1 ULB Ary taorian'izany dia nanomana kalesy sy soavaly ho azy i Absaloma, niaraka tamin'ny lehilahy dimampolo mba hialoha azy. BSB BSB: Some time later, Absalom provided for himself a chariot with horses and fifty men to run ahead of him.
2 ULB Nifoha maraina i Absaloma ary nijoro teo amin'ny lalana mankany amin'ny vavahadin'ny tanàna. Rehefa nisy olona nanana ady ho entina eo amin'ny fitsaràn'ny mpanjaka, dia niantso azy i Absaloma ary niteny hoe: "Avy aiza ny tanàna niavianao?" Dia namaly ilay lehilahy hoe: "Avy amin'ny iray amin'ireo fokon'Israely ny mpanomponao." BSB BSB: He would get up early and stand beside the road leading to the city gate. Whenever anyone had a grievance to bring before the king for a decision, Absalom would call out and ask, “What city are you from?” And if he replied, “Your servant is from one of the tribes of Israel,”
3 ULB Dia niteny taminy i Absaloma hoe: "Indro, tsara sy marina ny raharahanao, saingy tsy misy olona nomen'ny mpanjaka fahefana hihaino ny raharahanao." BSB BSB: Absalom would say, “Look, your claims are good and right, but the king has no deputy to hear you.”
4 ULB Dia nampian'i Absaloma hoe: "Iriako raha mba natao ho mpitsara teto amin'ny tany aho, mba ho tonga eo amiko ny olona rehetra izay manana ady na raharaha, ary hanome rariny ho azy aho!" BSB BSB: And he would add, “If only someone would appoint me judge in the land, then everyone with a grievance or dispute could come to me, and I would give him justice.”
5 ULB Ary rehefa nisy olona tonga teo amin'i Absaloma mba hanome haja azy, dia namoaka ny tanany izy ary nandray azy ka nanoroka azy. BSB BSB: Also, when anyone approached to bow down to him, Absalom would reach out his hand, take hold of him, and kiss him.
6 ULB Nanao toy izany tamin'ireo Israely rehetra izay nankeo amin'ny fitsaran'ny mpanjaka i Absaloma. Koa dia naka ny fon'ny olon'Israely i Absaloma. BSB BSB: Absalom did this to all the Israelites who came to the king for justice. In this way he stole the hearts of the men of Israel.
7 ULB Ary tamin'ny fiafaran'ny taona efatra dia hoy i Absaloma tamin'ny mpanjaka hoe: "Avelao re aho mba handeha ary hanefa ny voady nataoko tamin'i Yaveh tany Hebrona. BSB BSB: After four years had passed, Absalom said to the king, “Please let me go to Hebron to fulfill a vow I have made to the LORD.
8 ULB Fa nanao voady ny mpanomponao fony izaho nonina tany Gesora tany Syria, nanao hoe: 'Raha ho entin'i Yaveh miverina any Jerosalema tokoa aho, dia hanompo an'i Yaveh."' BSB BSB: For your servant made a vow while dwelling in Geshur of Aram, saying: ‘If indeed the LORD brings me back to Jerusalem, I will worship the LORD in Hebron.’”
9 ULB Koa hoy ny mpanjaka taminy hoe: "Mandehana am-piadanana." Koa niainga i Absaloma ka nankany Hebrona. BSB BSB: “Go in peace,” said the king. So Absalom got up and went to Hebron.
10 ULB Saingy avy eo dia naniraka mpitsikilo eraky ny fokon'Israely rehetra i Absaloma, niteny hoe: "Vantany vao mandre ny feon-trompetra ianareo, dia aoka hiteny hoe: 'Absaloma no mpanjaka any Hebrona."' BSB BSB: Then Absalom sent spies throughout the tribes of Israel with this message: “When you hear the sound of the horn, you are to say, ‘Absalom reigns in Hebron!’”
11 ULB Nisy lehilahy roanjato avy any Jerosalema nandeha niaraka tamin'i Absaloma, izay voaasa. Nandeha tamin'ny tsy fananan-tsiny izy ireo, ary tsy nahalala na inona na inona tamin'izay nokasain'i Absaloma. BSB BSB: Two hundred men from Jerusalem accompanied Absalom. They had been invited as guests and they went along innocently, for they knew nothing about the matter.
12 ULB Rehefa nanolotra sorona i Absaloma, dia nampaka an'i Ahitofela avy any amin'ny tanàna niaviany any Gilo izy. Mpanolo-tsainan'i Davida izy. Nahery vaika ny fikonokononan'i Absaloma, satria tsy nitsaha-nitombo ny olona nanaraka azy. BSB BSB: While Absalom was offering the sacrifices, he sent for Ahithophel the Gilonite, David’s counselor, to come from his hometown of Giloh. So the conspiracy gained strength, and Absalom’s following kept increasing.
13 ULB Nisy iraka nankeo amin'i Davida nanao hoe: "Manaraka an'i Absaloma ny fon'ireo olon'Israely." BSB BSB: Then a messenger came to David and reported, “The hearts of the men of Israel are with Absalom.”
