1 ULB Ary taorian'izany i Amnona zanaka lahin'i Davida, dia tena voasarika tamin'i Tamara anabaviny tsara tarehy, izay tena anabavin'i Absaloma, zanaka lahin'i Davida hafa. BSB BSB: After some time, David’s son Amnon fell in love with Tamar, the beautiful sister of David’s son Absalom.
2 ULB Niady saina be i Amnona ary nanjary narary izy nohon'ny amin'i Tamara anabaviny. Virijiny izy, ary toa tsy nety tamin'i Amnona mihitsy ny hanao zavatra aminy. BSB BSB: Amnon was sick with frustration over his sister Tamar, for she was a virgin, and it seemed implausible for him to do anything to her.
3 ULB Fa i Amnona dia nanana namana izay Jonadaba ny anarany zanaka lahin'i Simea, rahalahin'i Davida. Jonadaba dia lehilahy fetsy tokoa. BSB BSB: Now Amnon had a friend named Jonadab, the son of David’s brother Shimeah. Jonadab was a very shrewd man,
4 ULB Hoy Jonadaba tamin'i Amnona hoe: "Nahoana, ry zanaky ny mpanjaka, no ketraka isa-maraina ianao? Tsy hiteny amiko ve ianao?" Dia namaly azy Amnona hoe: "Tiako i Tamara, anabavin'i Absaloma rahalahiko." BSB BSB: and he asked Amnon, “Why are you, the son of the king, so depressed morning after morning? Won’t you tell me?” Amnon replied, “I am in love with Tamar, my brother Absalom’s sister.”
5 ULB Dia hoy i Jonadaba taminy hoe: "Mandria eo amin'ny fandrianao ary modia marary. Rehefa tonga hijery anao ny rainao, dia anontanio izy hoe: 'Afaka alefanao aty amiko ve i Tamara anabaviko azafady mba hanome zavatra ho haniko sy hahandro izany eto anoloako, ka mba ahafahako mahita izany sy mihinana izany avy amin'ny tanany?'" BSB BSB: Jonadab told him, “Lie down on your bed and pretend you are ill. When your father comes to see you, say to him, ‘Please let my sister Tamar come and give me something to eat. Let her prepare it in my sight so I may watch her and eat it from her hand.’”
6 ULB Noho izany dia nandry Amnona ka nody narary. Rehefa tonga nijery azy ny mpanjaka, dia hoy Amnona tamin'ny mpanjaka hoe: "Mba alefaso re Tamara anabaviko mba hanao sakafo eto anoloako amin'izao aretiko izao mba ahafahako mihinana izay avy amin'ny tanany." BSB BSB: So Amnon lay down and feigned illness. When the king came to see him, Amnon said, “Please let my sister Tamar come and make a couple of cakes in my sight, so that I may eat from her hand.”
7 ULB Dia nandefa teny ho an'i Tamara tao an-dapany i Davida, nanao hoe: "Mandehana any amin'ny tranon'i Amnona anadahinao izao ka manomàna sakafo ho azy." BSB BSB: Then David sent word to Tamar at the palace: “Please go to the house of Amnon your brother and prepare a meal for him.”
8 ULB Dia nandeha tany amin'ny tranon'i Amnona anadahiny tany amin'izay nandriany i Tamara. Naka koba izy ary namolavola izany ka nanamboatra mofo teo imasony, ary dia nahandro izany izy avy eo. BSB BSB: So Tamar went to the house of her brother Amnon, who was lying down. She took some dough, kneaded it, made cakes in his sight, and baked them.
9 ULB Nalainy ny lasitra ka nomeny azy ny mofo, fa nandà tsy hihinana izy. Avy eo dia hoy i Amnona tamin'ireo hafa izay teo hoe: "Avohay any ivelany ny olona rehetra, ho lavitra ahy." Ka nandeha niala teo aminy ny olona rehetra. BSB BSB: Then she brought the pan and set it down before him, but he refused to eat. “Send everyone away!” said Amnon. And everyone went out.
