1 ULB Ary i Solomona Mpanjaka dia nitia vehivavy vahiny maro: ilay zanaka vavin'i Farao sy ireo vehivavin'i Moabita, Amonita, Edomita, Sidoniana, ary ireo Hetita- BSB BSB: King Solomon, however, loved many foreign women along with the daughter of Pharaoh—women of Moab, Ammon, Edom, and Sidon, as well as Hittite women.
2 ULB ireo firenena voakasik'izay nolazain'i Yaveh tamin'ireo vahoakan'i Israely hoe: "Tsy handeha eo amin'izy ireo ianao mba hanambady, na izy ireo ho eo aminao, satria izy ireo dia hampitodika ny fonao amin'ireo andriamanitr'izy ireo tokoa." Kanefa i Solomona tia an'ireo vehivavy ireo. BSB BSB: These women were from the nations about which the LORD had told the Israelites, “You must not intermarry with them, for surely they will turn your hearts after their gods.” Yet Solomon clung to these women in love.
3 ULB Nanana vady andriambavy fitonjato sy vaditsindrano telonjato i Solomona. Nampitodika ny fony ireo vehivavy ireo. BSB BSB: He had seven hundred wives of royal birth and three hundred concubines—and his wives turned his heart away.
4 ULB Fa rehefa niha-antitra i Solomona, dia nampitodika ny fony tamin'ireo andriamani-kafa ireo vadiny; fa tsy tena nanankim-po tanteraka tamin'i Yaveh Andriamaniny izy, tahaka ny fon'i Davida rainy. BSB BSB: For when Solomon grew old, his wives turned his heart after other gods, and he was not wholeheartedly devoted to the LORD his God, as his father David had been.
5 ULB Fa i Solomona dia nanaraka an'i Astarta, ilay andriamani-bavin'ireo Sidoniana, ary nanaraka an'i Milkoma izy, ilay sampy vetavetan'ireo Amonita. BSB BSB: Solomon followed Ashtoreth the goddess of the Sidonians and Milcom the abomination of the Ammonites.
6 ULB Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh i Solomona; tsy nanaraka tanteraka an'i Yaveh izy, tahaka nataon'i Davida rainy. BSB BSB: So Solomon did evil in the sight of the LORD; unlike his father David, he did not follow the LORD completely.
7 ULB Ary nanangana toerana avo ho an'i Kemosy i Solomona, ilay sampy vetavetan'i Moaba, teo amin'ny havoana antsinanan'i Jerosalema, ary ho an'i Moloka ihany koa, ilay sampy vetavetan'ny vahoakan'i Amona. BSB BSB: At that time on a hill east of Jerusalem, Solomon built a high place for Chemosh the abomination of Moab and for Molech the abomination of the Ammonites.
8 ULB Nanangana toerana avo ihany koa izy ho an'ireo vehivavy vahininy rehetra, izay nandoro ditin-kazo manitra sy nanao sorona ho an'ireo andriamanitr'izy ireo tamin'ireo. BSB BSB: He did the same for all his foreign wives, who burned incense and sacrificed to their gods.
9 ULB Tezitra tamin'i Solomona i Yaveh, nohon'ny nivilin'ny fony niala taminy, ilay Andriamanitr'i Israely, na dia niseho indroa taminy aza Izy BSB BSB: Now the LORD grew angry with Solomon, because his heart had turned away from the LORD, the God of Israel, who had appeared to him twice.
10 ULB ary nandidy azy momba io zavatra io mihitsy, fa tsy tokony hanaraka ireo andriamani-kafa izy. Fa i Solomona dia tsy nankato izay didin'i Yaveh. BSB BSB: Although He had warned Solomon explicitly not to follow other gods, Solomon did not keep the LORD’s command.
11 ULB Noho izany dia hoy i Yaveh tamin'i Solomona: "Satria nanao izany ianao ary tsy nitàna ny fanekem-pihavanana sy ireo lalàko izay nandidiako anao, dia ho alako aminao tokoa ny fanjakana ary homeko ny mpanomponao. BSB BSB: Then the LORD said to Solomon, “Because you have done this and have not kept My covenant and My statutes, which I have commanded you, I will tear the kingdom away from you and give it to your servant.
