1 ULB Rehefa nandre ny lazan'i Solomona momba ny anaran'i Yaveh ny mpanjakavin'i Sheba, dia tonga hitsapa azy amin'ny fanontaniana sarotra izy. BSB BSB: Now when the queen of Sheba heard about the fame of Solomon concerning the name of the LORD, she came to test him with difficult questions.
2 ULB Tonga tany Jerosalema niaraka tamina rodobe lava dia lava, nisy rameva nitondra zava-manitra, volamena be dia be, ary vato sarobidy maro izy. Nony tonga izy, dia nambarany tamin'i Solomona avokoa izay tao am-pony rehetra. BSB BSB: She arrived in Jerusalem with a very large caravan—with camels bearing spices, gold in great abundance, and precious stones. And she came to Solomon and spoke to him all that was on her mind.
3 ULB Novalian'i Solomona ny fanontaniany rehetra. Tsy nisy tsy voavalin'ny mpanjaka ny fanontaniany. BSB BSB: And Solomon answered all her questions; nothing was too difficult for the king to explain.
4 ULB Rehefa nahita ny fahendren'i Solomona rehetra ny mpanjakavavin'i Sheba, ny lapa izay naoriny, BSB BSB: When the queen of Sheba saw all the wisdom of Solomon, the palace he had built,
5 ULB ny sakafo teo an-databany, ny sezan'ny mpanompony, ny asan'ireo mpanompony sy ny fitafian'izy ireo, ary ny mpitondra ny kapoakany ihany koa, sy ny fomba nanolorany fanatitra dorana tao an-tranon'i Yaveh, dia talanjona tokoa izy. BSB BSB: the food at his table, the seating of his servants, the service and attire of his attendants, his cupbearers, and the burnt offerings he presented at the house of the LORD, it took her breath away.
6 ULB Hoy izy tamin'ny mpanjaka: "Marina tokoa, ilay tatitra izay reko tany amin'ny taniko momba ny teninao sy ny fahendrenao. BSB BSB: She said to the king, “The report I heard in my own country about your words and wisdom is true.
7 ULB Tsy nino aho raha tsy tonga tety, ary nahita maso izany aho ankehitriny. Tsy ampy antsasany amin'ny fahendrena sy harenanao no voatantara tamiko! Nihoatra izay reko ny lazanao. BSB BSB: But I did not believe these things until I came and saw with my own eyes. Indeed, not even half was told to me. Your wisdom and prosperity have far exceeded the report I heard.
8 ULB Sambatra ery ireo vadinao, ary sambatra ihany koa ireo mpanomponao izay mijanona manoloana anao foana, satria mandre ny fahendrenao izy ireo. BSB BSB: How blessed are your men! How blessed are these servants of yours who stand continually before you and hear your wisdom!
9 ULB Hoderaina anie i Yaveh Andriamanitrao, izay mahita sitraka aminao, sy nametraka anao teo amin'ny seza fiandrianan'i Israely. Satria tian'i Yaveh mandrakizay Israely, nataony mpanjaka ianao, mba hanaovanao ny rariny sy ny fahamarinana!" BSB BSB: Blessed be the LORD your God, who has delighted in you to set you on the throne of Israel. Because of the LORD’s eternal love for Israel, He has made you king to carry out justice and righteousness.”
10 ULB Nomeny talenta volamena 120 ary zava-manitra maro sy vato sarobidy ny mpanjaka. Tsy nisy nanome zava-manitra betsaka toy ireo izay nomen'i mpanjakavavin'ny Sheba an'i Solomona Mpanjaka intsony. BSB BSB: Then she gave the king 120 talents of gold, a great quantity of spices, and precious stones. Never again were spices in such abundance brought in as those the queen of Sheba gave to King Solomon.
11 ULB Ary ny andian-tsambon'i Hirama, izay nitondra volamena avy tany Ofira, nitondra hazo almoga sy vato sarobidy maro ihany koa. BSB BSB: (The fleet of Hiram that brought gold from Ophir also brought from Ophir a great cargo of almug wood and precious stones.
12 ULB Nataon'ny mpanjaka tsangam-bato ho an'ny tranon'i Yaveh sy ny lapan'ny mpanjaka, ary lokanga sy valiha ho an'ireo mpihira ny hazo almoga. Tsy nisy hazo almoga betsaka toy izany tonga na hita intsony mandraka androany. BSB BSB: The king made the almug wood into steps for the house of the LORD and for the king’s palace, and into lyres and harps for the singers. Never before had such almug wood been brought in, nor has such been seen again to this day.)
13 ULB Nomen'i Solomona Mpanjaka izay rehetra niriany ny mpanjakavavin'i Sheba, na inona na inona nangatahany, miampy an'izay fanomen'i Solomona azy amin'ny fanomen'i mpanjaka. Ka dia niverina tamin'ny taniny niaraka tamin'ireo mpanompony izy. BSB BSB: King Solomon gave the queen of Sheba all she desired—whatever she asked—besides what he had given her out of his royal bounty. Then she left and returned to her own country, along with her servants.