10 ULB Ary hoy i Amnona tamin'i Tamara hoe: "Ento ao amin'ny efitranoko ny sakafo mba hihinanako azy avy amin'ny tananao." Dia nalain'i Tamara ny mofo izay efa nataony, ka nentiny tao amin'ny efitranon'i Amnona anadahiny. BSB BSB: Then Amnon said to Tamar, “Bring the food into the bedroom, so that I may eat it from your hand.” Tamar took the cakes she had made and went to her brother Amnon’s bedroom.
11 ULB Rehefa nitondra ny sakafo teo aminy izy, dia nihazona azy izy ka niteny taminy hoe: "Avia, mandria miaraka amiko, ry anabaviko." BSB BSB: And when she had brought them to him to eat, he took hold of her and said, “Come lie with me, my sister!”
12 ULB Namaly azy izy hoe: "Tsia, ry anadahiko, aza terena aho, fa tsy tokony atao eto Israely ny zavatra tahaka izany. Aza manao izany zavatra maharikoriko izany! BSB BSB: “No, my brother!” she cried. “Do not violate me, for such a thing should never be done in Israel. Do not do this disgraceful thing!
13 ULB Ahoana no hialako amin'ny fahamenarako? Ary ny aminao? Ho tahaka ny iray amin'ireo adala eto Israely ianao! Ankehitriny, mba miresaha amin'ny mpanjaka, fa tsy hisakana ahy tsy ho anao izy." BSB BSB: Where could I ever take my shame? And you would be like one of the fools in Israel! Please speak to the king, for he will not withhold me from you.”
14 ULB Fa na izany aza dia tsy nihaino azy Amnona. Satria natanjaka noho Tamara izy, dia nisambotra azy izy ary nandry niaraka taminy. BSB BSB: But Amnon refused to listen to her, and being stronger, he violated her and lay with her.
15 ULB Ary nankahala an'i Tamara tamin'ny fankahalana tafahoatra i Amnona. Nankahala azy lavitra noho ny naniriany azy izy. Hoy i Amnona taminy hoe: "Mitsangàna ary mandehana." BSB BSB: Then Amnon hated Tamar with such intensity that his hatred was greater than the love he previously had. “Get up!” he said to her. “Be gone!”
16 ULB Fa izy namaly azy hoe: "Tsia! Satria izao faharatsiana lehibe amin'ny fandroahanao ahy izao dia ratsy noho ny nataonao tamiko!" Nefa tsy nihaino azy i Amnona. BSB BSB: “No,” she replied, “sending me away is worse than this great wrong you have already done to me!” But he refused to listen to her.
17 ULB Fa kosa, niantso ireo mpanompony izy ka nanao hoe: "Esory tsy ho eto amiko ity vehivavy ity, ary hidio ny varavarana rehefa tafavoaka izy." BSB BSB: Instead, he called to his attendant and said, “Throw this woman out and bolt the door behind her!”
18 ULB Dia navoakan'ny mpanompony tany ivelany izy ary nidiny ny varavarana rehefa tafavoaka izy. Nitafy akanjo lava voaravaka tsara i Tamara satria ireo zanaka vavin'ny mpanjaka izay virijiny dia niakanjo toy izany. BSB BSB: So Amnon’s attendant threw her out and bolted the door behind her. Now Tamar was wearing a robe of many colors, because this is what the king’s virgin daughters wore.
19 ULB Nasian'i Tamara lavenona teo amin'ny lohany ary norovitiny ny akanjony. Niloloha ny tanany tamin'ny lohany izy ary nandeha, nitomany mafy teny am-pandehanana. BSB BSB: And Tamar put ashes on her head and tore her robe. And putting her hand on her head, she went away crying aloud.
