1 ULB Dia niteny tamin'i Absaloma i Ahitofela hoe: "Avelao aho hifidy lehilahy roa arivo sy iray alina, ary hitsangana sy hanenjika an'i Davida aho anio alina. BSB BSB: Furthermore, Ahithophel said to Absalom, “Let me choose twelve thousand men and set out tonight in pursuit of David.
2 ULB Ho tonga eo aminy aho raha mbola reraka sy malemy iny izy ary hanapoka azy amin-tahotra aho. Handositra ny vahoaka izay miaraka aminy, ary ny mpanjaka ihany no ho tafihiko. BSB BSB: I will attack him while he is weak and weary; I will throw him into a panic, and all the people with him will flee; I will strike down only the king
3 ULB Ho entiko miverina aminao avokoa ny olona rehetra, toy ny vehivavy ampakarina tonga eo amin'ny vadiny, ary ny olona rehetra dia hilamina eo ambany fahefanao." BSB BSB: and bring all the people back to you as a bride returning to her husband. You seek the life of only one man; then all the people will be at peace.”
4 ULB Izay nolazain'i Ahitofela dia nankasitrahan'i Absaloma sy ireo loholon'Israely rehetra. BSB BSB: This proposal seemed good to Absalom and all the elders of Israel.
5 ULB Dia hoy i Absaloma hoe: "Antsoy ihany koa i Hosay ilay Arkita izao, ary aoka isika handre izay lazainy." BSB BSB: Then Absalom said, “Summon Hushai the Archite as well, and let us hear what he too has to say.”
6 ULB Rehefa tonga teo amin'i Absaloma i Hosay, dia nazavain'i Absaloma taminy izay nolazain'i Ahitofela ary nanontany an'i Hosay izy hoe: "Tokony hanao izay nolazain'i Ahitofela ve isika? Raha tsia, lazao anay izay torohevitrao." BSB BSB: So Hushai came to Absalom, who told him, “Ahithophel has spoken this proposal. Should we carry it out? If not, what do you say?”
7 ULB Dia niteny tamin'i Absaloma i Hosay hoe: "Tsy tsara ny torohevitra izay nomen'i Ahitofela tamin'ity." BSB BSB: Hushai replied, “This time the advice of Ahithophel is not sound.”
8 ULB Dia nanampy i Hosay hoe: "Fantatrao fa mpiady mahery ny rainao sy ireo lehilahiny, ary masiaka izy ireo, ary toy ny bera very anaka any an-tsaha. Lehilahy mpiady ny rainao; tsy hatory miaraka amin'ny tafika izy anio alina. BSB BSB: He continued, “You know your father and his men. They are mighty men, and as fierce as a wild bear robbed of her cubs. Moreover, your father is a man of war who will not spend the night with the troops.
9 ULB Indro, mety miafina any an-davaka na any an-toeran-kafa izy izao. Rehefa misy maty eo am-panombohan'ny fanafihana ny lehilahinao sasany, na iza na iza mandre izany dia hiteny hoe: 'Misy famonoana mitranga eo amin'ireo miaramila izay manaraka an'i Absaloma.' BSB BSB: Surely by now he is hiding in a cave or some other location. If some of your troops fall first, whoever hears of it will say, ‘There has been a slaughter among the troops who follow Absalom.’
10 ULB Ka na dia ireo miaramila be herim-po indrindra aza, izay tahaka ny fon'ny liona ny fon'izy ireo, dia hatahotra satria fantatry ny Israely rehetra fa lehilahy mahery ny rainao, ary ireo lehilahy miaraka aminy dia tena matanjaka. BSB BSB: Then even the most valiant soldier with the heart of a lion will melt with fear, because all Israel knows that your father is a mighty man who has valiant men with him.
11 ULB Noho izany dia manoro hevitra anao aho fa tokony havory miaraka eto aminao ny Israely rehetra, manomboka any Dana ka hatrany Beri-sheba, izay maro isa toy ny fasika eo amoron-dranomasina, ary ny tenanao mihitsy no andeha hiady. BSB BSB: Instead, I advise that all Israel from Dan to Beersheba—a multitude like the sand on the seashore—be gathered to you, and that you yourself lead them into battle.
