1 ULB Ary Yaveh nandefa an'i Natana tany amin'i Davida. Tonga teo aminy izy ary niteny hoe: "Indray andro dia nisy lehilahy anankiroa tao amin'ny tanàna iray. BSB BSB: Then the LORD sent Nathan to David, and when he arrived, he said, “There were two men in a certain city, one rich and the other poor.
2 ULB Nanan-karena ny lehilahy iray ary ny iray hafa nahantra. Ilay iray nanan-karena dia nanana ondry aman'osy sy omby maro be, BSB BSB: The rich man had a great number of sheep and cattle,
3 ULB fa ilay lehilahy nahantra tsy nanana na inona na inona afa-tsy ondrivavy kely iray, izay novidiany sy nofahanany ary nompiany. Niara-lehibe taminy sy tamin'ireo zanany izany. Niara-nihinana taminy sy nisotro tamin'ny kapoakany mihitsy aza ilay ondry, ary natory teo amin'ny sandriny tahaka ny zanany vavy izany. BSB BSB: but the poor man had nothing except one small ewe lamb that he had bought. He raised it, and it grew up with him and his children. It shared his food and drank from his cup; it slept in his arms and was like a daughter to him.
4 ULB Indray andro dia nisy mpitsidika tonga tao amin'ilay lehilahy manan-karena, fa tsy te-haka biby iray avy ao amin'ny andian'ondry aman'osiny sy ireo ombiny mba homena ho sakafo ho azy ilay lehilahy manan-karena. Fa nalainy kosa ny ondrivavy kelin'ilay lehilahy mahantra ary nandrahoany ho an'ny mpamangy azy izany." BSB BSB: Now a traveler came to the rich man, who refrained from taking one of his own sheep or cattle to prepare for the traveler who had come to him. Instead, he took the poor man’s lamb and prepared it for his guest.”
5 ULB Nirehitry ny hatezerana tamin'ilay lehilahy manan-karena i Davida, ka niteny an-katezerana tamin'i Natana hoe: "Raha mbola velona koa Yaveh, dia mendrika ny ho vonoina ho faty ny lehilahy izay nanao izany. BSB BSB: David burned with anger against the man and said to Nathan: “As surely as the LORD lives, the man who did this deserves to die!
6 ULB Tsy maintsy honerany efatra heny ny zanak'ondry satria nanao zavatra tahaka izany izy, ary satria tsy nanana antra tamin'ilay lehilahy nahantra izy." BSB BSB: Because he has done this thing and has shown no pity, he must pay for the lamb four times over.”
7 ULB Ary hoy i Natana tamin'i Davida hoe: "Ianao izany lehilahy izany! Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, niteny hoe: 'Nanosotra anao ho mpanjakan'Israely Aho, ary namonjy anao hiala teo an-tanan'i Saoly. BSB BSB: Then Nathan said to David, “You are that man! This is what the LORD, the God of Israel, says: ‘I anointed you king over Israel, and I delivered you from the hand of Saul.
8 ULB Nanome anao ny tranon'ny tomponao Aho, ary ireo vadin'ny tomponao ho eo an-tsandrinao. Nomeko anao ihany koa ny ankohonan'Israely sy Joda. Fa raha mbola kely loatra izany, dia ho nanome anao zavatra maro hafa ho fanampiny aho. BSB BSB: I gave your master’s house to you and your master’s wives into your arms. I gave you the house of Israel and Judah, and if that was not enough, I would have given you even more.
9 ULB Koa nahoana ianao no nanao tsinontsinona ireo didin'i Yaveh, ary nanao izay ratsy teo imasony? Novonoinao tamin'ny sabatra i Oria ilay Hetita ary nalainao ho vadinao ny vadiny. Novonoinao tamin'ny sabatry ny tafik'i Amona izy. BSB BSB: Why then have you despised the command of the LORD by doing evil in His sight? You put Uriah the Hittite to the sword and took his wife as your own. You have slain him with the sword of the Ammonites.
10 ULB Koa ankehitriny dia tsy hiala amin'ny taranakao mandrakizay ny sabatra, satria nanao tsinontsinona ahy sy naka ny vadin'i Oria ilay Hetita ho lasa vadinao ianao.' BSB BSB: Now, therefore, the sword will never depart from your house, because you have despised Me and have taken the wife of Uriah the Hittite to be your own.’