12 ULB Kanefa, nohon'ny amin'i Davida rainao, dia tsy hanao izany amin'ny androm-piainanao rehetra aho, fa hanala izany amin'ny tanan'ny zanakao. BSB BSB: Nevertheless, for the sake of your father David, I will not do it during your lifetime; I will tear it out of the hand of your son.
13 ULB Tsy mbola hanala ny fanjakana rehetra aminao aho; fa hanome foko iray ho an'ny zanakao nohon'ny amin'i Davida, sy nohon'ny amin'i Jerosalema, izay nofidiko." BSB BSB: Yet I will not tear the whole kingdom away from him. I will give one tribe to your son for the sake of My servant David and for the sake of Jerusalem, which I have chosen.”
14 ULB Dia nanangana fahavalo iray ho an'i Solomona i Yaveh, dia i Hadada ilay Edomita. Avy amin'ny fianakavian'andrian'i Edoma izy. BSB BSB: Then the LORD raised up against Solomon an adversary, Hadad the Edomite, from the royal line of Edom.
15 ULB Rehefa tao Edoma i Davida, dia niakatra mba handevina ny maty i Joaba ilay lehiben'ny tafika, ny olon-drehetra izay voavono tao Edoma. BSB BSB: Earlier, when David was in Edom, Joab the commander of the army had gone to bury the dead and had struck down every male in Edom.
16 ULB Nitoetra tao nandritra ny enim-bolana i Joaba sy Israely rehetra mandra-pahavoavono ny lehilahy rehetra tao Edoma. BSB BSB: Joab and all Israel had stayed there six months, until he had killed every male in Edom.
17 ULB Fa i Hadada dia nalain'ireo mpanompon'ny rainy tao Egypta niaraka tamin'ireo Edomita hafa, satria i Hadada dia mbola zazalahy kely. BSB BSB: But Hadad, still just a young boy, had fled to Egypt, along with some Edomites who were servants of his father.
18 ULB Niala tao Midiana izy ireo ary tonga tao Parana, izay nakan'izy ireo olona miaraka aminy ho any Egypta, ho any amin'i Farao mpanjakan'i Egypta, izay nanome trano sy tany ary sakafo ho azy. BSB BSB: Hadad and his men set out from Midian and went to Paran. They took men from Paran with them and went to Egypt, to Pharaoh king of Egypt, who gave Hadad a house and land and provided him with food.
19 ULB Nahita sitraka lehibe teo imason'i Farao i Hadada, ka nomen'i Farao vady izy, dia ny rahavavim-badiny, ilay rahavavin'i Tapanesa mpanjakavavy. BSB BSB: There Hadad found such great favor in the sight of Pharaoh that he gave to him in marriage the sister of Queen Tahpenes, his own wife.
20 ULB Niteraka zazalahy tamin'i Hadada ilay rahavavin'i Tapanesa. Nomen'izy ireo ny anarana hoe Genobata izy. Natsangan'i Tapanesa tao amin'ny lapan'i Farao izy. Ka nipetraka tao amin'ny lapan'i Farao teo amin'ireo zanak'i Farao i Genobata. BSB BSB: And the sister of Tahpenes bore Hadad a son named Genubath. Tahpenes herself weaned him in Pharaoh’s palace, and Genubath lived there among the sons of Pharaoh.
21 ULB Raha mbola tao Egypta izy, dia nandre i Hadada fa nodimandry any amin'ireo razany i Davida ary i Joaba ilay kapitenin'ny miaramila dia maty, hoy i Hadada tamin'i Farao: "Avelao aho handeha, mba ho afaka ho any amin'ny fireneko." BSB BSB: When Hadad heard in Egypt that David had rested with his fathers and that Joab, the commander of the army, was dead, he said to Pharaoh, “Let me go, that I may return to my own country.”
22 ULB Dia hoy i Farao taminy: "Fa inona no tsy ampy anao eto amiko, no mitady ho any amin'ny firenenao ianao ankehitriny?" Dia namaly i Hadada hoe: "Tsy misy. Mba avelao handeha re aho." BSB BSB: But Pharaoh asked him, “What have you lacked here with me that you suddenly want to go back to your own country?” “Nothing,” Hadad replied, “but please let me go.”
