1 ULB Dia nankany Sekema i Rehoboama, satria ny Israely rehetra no tonga tao Sekema mba hanao azy ho mpanjaka. BSB BSB: Then Rehoboam went to Shechem, for all Israel had gone there to make him king.
2 ULB Nandre izany Jeroboama zanaka lahin'i Nebata (fa izy mbola tany Egypta, tany amin'izay nitsoahany ny fanatrehan'i Solomona Mpanjaka), satria Jeroboama nonina tao Egypta. BSB BSB: When Jeroboam son of Nebat heard about this, he was still in Egypt where he had fled from King Solomon and had been living ever since.
3 ULB Ary nampaniraka sy niantso azy izy ireo, ary Jeroboama sy ireo fiangonan'ny Israely rehetra tonga ary niteny tamin'i Rehoboama hoe:" BSB BSB: So they sent for Jeroboam, and he and the whole assembly of Israel came to Rehoboam and said,
4 ULB Nataon'ny rainao mavesatra ny zioganay. Koa hamaivano ny asa mafin'ny rainao, ary hamaivano ny zioga mavesatra izay nampitondrainy anay, dia hanompo anao izahay." BSB BSB: “Your father put a heavy yoke on us. But now you must lighten the burden of your father’s service and the heavy yoke he put on us, and we will serve you.”
5 ULB Rehoboama niteny tamin'izy ireo hoe: "Mandehana mandritra ny telo andro ary miverena aty amiko." Koa lasa ny vahoaka. BSB BSB: Rehoboam answered, “Go away for three days and then return to me.” So the people departed.
6 ULB Naka hevitra tamin'ireo lehilahy zokiolona izay nanatrika an'i Solomona rainy fony izy mbola velona i Rehoboama Mpanjaka, ary hoy izy hoe: "Inona no torohevitrareo ho ahy mba hamaliako ireo vahoaka ireo?" BSB BSB: Then King Rehoboam consulted with the elders who had served his father Solomon during his lifetime. “How do you advise me to respond to these people?” he asked.
7 ULB Niteny taminy izy ireo ary nanao hoe: "Raha ho mpanompon'ireo vahoaka ireo ianao anio ka hanompo azy ireo, ary hamaly azy ireo amin'ny teny tsara, dia ho mpanomponao mandrakariva izy ireo." BSB BSB: They replied, “If you will be a servant to these people and serve them this day, and if you will respond by speaking kind words to them, they will be your servants forever.”
8 ULB Fa i Rehoboama nandà ny torohevitra izay nomen'ny zokiolona azy ary nila hevitra tamin'ireo tovolahy izay niara-lehibe taminy sy nanatrika azy. BSB BSB: But Rehoboam rejected the advice of the elders; instead, he consulted the young men who had grown up with him and served him.
9 ULB Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Inona no torohevitra omenareo ahy izay mety havalintsika ireo vahoaka izay niresaka sy niteny tamiko hoe: "Hamaivano ny zioga izay napetraky ny rainao taminay'?" BSB BSB: He asked them, “What message do you advise that we send back to these people who have spoken to me, saying, ‘Lighten the yoke your father put on us’?”
10 ULB Ireo zatovolahy izay niara-lehibe tamin'i Rehoboama niteny taminy ary nanao hoe: "Miresaha amin'ireo vahoaka izay niteny taminao fa i Solomona rainao dia nanao ny ziogan'izy ireo ho mavesatra kanefa ianao tsy maintsy hanamaivana izany. Tokony hilaza amin' izy ireo ianao hoe: 'Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny valahan'ny raiko. BSB BSB: The young men who had grown up with him replied, “This is how you should answer these people who said to you, ‘Your father made our yoke heavy, but you must make it lighter.’ This is what you should tell them: ‘My little finger is thicker than my father’s waist!
11 ULB Koa ankehitriny, na dia nampitondra zioga mavesatra anareo aza ny raiko, dia mbola hanampy ny zioganareo aho. Ny raiko nanafay anareo tamin'ny karavasy fa izaho kosa hanafay anareo amin'ny maingoka.'" BSB BSB: Whereas my father burdened you with a heavy yoke, I will add to your yoke. Whereas my father scourged you with whips, I will scourge you with scorpions.’”
