1 ULB Tonga tamin'i Jeho zanak'i Hanany ny tenin'i Yaveh hanohitra an'i Basa, nanao hoe: BSB BSB: Then the word of the LORD came to Jehu son of Hanani against Baasha, saying:
2 ULB "Na dia efa nanaisotra anao hiala amin'ny vovoka aza aho sy nanao anao ho mpitarika eo amin'Israely vahoakako, dia efa nanaraka ny fomban'i Jeroboama ianao ary nampanota an'ny Israely vahoakako, mba hampatezitra ahy amin'ny fahotan'izy ireo. BSB BSB: “Even though I lifted you out of the dust and made you ruler over My people Israel, you have walked in the way of Jeroboam and have caused My people Israel to sin and to provoke Me to anger by their sins.
3 ULB Indro, haringako tanteraka i Basa sy ny ankohonany ary hanao ny ankohonanao ho toy ny ankohonan'i Jeroboama zanak'i Nebata aho. BSB BSB: So now I will consume Baasha and his house, and I will make your house like that of Jeroboam son of Nebat:
4 ULB Hohanin'ireo amboa ny olon'i Basa izay maty ao an-tanàna, ary ireo voron'ny lanitra dia hihinana ny olona izay maty eny an-tsaha." BSB BSB: Anyone belonging to Baasha who dies in the city will be eaten by dogs, and anyone who dies in the field will be eaten by the birds of the air.”
5 ULB Ny amin'ireo zavatra hafa mahakasika an'i Basa, izay nataony, sy ny heriny, moa ve ireny tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely ireo? BSB BSB: As for the rest of the acts of Baasha, along with his accomplishments and might, are they not written in the Book of the Chronicles of the Kings of Israel?
6 ULB Nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Basa ary nalevina tany Tirza, ary Elaha zanany no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany. BSB BSB: And Baasha rested with his fathers and was buried in Tirzah, and his son Elah reigned in his place.
7 ULB Dia tonga nanohitra an'i Basa sy ny fianakaviany ny tenin'i Yaveh tamin'ny alalan'ny Jeho mpaminany zanak'i Hanany, nohon'ny ratsy rehetra izay nataony teo imason'i Yaveh, mba hampatezitra azy amin'ny asan'ny tanany, toy ny fianakavian'i Jeroboama, ary satria efa namono ny fianakavian'i Jeroboama rehetra ihany koa izy. BSB BSB: Moreover, the word of the LORD came through the prophet Jehu son of Hanani against Baasha and his house, because of all the evil he had done in the sight of the LORD, provoking Him to anger with the work of his hands and becoming like the house of Jeroboam, and also because Baasha had struck down the house of Jeroboam.
8 ULB Tamin'ny fahenina amby roapolo taona nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda, dia nanomboka nanjaka teo amin'ny Israely tany Tirza i Ela zanak'i Basa; nanjaka nandritra ny roa taona izy. BSB BSB: In the twenty-sixth year of Asa’s reign over Judah, Elah son of Baasha became king of Israel, and he reigned in Tirzah two years.
9 ULB Zimry mpanompony, kapitenin'ny antsasaky ny kalesiny, dia nitetika hanohitra azy. Ary tany Tizra i Ela, nampimamo ny tenany ao an-tranon'i Arza, izay teo amin'ny ankohonan'i Tirza. BSB BSB: However, while Elah was in Tirzah getting drunk in the house of Arza the steward of his household there, Elah’s servant Zimri, the commander of half his chariots, conspired against him.
10 ULB Dia niditra i Zimry, nanafika sy namono azy, tamin'ny faha fito amby roapolo taona nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda, ka lasa mpanjaka nisolo ny toerany. BSB BSB: So in the twenty-seventh year of Asa’s reign over Judah, Zimri went in, struck Elah down, and killed him. And Zimri reigned in his place.
11 ULB Rehefa nanomboka nanjaka sy napetraka teo amin'ny seza fiandrianany i Zimry, dia namono ny fianakavian'i Basa rehetra izy. Tsy namela lehilahy iray tamin'ny havana sy naman'i Basa ho velona izy. BSB BSB: As soon as Zimri began to reign and was seated on the throne, he struck down the entire household of Baasha. He did not leave a single male, whether a kinsman or friend.