20 ULB Hoy i Absaloma anadahiny taminy hoe: "Niaraka taminao ve i Amnona anadahinao? Nefa mangina, ry anabaviko. Anadahinao izy. Aza mandray izany zavatra izany am-po." Dia nitoetra irery tao amin'ny tranon'i Absaloma anadahiny i Tamara. BSB BSB: Her brother Absalom said to her, “Has your brother Amnon been with you? Be quiet for now, my sister. He is your brother. Do not take this thing to heart.” So Tamar lived as a desolate woman in the house of her brother Absalom.
21 ULB Fa rehefa henon'i Davida mpanjaka izany zavatra rehetra izany, dia tezitra mafy izy. BSB BSB: When King David heard all this, he was furious.
22 ULB Ary i Absaloma tsy niteny na inona na inona tamin'i Amnona, satria i Absaloma nankahala azy noho izay efa nataony taminy sy ny fomba nanalany baraka an'i Tamara anabaviny. BSB BSB: And Absalom never said a word to Amnon, either good or bad, because he hated Amnon for violating his sister Tamar.
23 ULB Ary nony afaka roa taona katroka dia nanana mpanety ondry niasa tao Bala-hazora i Absaloma, izay akaikin'i Efraima, ary Absaloma nanasa ireo zanaka lahin'ny mpanjaka rehetra mba hitsidika ao. BSB BSB: Two years later, when Absalom’s sheepshearers were at Baal-hazor near Ephraim, he invited all the sons of the king.
24 ULB Nankany amin'ny mpanjaka Absaloma ka nanao hoe: "Indro ankehitriny, ny mpanomponao dia manana mpanety ondry. Koa, aoka ny mpanjaka sy ireo mpanompony hiaraka amiko, mpanomponao." BSB BSB: And he went to the king and said, “Your servant has just hired shearers. Will the king and his servants please come with me?”
25 ULB Dia namaly an'i Absaloma ny mpanjaka hoe: "Tsia, ry zanako, tsy tokony handeha hiaraka aminao avokoa izahay rehetra satria ho enta-mavesatra ho anao." Namporisika ny mpanjaka i Absaloma, nefa tsy nandeha izy, kanefa nitso-drano an'i Absaloma izy. BSB BSB: “No, my son,” the king replied, “we should not all go, or we would be a burden to you.” Although Absalom urged him, he was not willing to go, but gave him his blessing.
26 ULB Dia hoy i Absaloma hoe: "Raha tsy izany, avelao re i Amnona rahalahiko andeha hiaraka aminay." Dia hoy ny mpanjaka taminy hoe: "Fa nahoana i Amnona no tokony hiaraka aminareo?" BSB BSB: “If not,” said Absalom, “please let my brother Amnon go with us.” “Why should he go with you?” the king asked.
27 ULB Noteren'i Absaloma i Davida, ka dia namela an'i Amnona sy ireo zanaka lahin'ny mpanjaka rehetra andeha hiaraka aminy izy. BSB BSB: But Absalom urged him, so the king sent Amnon and the rest of his sons.
28 ULB Nandidy ireo mpanompony i Absaloma nanao hoe: "Mihainoa tsara. Rehefa manomboka mamon'ny divay i Amnona, ary rehefa miteny aminareo aho hoe: 'Tafiho i Amnona,' dia vonoy izy. Aza matahotra. Tsy efa nandidy anareo ve aho? Mahereza ary manàna herim-po." BSB BSB: Now Absalom had ordered his young men, “Watch Amnon until his heart is merry with wine, and when I order you to strike Amnon down, you are to kill him. Do not be afraid. Have I not commanded you? Be courageous and valiant!”
29 ULB Koa dia nataon'ireo mpanompon'i Absaloma tamin'i Amnona araka izay efa nandidiany azy ireo. Dia nitsangana ireo zanaka lahin'ny mpanjaka rehetra, ary nitaingina ny ampondrany ny olona rehetra ka nandositra. BSB BSB: So Absalom’s young men did to Amnon just as Absalom had ordered. Then all the other sons of the king got up, and each one fled on his mule.