12 ULB Ka tonga tany amin'i Rehoboama tamin'ny andro fahatelo i Jeroboama sy ny vahoaka rehetra, araka ny nandidian'ny mpanjaka rehefa niteny izy hoe: "Miverena eto amiko amin'ny andro fahatelo." BSB BSB: After three days, Jeroboam and all the people returned to Rehoboam, since the king had said, “Come back to me on the third day.”
13 ULB Ny mpanjaka namaly ny vahoaka tamin'ny teny mafy ary nandà ny torohevitra izay nomen'ireo zokiolona azy. BSB BSB: And the king answered the people harshly. He rejected the advice of the elders
14 ULB Niresaka tamin'izy ireo izy araka ny torohevitr'ireo zatovolahy; hoy izy hoe: "Nampitondra anareo zioga mavesatra ny raiko, kanefa mbola hanampy ny zioganareo aho. Nanafay anareo tamin'ny karavasy ny raiko, fa izaho kosa hanafay anareo amin'ny maingoka." BSB BSB: and spoke to them as the young men had advised, saying, “Whereas my father made your yoke heavy, I will add to your yoke. Whereas my father scourged you with whips, I will scourge you with scorpions.”
15 ULB Ary dia tsy nihaino ny vahoaka ny mpanjaka, fa avy amin'i Yaveh izany zavatra izany, mba hahafahany manatanteraka ny teniny izay nolazainy tamin'ny alalan'i Ahia ilay Silonita tamin'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata. BSB BSB: So the king did not listen to the people, and indeed this turn of events was from the LORD, to fulfill the word He had spoken to Jeroboam son of Nebat through Ahijah the Shilonite.
16 ULB Rehefa hitan'ny Israely rehetra fa tsy nihaino azy ireo ny mpanjaka, dia namaly azy ny vahoaka ary nanao hoe: "Inona no mba anjaranay ao amin'i Davida? Tsy manana lova ao amin'ny zanaka lahin'i Jese izahay! Mankanesa any an-dainareo, ry Israely. Ankehitriny jereo ny ankohonanao, ry Davida." Dia niverina tany an-dainy ny Israely. BSB BSB: When all Israel saw that the king had refused to listen to them, they answered the king: “What portion do we have in David, and what inheritance in the son of Jesse? To your tents, O Israel! Look now to your own house, O David!” So the Israelites went home,
17 ULB Fa ireo vahoakan'i Israely izay nonina tao an-tanànan'i Joda, dia i Rehoboama no lasa mpanjakan'izy ireo. BSB BSB: but Rehoboam still reigned over the Israelites living in the cities of Judah.
18 ULB Ary i Rehoboama Mpanjaka naniraka an'i Adorama, izay nifehy mpiasa an-terivozona, fa ny Israely rehetra nitora-bato azy ka maty izy. Rehoboama mpanjaka nandositra faingana tany Jerosalema niaraka tamin'ny kalesiny. BSB BSB: Then King Rehoboam sent out Adoram, who was in charge of the forced labor, but all Israel stoned him to death. And King Rehoboam mounted his chariot in haste and escaped to Jerusalem.
19 ULB Noho izany Israely dia nikomy tamin'ny taranak'i Davida mandrak'androany. BSB BSB: So to this day Israel has been in rebellion against the house of David.
20 ULB Rehefa rèn'ny Israely rehetra fa efa niverina i Jeroboama dia nampaniraka nampiantso azy ho ao amin'ny fivorian'izy ireo, ary nanao azy ho mpanjakan'ny Israely rehetra. Tsy nisy olona na iray aza nanaraka ny fianakavian'i Davida, afa-tsy ny fokon'i Joda irery ihany. BSB BSB: When all Israel heard that Jeroboam had returned, they summoned him to the assembly and made him king over all Israel. Only the tribe of Judah followed the house of David.
21 ULB Rehefa tonga tao Jerosalema Rehoboama, dia namory ireo taranak'i Joda sy ireo fokon'i Benjamina rehetra; nisy lehilahy voafidy 180. 000 izay miaramila, mba hiady amin'ny taranak'Israely, mba hamerina ny fanjakan'i Rehoboama zanaka lahin'i Solomona. BSB BSB: And when Rehoboam arrived in Jerusalem, he mobilized the whole house of Judah and the tribe of Benjamin—180,000 chosen warriors—to fight against the house of Israel and restore the kingdom to Rehoboam son of Solomon.