23 ULB Nanangam-pahavalo hafa ho an'i Solomona ihany koa Andriamanitra, dia i Rezona zanak'i Eliada, izay nandositra an'i Hadadezera mpanjakan'i Zoba tompony. BSB BSB: And God raised up against Solomon another adversary, Rezon the son of Eliada, who had fled from his master, Hadadezer king of Zobah,
24 ULB Nanangona olona ho azy i Rezona ka lasa kapitenina tafika kely izy, rehefa nandresy ny olon'i Zoba i Davida. Ireo lehilahin'i Rezona dia nankany Damaskosy ary nipetraka tany, ka nofehezin'i Rezona i Damaskosy. BSB BSB: and had gathered men to himself. When David killed the Zobaites, Rezon captained a band of raiders and went to Damascus, where they settled and gained control.
25 ULB Fahavalon'i Israely izy nandritra ny andron'i Solomona rehetra, niaraka tamin'ny korontana izay nataon'i Hadada. Nankahala an'i Israely i Rezona ary nanjaka teo amin'i Arama. BSB BSB: Rezon was Israel’s enemy throughout the days of Solomon, adding to the trouble caused by Hadad. So Rezon ruled over Aram with hostility toward Israel.
26 ULB Ary i Jeroboama zanak'i Nebata, Efraimita avy any Zareda, manam-pahefan'i Solomona, izay Zeroa no anaran-dreniny, mpitondratena iray, dia nanainga ny tanany tamin'ny mpanjaka ihany koa. BSB BSB: Now Jeroboam son of Nebat was an Ephraimite from Zeredah whose mother was a widow named Zeruah. Jeroboam was a servant of Solomon, but he rebelled against the king,
27 ULB Ny antony nananganany ny tanany tamin'ny mpanjaka dia satria nanorina toerana tao Milo sy nanampina ny lavaka tamin'ny rindrin'ny tanànan'i Davida rainy i Solomona. BSB BSB: and this is the account of his rebellion against the king. Solomon had built the supporting terraces and repaired the gap in the wall of the city of his father David.
28 ULB Jeroboama dia lehilahy iray mahery. Hitan'i Solomona fa zatovolahy miasa izy, ka nomeny alalana nibaiko ireo asa rehetra tao amin'ny tranon'i Josefa. BSB BSB: Now Jeroboam was a mighty man of valor. So when Solomon noticed that the young man was industrious, he put him in charge of the whole labor force of the house of Joseph.
29 ULB Tamin'izany fotoana izany, rehefa nivoaka an'i Jerosalema i Jeroboama, dia nahita azy teny amin'ny lalana i Ahia Silonita mpaminany. Ary niakanjo vaovao i Ahia ary izy roalahy dia irery tao an-tsaha. BSB BSB: During that time, the prophet Ahijah the Shilonite met Jeroboam on the road as he was going out of Jerusalem. Now Ahijah had wrapped himself in a new cloak, and the two of them were alone in the open field.
30 ULB Ary nanala ny akanjo vaovao izay teny aminy i Ahia ka nizarazara izany ho roa ambinifolo. BSB BSB: And Ahijah took hold of the new cloak he was wearing, tore it into twelve pieces,
31 ULB Hoy izy tamin'i Jeroboama: "Makà tapatapany folo, fa i Yaveh, ilay Andriamanitr'i Israely, niteny hoe: "Indro, hanala ny fanjakana eo amin'ny tanan'i Solomona Aho ka hanome foko folo ho anao BSB BSB: and said to Jeroboam, “Take ten pieces for yourself, for this is what the LORD, the God of Israel, says: ‘Behold, I will tear the kingdom out of the hand of Solomon, and I will give you ten tribes.
32 ULB (fa i Solomona dia hanana foko iray, nohon'ny amin'i Davida sy nohon'ny amin'i Jerosalema- ilay tanàna izay nofidiko tamin'ireo fokon'i Israely rehetra), BSB BSB: But one tribe will remain for the sake of My servant David and for the sake of Jerusalem, the city I have chosen out of all the tribes of Israel.
