1 ULB Tamin'izany fotoana izany dia narary mafy Abia zanaka lahin'i Jeroboama. BSB BSB: At that time Abijah son of Jeroboam became ill,
2 ULB Hoy i Jeroboama tamin'ny vadiny hoe: "Mitsangàna re ary manovà endrika, mba tsy ho fantatry ny olona fa vadiko ianao, ary mandehana any Silo, fa any no misy an'i Ahia mpaminany; izy ilay niresaka ny momba ahy, nilaza fa ho lasa mpanjakan'ireo olona ireo aho. BSB BSB: and Jeroboam said to his wife, “Now get up, disguise yourself so they will not recognize you as my wife, and go to Shiloh. For Ahijah the prophet is there; it was he who spoke about my kingship over this people.
3 ULB Mitondrà mofo folo, mofomamy vitsivitsy, sy tantely iray tavoara, ary mandehana any amin'i Ahia. Hilaza aminao izay hitranga amin'io zaza io izy." BSB BSB: Take with you ten loaves of bread, some cakes, and a jar of honey, and go to him. He will tell you what will become of the boy.”
4 ULB Nataon'ny vadin'i Jeroboama izany; dia lasa izy ary nandeha nankany Silo, ary tonga tao an-tranon'i Ahia. Ary tsy nahita i Ahia; tsy nahita intsony izy nohon'ny fahanterany. BSB BSB: Jeroboam’s wife did as instructed; she arose and went to Shiloh and arrived at Ahijah’s house. Now Ahijah could not see, for his eyes were dim because of his age.
5 ULB Hoy i Yaveh tamin'i Ahia hoe: "Indro, ho avy eto aminao ny vadin'i Jeroboama mba hitady toro-hevitra mahakasika ny zanany lahy, satria marary izy. Izao sy izao lazaina azy, satria rehefa tonga izy, dia mody hanao toy ny vehivavy hafa izy." BSB BSB: But the LORD had said to Ahijah, “Behold, the wife of Jeroboam is coming to ask you about her son, for he is ill. You are to say such and such to her, because when she arrives, she will be disguised.”
6 ULB Rehefa ren'i Ahia ny feon'ny tongony raha izy niditra ny varavarana iny, dia hoy izy hoe: "Mandrosoa, ry vadin'i Jeroboama. Nahoana ianao no mody manao olon-kafa? Nirahina hilaza vaovao ratsy ho anao aho. BSB BSB: So when Ahijah heard the sound of her feet entering the door, he said, “Come in, wife of Jeroboam! Why are you disguised? For I have been sent to you with bad news.
7 ULB Mandehana, lazao Jeroboama fa i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, dia niteny hoe: 'Nasandratro tamin'ireo olona ianao mba hahatonga anao ho mpitarika ny vahoakan'Israely. BSB BSB: Go, tell Jeroboam that this is what the LORD, the God of Israel, says: ‘I raised you up from among the people and appointed you ruler over My people Israel.
8 ULB Nesoriko teo amin'ny fianakavian'i Davida ny fanjakana ary nomeko anao izany, nefa ianao dia tsy toa an'i Davida mpanompoko Davida, izay nitandrina ny didiko ary nanaraka Ahy tamin'ny fony manontolo, mba tsy hanao afa-tsy ny marina eo imasoko. BSB BSB: I tore the kingdom away from the house of David and gave it to you. But you have not been like My servant David, who kept My commandments and followed Me with all his heart, doing only what was right in My eyes.
9 ULB Fa ianao kosa dia nanao ratsy, mihoatra noho ireo rehetra nanoloana anao. Ianao dia nanao andriamanitra hafa, nanao sarin-javatra an-idina mba hampatezitra Ahy, ary nanilika Ahy ho ao an-damosinao. BSB BSB: You have done more evil than all who came before you. You have proceeded to make for yourself other gods and molten images to provoke Me, and you have flung Me behind your back.
