2 ULB Nony tonga ny hariva dia nifoha teo am-pandriany i Davida ary nandeha tany amin'ny tafon'ny lapany. Avy eny izy no nahatazana vehivavy iray izay teo am-pandroana, ary tena mahafinaritra jerena ilay vehivavy. BSB BSB: One evening David got up from his bed and strolled around on the roof of the palace. And from the roof he saw a woman bathing—a very beautiful woman.
3 ULB Noho izany dia nandefa sy nanontany olona izay mahalala ny momba ilay vehivavy i Davida. Nisy olona iray niteny hoe: "Tsy i Batseba, zanaka vavin'i Eliama ve izany, ary tsy ilay vadin'i Oria ilay Hetita ve izy?" BSB BSB: So David sent and inquired about the woman, and he was told, “This is Bathsheba, the daughter of Eliam and the wife of Uriah the Hittite.”
4 ULB Dia nandefa mpitondra hafatra i Davida ary naka azy; dia tonga tany aminy izy, ary niara-nandry taminy izy (satria vao avy nanadio ny tenany tamin'ny fadim-bolana izy). Avy eo dia niverina tany an-tranony izy. BSB BSB: Then David sent messengers to get her, and when she came to him, he slept with her. (Now she had just purified herself from her uncleanness.) Then she returned home.
5 ULB Nitoe-jaza ilay vehivavy, ary nampaniraka sy niteny an'i Davida izy; hoy izy hoe: "Bevohoka aho." BSB BSB: And the woman conceived and sent word to David, saying, “I am pregnant.”
6 ULB Avy eo i Davida nampaniraka tany amin'i Joaba nanao hoe: "Alefaso aty amiko i Oria ilay Hetita." Dia nalefan'i Joaba tany amin'i Davida i Oria. BSB BSB: At this, David sent orders to Joab: “Send me Uriah the Hittite.” So Joab sent him to David.
7 ULB Rehefa tonga i Oria, dia nanontany azy i Davida hoe nanao ahoana Joaba, nanao ahoana ny tafika, ary nanao ahoana ny fandehan'ny ady. BSB BSB: When Uriah came to him, David asked how Joab and the troops were doing and how the war was going.
8 ULB Dia hoy i Davida tamin'i Oria hoe: "Midìna any amin'ny tranonao, ary sasao ny tongotrao." Ka dia niala tao amin'ny lapan'ny mpanjaka i Oria, ary nandefa fanomezana ho an'i Oria ny mpanjaka taorian'ny nandehanany. BSB BSB: Then he said to Uriah, “Go down to your house and wash your feet.” So Uriah left the palace, and a gift from the king followed him.
9 ULB Fa nandry teo am-baravaran'ny lapan'ny mpanjaka niaraka tamin'ireo mpanompon'ny tompony rehetra i Oria, ary tsy nidina tany an-tranony izy. BSB BSB: But Uriah slept at the door of the palace with all his master’s servants; he did not go down to his house.
10 ULB Rehefa niteny tamin'i Davida izy ireo hoe: "Tsy nidina tany an-tranony i Oria", dia hoy i Davida tamin'i Oria hoe: "Tsy avy nandeha ve ianao? Nahoana ianao no tsy nandeha nidina tany an-tranonao?" BSB BSB: And David was told, “Uriah did not go home.” “Haven’t you just arrived from a journey?” David asked Uriah. “Why didn’t you go home?”
11 ULB Namaly an'i Davida i Oria hoe: "Ilay fiara, sy Israely ary Joda dia mijanona ao amin'ireo lay, ary Joaba tompoko sy tompon'ireo mpanompoko dia nitoby tany an-dohasaha. Ahoana ary no ahafahako mankany an-tranoko mba hihinana sy hisotro ary hatory hiaraka amin'ny vadiko? Raha mbola velona tokoa ianao, dia tsy hanao izany aho." BSB BSB: Uriah answered, “The ark and Israel and Judah are dwelling in tents, and my master Joab and his soldiers are camped in the open field. How can I go to my house to eat and drink and sleep with my wife? As surely as you live, and as your soul lives, I will not do such a thing!”
12 ULB Ka hoy i Davida tamin'i Oria hoe: "Mijanòna eto aloha androany, fa rahampitso ianao havelako handeha." Ka nijanona tao Jerosalema tamin'io andro io sy ny ampitso i Oria. BSB BSB: “Stay here one more day,” David said to Uriah, “and tomorrow I will send you back.” So Uriah stayed in Jerusalem that day and the next.
13 ULB Rehefa niantso azy i Davida, dia nihinana sy nisotro teo anatrehany izy, ary nomamoin'i Davida izy. Ny hariva i Oria dia nivoaka mba hatory miaraka amin'ireo mpanompon'ny tompony eo am-pandriany; tsy nandeha nidina tany an-tranony izy. BSB BSB: Then David invited Uriah to eat and drink with him, and he got Uriah drunk. And in the evening Uriah went out to lie down on his cot with his master’s servants, but he did not go home.
14 ULB Ary nony maraina dia nanoratra taratasy ho an'i Joaba i Davida, ary nandefa izany tamin'ny alalan'ny tanan'i Oria. BSB BSB: The next morning David wrote a letter to Joab and sent it with Uriah.
