1 ULB Rehefa niala tsy lavitra ny tampon'ny tendrombohitra i Davida, dia tonga nitsena azy i Ziba mpanompon'i Mefiboseta niaraka tamin'ireo ampondra roa misy lasely; izy ireo dia nitondra mofo roanjato, sampam-boaloboka zato sy fehezan'aviavy zato, ary divay iray tavoara. BSB BSB: When David had gone a little beyond the summit, Ziba the servant of Mephibosheth was there to meet him. He had a pair of saddled donkeys loaded with two hundred loaves of bread, a hundred clusters of raisins, a hundred summer fruits, and a skin of wine.
2 ULB Nilaza tamin'i Ziba ny Mpanjaka hoe: "Nahoana no nitondra ireo zavatra ireo ianao?" Namaly i Ziba hoe: "Ny ampondra dia natao ho taingenan'ny ankohonan'ny mpanjaka, ny mofo sy ny mofo mamy misy aviavy dia natao ho hanin'ireo olonao, ary ny divay dia natao ho sotroin'ireo izay torovana tany an-tany hay." BSB BSB: “Why do you have these?” asked the king. Ziba replied, “The donkeys are for the king’s household to ride, the bread and summer fruit are for the young men to eat, and the wine is to refresh those who become exhausted in the wilderness.”
3 ULB Hoy ny mpanjaka hoe: "Aiza ary ny zafy lahin'ny tomponao?" Namaly ny mpanjaka i Ziba: "Indro, nijanona tany Jerosalema izy, fa hoy izy hoe: 'Anio dia ho averin'ny ankohonan'Israely amiko ny fanjakan'ny raiko.'" BSB BSB: “Where is your master’s grandson?” asked the king. And Ziba answered, “Indeed, he is staying in Jerusalem, for he has said, ‘Today, the house of Israel will restore to me the kingdom of my grandfather.’”
4 ULB Dia niteny tamin'i Ziba ny mpanjaka hoe: "Indro, izay an'i Mefiboseta rehetra dia lasanao ankehitriny." Namaly i Ziba hoe: "Miondrika am-panetre-tena eo anatrehanao aho, ry mpanjaka, tompoko. Aoka hahita sitraka eo imasonao aho." BSB BSB: So the king said to Ziba, “All that belongs to Mephibosheth is now yours!” “I humbly bow before you,” said Ziba. “May I find favor in your eyes, my lord the king!”
5 ULB Rehefa nanatona an'i Bahorima i Davida Mpanjaka, dia nisy lehilahy avy amin'ny fokon'i Saoly nipoitra avy any, antsoina hoe: Simey zanak'i Gera. Nivoaka nanozona teny am-pandehanana izy. BSB BSB: As King David approached Bahurim, a man from the family of the house of Saul was just coming out. His name was Shimei son of Gera, and as he approached, he kept yelling out curses.
6 ULB Notorahany vato i Davida sy ireo manam-pahefan'ny mpanjaka rehetra, na dia teo aza ireo tafika sy ireo mpiambina izay teo an-kavia sy havanan'ny mpanjaka. BSB BSB: He threw stones at David and at all the servants of the king, though the troops and all the mighty men were on David’s right and left.
7 ULB Niantso fanozonana i Simey: "Mandehana any, mandehana mivoaka eto, ianao izay mpanao ratsy, ianao izay olona mpandatsa-drà! BSB BSB: And as he yelled curses, Shimei said, “Get out, get out, you worthless man of bloodshed!
8 ULB Novalian'i Yaveh taminareo rehetra ny ràn'ny fianakavian'i Saoly izay nalatsakareo, tamin'ny toerana izay nanjakanareo. Nomen'i Yaveh teo an-tanan'i Absaloma zanakao ny fanjakana. Tonga amin'ny faharavana ianao satria olon'ny rà." BSB BSB: The LORD has paid you back for all the blood of the house of Saul, in whose place you have reigned, and the LORD has delivered the kingdom into the hand of your son Absalom. See, you have come to ruin because you are a man of bloodshed!”
9 ULB Dia hoy i Abisay zanaka lahin'i Zeroia, tamin'ny mpanjaka hoe: "Nahoana io alika maty io no manozona ny mpanjaka tompoko? Avelao re aho handeha ary hanapaka ny lohany." BSB BSB: Then Abishai son of Zeruiah said to the king, “Why should this dead dog curse my lord the king? Let me go over and cut off his head!”
10 ULB Fa niteny ny mpanjaka hoe: "Mpifaninona moa izaho sy ianao, ry zanaka lahin'i Zeroia? Manozona ahy angamba izy satria nilaza taminy i Yaveh hoe: 'Ozony i Davida.' Iza izany no afaka hiteny aminy hoe: 'Nahoana ianao no manozona ny mpanjaka?'" BSB BSB: But the king replied, “What have I to do with you, O sons of Zeruiah? If he curses me because the LORD told him, ‘Curse David,’ who can ask, ‘Why did you do this?’”