10 ULB Noho izany, indro, hitondra loza amin'ny fianakavianao Aho; handringana ny zazalahy rehetra ao Israely Aho, na ny andevo na ny afaka, ary hanafoana tanteraka ny fianakavianao, tahaka ny olona mandoro zezika mandra-pahalevon'izany. BSB BSB: Because of all this, behold, I am bringing disaster on the house of Jeroboam: I will cut off from Jeroboam every male, both slave and free, in Israel; I will burn up the house of Jeroboam as one burns up dung until it is gone!
11 ULB Na iza na iza an'ny fianakavianao izay maty ao amin'ny tanàna dia ho hanin'ireo amboa, ary na iza na iza maty any an-tsaha dia ho hanin'ireo voron'ny lanitra satria Izaho, Yaveh no efa nilaza izany.' BSB BSB: Anyone belonging to Jeroboam who dies in the city will be eaten by dogs, and anyone who dies in the field will be eaten by the birds of the air.’ For the LORD has spoken.
12 ULB Koa mitsangàna, ry vadin'i Jeroboama ary miverena any an-tranonao; rehefa miditra ao amin'ny tanàna ny tongotrao, dia ho faty i Abia. BSB BSB: As for you, get up and go home. When your feet enter the city, the child will die.
13 ULB Hisaona sy handevona azy ny Israely rehetra. Izy ihany no tokana avy amin'ny fianakavian'i Jeroboama halevina ao anaty fasana, satria tao aminy irery ihany, avy ao amin'ny an-tranon'i Jeroboama, no nahitana zavatra tsara teo imason'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely. BSB BSB: All Israel will mourn for him and bury him. For this is the only one belonging to Jeroboam who will receive a proper burial, because only in him has the LORD, the God of Israel, found any good in the house of Jeroboam.
14 ULB Yaveh ihany koa dia hanandratra mpanjakan'Israely iray izay handringana ny fianakavian'i Jeroboama amin'io andro io. Androany izany andro izany, izao dieny izao. BSB BSB: Moreover, the LORD will raise up for Himself a king over Israel who will cut off the house of Jeroboam. This is the day—yes, even today!
15 ULB Fa Yaveh dia hanafika an'Israely toy ny volotara hozongozonin'ny rano, ary Izy dia hanongotra an'Israely hiala eo amin'io tany tsara izay nomeny ny razam-ben'izy ireo io. Hanaparitaka azy ireo any an-dafin'ny onin'i Efrata Izy, satria nanao baon'Aseraha izy ireo ary nampatezitra an'i Yaveh. BSB BSB: For the LORD will strike Israel as a reed is shaken in the water. He will uproot Israel from this good land that He gave their fathers, and He will scatter them beyond the Euphrates, because they have made their Asherah poles, provoking the LORD to anger.
16 ULB Izy dia handao an'Israely noho ireo fahotan'i Jeroboama, ireo fahotana izay nataony, sy nitarihany an'Israely mba hanota." BSB BSB: So He will give Israel over on account of the sins Jeroboam has committed and has caused Israel to commit.”
17 ULB Dia nitsangana ny vadin'i Jeroboama ka nandeha, ary tonga tao Tirza. Raha tonga teo an-tokonam-baravaran'ny tranony izy, dia maty ilay zaza. BSB BSB: Then Jeroboam’s wife got up and departed for Tirzah, and as soon as she stepped over the threshold of the house, the boy died.
18 ULB Nandevina sy nisaona azy ny Israely rehetra, araka ny efa nolazaina tamin'izy ireo araka ny tenin'i Yaveh izay nambarany tamin'ny alalan'ny Ahia mpaminany mpanompony. BSB BSB: And they buried him, and all Israel mourned for him, according to the word that the LORD had spoken through His servant Ahijah the prophet.
19 ULB Ary ireo zavatra hafa mahakasika an'i Jeroboama, ny nanakaramany ady sy nanjakany, dia indro, nosoratana tao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'Israely ireo. BSB BSB: As for the rest of the acts of Jeroboam, how he waged war and how he reigned, they are indeed written in the Book of the Chronicles of the Kings of Israel.
