1 ULB Ary i Joaba zanaka lahin'i Zeroia dia nahafantatra fa naniry ny hahita an'i Absaloma ny fon'ny mpanjaka. BSB BSB: Now Joab son of Zeruiah perceived that the king’s heart longed for Absalom.
2 ULB Noho izany dia nandefa teny ho any Tekoa i Joaba ary nitondra vehivavy hendry tany aminy. Hoy izy tamin-dravehivavy hoe: "Mba miangavy re ataovy ohatran'ny hoe misaona ianao ary mitafia akanjo fisaonana. Mba miangavy re aza hosorana diloilo ny tenanao, fa manaova toy ny vehivavy izay nisaona ny maty efa ela. BSB BSB: So Joab sent to Tekoa to bring a wise woman from there. He told her, “Please pretend to be a mourner; put on clothes for mourning and do not anoint yourself with oil. Act like a woman who has mourned for the dead a long time.
3 ULB Avy eo dia mandehana mankany amin'ny mpanjaka ary resaho aminy ny momba izay ho faritako." Dia nolazain'i Joaba taminy ireo teny izay tokony ho lazainy amin'ny mpanjaka. BSB BSB: Then go to the king and speak these words to him.” And Joab put the words in her mouth.
4 ULB Rehefa niresaka tamin'ny mpanjaka ilay vehivavy avy any Tekoa, dia nampiankohoka ny tavany tamin'ny tany izy ary nanao hoe: "Ampio aho, ry mpanjaka." BSB BSB: When the woman from Tekoa went to the king, she fell facedown in homage and said, “Help me, O king!”
5 ULB Dia hoy ilay mpanjaka taminy hoe: "Inona no olana?" Namaly izy hoe: "Ny marina dia mpitondratena aho, ary maty ny vadiko." BSB BSB: “What troubles you?” the king asked her. “Indeed,” she said, “I am a widow, for my husband is dead.
6 ULB Izaho, mpanomponao, dia manan-janaka roa lahy, ary niady teny an-tsaha izy ireo, ka tsy nisy nanasaraka azy ireo. Ny anankiray namely ilay iray ka nahafaty azy. BSB BSB: And your maidservant had two sons who were fighting in the field with no one to separate them, and one struck the other and killed him.
7 ULB Ankehitriny dia mitsangana manohitra ny mpanomponao ny fianakaviambe manontolo, ary hoy izy ireo hoe: 'Atolory ilay lehilahy izay namely ny rahalahiny, mba hamonoanay azy ho faty, mba hanonitra ny ain'ny rahalahiny izay novonoiny.' Koa dia ho vonoin'izy ireo koa ny mpandova. Dia toy izany koa no hanesoran'izy ireo ny vain'afo mirehitra izay navelako, ary tsy hamela anarana na taranaka eto ambonin'ny tany ho an'ny vadiko izy ireo." BSB BSB: Now the whole clan has risen up against your maidservant and said, ‘Hand over the one who struck down his brother, that we may put him to death for the life of the brother whom he killed. Then we will cut off the heir as well!’ So they would extinguish my one remaining ember by not preserving my husband’s name or posterity on the earth.”
8 ULB Koa dia hoy ny mpanjaka tamin-dravehivavy hoe: "Mandehana any an-tranonao, ary handidy zavatra hatao ho anao aho." BSB BSB: “Go home,” the king said to the woman, “and I will give orders on your behalf.”
9 ULB Dia namaly ny mpanjaka ilay vehivavin'i Tekoa hoe: "Ry mpanjaka, tompoko, aoka ho amiko sy ho amin'ny fianakavian-draiko ny heloka. Tsy manan-tsiny ny mpanjaka sy ny seza fiandrianany." BSB BSB: But the woman of Tekoa said to the king, “My lord the king, may any blame be on me and on my father’s house, and may the king and his throne be guiltless.”
10 ULB Namaly ny mpanjaka hoe: "Na iza na iza milaza zavatra aminao, dia ento aty amiko izy, ary tsy hikasika anao intsony izy." BSB BSB: “If anyone speaks to you,” said the king, “bring him to me, and he will not trouble you again!”
11 ULB Dia hoy izy hoe: "Mba miangavy re, aoka ny mpanjaka hahatsiaro an'i Yaveh Andriamanitrao, ka tsy hamotika na iza na iza bebe kokoa ny mpamaly rà, mba tsy hamotehan'izy ireo ny zanako lahy." Dia namaly ilay mpanjaka hoe: "Raha mbola velona koa Yaveh, dia tsy hisy na dia singam-bolo iray amin'ny zanakao aza hihintsana amin'ny tany." BSB BSB: “Please,” she replied, “may the king invoke the LORD your God to prevent the avenger of blood from increasing the devastation, so that my son may not be destroyed!” “As surely as the LORD lives,” he vowed, “not a hair of your son’s head will fall to the ground.”
