1 ULB Nisy lehilahin'Andriamanitra avy any Joda tonga tao Betela nohon'ny tenin'i Yaveh. Nijoro teo akaikin'ilay alitara i Jeroboama mba handoro ditin-kazo manitra. BSB BSB: Suddenly, as Jeroboam was standing beside the altar to burn incense, there came a man of God from Judah to Bethel by the word of the LORD.
2 ULB Nihikiaka tamin'ny alitara nohon'ny tenin'i Yaveh izy hoe: "Alitara! Alitara! Izao no ambaran'i Yaveh hoe: 'Indro, hisy lehilahy antsoina hoe Josia hateraka amin'ny fianakavian'i Davida, ary eo aminao no hanaovany sorona mpisorona amin'ny toerana avo indrindra izay mandoro ditin-kazo manitra eo aminao izao. Handoro taolan'olombelona eo aminao izy ireo.'" BSB BSB: And he cried out against the altar by the word of the LORD, “O altar, O altar, this is what the LORD says: ‘A son named Josiah will be born to the house of David, and upon you he will sacrifice the priests of the high places who burn incense upon you, and human bones will be burned upon you.’”
3 ULB Avy eo ilay lehilahin'Andriamanitra nanome famantarana ny androtr'iny ihany, nanao hoe: "Izao no famantarana nolazain'i Yaveh: 'Indro, hiparitaka ny alitara, ary hiraraka ny lavenona eo aminy.'" BSB BSB: That day the man of God gave a sign, saying, “The LORD has spoken this sign: ‘Surely the altar will be split apart, and the ashes upon it will be poured out.’”
4 ULB Rehefa ren'ny mpanjaka izay nolazain'ilay lehilahin'Andriamanitra, fa niantso mafy nanohitra ny alitara tao Betela izy, dia naninjitra ny tanany avy eo amin'ny alitara i Jeroboama, nanao hoe: "Sambory izy." Avy eo maty ilay tanana izay nahinjiny tamin'ilay lehilahy, ka tsy afaka nanemotra izany hiverina intsony izy. BSB BSB: Now when King Jeroboam, who was at the altar in Bethel, heard the word that the man of God had cried out against it, he stretched out his hand and said, “Seize him!” But the hand he stretched out toward him withered, so that he could not pull it back.
5 ULB (Niparitaka ihany koa ilay alitara ary niraraka avy teo amin'ilay alitara ny lavenona, araka ny voafaritr'ilay famantarana izay nomen'ilay lehilahin'Andriamanitra nohon'ny tenin'i Yaveh.) BSB BSB: And the altar was split apart, and the ashes poured out, according to the sign that the man of God had given by the word of the LORD.
6 ULB Namaly Jeroboama Mpanjaka ary niteny tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra hoe: "Mangataha sitraka amin'i Yaveh Andriamanitrao, ary mivavaha ho ahy, mba haverina amiko indray ny tanako." Noho izany dia nivavaka tamin'i Yaveh ilay lehilahin'Andriamanitra, ary naverina taminy indray ny tanan'ny mpanjaka, ary lasa toy ny teo aloha izany. BSB BSB: Then the king responded to the man of God, “Intercede with the LORD your God and pray for me that my hand may be restored.” So the man of God interceded with the LORD, and the king’s hand was restored to him as it was before.
7 ULB Hoy ny mpanjaka tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra hoe: "Andao hody miaraka amiko ka haka aina, ary homeko valisoa ianao." BSB BSB: Then the king said to the man of God, “Come home with me and refresh yourself, and I will give you a reward.”
8 ULB Hoy ilay lehilahin'Andriamanitra tamin'ny mpanjaka hoe: "Na dia homenao ahy aza ny antsasaky ny fanananao, dia tsy handeha hiaraka aminao aho, na hihinan-kanina na hisotro rano amin'ity toerana ity, BSB BSB: But the man of God replied, “If you were to give me half your possessions, I still would not go with you, nor would I eat bread or drink water in this place.
9 ULB satria Yaveh nandidy ahy tamin'ny teniny hoe: 'Tsy hihinana mofo na hisotro rano ianao, na hiverina amin'ny lalana izay nihavianao.'" BSB BSB: For this is what I was commanded by the word of the LORD: ‘You must not eat bread or drink water or return by the way you came.’”
10 ULB Noho izany dia nandeha tamin'ny lalana hafa ilay lehilahin' Andriamanitra ary tsy niverina tany an-tranony tamin'ny lalana izay nalehany ho any Betela. BSB BSB: So the man of God went another way and did not return by the way he had come to Bethel.