12 ULB Avy eo dia ho tonga eo aminy izahay na aiza na aiza mety hahitana azy, ary handrakotra azy tahaka ny ando mianjera amin'ny tany izahay. Tsy misy avelanay ho velona na dia iray amin'ireo olony, na izy tenany aza. BSB BSB: Then we will attack David wherever we find him, and we will descend on him like dew on the ground. And of all the men with him, not even one will remain.
13 ULB Raha misintaka any amin'ny tanàna iray izy, dia hitondra tady ho any amin'izany tanàna izany ny Israely rehetra ka ho tarihinay ho any an-drenirano izany, mandra-pahatsisy na dia vato kely iray aza hita ao." BSB BSB: If he retreats to a city, all Israel will bring ropes to that city, and we will drag it down to the valley until not even a pebble can be found there.”
14 ULB Dia hoy i Absaloma sy ireo lehilahin'Israely hoe: "Ny torohevitr'i Hosay ilay Arkita dia tsara kokoa noho ny an'i Ahitofela." Yaveh dia nampisy fandavana ny torohevitra tsaran'i Ahitofela mba hitondrana loza eo amin'i Absaloma. BSB BSB: Then Absalom and all the men of Israel said, “The advice of Hushai the Archite is better than that of Ahithophel.” For the LORD had purposed to thwart the good counsel of Ahithophel in order to bring disaster on Absalom.
15 ULB Dia hoy i Hosay tamin'i Zadoka sy tamin'i Abiatara mpisorona hoe: "Ahitofela nanoro hevitra an'i Absaloma sy ireo loholon'Israely tamin'ny fomba tahaka izany, nefa izaho manana hevitra hafa. BSB BSB: So Hushai told Zadok and Abiathar, the priests, “This is what Ahithophel has advised Absalom and the elders of Israel, and this is what I have advised.
16 ULB Koa ankehitriny ary, mandehana faingana ary tatero any amin'i Davida; teneno izy hoe: 'Aza mitoby ao amin'ireo fitàn'i Araba anio alina, fa miampità amin'ny fomba rehetra, raha tsy izany dia ho voatelina miaraka amin'ireo vahoaka rehetra izay miaraka aminy ny mpanjaka.'" BSB BSB: Now send quickly and tell David, ‘Do not spend the night at the fords of the wilderness, but be sure to cross over. Otherwise the king and all the people with him will be swallowed up.’”
17 ULB Ary i Jonatana sy Ahimaza nitoetra teo amin'ny loharanon'i En-rogela. Nisy mpanompo vavy natao handeha sy hampahalala azy ireo ny amin'izay tokony ho fantatr'izy ireo, fa tsy natahorana ho hita ny fidiran'izy ireo ao an-tanàna. Rehefa tonga ny hafatra, dia nandeha sy niteny an'i Davida Mpanjaka izy ireo. BSB BSB: Now Jonathan and Ahimaaz were staying at En-rogel, where a servant girl would come and pass along information to them. They in turn would go and inform King David, for they dared not be seen entering the city.
18 ULB Nefa nisy tovolahy nahita azy ireo tamin'io fotoana io ka niteny tamin'i Absaloma. Dia nivoaka faingana i Jonatana sy Ahimaza ary nankany an-tranon'ny lehilahy iray tao Bahorima, izay nanana lava-drano teo an-tokontaniny, tao no nidinan'izy ireo. BSB BSB: But a young man did see them and told Absalom. So the two left quickly and came to the house of a man in Bahurim. He had a well in his courtyard, and they climbed down into it.
19 ULB Naka fandrakofana ilay lava-drano ny vadin-dralehilahy ary nandrakotra izany tamin'ny vavan'ny lava-drano, ary nanaparitaka vary teo amin'izany, ka dia tsy nisy nahalala fa tao amin'ny lava-drano i Jonatana sy Ahimaza. BSB BSB: Then the man’s wife took a covering, spread it over the mouth of the well, and scattered grain over it so nobody would know a thing.