12 ULB Dia hoy ravehivavy hoe: "Mba miangavy re avelao ny mpanomponao mba hilaza teny fanampiny amin'ny tompoko ilay mpanjaka." Dia hoy izy hoe: "Mitenena." BSB BSB: Then the woman said, “Please, may your servant speak a word to my lord the king?” “Speak,” he replied.
13 ULB Dia hoy ravehivavy hoe: "Koa nahoana ary ianao no mihevitra zavatra tahaka izany amin'ny vahoakan'Andriamanitra? Fa amin'ny fitenenana izany zavatra izany, dia toy ny olona izay meloka ny mpanjaka, satria tsy mbola nampody indray ny zanany lahy voaroaka ny mpanjaka. BSB BSB: The woman asked, “Why have you devised a thing like this against the people of God? When the king says this, does he not convict himself, since he has not brought back his own banished son?
14 ULB Fa tsy maintsy ho faty isika rehetra, ary toy ny rano araraka amin'ny tany isika, izay tsy afaka raofina intsony. Fa Andriamanitra tsy haka ny aina; fa kosa, mahita lalana ho an'ireo izay voaroaka Izy mba ho averina indray. BSB BSB: For we will surely die and be like water poured out on the ground, which cannot be recovered. Yet God does not take away a life, but He devises ways that the banished one may not be cast out from Him.
15 ULB Koa ankehitriny ary, tonga hiresaka izany zavatra izany amin'ny mpanjaka tompoko aho, izany dia satria nampitahotra ahy ny vahoaka. Koa niteny tamin'ny tenany ny mpanomponao hoe: 'Hiresaka amin'ny mpanjaka aho izao. Angamba hanatanteraka ny fangatahan'ny mpanompony ny mpanjaka. BSB BSB: Now therefore, I have come to present this matter to my lord the king because the people have made me afraid. Your servant thought, ‘I will speak to the king. Perhaps he will grant the request of his maidservant.
16 ULB Satria hihaino ahy ny mpanjaka, mba hanolorana ny mpanompony ho afaka amin'ny tanan'ilay lehilahy izay hamotika ahy sy ny zanako lahy, ho afaka amin'ny lovan'Andriamanitra.' BSB BSB: For the king will hear and deliver his maidservant from the hand of the man who would cut off both me and my son from God’s inheritance.’
17 ULB Avy eo dia nivavaka ny mpanomponao hoe: "Ry Yaveh, aoka hanamaivana ahy ny tenin'ny mpanjaka tompoko, satria toy ny anjelin'Andriamanitra, dia toy izany koa ny mpanjaka tompoko amin'ny fitenenana ny tsara avy amin'ny ratsy.' Homba anao anie Yaveh Andriamanitrao." BSB BSB: And now your servant says, ‘May the word of my lord the king bring me rest, for my lord the king is able to discern good and evil, just like the angel of God. May the LORD your God be with you.’”
18 ULB Avy eo dia namaly ny mpanjaka ka niteny tamin-dravehivavy hoe: "Mba miangavy re aza afenina amiko izay rehetra hanontaniako anao." Dia namaly ravehivavy hoe: "Aoka hiteny ny mpanjaka tompoko ankehitrin." BSB BSB: Then the king said to the woman, “I am going to ask you something; do not conceal it from me!” “Let my lord the king speak,” she replied.
19 ULB Dia hoy ny mpanjaka hoe: "Moa ve tsy miaraka aminao amin'izao rehetra izao ny tanan'i Joaba?" Dia namaly ravehivavy ka nanao hoe: "Raha mbola velona koa ianao, ry mpanjaka tompoko, dia tsy misy afaka mandositra mankany ankavanana na ankavia amin'ny zavatra rehetra izay nolazain'ny mpanjaka tompoko. I Joaba mpanomponao no nandidy ahy sy niteny tamiko mba hilaza ireo zavatra izay notenenin'ny mpanomponao ireo. BSB BSB: So the king asked, “Is the hand of Joab behind all this?” The woman answered, “As surely as you live, my lord the king, no one can turn to the right or to the left from anything that my lord the king says. Yes, your servant Joab is the one who gave me orders; he told your maidservant exactly what to say.
20 ULB Efa nanao izany i Joaba mpanomponao mba hampiova ny zava-mitranga. Hendry ny tompoko, toy ny fahendren'ny anjelin'Andriamanitra, ary fantany ny zavatra rehetra izay mitranga eo amin'ny tany." BSB BSB: Joab your servant has done this to bring about this change of affairs, but my lord has wisdom like the wisdom of the angel of God, to know everything that happens in the land.”
21 ULB Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Joaba hoe: "Indro ary, hanao izany zavatra izany aho. Mandehana, ary ento miverina ilay tovolahy Absaloma." BSB BSB: Then the king said to Joab, “I hereby grant this request. Go, bring back the young man Absalom.”
