1 ULB Tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata, dia nanomboka nanjaka teo amin'i Joda i Abia. BSB BSB: In the eighteenth year of the reign of Jeroboam son of Nebat, Abijam became king of Judah,
2 ULB Nanapaka telo taona tao Jerosalema izy. Imaka no anaran'ny reniny. Zanaka vavin'i Absaloma izy. BSB BSB: and he reigned in Jerusalem three years. His mother’s name was Maacah daughter of Abishalom.
3 ULB Nandeha tamin'ny fahotana rehetra izay nataon-drainy talohan'ny fotoany izy; ny fony dia tsy mba voatokana ho an'i Yaveh Andriamaniny tahaka ny fon'i Davida, razambeny. BSB BSB: And Abijam walked in all the sins that his father before him had committed, and his heart was not as fully devoted to the LORD his God as the heart of David his forefather had been.
4 ULB Na izany aza, noho ny amin'i Davida, Yaveh Andriamaniny dia nanome fanilo azy tany Jerosalema tamin'ny alalan'ny fananganany ny zanany handimby azy mba hampantanjaka an'i Jerosalema. BSB BSB: Nevertheless, for the sake of David, the LORD his God gave him a lamp in Jerusalem by raising up a son to succeed him and to make Jerusalem strong.
5 ULB Nataon'Andriamanitra izany satria Davida dia nanao ny marina teo imasony; nandritra ny andro rehetra niainany, tsy mba nivily tamin'izay rehetra nandidiany azy izy, afa-tsy tamin'ny raharahan'Oria ilay Hetita ihany. BSB BSB: For David had done what was right in the eyes of the LORD and had not turned aside from anything the LORD commanded all the days of his life, except in the matter of Uriah the Hittite.
6 ULB Ary nisy ady teo amin'i Rehoboama sy Jeroboama nandritra ny androm-piainan'i Abia rehetra. BSB BSB: And there was war between the houses of Rehoboam and Jeroboam all the days of Abijam’s life.
7 ULB Ny amin'ny ireo raharaha hafa mahakasika an'i Abia, dia izay nataony rehetra, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny Bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'i Joda ve ireo? Nisy ady teo amin'i Abia sy Jeroboama. BSB BSB: As for the rest of the acts of Abijam, along with all his accomplishments, are they not written in the Book of the Chronicles of the Kings of Judah? And there was war between Abijam and Jeroboam.
8 ULB Nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Abia, ary dia nalevin'izy ireo tany amin'ny tanànan'i Davida izy. Asa zanany no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany. BSB BSB: And Abijam rested with his fathers and was buried in the City of David, and his son Asa reigned in his place.
9 ULB Tamin'ny taona faha roapolo nanjakan'i Jeroboama mpanjakan'ny Israely, dia nanomboka nanjaka teo amin'i Joda i Asa. BSB BSB: In the twentieth year of Jeroboam’s reign over Israel, Asa became king of Judah,
10 ULB Nanapaka nandritra ny raika amby efapolo taona tao Jerosalema izy. Imaka no anaran'ny renibeny, ilay zanaka vavin'i Absaloma. BSB BSB: and he reigned in Jerusalem forty-one years. His grandmother’s name was Maacah daughter of Abishalom.
11 ULB Nanao ny marina teo imason'i Yaveh i Asa, toa an'izay nataon'i Davida razambeny. BSB BSB: And Asa did what was right in the eyes of the LORD, as his father David had done.
12 ULB Noroahiny tsy ho amin'ny tany ireo lehilahy mpijangajanga amin'ny fanompoan-tsampy ary nesoriny avokoa ireo sampy izay namboarin'ireo razambeny. BSB BSB: He banished the male shrine prostitutes from the land and removed all the idols that his fathers had made.
13 ULB Nesoriny tamin'ny maha-mpanjaka vavy azy koa i Maka, renibeny, satria izy nanamboatra sampy maharikoriko avy tamin'ny baon'i Ashera. Nokapain'i Asa ilay sampy maharikoriko ka nodorany tany an-Dohasahan-driaka Kidrona. BSB BSB: He also removed his grandmother Maacah from her position as queen mother because she had made a detestable Asherah pole. Asa chopped down the pole and burned it in the Kidron Valley.