20 ULB Tonga tao amin-dravehivavy tao an-trano ireo lehilahin'i Absaloma ary nanao hoe: "Aiza i Ahimaza sy Jonatana?" Hoy ravehivavy tamin'izy ireo hoe: "Efa niampita ny ony izy ireo." Ka rehefa avy nijery ny manodidina izy ireo ka tsy nahita azy ireo, dia niverina tany Jerosalema. BSB BSB: When Absalom’s servants came to the woman at the house, they asked, “Where are Ahimaaz and Jonathan?” “They have crossed over the brook,” she replied. The men searched but did not find them, so they returned to Jerusalem.
21 ULB Ary rehefa lasa izy ireo dia niakatra avy tao an-dava-drano i Jonatana sy Ahimaza. Nandeha nitatitra tany amin'i Davida Mpanjaka izy ireo; hoy izy ireo taminy hoe: "Mitsangàna ary miampità faingana ny rano satria Ahitofela efa nanome torohevitra toy izao sy toy izao momba anao." BSB BSB: After the men had gone, Ahimaaz and Jonathan climbed up out of the well and went to inform King David, saying, “Get up and cross over the river at once, for Ahithophel has given this advice against you.”
22 ULB Dia nitsangana i Davida sy ny olona rehetra izay niaraka taminy, ka niampita an'i Jordana izy ireo. Nialohan'ny andro maraina dia tsy nisy tsy tafita an'i Jordana izy ireo. BSB BSB: So David and all the people with him got up and crossed the Jordan. By daybreak, there was no one left who had not crossed the Jordan.
23 ULB Rehefa hitan'i Ahitofela fa tsy narahina ny toroheviny, dia nanisy lasely ny borikiny izy ary lasa. Nody tany an-tanànany izy, nandamina ireo raharahany, ary nananto-tena. Tamin'izany fomba izany no nahafaty azy ary nalevina tany amin'ny fasan-drainy izy. BSB BSB: When Ahithophel saw that his advice had not been followed, he saddled his donkey and set out for his house in his hometown. He put his affairs in order and hanged himself. So he died and was buried in his father’s tomb.
24 ULB Avy eo i Davida dia tonga tany Mahanaima. Raha ny amin'i Absaloma, dia niampita an'i Jordana izy, izy sy ireo lehilahin'Israely rehetra niaraka taminy. BSB BSB: Then David went to Mahanaim, and Absalom crossed the Jordan with all the men of Israel.
25 ULB Ary Absaloma nametraka an'i Amasa fa tsy Joaba hifehy ny tafika. Amasa dia zanaka lahin'i Jitra ilay Ismaelita, izay nandry niaraka tamin'i Abigaila, izay zanaka vavin'i Nahasa ary rahavavin'i Zeroia, renin'i Joaba. BSB BSB: Absalom had appointed Amasa over the army in place of Joab. Amasa was the son of a man named Ithra, the Ishmaelite who had married Abigail, the daughter of Nahash and sister of Zeruiah the mother of Joab.
26 ULB Ary Israely sy Absaloma dia nitoby tao amin'ny tanin'i Gileada. BSB BSB: So the Israelites and Absalom camped in the land of Gilead.
27 ULB Ary rehefa tonga tao Mahanaima i Davida, i Soby zanaka lahin'i Nahasa avy ao Raba ao amin'ireo Amonita, sy Makira zanaka lahin'i Amiela avy ao Lo-debara, ary Barzilay ilay Gileadita avy any Rogelima, BSB BSB: When David came to Mahanaim, he was met by Shobi son of Nahash from Rabbah of the Ammonites, Machir son of Ammiel from Lo-debar, and Barzillai the Gileadite from Rogelim.
28 ULB dia nitondra fandriana sy bodofotsy, lovia sy vilany, sy vary, kobam-bary hordea, lango, tsaramaso, voanemba, BSB BSB: They brought beds, basins, and earthen vessels, as well as wheat, barley, flour, roasted grain, beans, lentils,
29 ULB tantely, dibera, ondry, ary ronono mandry, mba hafahan'i Davida sy ireo vahoaka niaraka taminy mihinana. Hoy ireo lehilahy ireo hoe: "Noana, reraka, ary mangetaheta any an'efitra ny vahoaka." BSB BSB: honey, curds, sheep, and cheese from the herd for David and his people to eat. For they said, “The people have become hungry, exhausted, and thirsty in the wilderness.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.