20 ULB Nanjaka roa amby roapolo taona Jeroboama ary nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny, ary Nadaba zanany lahy no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany. BSB BSB: And the length of Jeroboam’s reign was twenty-two years, and he rested with his fathers, and his son Nadab reigned in his place.
21 ULB Ary Rehoboama zanak'i Solomona no nanjaka tao Joda. Iraika amby efapolo taona Rehoboama no lasa mpanjaka, ary nanjaka fito ambin'ny folo taona tao Jerosalema izy, ilay tanàna izay nofidian'i Yaveh tamin'ny fokon'Israely rehetra hametrahana ny anarany. Ny anaran'ny reniny dia Nama ilay Amonita. BSB BSB: Meanwhile, Rehoboam son of Solomon reigned in Judah. He was forty-one years old when he became king, and he reigned seventeen years in Jerusalem, the city the LORD had chosen from all the tribes of Israel in which to put His Name. His mother’s name was Naamah the Ammonite.
22 ULB Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh i Joda; nampiteraka fahasarotam-piaro ho Azy ny ota nataon'izy ireo, mihoatra noho ny zavatra rehetra izay efa nataon'ny razamben'izy ireo. BSB BSB: And Judah did evil in the sight of the LORD, and by the sins they committed they provoked Him to jealous anger more than all their fathers had done.
23 ULB Fa izy ireo ihany koa dia nanamboatra toerana avo ho an'ny tenan'izy ireo, tsangam-bato, ary baon'Aseraha manerana ny tendrombohitra sy teny ambany hazo maitso. BSB BSB: They also built for themselves high places, sacred pillars, and Asherah poles on every high hill and under every green tree.
24 ULB Nisy koa ireo lehilahy nivaro-tena tao amin'ilay tany. Nanao ireo fahavetavetana fanaon'ireo firenena izay noroasin'i Yaveh teo anatrehan'ny vahoakan'Israely izy ireo. BSB BSB: There were even male shrine prostitutes in the land. They imitated all the abominations of the nations the LORD had driven out before the Israelites.
26 ULB Nalainy avokoa ireo harena tao an-tranon'i Yaveh, sy ireo harena tao an-tranon'ny mpanjaka. Nalainy avokoa ny zavatra rehetra; nalainy ihany koa ireo ampinga volamena rehetra izay namboarin'i Solomona. BSB BSB: He seized the treasures of the house of the LORD and of the royal palace. He took everything, including all the gold shields that Solomon had made.
27 ULB Nanao ampinga varahina teo amin'ny toeran'izy ireo ihany koa i Rehoboama Mpanjaka ary nanankina ireo teo an-tanan'ireo mpifehy ny mpiambina, izay niambina ny varavaran'ny tranon'ny mpanjaka. BSB BSB: Then King Rehoboam made bronze shields in their place and committed them to the care of the captains of the guard on duty at the entrance to the royal palace.
28 ULB Isaky ny niditra tao an-tranon'i Yaveh ny mpanjaka, dia nolanjain'ireo mpiambina ireo; ary nentin'izy ireo niverina tao amin'ny tranon'ny mpiambina. BSB BSB: And whenever the king entered the house of the LORD, the guards would bear the shields, and later they would return them to the guardroom.
29 ULB Ary ireo zavatra hafa mahakasika an'i Rehoboama, sy izay nataony rehetra, moa ve tsy efa voasoratra ao anatin'ny Bokin'ny tanataran'ny mpanjakan'i Joda ireo? BSB BSB: As for the rest of the acts of Rehoboam, along with all that he did, are they not written in the Book of the Chronicles of the Kings of Judah?
30 ULB Nisy ady mandrakariva teo amin'i Rehoboama sy Jeroboama. BSB BSB: There was war between Rehoboam and Jeroboam throughout their days.
31 ULB Koa nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Rehoboama ary niaraka nalevina tamin'izy ireo tao amin'ny tanànan'i Davida. Ny anaran'ny reniny dia i Nama ilay Amonita. Abia zanany lahy no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany. BSB BSB: And Rehoboam rested with his fathers and was buried with them in the City of David; his mother’s name was Naamah the Ammonite. And his son Abijam reigned in his place.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.