14 ULB Fa ireo fitoerana avo tsy mba nesorina. Na izany aza, ny fon'i Asa dia voatokana ho an'i Yaveh tanteraka nandritra ny androny rehetra. BSB BSB: The high places were not removed, but Asa’s heart was fully devoted to the LORD all his days.
15 ULB Nentiny ho any an-tranon'i Yaveh ny zavatra izay voatokan'ny rainy, sy ireo zavany izay voatokana vita tamin'ny volafotsy sy volamena, ary ireo fanaka. BSB BSB: And he brought into the house of the LORD the silver and gold and the articles that he and his father had dedicated.
16 ULB Nisy ady teo amin'i Asa sy Basa mpanjakan'ny Israely, tamin'ny andron'izy ireo rehetra. BSB BSB: Now there was war between Asa and Baasha king of Israel throughout their days.
17 ULB Nanao herisetra tamin'i Joda i Basa mpanjakan'ny Israely ka nanangana an'i Rama, mba tsy hamelany ny olona hiala na hiditra ao amin'ny tanin'i Asa mpanjakan'i Joda. BSB BSB: Baasha king of Israel went to war against Judah and fortified Ramah to prevent anyone from leaving or entering the territory of Asa king of Judah.
18 ULB Ary dia nalain'i Asa ny volafotsy sy volamena rehetra sisa tao amin'ireo efitra fitehirizana tao amin'ny tranon'i Yaveh, sy ireo efitra fitehirizan'ny lapan'ny mpanjaka. Nataony teo an-tanan'ireo mpanompony ary nampanateriny ho an'i Beni-hadada zanaka lahin'i Tabrimoma zanaka lahin'i Heziona, mpanjakan'i Syria, izay nipetraka tany Damaskosy izany. Hoy izy: BSB BSB: So Asa withdrew all the silver and gold that remained in the treasuries of the house of the LORD and the royal palace. He entrusted it to his servants and sent them with this message to Ben-hadad son of Tabrimmon, the son of Hezion, the king of Aram, who was ruling in Damascus:
19 ULB "Aoka hisy fifanekena amiko sy aminao, tahaka izay nisy teo amin'ny raiko sy ny rainao. Indro, efa nampanatitra volafotsy sy volamena ho fanomezana ho anao aho. Ravao ny fanekenao sy Basa mpanjakan'Israely, mba hialany amiko." BSB BSB: “Let there be a treaty between me and you as there was between my father and your father. See, I have sent you a gift of silver and gold. Now go and break your treaty with Baasha king of Israel, so that he will withdraw from me.”
20 ULB Nihaino an'i Asa mpanjaka i Beni-hadada ka nandefa ireo mpifehy ny tafiny, ary dia nanafika ny tanànan'Israely izy ireo. Nanafika an'i Iona, Dana, Abelabeti-maka, ary ny Kinerota rehetra, niaraka tamin'ny tanin'i Naftaly rehetra izy ireo. BSB BSB: And Ben-hadad listened to King Asa and sent the commanders of his armies against the cities of Israel, conquering Ijon, Dan, Abel-beth-maacah, and the whole land of Naphtali, including the region of Chinnereth.
21 ULB Ary rehefa ren'i Basa izany dia natsahany ny fananganany an'i Rama ary niverina tany Tirza izy. BSB BSB: When Baasha learned of this, he stopped fortifying Ramah and withdrew to Tirzah.
22 ULB Ary dia nanao fanambarana teo amin'i Joda rehetra i Asa Mpanjaka. Tsy nisy na iray afa-niala. Nalain'izy ireo avokoa ireo vato sy ny hazon'ny Rama izay nanorenan'i Basa ny tanàna. Ary dia nampiasain'i Asa Mpanjaka izany fitaovana fanamboarana izany mba hananganana an'i Geban'i Benjamina sy Mizpa. BSB BSB: Then King Asa summoned all the men of Judah, with no exceptions, and they carried away the stones of Ramah and the timbers Baasha had used for building. And with these materials King Asa built up Geba of Benjamin, as well as Mizpah.