33 ULB satria nahafoy Ahy izy ireo ary nanompo an'i Astarta ilay andriamani-bavin'ireo Sidoniana, Kemosy ilay andriamanitr'i Moaba, ary Moloka ilay andriamanitry ny vahoakan'i Amona. Tsy nandeha tamin'ny lalako izy ireo, mba hanao izay marina eo imasoko, sy hitandrina ireo lalàko sy ireo didiko, tahaka ny nataon'i Davida rainy. BSB BSB: For they have forsaken Me to worship Ashtoreth the goddess of the Sidonians, Chemosh the god of the Moabites, and Milcom the god of the Ammonites. They have not walked in My ways, nor done what is right in My eyes, nor kept My statutes and judgments, as Solomon’s father David did.
34 ULB Kanefa, tsy haka ny fanjakana iray manontolo amin'ny tanan'i Solomona Aho. Fa kosa, nanao azy ho mpanapaka amin'ny andro rehetra hiainany, nohon'ny amin'i Davida mpanompoko izay nofidiko, ilay iray izay nitandrina ireo didiko sy ireo lalàko. BSB BSB: Nevertheless, I will not take the whole kingdom out of Solomon’s hand, because I have made him ruler all the days of his life for the sake of David My servant, whom I chose because he kept My commandments and statutes.
35 ULB Fa haka ny fanjakana eo an-tanan'ny zanany Aho ka hanome izany anao, dia ireo foko folo. BSB BSB: But I will take ten tribes of the kingdom from the hand of his son and give them to you.
36 ULB Hanome foko iray ho an'ny zanak'i Solomona Aho, mba hanana fanilo mandrakariva eo anatrehako ao Jerosalema i Davida mpanompoko, tanàna izay nofidiko mba hasiana ny Anarako. BSB BSB: I will give one tribe to his son, so that My servant David will always have a lamp before Me in Jerusalem, the city where I chose to put My Name.
37 ULB Haka anao Aho, ka hanapaka ianao mba hanatanteraka izay rehetra irinao, dia ho mpanjaka eo amin'i Israely ianao. BSB BSB: But as for you, I will take you, and you shall reign over all that your heart desires, and you will be king over Israel.
38 ULB Raha mihaino izay handidiko anao rehetra ianao, ary raha mandeha amin'ireo lalako sy manao izay marina eo imasoko, mba hitandrina ireo lalàko sy ireo didiko, tahaka ny nataon'i Davida mpanompoko, dia hiaraka aminao Aho ary hanangana trano azo antoka ho anao, tahaka ny nananganako ho an'i Davida, ary hanome anao an'i Israely Aho. BSB BSB: If you listen to all that I command you, walk in My ways, and do what is right in My sight in order to keep My statutes and commandments as My servant David did, then I will be with you. I will build you a lasting dynasty just as I built for David, and I will give Israel to you.
39 ULB Hanasazy ireo taranak'i Davida Aho, fa tsy ho mandrakizay."' BSB BSB: Because of this, I will humble David’s descendants—but not forever.’”
40 ULB Ka nikasa ny hamono an'i Jeroboama i Solomona. Fa i Jeroboama niakatra ary nandositra tany Egypta, tany amin'i Sisaka mpanjakan'i Egypta, dia nijanona tao Egypta izy mandra-pahafatin'i Solomona. BSB BSB: Solomon therefore sought to kill Jeroboam. But Jeroboam arose and fled to Egypt, to Shishak king of Egypt, where he remained until the death of Solomon.
41 ULB Raha ny amin'ny raharaha hafa mikasika an'i Solomona, izay rehetra nataony sy ny fahendreny, moa ve tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ireo tantara momba an'i Solomona ireo? BSB BSB: As for the rest of the acts of Solomon—all that he did, as well as his wisdom—are they not written in the Book of the Acts of Solomon?
42 ULB Nanjaka tao Jerosalema tamin'ireo Israely rehetra i Solomona nandritra ny efapolo taona. BSB BSB: Thus the time that Solomon reigned in Jerusalem over all Israel was forty years.
43 ULB Nodimandry tany amin'ireo razambeny izy ary nalevina tao amin'ny tanàn'i Davida rainy. Dia lasa mpanjaka taoriany i Rehoboama zanany lahy. BSB BSB: And Solomon rested with his fathers and was buried in the city of his father David. And his son Rehoboam reigned in his place.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.