22 ULB Fa ny tenin'Andriamanitra tonga tamin'i Semaia, ilay lehilahin'Andriamanitra; voalaza hoe: BSB BSB: But the word of God came to Shemaiah the man of God:
23 ULB "Ilazao i Rehoboama zanaka lahin'i Solomona, mpanjakan'i Joda, ny taranak'i Joda sy i Benjamina rehetra, ary ireo olona ambiny rehetra; lazao hoe: BSB BSB: “Tell Rehoboam son of Solomon king of Judah, all the house of Judah and Benjamin, and the rest of the people
24 ULB 'Izao no tenin'i Yaveh: Aza manafika na miady amin'ny rahalahinao vahoakan'i Israely ianao. Ny lehilahy tsirairay dia tsy maintsy miverina any amin'ny tranony, satria avy Amiko izao zavatra izao.'" Dia nihaino ny tenin'i Yaveh izy ireo, ary niverina sy nandray ny lalany, ary nankatò ny teniny izy ireo. BSB BSB: that this is what the LORD says: ‘You are not to go up and fight against your brothers, the Israelites. Each of you must return home, for this is My doing.’” So they listened to the word of the LORD and turned back according to the word of the LORD.
25 ULB Ary Jeroboama nanorina an'i Sekema teo amin'ny tany havoan'i Efraima, ary nonina teo. Nivoaka avy tao izy ary nanorina an'i Pehoela. BSB BSB: Then Jeroboam built Shechem in the hill country of Ephraim and lived there. And from there he went out and built Penuel.
26 ULB Jeroboama nanao anakam-po hoe: "Hiverina ho an'ny taranak'i Davida ny fanjakana ankehitriny. BSB BSB: Jeroboam said in his heart, “Now the kingdom might revert to the house of David.
27 ULB Raha miakatra mba hanao sorona ao amin'ny tempolin'i Yaveh ao Jerosalema ireo vahoaka ireo, dia hiverina amin'ny tompon'izy ireo, dia amin'i Rehoboama mpanjakan'i Joda indray ny fon'ireo vahoaka ireo. Hamono ahy izy ireo ka hiverina amin'i Rehoboama mpanjakan'i Joda." BSB BSB: If these people go up to offer sacrifices in the house of the LORD at Jerusalem, their hearts will return to their lord, Rehoboam king of Judah; then they will kill me and return to Rehoboam king of Judah.”
29 ULB Napetrany tao Betela ny iray ary ilay hafa tany Dana. BSB BSB: One calf he set up in Bethel, and the other in Dan.
30 ULB Ary dia lasa fahotana izany fihetsika izany. Ny vahoaka nandeha tamin'ny iray na ilay hafa, tamin'ny lalana rehetra mankany Dana. BSB BSB: And this thing became a sin; the people walked as far as Dan to worship before one of the calves.
31 ULB Jeroboama nanorina ireo trano tamin'ny toerana avo ary nanendry mpisorona avy tamin'ireo vahoaka rehetra, izay tsy avy teo amin'ireo zanaka lahin'i Levy ihany koa izy. BSB BSB: Jeroboam also built shrines on the high places and appointed from every class of people priests who were not Levites.
32 ULB Nanendry andro firavoravoana i Jeroboama tamin'ny volana fahavalo, tamin'ny andro faha dimy ambin'ny folon'ny volana, tahaka ilay firavoravoana izay any Joda, ary niakatra teny amin'ny alitara izy. Tany Betela no nanaovany izany, nanao sorona tamin'ny zanak'omby izay namboariny, ary napetrany tany Betela ireo mpisorona tao amin'ny toerana avo izay nataony. BSB BSB: And Jeroboam ordained a feast on the fifteenth day of the eighth month, like the feast that was in Judah, and he offered sacrifices on the altar; he made this offering in Bethel to sacrifice to the calves he had set up, and he installed priests in Bethel for the high places he had set up.
33 ULB Niakatra tany amin'ny alitara izay namboariny tao Betela i Jeroboama tamin'ny andro faha dimy ambin'ny folo tamin'ny volana fahavalo, tamin'ny volana izay noheverin'ny sainy manokana; nanendry andro firavoravoana ho an'ny vahoakan'i Israely izy, ary niakatra tany amin'ny alitara mba handoro ditin-kazo manitra. BSB BSB: On the fifteenth day of the eighth month, a month of his own choosing, Jeroboam offered sacrifices on the altar he had set up in Bethel. So he ordained a feast for the Israelites, offered sacrifices on the altar, and burned incense.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.