11 ULB Ka hoy i Davida tamin'i Abisay sy ny mpanompony rehetra hoe: "Indro, ny zanako lahy, izay naterako, dia te-hifofo ny aiko. Koa maika fa ny fanirian'ity Benjamina ity ny amin'ny faharavako? Avelao izy ary avelao izy hanozona, satria nibaiko azy hanao izany Yaveh. BSB BSB: Then David said to Abishai and to all his servants, “Behold, my own son, my own flesh and blood, seeks my life. How much more, then, this Benjamite! Leave him alone and let him curse me, for the LORD has told him so.
12 ULB Hijery ny fahoriana mianjady amiko angamba i Yaveh, ary hamaly soa ahy nohon'ny ozona nataony tamiko anio." BSB BSB: Perhaps the LORD will see my affliction and repay me with good for the cursing I receive today.”
13 ULB Koa nandeha teny an-dalana i Davida sy ny olony, ary Simey kosa nanaraka azy ireo avy eny ampita teny an-tampon'ny havoana, nanozona sy namafy vovoka ary nitora-bato azy raha nandeha izy. BSB BSB: So David and his men proceeded along the road as Shimei went along the ridge of the hill opposite him. As Shimei went, he yelled curses, threw stones, and flung dust at David.
14 ULB Avy eo dia reraka ny mpanjaka sy ny olona rehetra izay niaraka taminy, ka naka aina izy rehefa nijanona izy ireo ny alina. BSB BSB: Finally, the king and all the people with him arrived, exhausted. And there he refreshed himself.
15 ULB Ary i Absaloma sy ny olon'Israely rehetra izay niaraka taminy, dia tonga tao Jerosalema, ary niaraka taminy i Ahitofela. BSB BSB: Then Absalom and all the men of Israel came to Jerusalem, and Ahithophel was with him.
16 ULB Ary rehefa tonga teo amin'i Absaloma, i Hosay ilay Arkita, naman'i Davida, dia nilaza tamin'i Absaloma i Hosay hoe: "Ho ela velona anie ny mpanjaka! Ho ela velona anie ny mpanjaka!" BSB BSB: And David’s friend Hushai the Archite went to Absalom and said to him, “Long live the king! Long live the king!”
17 ULB Hoy i Absaloma tamin'i Hosay hoe: "Izao ve no fahatokianao asehonao amin'ny namanao? Nahoana ianao no tsy nandeha niaraka taminy?" BSB BSB: “Is this the loyalty you show your friend?” Absalom replied. “Why did you not go with your friend?”
18 ULB Hoy i Hosay tamin'i Absaloma hoe: "Tsia! Fa ilay iray izay nofidian'i Yaveh sy ity vahoaka ity ary ny olon'Israely rehetra kosa, no lehilahy izay hombako, ary hitoetra eo aminy aho. BSB BSB: “Not at all,” Hushai answered. “For the one chosen by the LORD, by this people, and by all the men of Israel—his I will be, and with him I will remain.
19 ULB Iza ihany koa, no olona tokony ho tompoiko? Tsy tokony hanompo eo amin'ny fanatrehan'ny zanany lahy ve aho? Tahaka ny nanompoko teo amin'ny fanatrehan'ny rainao, dia hanompo eo amin'ny fanatrehanao aho." BSB BSB: Furthermore, whom should I serve if not his son? As I served in your father’s presence, so also I will serve in yours.”
20 ULB Dia hoy i Absaloma tamin'i Ahitofela hoe: "Omeo ny torohevitrao izahay ny amin'ny tokony ho ataonay." BSB BSB: Then Absalom said to Ahithophel, “Give me counsel. What should we do?”
21 ULB Namaly an'i Absaloma i Ahitofela hoe: "Mandehana mandry miaraka amin'ireo vady mpanompon'ny rainao izay navelany hiambina ny lapa, ary ho ren'Israely rehetra fa nanamaimbo tena teo amin'ny rainao ianao. Avy eo dia hatanjaka ny tanan'ireo rehetra miaraka aminao." BSB BSB: Ahithophel replied, “Sleep with your father’s concubines, whom he has left to take care of the palace. When all Israel hears that you have become a stench to your father, then the hands of all who are with you will be strengthened.”
22 ULB Ary namelatra lay ho an'i Absaloma teo an-tampon'ny lapa izy ireo, ka niara-nandry tamin'ireo vady andevon'ny rainy teo imason'Israely rehetra i Absaloma. BSB BSB: So they pitched a tent for Absalom on the roof, and he slept with his father’s concubines in the sight of all Israel.
23 ULB Ary ilay torohevitra izay nomen'i Ahitofela tamin'izany andro izany dia toy ny hoe ren'olona avy tamin'ny vavan'Andriamanitra mihitsy. Izany no fahitan'i Davida sy Absaloma ny torohevitr'i Ahitofela rehetra. BSB BSB: Now in those days the advice of Ahithophel was like the consultation of the word of God. Such was the regard that both David and Absalom had for Ahithophel’s advice.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.