11 ULB Hoy Yaveh hoe: 'Indro, hanangana loza hanohitra anao avy ao amin'ny ankohonanao ihany Aho. Eo anoloan'ny masonao ihany, no hakako ireo vadinao ary hanomezako azy ireo ho an'ny namanao, ary hiara-handry am-pahalalahana amin'ireo vadinao amin'ny atoandrobe-nanahary izy. BSB BSB: This is what the LORD says: ‘I will raise up adversity against you from your own house. Before your very eyes I will take your wives and give them to another, and he will lie with them in broad daylight.
12 ULB Fa nanota niafina ianao, saingy hataoko eo anatrehan'Israely rehetra izany zavatra izany, amin'ny atoandrobe-nanahary."' BSB BSB: You have acted in secret, but I will do this thing in broad daylight before all Israel.’”
13 ULB Dia hoy i Davida tamin'i Natana hoe: "Nanota tamin'i Yaveh aho." Namaly an'i Davida i Natana hoe: "Yaveh ihany koa efa namela ny fahotanao. Tsy ho vonoina ianao. BSB BSB: Then David said to Nathan, “I have sinned against the LORD.” “The LORD has taken away your sin,” Nathan replied. “You will not die.
14 ULB Kanefa, satria tamin'ny alalan'izany fihetsika izany no nanaovanao tsinontsinona an'i Yaveh, dia ho faty tokoa ny zaza izay aterakao." BSB BSB: Nevertheless, because by this deed you have shown utter contempt for the word of the LORD, the son born to you will surely die.”
15 ULB Avy eo dia niala i Natana ary nody tany an-trano. Namely ilay zaza izay nateraky ny vadin'i Oria tamin'i Davida i Yaveh, ka narary mafy izy. BSB BSB: After Nathan had gone home, the LORD struck the child that Uriah’s wife had borne to David, and he became ill.
16 ULB Avy eo dia nitalaho mafy tamin'Andriamanitra ho an'ilay zazalahy i Davida. Nifady hanina i Davida ary niditra tao ka nandry tamin'ny tany ny alina tontolo. BSB BSB: David pleaded with God for the boy. He fasted and went into his house and spent the night lying in sackcloth on the ground.
17 ULB Ireo loholon'ny tranony dia nijanona sy nitsangana teo anilany, mba hampiarina azy avy eo amin'ny tany, fa tsy nety niarina izy, ary tsy nety hisakafo niaraka tamin'izy ireo. BSB BSB: The elders of his household stood beside him to help him up from the ground, but he was unwilling and would not eat anything with them.
18 ULB Ary tamin'ny andro fahafito no nahafaty ilay zazalahy. Ireo mpanompon'i Davida dia natahotra ny hilaza taminy fa maty ilay zaza, fa hoy izy ireo hoe: "Indro, raha mbola velona ilay zaza dia niresaka taminy izahay, ary tsy nihaino ny feonay izy. Inona no mety ho hataony amin'ny tenany raha milaza aminy izahay fa maty ilay zazalahy?!" BSB BSB: On the seventh day the child died. But David’s servants were afraid to tell him that the child was dead, for they said, “Look, while the child was alive, we spoke to him, and he would not listen to us. So how can we tell him the child is dead? He may even harm himself.”
19 ULB Fa rehefa hitan'i Davida fa nifampibitsibitsika ireto mpanompony, dia fantatr'i Davida fa maty ilay zaza. Hoy izy tamin'ireo mpanompony hoe: "Maty ve ilay zaza?" Namaly izy ireo hoe: "Maty izy." BSB BSB: When David saw that his servants were whispering to one another, he perceived that the child was dead. So he asked his servants, “Is the child dead?” “He is dead,” they replied.
20 ULB Dia nitsangana avy teo amin'ny tany i Davida ary nanasa ny tenany, nihosotra diloilo, ary nanolo ireo fitafiany. Nandeha nankany amin'ny tabernakelin'i Yaveh izy ary nanao fanompoam-pivavahana tany, ary avy eo niverina nody tany amin'ny lapany izy. Rehefa nangataka izy, dia napetrak'izy ireo teo anoloany ny sakafo, ka nihinana izy. BSB BSB: Then David got up from the ground, washed and anointed himself, changed his clothes, and went into the house of the LORD and worshiped. Then he went to his own house, and at his request they set food before him, and he ate.