22 ULB Noho izany i Joaba dia nampiankohoka ny tavany tamin'ny tany ho voninahitra sy fisaorana ny mpanjaka. Hoy i Joaba hoe: "Ankehitriny dia fantatry ny mpanomponao fa nahita sitraka teo imasonao aho, ry mpanjaka tompoko, amin'ny fanatanterahan'ny mpanjaka ny fangatahan'ny mpanompony." BSB BSB: Joab fell facedown in homage and blessed the king. “Today,” said Joab, “your servant knows that he has found favor in your eyes, my lord the king, because the king has granted his request.”
23 ULB Dia nitsangana i Joaba, ka nankany Gesora, ary nitondra an'i Absaloma niverina tany Jerosalema. BSB BSB: So Joab got up, went to Geshur, and brought Absalom to Jerusalem.
24 ULB Hoy ny mpanjaka hoe: "Aoka izy hiverina any an-tranony, fa aza atao mahita ny tavako." Noho izany dia niverina tany an-tranony manokana i Absaloma, fa tsy nahita ny tavan'ny mpanjaka. BSB BSB: But the king added, “He may return to his house, but he must not see my face.” So Absalom returned to his own house, but he did not see the face of the king.
25 ULB Ary nanerana an'Israely dia tsy nisy olona noderaina tamin'ny hatsaran-tarehiny mihoatra noho i Absaloma. Avy any am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany dia tsy nisy kilema tany aminy. BSB BSB: Now there was not a man in all Israel as handsome and highly praised as Absalom. From the sole of his foot to the top of his head, he did not have a single flaw.
26 ULB Rehefa manapaka ny volon-dohany izy isaky ny faran'ny taona, satria navesatra taminy izany, dia nolanjainy ny volony; milanja eo amin'ny roanjato sekely eo izany, izay lanjaina amin'ny fandanjan'ny mpanjaka. BSB BSB: And when he cut the hair of his head—he shaved it every year because his hair got so heavy—he would weigh it out to be two hundred shekels, according to the royal standard.
27 ULB I Absaloma dia niteraka telo lahy sy iray vavy, Tamara no anarany. Vehivavy tsara tarehy izy. BSB BSB: Three sons were born to Absalom, and a daughter named Tamar, who was a beautiful woman.
28 ULB Nipetraka roa taona feno tao Jerosalema i Absaloma, fa tsy nahita ny tavan'ny mpanjaka. BSB BSB: Now Absalom lived in Jerusalem two years without seeing the face of the king.
29 ULB Avy eo i Absaloma dia nandefa teny ho an'i Joaba mba handefa azy any amin'ny mpanjaka, saingy tsy tonga tany aminy i Joaba. Dia nandefa teny fanindroany i Absaloma, kanefa tsy mbola tonga ihany i Joaba. BSB BSB: Then he sent for Joab to send him to the king, but Joab refused to come to him. So Absalom sent a second time, but Joab still would not come.
30 ULB Dia hoy i Absaloma tamin'ireo mpanompony hoe: "Indro, eo akaikin'ny ahy ny tanimbarin'i Joaba, ary manana vary hordea ao izy. Mandehana ary dory izany." Koa nodoran'ireo mpanompon'i Absaloma ilay tanimbary. BSB BSB: Then Absalom said to his servants, “Look, Joab’s field is next to mine, and he has barley there. Go and set it on fire!” And Absalom’s servants set the field on fire.
31 ULB Avy eo dia nitsangana i Joaba ary nankany amin'i Absaloma tany an-tranony, ka nanao taminy hoe: "Nahoana no nodoran'ireo mpanomponao ny tanimbariko?" BSB BSB: Then Joab came to Absalom’s house and demanded, “Why did your servants set my field on fire?”
32 ULB Dia namaly an'i Joaba i Absaloma hoe: "Indro, nandefa teny taminao aho nanao hoe: 'Tongava aty mba hahafahako maniraka anao ho any amin'ny mpanjaka mba hilaza hoe: "Nahoana aho no niala tany Gesora? Tsara kokoa ho ahy ny mbola mijanona any. Noho izany ary dia aoka aho hijery ny tavan'ny mpanjaka, ka raha meloka aho, dia aoka izy hamono ahy."'" BSB BSB: “Look,” said Absalom, “I sent for you and said, ‘Come here. I want to send you to the king to ask: Why have I come back from Geshur? It would be better for me if I were still there.’ So now, let me see the king’s face, and if there is iniquity in me, let him kill me.”
33 ULB Dia lasa nankany amin'ny mpanjaka i Joaba ary niteny taminy. Rehefa nampiantso an'i Absaloma ny mpanjaka, dia nanatona ny mpanjaka izy ary niankohoka ambany teo amin'ny tany nanoloana ny mpanjaka, ary norohan'ny mpanjaka i Absaloma. BSB BSB: So Joab went and told the king, and David summoned Absalom, who came to him and bowed facedown before him. Then the king kissed Absalom.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.