14 ULB Koa hoy i Davida tamin'ireo mpanompony rehetra izay niaraka taminy tao Jerosalema hoe: "Mitsangàna ary andao handositra, raha tsy izany dia tsy hisy ho afa-mandositra an'i Absaloma isika. Miomàna hiala dieny izao, raha tsy izany dia hahatratra antsika faingana izy, ary hitondra loza eto amintsika izy ka hanafika ny tanàna amin'ny lelan-tsabatra." BSB BSB: And David said to all the servants with him in Jerusalem, “Arise and let us flee, or we will not escape from Absalom! We must leave quickly, or he will soon overtake us, heap disaster on us, and put the city to the sword.”
15 ULB Dia hoy ireo mpanompon'ny mpanjaka tamin'ny mpanjaka hoe: "Indro, vonona ny hanao izay rehetra tapaky ny mpanjaka tomponay ny mpanompony." BSB BSB: The king’s servants replied, “Whatever our lord the king decides, we are your servants.”
16 ULB Dia niala ny mpanjaka ary narahin'ny fianakaviany rehetra, fa namela vehivavy folo, izay vaditsindrano, mba hiandry ny lapa ny mpanjaka. BSB BSB: Then the king set out, and his entire household followed him. But he left behind ten concubines to take care of the palace.
17 ULB Rehefa avy nivoaka ny mpanjaka sy ireo olona rehetra tao aoriany, dia nijanona teo amin'ny trano farany izy ireo. BSB BSB: So the king set out with all the people following him. He stopped at the last house,
18 ULB Nandeha niaraka taminy ny tafiny rehetra, ary nandeha teo alohany ireo Keretita, sy ireo Peletita ary ireo Gatita rehetra—lehilahy eninjato no nanaraka azy avy any Gata. BSB BSB: and all his servants marched past him—all the Cherethites and Pelethites, and six hundred Gittites who had followed him from Gath.
19 ULB Dia hoy ny mpanjaka tamin'Itahy Gatita hoe: "Nahoana ianao no handeha hiaraka aminay? Miverana ary mijanòna miaraka amin'ny mpanjaka, fa vahiny sady sesin-tany ianao. Miverena any amin'ny fitoeranao ihany. BSB BSB: Then the king said to Ittai the Gittite, “Why should you also go with us? Go back and stay with the new king, since you are both a foreigner and an exile from your homeland.
20 ULB Satria vao niala omaly ianao, dia nahoana aho no tokony hamela anao hirenireny hiaraka aminay? Tsy fantatro akory izay alehako. Koa miverena ary ento miverina ireo mpiray firenena namanao. Hiaraka aminao anie ny fahitsiana sy ny fahatokiana." BSB BSB: In fact, you arrived only yesterday; should I make you wander around with us today while I do not know where I am going? Go back and take your brothers with you. May the LORD show you loving devotion and faithfulness.”
21 ULB Fa Itahy namaly ny mpanjaka ary niteny hoe: "Raha mbola velona koa Yaveh, ary raha mbola velona koa ny mpanjaka tompoko, any amin'ny toerana rehetra andehanan'ny mpanjaka tokoa, dia any koa no halehan'ny mpanomponao, na midika fahavelomana izany na fahafatesana." BSB BSB: But Ittai answered the king, “As surely as the LORD lives, and as my lord the king lives, wherever my lord the king may be, whether it means life or death, there will your servant be!”
22 ULB Koa hoy i Davida tamin' Itahy hoe: "Mandrosoa ary manohiza miaraka aminay." Koa dia nandeha niaraka tamin'ny mpanjaka Itahy Gatita mbamin'ireo lehilahiny rehetra sy ireo fianakaviany rehetra izay niaraka taminy. BSB BSB: “March on then,” said David to Ittai. So Ittai the Gittite marched past with all his men and all the little ones who were with him.
23 ULB Nitomany tamin'ny feo mafy ny tanàna manontolo raha nandalo ny Lohasahan'i Kidrona ireo vahoaka, ary raha niampita ihany koa ny mpanjaka. Nandeha teny an-dalana nizotra ho any an-tany efitra ny olona rehetra. BSB BSB: Everyone in the countryside was weeping loudly as all the people passed by. And as the king crossed the Kidron Valley, all the people also passed toward the way of the wilderness.
24 ULB Na Zadoka niaraka tamin'ireo Levita rehetra, izay nilanja ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra aza dia teo. Nahidin'izy ireo ny fiaran'Andriamanitra, dia nihazo azy ireo i Abiatara. Niandry ambara-pandalon'ny vahoaka avy ao an-tanàna izy ireo. BSB BSB: Zadok was also there, and all the Levites with him were carrying the ark of the covenant of God. And they set down the ark of God, and Abiathar offered sacrifices until all the people had passed out of the city.
