "Raha irery izy, dia misy vaovao ao am-bavany." Nanatona akaiky ilay mpihazakazaka ary nanakaiky ny tanàna. BSB BSB: So he called out and told the king. “If he is alone,” the king replied, “he bears good news.” As the first runner drew near,
26 ULB Avy eo dia nahita mpihazakazaka iray hafa ilay mpiambina, ka nampiantso ny mpiandry vavahady izy; hoy izy hoe: "Indro, misy olona iray hafa mihazakazaka irery." Hoy ny mpanjaka hoe: "Mitondra vaovao ihany koa izy." BSB BSB: the watchman saw another man running, and he called out to the gatekeeper, “Look! Another man is running alone!” “This one also brings good news,” said the king.
27 ULB Ka niteny ilay mpiambina hoe: "Tahaka ny fihazakazak'i Ahimaza zanak'i Zadoka no fahitako ny fihazakazak'ilay olona iray eo aloha." Hoy ny mpanjaka hoe: "Lehilahy tsara izy ary tonga miaraka amin'ny vaovao mahafaly." BSB BSB: The watchman said, “The first man appears to me to be running like Ahimaaz son of Zadok.” “This is a good man,” said the king. “He comes with good news.”
28 ULB Dia niantso mafy i Ahimahaza ary niteny tamin'ny mpanjaka hoe: "Mety ny zava-drehetra." Nampiankohoka ny tenany tamin'ny tavany teo amin'ny tany teo anatrehan'ny mpanjaka izy ary nanao hoe: "Deraina anie Yaveh Andriamanitrao! Nanafaka ny olona izay nanandratra ny tanan'izy ireo nanohitra ny mpanjaka tompoko Izy." BSB BSB: Then Ahimaaz called out to the king, “All is well!” And he bowed facedown before the king. He continued, “Blessed be the LORD your God! He has delivered up the men who raised their hands against my lord the king.”
29 ULB Ka namaly ny mpanjaka hoe: "Mety tsara ve ny amin'ilay tovolahy Absaloma?" Namaly i Ahimaza hoe: "Rehefa nandefa ahy, mpanompon'ny mpanjaka, hakaty aminao i Joaba, ry mpanjaka, dia nahita korontana lehibe aho, fa tsy fantatro hoe inona izany." BSB BSB: The king asked, “Is the young man Absalom all right?” And Ahimaaz replied, “When Joab sent the king’s servant and your servant, I saw a great tumult, but I do not know what it was.”
30 ULB Dia hoy ny mpanjaka hoe: "Mitodiha kely ary mitsangàna eto." Ka nitodika kely Ahimaza, ary nitsangana. BSB BSB: “Move aside,” said the king, “and stand here.” So he stepped aside.
31 ULB Dia tonga teo no ho eo ilay Kosita ka niteny hoe: "Misy vaovao mahafaly ho anao ry mpanjaka tompoko, fa ankehitriny Yaveh dia namaly faty anao tamin'ireo rehetra izay nitsangana nanohitra anao." BSB BSB: Just then the Cushite came and said, “May my lord the king hear the good news: Today the LORD has avenged you of all who rose up against you!”
32 ULB Ary hoy ny mpanjaka tamin'ilay Kosita hoe: "Mety tsara ve ny amin'ilay tovolahy Absaloma?" Namaly ilay Kosita hoe: "Ireo fahavalon'ny mpanjaka tompoko, sy ireo rehetra izay mitsangana manohitra anao mba handratra anao, dia tokony ho tahaka an'io tovolahy io." BSB BSB: The king asked the Cushite, “Is the young man Absalom all right?” And the Cushite replied, “May the enemies of my lord the king and all who rise up against you to harm you be like that young man.”
33 ULB Dia ketraka fatratra ny mpanjaka, ka niakatra tany amin'ny efitrano ambonin'ny vavahady izy ary nitomany. Sady nandeha izy no nitaraina hoe: "Absaloma zanako, ny zanako, Absaloma zanako! Tokony ho izaho no maty fa tsy ianao, ry Absaloma, ny zanako, ny zanako!" BSB BSB: The king was shaken and went up to the chamber over the gate and wept. And as he walked, he cried out, “O my son Absalom! My son, my son Absalom! If only I had died instead of you, O Absalom, my son, my son!”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.