11 ULB Ary nisy mpaminany antitra iray nipetraka tao Betela, ary tonga ny iray tamin'ireo zanany lahy ka niteny taminy ny zavatra rehetra izay vitan'ilay lehilahin'Andriamanitra tao Betela tamin'io andro io. Nolazain'ny zanany taminy koa ireo teny izay nolazain'ilay lehilahin'Andriamanitra tamin'ny mpanjaka. BSB BSB: Now a certain old prophet was living in Bethel, and his sons came and told him all the deeds that the man of God had done that day in Bethel. They also told their father the words that the man had spoken to the king.
12 ULB Hoy ny rain'izy ireo tamin'izy ireo hoe: "Aiza no lalana nalehany?" Ary hitan'ilay zanany ny lalana nalehan'ilay lehilahin'Andriamanitra avy any Joda. BSB BSB: “Which way did he go?” their father asked. And his sons showed him the way taken by the man of God, who had come from Judah.
13 ULB Noho izany dia hoy izy tamin'ireo zanany lahy hoe: "Asio lasely ho ahy ny boriky." Koa dia nasin'izy ireo lasely ilay boriky ary notaingenany izany. BSB BSB: So the prophet said to his sons, “Saddle the donkey for me.” Then they saddled the donkey for him, and he mounted it
14 ULB Nanaraka an'ilay lehilahin'Andriamanitra ilay mpaminany antitra ka nahita azy nipetraka teo ambanin'ny hazo terebinta; ary hoy izy taminy hoe: "Ianao ve ilay lehilahin'Andriamanitra avy any Joda?" Dia namaly izy hoe: "Izaho indrindra." BSB BSB: and went after the man of God. He found him sitting under an oak tree and asked, “Are you the man of God who came from Judah?” “I am,” he replied.
15 ULB Avy eo niteny taminy ilay mpaminany antitra hoe: "Andao hiaraka amiko any an-trano ary hihinan-kanina." BSB BSB: So the prophet said to the man of God, “Come home with me and eat some bread.”
16 ULB Dia namaly ilay lehilahin'Andriamanitra hoe: "Tsy handeha hiverina hiaraka aminao aho na hiditra hiaraka aminao, na hihinan-kanina na hisotro rano miaraka aminao amin'izany toerana izany, BSB BSB: But the man replied, “I cannot go home with you, and I will not eat bread or drink water with you in this place.
17 ULB satria nandidiana ahy tamin'ny tenin'i Yaveh izany hoe: 'Tsy mahazo mihinana sakafo na misotro rano any ianao, na miverina amin'ny lalana izay nandehananao.'" BSB BSB: For I have been told by the word of the LORD: ‘You must not eat bread or drink water there or return by the way you came.’”
18 ULB Dia hoy ilay mpaminany antitra taminy hoe: "Mpaminany tahaka anao koa aho, ary nisy anjely niresaka tamiko nohon'ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 'Ento miverina any an-tranonao miaraka aminao izy, mba hahafahany mihinan-kanina sy misotro rano.'" Kanefa nandainga tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra izy. BSB BSB: Then the prophet replied, “I too am a prophet like you, and an angel spoke to me by the word of the LORD, saying, ‘Bring him back with you to your house, so that he may eat bread and drink water.’” The old prophet was lying to him,
19 ULB Noho izany dia nandeha niverina niaraka tamin'ilay mpaminany antitra ilay lehilahin'Andriamanitra ary nihinan-kanina tao an-tranony sy nisotro rano. BSB BSB: but the man of God went back with him, ate bread in his house, and drank water.
20 ULB Raha nipetraka teo an-databatra izy ireo, dia tonga tamin'ilay mpaminany izay nitondra azy niverina ny tenin'i Yaveh, BSB BSB: While they were sitting at the table, the word of the LORD came to the prophet who had brought him back,
21 ULB ary nihikiaka tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra izay avy any Joda izy, nanao hoe: "Hoy Yaveh hoe: 'Satria tsy nankatoa ny tenin'i Yaveh ianao ary tsy nitandrina ny didy izay nomen'i Yaveh anao, BSB BSB: and the prophet cried out to the man of God who had come from Judah, “This is what the LORD says: ‘Because you have defied the word of the LORD and have not kept the commandment that the LORD your God gave you,
22 ULB fa niverina sy nihinan-kanina sy nisotro rano tao amin'ilay toerana izay nolazain'i Yaveh anao mba tsy hihinanana hanina na hisotroana rano, dia tsy halevina any amin'ny fasan'ireo razambenao ny vatanao.'" BSB BSB: but you went back and ate bread and drank water in the place where He told you not to do so, your body shall never reach the tomb of your fathers.’”
23 ULB Rehefa avy nihinan-kanina sy rehefa avy nisotro izy, dia nasian'ilay mpaminany lasely ny borikin'ilay lehilahin'Andriamanitra, ilay lehilahy izay niverina niaraka taminy. BSB BSB: And after the man of God had finished eating and drinking, the old prophet who had brought him back saddled the donkey for him.