23 ULB Ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Asa, ny heriny rehetra, izay nataony rehetra, ireo tanàna naoriny rehetra, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'i Joda ve ireo? Kanefa nandritra ny androm-pahanterany dia narary tamin'ny tongony izy. BSB BSB: Now the rest of the acts of Asa, along with all his might, all his accomplishments, and the cities he built, are they not written in the Book of the Chronicles of the Kings of Judah? In his old age, however, he became diseased in his feet.
24 ULB Ary nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Asa ka dia nalevina niaraka tamin'izy ireo tao amin'ny tanànan'i Davida rainy. I Josafata zanany lahy no lasa mpanjaka nandimby azy. BSB BSB: And Asa rested with his fathers and was buried with them in the city of his father David, and his son Jehoshaphat reigned in his place.
25 ULB Nadaba zanaka lahin'i Jeroboama nanomboka nanjaka tamin'ny Israely tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda; nanjaka tamin'ny Israely nandritra ny roa taona izy. BSB BSB: In the second year of Asa’s reign over Judah, Nadab son of Jeroboam became king of Israel, and he reigned two years.
26 ULB Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy ary nandeha tamin'ny lalan-drainy, sy tamin'ny fahotany, izay nitarihany ny Israely hanota. BSB BSB: And he did evil in the sight of the LORD and walked in the way of his father and in his sin, which he had caused Israel to commit.
27 ULB Basa zanaka lahin'i Ahia, avy amin'ny fianakavian'Isakara, nikomy nanohitra an'i Nadaba; novonoin'i Basa tao Gibetona, izay an'ireo Filistina izy, satria Nadaba sy ny Israely rehetra nanao fahirano tany Gibetona. BSB BSB: Then Baasha son of Ahijah of the house of Issachar conspired against Nadab, and Baasha struck him down at Gibbethon of the Philistines while Nadab and all Israel were besieging the city.
28 ULB Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda, dia namono an'i Nadaba i Basa ka tonga mpanjaka teo amin'ny toerany. BSB BSB: In the third year of Asa’s reign over Judah, Baasha killed Nadab and reigned in his place.
29 ULB Raha vao lasa mpanjaka izy, dia novonoin'i Basa ny fianakavian'i Jeroboama rehetra. Tsy nisy navelany ny ain'ny taranak'i Jeroboama; izany fomba izany no nandringanany ny fianakavin'ny mpanjaka, araka izay nambaran'i Yaveh tamin'i Ahia Silonita mpanompony, BSB BSB: As soon as Baasha became king, he struck down the entire household of Jeroboam. He did not leave to Jeroboam anyone who breathed, but destroyed them all according to the word that the LORD had spoken through His servant Ahijah the Shilonite,
30 ULB noho ireo fahotan'i Jeroboama izay nataony sy ny nitarihany ny Israely hanota, satria nihantsy ny fahatezeran'i Yaveh, ilay Andriamanitrin'ny Israely izy. BSB BSB: because of the sins Jeroboam had committed and had caused Israel to commit, and because he had provoked the LORD, the God of Israel, to anger.
31 ULB Ny amin'ny raharaha hafa mahakasika an'i Nadaba, sy izay nataony rehetra, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Israely ve ireo? BSB BSB: As for the rest of the acts of Nadab, along with all his accomplishments, are they not written in the Book of the Chronicles of the Kings of Israel?
32 ULB Nisy ady teo amin'i Asa sy Basa mpanjakan'ny Israely tamin'ny andron'izy ireo rehetra. BSB BSB: And there was war between Asa and Baasha king of Israel throughout their days.
33 ULB Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda, dia nanomboka nanjaka teo amin'Israely rehetra tany Tirza i Basa zanaka lahin'i Ahia ary nanjaka nandritra ny efatra amby roapolo taona izy. BSB BSB: In the third year of Asa’s reign over Judah, Baasha son of Ahijah became king of all Israel, and he reigned in Tirzah twenty-four years.
34 ULB Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy ary nanaraka ny fomban'i Jeroboama sy ny fahotany izay nitarihany ny Israely hanota. BSB BSB: And Baasha did evil in the sight of the LORD and walked in the way of Jeroboam and in his sin, which he had caused Israel to commit.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.