14 ULB Ary ny volamena tonga tao amin'i Solomona tao anatin'ny herintaona dia talenta volamena milanja 666, BSB BSB: The weight of gold that came to Solomon each year was 666 talents,
15 ULB afa-tsy ny volamena nentin'ireo mpanakalo sy mpivarotra. Ireo mpanjaka rehetra tany Arabia sy ireo governora tao amin'ny firenena ihany koa dia nitondra volamena sy volafotsy tany amin'i Solomona. BSB BSB: not including the revenue from the merchants, traders, and all the Arabian kings and governors of the land.
16 ULB Nanao ampinga lehibe roanjato vita tamin'ny volamena voatefy i Solomona Mpanjaka. Sekely volamena eninjato no nanaovana ny iray tamin'izany. BSB BSB: King Solomon made two hundred large shields of hammered gold; six hundred shekels of gold went into each shield.
17 ULB Nanao ampinga telonjato vita tamin'ny volamena voatefy ihany koa izy. Ka volamena telo mane no nanaovana ny iray tamin'ny ampinga; napetraky ny mpanjaka tao amin'ny lapan'ny Alan'i Libanona ireo. BSB BSB: He also made three hundred small shields of hammered gold; three minas of gold went into each shield. And the king put them in the House of the Forest of Lebanon.
18 ULB Ary nanao seza fiandrianana ivory lehibe ny mpanjaka ary nofonosiny tamin'ny volamena faran'izay manify izany. BSB BSB: Additionally, the king made a great throne of ivory and overlaid it with pure gold.
19 ULB Nisy antanan-tohatra enina nankeo amin'ny seza fiandrianana, ary boribory ny fiankinany. Nisy fametrahan-tanana isaky ny sisin'ny seza, ary liona roa mitsangana eo akaikiny. BSB BSB: The throne had six steps, and its back had a rounded top. There were armrests on both sides of the seat, with a lion standing beside each armrest.
20 ULB Liona roa ambin'ny folo no nitsangana teo amin'ireo antanan-tohatra, iray isaky ny sisin'ny antanan-tohatra enina. Tsy nisy seza fiandrianana tahaka izany teo amin'ny firenena hafa rehetra. BSB BSB: Twelve lions stood on the six steps, one at either end of each step. Nothing like this had ever been made for any kingdom.
21 ULB Ny kapoaka fisotroan'i Solomona Mpanjaka rehetra dia vita tamin'ny volamena avokoa, ary ny kaopy fisotroana tao amin'ny Lapan'ny Alan'i Libanona dia vita tamin'ny volamena tsy misy fangarony avokoa. Tsy nisy volafotsy ireo, satria tsy noraisina ho sarobidy izany tamin'ny andron'i Solomona. BSB BSB: All King Solomon’s drinking cups were gold, and all the utensils of the House of the Forest of Lebanon were pure gold. There was no silver, because it was accounted as nothing in the days of Solomon.
22 ULB Nanana andian-tsambo mpitety ranomasina ny mpanjaka, niaraka tamin'ny andian-tsambon'i Hirama. Indray mandeha anatin'ny telo taona no nitondra volamena, volafotsy, ary ivory ireo andian-tsambo, ary rajako sy gidro ihany koa. BSB BSB: For the king had the ships of Tarshish at sea with Hiram’s fleet, and once every three years the ships of Tarshish would arrive bearing gold, silver, ivory, apes, and peacocks.
23 ULB Nihoatra tamin-karena sy tamin'ny fahendrena noho ny an'ireo mpanjaka rehetra teto an-tany ny an'i Solomona Mpanjaka. BSB BSB: So King Solomon surpassed all the kings of the earth in riches and wisdom.
24 ULB Nitady ny hifanatrika tamin'i Solomona ny tany iray manontolo mba handre ny fahendreny, izay napetrak'Andriamanitra tao am-pony. BSB BSB: The whole world sought an audience with Solomon to hear the wisdom that God had put in his heart.
25 ULB Nitondra fanomezana ireo izay namangy, fanaka volafotsy sy volamena, ary akanjo, akanjo fiarovana, ary zava-manitra, soavaly sy ampondra ihany koa, isan-taona isan-taona BSB BSB: Year after year, each visitor would bring his tribute: articles of silver and gold, clothing, weapons, spices, horses, and mules.
27 ULB Nanana volafotsy tao Jerosalema ny mpanjaka, maro toy ny vato teo amin'ny tany izany. Nataony betsaka toy ny hazo aviavy teny amin'ny tany lemaka ny hazo sedera. BSB BSB: The king made silver as common in Jerusalem as stones, and cedar as abundant as sycamore in the foothills.
28 ULB Nanana soavaly izay novidiana tany Egypta sy Silisia i Solomona. Novidian'ny mpivarotry ny mpanjaka isan'andiany izy ireo, ary samy nanana ny vidiny avy ny andiany iray. BSB BSB: Solomon’s horses were imported from Egypt and Kue; the royal merchants purchased them from Kue.
29 ULB Ny kalesy dia tany ivelan'i Egypta no novidiana ary sekely volafotsy eninjato ny iray, ary soavaly 150 sekely ny iray. Maro tamin'ireo no namidy tamin'ny mpanjakan'ny Hetita sy ny mpanjakan'ny Syriana rehetra. BSB BSB: A chariot could be imported from Egypt for six hundred shekels of silver, and a horse for a hundred and fifty. Likewise, they exported them to all the kings of the Hittites and to the kings of Aram.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.