30 ULB Ary raha mbola teny an-dalana izy ireo, dia tonga tany amin'i Davida ny vaovao manao hoe: "Novonoin'i Absaloma ireo zanaka lahin'ny mpanjaka rehetra, ka tsy nisy na dia iray aza niangana tamin'izy ireo." BSB BSB: While they were on the way, a report reached David: “Absalom has struck down all the sons of the king; not one of them is left!”
31 ULB Dia nitsangana ny mpanjaka ka nandriatra ny fitafiany, dia nandry teo amin'ny tany; ary ireo mpanompony rehetra nijoro teo akaiky teo niaraka tamin'ny fitafiana rovitra. BSB BSB: Then the king stood up, tore his clothes, and lay down on the ground. And all his servants stood by with their clothes torn.
32 ULB Ary i Jonadaba zanak'i Simea, rahalahin'i Davida, namaly ary nanao hoe: "Aoka ny tompoko tsy hino fa namono ny tovolahy rehetra izay zanaky ny mpanjaka izy ireo, satria i Amnona irery no maty. Absaloma efa nanomana izao nanomboka tamin'ny andro izay nanolanan'i Amnona an'i Tamara anabaviny. BSB BSB: But Jonadab, the son of David’s brother Shimeah, spoke up: “My lord must not think they have killed all the sons of the king, for only Amnon is dead. In fact, Absalom has planned this since the day Amnon violated his sister Tamar.
33 ULB Noho izany aoka ny tompoko mpanjaka tsy handray izany tatitra izany am-po, ka hino fa ny zanaky ny mpanjaka rehetra no maty, satria Amnona irery ihany no maty." BSB BSB: So now, my lord the king, do not take to heart the report that all the sons of the king are dead. Only Amnon is dead.”
34 ULB Nandositra lavitra i Absaloma. Nisy mpanompo mpiambina nanandratra ny masony ka nahita olona maro tamy teny amin'ny lalana teny amin'ny havoana andrefany. BSB BSB: Meanwhile, Absalom had fled. When the young man standing watch looked up, he saw many people coming down the road west of him, along the side of the hill. And the watchman went and reported to the king, “I see men coming from the direction of Horonaim, along the side of the hill.”
35 ULB Dia hoy i Jonadaba tamin'ny mpanjaka hoe: "Indro, tamy ireo zanaka lahin'ny mpanjaka. Tahaka izay nolazain'ireo mpanomponao mihitsy izany." BSB BSB: So Jonadab said to the king, “Look, the sons of the king have arrived! It is just as your servant said.”
36 ULB Ary rehefa tapitra ny teniny, dia tonga ireo zanaka lahin'ny mpanjaka ka nanandratra ny feon'izy ireo ary nitomany. Ny mpanjaka sy ny mpanompony rehetra koa dia nitomany mafy. BSB BSB: And as he finished speaking, the sons of the king came in, wailing loudly. Then the king and all his servants also wept very bitterly.
37 ULB Fa i Absaloma nandositra ary nankany amin'i Talmay, zanaka lahin'i Amihoda, ilay mpanjakan'i Gesora. Nisaona ny zanany isan'andro i Davida. BSB BSB: Now Absalom fled and went to Talmai son of Ammihud, the king of Geshur. But David mourned for his son every day.
38 ULB Noho izany i Absaloma dia nandositra ary nankany Gesora, izay nitoerany telo taona. BSB BSB: After Absalom had fled and gone to Geshur, he stayed there three years.
39 ULB Fa ny sain'i Davida Mpanjaka naniry hivoaka hijery an'i Absaloma, fa nionona mahakasika ny amin'i Amnona sy ny fahafatesany izy. BSB BSB: And King David longed to go to Absalom, for he had been consoled over Amnon’s death.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.