24 ULB Rehefa lasa ilay lehilahin' Andriamanitra, dia nisy liona nifanena taminy teny an-dalana ary namono azy, ka navela teo an-dalana ny fatiny. Avy eo ilay boriky nijoro teo akaikin'izany, ary ny liona ihany koa dia nijoro teo anilan'ilay faty. BSB BSB: As he went on his way, a lion met him on the road and killed him, and his body was left lying in the road, with the donkey and the lion standing beside it.
25 ULB Rehefa nandalo teo ny olona ka nahita ilay faty tavela teo an-dalana, ary ny liona nijoro teo akaikin'ilay faty, dia nandeha izy ireo ary niteny izany tany amin'ny tanàna izay nipetrahan'ilay mpaminany antitra. BSB BSB: And there were men passing by who saw the body lying in the road with the lion standing beside it, and they went and reported this in the city where the old prophet lived.
26 ULB Rehefa ren'ilay mpaminany izay nitondra azy niverina tamin'ny lalana izany, dia hoy izy hoe: "Ilay lehilahin'Andriamanitra izay tsy nankatoa ny tenin'i Yaveh izany. Noho izany dia nomen'i Yaveh ny liona izy, izay namiravira azy sy namono azy, araka ny nampitandreman'ny tenin'i Yaveh azy." BSB BSB: When the prophet who had brought him back from his journey heard this, he said, “It is the man of God who disobeyed the command of the LORD. Therefore the LORD has delivered him to the lion, and it has mauled him and killed him, according to the word that the LORD had spoken to him.”
27 ULB Koa niresaka tamin'ireo zanany lahy ilay mpaminany, nanao hoe: "Asio lasely ny borikiko,' dia nasian'izy ireo lasely izany. BSB BSB: Then the old prophet instructed his sons, “Saddle the donkey for me.” So they saddled it,
28 ULB Nandeha izy ary nahita ilay faty tavela teny an-dalana, ary ilay boriky sy ilay liona nijoro teo akaikin'ilay faty. Tsy nohanin'ilay liona ilay faty, na novonoiny ilay ampondra. BSB BSB: and he went and found the body lying in the road, with the donkey and the lion standing beside it. The lion had not eaten the body or mauled the donkey.
29 ULB Nalain'ilay mpaminany ny fatin'ilay lehilahin' Andriamanitra, nampandriany teo amin'ilay boriky izany, ary nentiny niverina. Tonga tany amin'ny tanànany manokana izy mba hisaona sy handevina azy. BSB BSB: So the old prophet lifted up the body of the man of God, laid it on the donkey, and brought it back to his own city to mourn for him and bury him.
30 ULB Nampandriany tao amin'ny fasany manokana ilay faty, ary nisaona azy izy ireo, nanao hoe: "Indrisy, ry rahalahiko!" BSB BSB: Then he laid the body in his own tomb, and they lamented over him, “Oh, my brother!”
31 ULB Rehefa avy nandevina azy izy ireo, dia niresaka tamin'ireo zanany lahy ilay mpaminany antitra, nanao hoe: "Rehefa maty aho, dia aleveno ao amin'ny fasana izay nandevenana an'ilay lehilahin'Andriamanitra. Ampandrio eo akaikin'ny taolany ny taolako. BSB BSB: After he had buried him, the prophet said to his sons, “When I die, you must bury me in the tomb where the man of God is buried. Lay my bones beside his bones,
32 ULB Satria ny hafatra izay nambarany nohon'ny tenin'i Yaveh, tamin'ny alitara tao Betela sy tamin'ireo trano rehetra any amin'ny toerana avo any amin'ireo tanànan'i Samaria, dia hitranga tokoa." BSB BSB: for the message that he cried out by the word of the LORD against the altar in Bethel and against all the shrines on the high places in the cities of Samaria will surely come to pass.”
33 ULB Taorian'io dia tsy niala tamin'ny fomba ratsiny i Jeroboama, fa mbola nanohy nanondro mpisorona avy amin'ny karazan'olona ho amin'ny toerana ambony ihany. Izay te-hanompo dia natokany ho mpisorona. BSB BSB: Even after these events, Jeroboam did not repent of his evil ways, but again he appointed priests for the high places from every class of people. He ordained anyone who desired to be a priest of the high places.
34 ULB Lasa fahotana tamin'ny fianakavian'i Jeroboama sy nahatonga ny fianakaviany ho potika sy ringana teto ambonin'ny tany izany. BSB BSB: And this was the sin of the house of Jeroboam that led to its extermination and destruction from the face of the earth.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.