25 ULB Hoy ny mpanjaka tamin'i Zadoka hoe: "Lanjao miverina any an-tanàna ny fiaran'Andriamanitra. Raha mahita fitia eo imason'i Yaveh aho, dia hitondra ahy hiverina Izy ary hampiseho ny fiara sy ny toerana honenany indray. BSB BSB: Then the king said to Zadok, “Return the ark of God to the city. If I find favor in the eyes of the LORD, He will bring me back and let me see both it and His dwelling place again.
26 ULB Fa raha miteny Izy hoe: 'Tsy mankasitraka anao Aho,' indro, inty aho, aoka hataony amiko izay rehetra hitany fa mety Aminy." BSB BSB: But if He should say, ‘I do not delight in you,’ then here I am; let Him do to me whatever seems good to Him.”
27 ULB Hoy ihany koa ny mpanjaka tamin'i Zadoka mpisorona hoe: "Tsy mpahita angaha ianao? Miverena any an-tanàna am-piadanana, mbamin'ireo zanakao roa lahy miaraka aminao, dia Ahimaza zanakao, sy Jonatana zanak'i Abiatara. BSB BSB: The king also said to Zadok the priest, “Are you not a seer? Return to the city in peace—you with your son Ahimaaz, and Abiathar with his son Jonathan.
28 ULB Indro, hiandry eo amin'ny fitàna amin'ny efitr'i Araba aho ambara-pahatongan'ny teny avy aminao hampahafantatra ahy." BSB BSB: See, I will wait at the fords of the wilderness until word comes from you to inform me.”
29 ULB Koa dia nitondra ny fiaran'Andriamanitra niverina tany Jerosalema i Zadoka sy Abiatara, ary nitoetra tany izy ireo. BSB BSB: So Zadok and Abiathar returned the ark of God to Jerusalem and stayed there.
30 ULB Fa niakatra tsy nikiraro sy nitomany nankany amin'ny Tendrombohitr'Oliva i Davida, ary nisarona ny lohany. Ny olona rehetra teo amin'ny vahoaka niaraka taminy dia nanarona ny lohany, ary nandeha niakatra am-pitomaniana teny am-pandehanana izy ireo. BSB BSB: But David continued up the Mount of Olives, weeping as he went up. His head was covered, and he was walking barefoot. And all the people with him covered their heads and went up, weeping as they went.
31 ULB Nisy olona niteny tamin'i Davida nanao hoe: "Isan'ireo mpikonokonona miaraka amin'i Absaloma i Ahitofela." Koa nivavaka i Davida hoe: "Yaveh o, avadiho ho fahadalana re ny torohevitr'i Ahitofela." BSB BSB: Now someone told David: “Ahithophel is among the conspirators with Absalom.” So David pleaded, “O LORD, please turn the counsel of Ahithophel into foolishness!”
32 ULB Ary i Davida rehefa tonga teo an-tampon'ny lalana, izay efa fanompoana an'Andriamanitra, dia tonga nihaona taminy i Hosay ilay Arkita niaraka tamin'ny akanjony rovitra sy vovon-tany teo amin'ny lohany. BSB BSB: When David came to the summit, where he used to worship God, Hushai the Archite was there to meet him with his robe torn and dust on his head.
33 ULB Hoy i Davida taminy hoe: "Raha mandeha miaraka amiko ianao, dia ho vesatra ho ahy. BSB BSB: David said to him, “If you go on with me, you will be a burden to me.
34 ULB Fa raha miverina any an-tanàna ianao ka miteny amin'i Absaloma hoe: 'Ho mpanomponao aho, ry mpanjaka, tahaka ny naha-mpanompon'ny rainao ahy tamin'ny andro taloha, dia ho mpanomponao ihany koa aho ankehitriny,' dia hampikorontana ny torohevitr'i Ahitofela ho ahy ianao. BSB BSB: But you can thwart the counsel of Ahithophel for me if you return to the city and say to Absalom: ‘I will be your servant, my king; in the past I was your father’s servant, but now I will be your servant.’
35 ULB Tsy manana an'i Zadoka sy Abiatara mpisorona hiaraka aminao ve ianao? Koa na inona na inona renao ao amin'ny lapan'ny mpanjaka, dia aoka ho lazainao amin'i Zadoka sy Abiatara mpisorona izany. BSB BSB: Will not Zadok and Abiathar the priests be there with you? Report to them everything you hear from the king’s palace.
36 ULB Ezaho tsara mba hiaraka amin'izy ireo any ny zanany roa lahy, dia Ahimaza, zanak'i Zadoka, sy Jonatana, zanak'i Abiatara. Aoka halefanao aty amiko amin'ny tanan'izy ireo ny zavatra rehetra izay renao." BSB BSB: Indeed, their two sons, Ahimaaz son of Zadok and Jonathan son of Abiathar, are there with them. Send them to me with everything you hear.”
37 ULB Koa dia nankany an-tanàna i Hosay, naman'i Davida, raha vao tonga sy niditra an'i Jerosalema i Absaloma. BSB BSB: So David’s friend Hushai arrived in Jerusalem just as Absalom was entering the city.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.