21 ULB Avy eo ireo mpanompony niteny taminy hoe: "Nahoana no nanao izao ianao? Nifady hanina ianao ary nitomany an'ilay zaza fony mbola velona izy, fa rehefa maty ilay zaza, dia nitsangana ianao ary nihinana." BSB BSB: “What is this you have done?” his servants asked. “While the child was alive, you fasted and wept, but when he died, you got up and ate.”
22 ULB Dia namaly i Davida hoe: "Raha mbola velona ilay zaza dia nifady hanina sy nitomany aho. Hoy aho hoe: 'Iza no mahalala na hamindra fo amiko Yaveh na tsia, ka mety ho velona ilay zaza?' BSB BSB: David answered, “While the child was alive, I fasted and wept, for I said, ‘Who knows? The LORD may be gracious to me and let him live.’
23 ULB Fa ankehitriny maty izy, koa nahoana aho no tokony hifady hanina? Afaka hamerina azy indray ve aho? Handeha ho any aminy aho, fa tsy hiverina amiko izy." BSB BSB: But now that he is dead, why should I fast? Can I bring him back again? I will go to him, but he will not return to me.”
24 ULB Nampionona an'i Batseba vadiny i Davida, ary niditra tao aminy, ka niara-nandry taminy. Taty aoriana dia niteraka zazalahy izy, ary nomeny ny anarana hoe Solomona ilay zaza. Nitia azy Yaveh BSB BSB: Then David comforted his wife Bathsheba, and he went to her and lay with her. So she gave birth to a son, and they named him Solomon. Now the LORD loved the child
25 ULB ary nandefa teny tamin'i Natana mpaminany Izy mba hanao ny anarany hoe Jedidia, satria tia azy Yaveh. BSB BSB: and sent word through Nathan the prophet to name him Jedidiah because the LORD loved him.
26 ULB Ary Joaba dia niady tamin'i Raba, ilay tanànan'ny mpanjakan'ny vahoakan'i Amona, ary babony ny fiarovana mafy. BSB BSB: Meanwhile, Joab fought against Rabbah of the Ammonites and captured the royal fortress.
27 ULB Noho izany dia nandefa mpitondra hafatra ho any amin'i Davida i Joaba ary niteny hoe: "Niady tamin'i Raba aho, ary nalaiko ny famatsian-dranon'ilay tanàna. BSB BSB: Then Joab sent messengers to David to say, “I have fought against Rabbah and have captured the water supply of the city.
28 ULB Ankehitriny ary angony miaraka ireo ambin'ny tafikao ary mitobia hanohitra ny tanàna ary alaivo izany, satria raha alaiko ilay tanàna, dia hitondra ny anarako izany." BSB BSB: Now, therefore, assemble the rest of the troops, lay siege to the city, and capture it. Otherwise I will capture the city, and it will be named after me.”
29 ULB Dia nanangona ny tafika rehetra i Davida ka nandeha tany Raba; niady tamin'ilay tanàna izy ary nambabo izany. BSB BSB: So David assembled all the troops and went to Rabbah; and he fought against it and captured it.
30 ULB Nalain'i Davida teny amin'ny lohan'ny mpanjakan'izy ireo ny satro-boninahitra—talenta volamena iray no lanjan'izany, ary nisy vato sarobidy tao anatiny. Napetraka teo ambony lohan'i Davida ilay satro-boninahitra. Avy eo dia nentiny nivoaka ireo babon'ny tanàna maro be. BSB BSB: Then he took the crown from the head of their king. It weighed a talent of gold and was set with precious stones, and it was placed on David’s head. And David took a great amount of plunder from the city.
31 ULB Nentiny nivoaka ireo olona izay tao amin'ilay tanàna ary notereny hiasa amin'ny tsofa, sy vy fanaketohana, ary famaky izy ireo; nasainy niasa tany amin'ny lafaoro fandoroam-biriky izy ireo. Notakian'i Davida mba hanao izany asa izany ny tanànan'ny vahoakan'i Amona rehetra. Avy eo dia niverina nankany Jerosalema i Davida sy ireo tafika rehetra. BSB BSB: David brought out the people who were there and put them to work with saws, iron picks, and axes, and he made them work at the brick kilns. He did the same to all the Ammonite cities. Then David and all his troops returned to Jerusalem.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.