15 ULB Davida nanoratra tao amin'ny taratasy nilaza hoe: "Apetraho eo anoloan'ny ady mafy indrindra i Oria, ary mialà eo aminy avy eo, mba mety ho voavely sy voavono izy." BSB BSB: In the letter he wrote: “Put Uriah at the front of the fiercest battle; then withdraw from him, so that he may be struck down and killed.”
16 ULB Koa raha nanao fahirano tamin'ny tanàna i Joaba, dia nanendry an'i Oria tamin'ny toerana izay nahafantarany ireo miaramila fahavalo matanjaka indrindra hiadiana izy. BSB BSB: So as Joab besieged the city, he assigned Uriah to a place where he knew the strongest enemy soldiers were.
17 ULB Rehefa nivoaka ireo lehilahin'ny tanàna ary niady tamin'ny tafik'i Joaba, dia lavo ny sasany tamin'ireo miaramilan'i Davida, ary Oria ilay Hetita ihany koa dia voavono tany. BSB BSB: And when the men of the city came out and fought against Joab, some of David’s servants fell, and Uriah the Hittite also died.
18 ULB Rehefa nandefa teny tany amin'i Davida momba ny zavatra mahakasika ny ady i Joaba, BSB BSB: Joab sent to David a full account of the battle
19 ULB dia nandidy ny mpitondra hafatra izy, nilaza hoe: "Rehefa voateninao amin'ny mpanjaka ny zavatra rehetra mahakasika ilay ady, BSB BSB: and instructed the messenger, “When you have finished giving the king a full account of the battle,
20 ULB ny mety hiseho dia hoe ho tezitra ny mpanjaka, ka hiteny aminao izy hoe: 'Nahoana no nanakaiky loatra ny tanàna ianao no niady? Tsy fantatrao ve fa mety avy eny amin'ny manda izy ireo no hitifitra? BSB BSB: if the king’s anger flares, he may ask you, ‘Why did you get so close to the city to fight? Did you not realize they would shoot from atop the wall?
21 ULB Iza no namono an'i Abimeleka zanak'i Jerobeseta? Moa tsy vehivavy iray ve no nandefa vato fikosoham-bary taminy avy eny amin'ny manda, izay nahafaty azy tany Tebeza? Nahoana ianao no teny amin'izay akaiky dia akaikin'ny manda no nandeha?' Ary tsy maintsy hamaly ianao hoe: "Oria ilay Hetita mpanomponao ihany koa dia maty."' BSB BSB: Who struck Abimelech son of Jerubbesheth? Was it not a woman who dropped an upper millstone on him from the wall, so that he died in Thebez? Why did you get so close to the wall?’ If he asks you this, then you are to say, ‘Your servant Uriah the Hittite is dead as well.’”
22 ULB Noho izany dia lasa ilay mpitondra hafatra ary nandeha tany amin'i Davida sy niteny taminy ny zavatra rehetra izay nanirahan'i Joaba azy ho lazaina. BSB BSB: So the messenger set out and reported to David all that Joab had sent him to say.
23 ULB Ary hoy ilay mpitondra hafatra tamin'i Davida hoe: "Natanjaka noho izahay ny fahavalo tany am-boalohany; nivoaka nankeo aminay teo an-tsaha izy ireo, fa noroasinay niverina tany amin'ny fidirana amin'ny vavahady. BSB BSB: The messenger said to David, “The men overpowered us and came out against us in the field, but we drove them back to the entrance of the gate.
24 ULB Avy eo nitifitra tany amin'ireo miaramilanao avy eny amin'ny manda ny mpitifitr'izy ireo, ary voavono ny sasany tamin'ireo mpanompon'ny mpanjaka, ary maty ihany koa Oria ilay Hetita mpanomponao." BSB BSB: Then the archers shot at your servants from the wall, and some of the king’s servants were killed. And your servant Uriah the Hittite is dead as well.”
25 ULB Dia hoy i Davida tamin'ilay mpitondra hafatra hoe: "Lazao an'i Joaba izao: 'Aza atao mahatezitra anao ity, fa ny sabatra dia handevona iray sy iray hafa. Hamafiso kokoa hanoherana ilay tanàna ny adinao, ka ravao izany,' ary amporisiho izy." BSB BSB: Then David told the messenger, “Say this to Joab: ‘Do not let this matter upset you, for the sword devours one as well as another. Strengthen your attack against the city and demolish it.’ Encourage him with these words.”
26 ULB Ka rehefa ren'ny vadin'i Oria fa maty i Oria vadiny, dia nisaona tanteraka ny vadiny izy. BSB BSB: When Uriah’s wife heard that her husband was dead, she mourned for him.
27 ULB Rehefa nisinda ny alahelony, dia nampaniraka sy nampody azy tany amin'ny lapany i Davida, ka lasa vadiny izy ary niteraka zazalahy taminy. Kanefa tsy nankasitrahan'i Yaveh ny nataon'i Davida. BSB BSB: And when the time of mourning was over, David had her brought to his house, and she became his wife and bore him a son. But the thing that David had done was evil in the sight of the LORD.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.