12 ULB Koa noringanin'i Zimry ny fianakavian'i Basa rehetra, araka ny tenin'i Yaveh izay nolazainy hanohitra an'i Basa tamin'ny alalan'ny Jeho mpaminany, BSB BSB: So Zimri destroyed the entire household of Baasha, according to the word that the LORD had spoken against Baasha through Jehu the prophet.
13 ULB nohon'ny fahotan'i Basa rehetra sy ny fahotan'i Ela zanany izay nataon'izy ireo, sy ny nitarihan'izy ireo ny Israely hanota, mba ho nahafahan'izy ireo nihantsy an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, mba ho tezitra amin'ny sampin'izy ireo. BSB BSB: This happened because of all the sins Baasha and his son Elah had committed and had caused Israel to commit, provoking the LORD, the God of Israel, to anger with their worthless idols.
14 ULB Ny amin' ireo zavatra mahakasika an'i Ela, izay rehetra nataony, moa ve ireny tsy efa voasoratra tao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Israely? BSB BSB: As for the rest of the acts of Elah, along with all his accomplishments, are they not written in the Book of the Chronicles of the Kings of Israel?
15 ULB Tamin'ny fahafito amby roapolo taona nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda, dia nanjaka tany Tirza nandritra ny fito andro monja i Zimry. Ary nitoby tao Gibetona, izay an'ireo Filistina ny tafika. BSB BSB: In the twenty-seventh year of Asa’s reign over Judah, Zimri reigned in Tirzah for seven days. Now the troops were encamped against Gibbethon of the Philistines,
16 ULB Ireo tafika nitoby tany dia nandre ilay teny hoe: "Nikonokonona i Zimry ary efa namono ny mpanjaka." Koa tamin'izany andro izany tany an-toby, ny Israely rehetra dia nanambara an'i Omry, ho mpifehy ny tafika, ho mpanjaka eo amin'i Israely. BSB BSB: and the people in the camp heard that Zimri had conspired against the king and struck him down. So there in the camp that very day, all Israel proclaimed Omri, the commander of the army, king over Israel.
17 ULB Nandeha niakatra avy tany Gibetona i Omry sy ireo Israely rehetra niaraka taminy, ary nanao fahirano an'i Tirza izy ireo. BSB BSB: Then Omri and all the Israelites marched up from Gibbethon and besieged Tirzah.
18 ULB Rehefa hitan'i Zimry fa efa azo ny tanàna, dia niditra tao amin'ny fiarovana mafy izay nikambana tamin'ny lapan'ny mpanjaka izy ary nandoro ny trano teo aminy; tamin'izany fomba izany no nahafatesany tao anaty afo. BSB BSB: When Zimri saw that the city was captured, he entered the citadel of the royal palace and burned it down upon himself. So he died
19 ULB Izany dia nohon'ny fahotana vitany tamin'ny fanaovana izay ratsy teo imason'i Yaveh, tamin'ny fanarahana ny fomban'i Jeroboama sy tamin'ny fahotana izay efa nataony, mba hitarika ny Israely hanota. BSB BSB: because of the sins he had committed, doing evil in the sight of the LORD and following the example of Jeroboam and the sin he had committed and had caused Israel to commit.
20 ULB Raha ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Zimry, sy ireo fivadihana izay nataony, moa ve ireo tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely? BSB BSB: As for the rest of the acts of Zimri and the treason he committed, are they not written in the Book of the Chronicles of the Kings of Israel?
21 ULB Avy eo dia nozaraina ho antoko roa ireo vahoakan'Israely. Nanaraka an'i Tibny zanak'i Ginata ny antsasaky ny vahoaka, mba hanao azy ho mpanjaka, ary ny antsasany nanaraka an'i Omry. BSB BSB: At that time the people of Israel were divided: Half of the people supported Tibni son of Ginath as king, and half supported Omri.
22 ULB Fa nahery noho ireo olona nanara-dia an'i Tibny zanak'i Ginata ireo olona nanaradia an'i Omri. Ka maty i Tibnia; ary lasa mpanjaka i Omri. BSB BSB: But the followers of Omri proved stronger than those of Tibni son of Ginath. So Tibni died and Omri became king.
23 ULB Nanomboka nanjaka teo amin'ny Israely tamin'ny faha iraika amby telopolo taona nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda i Omry, ary nanjaka nandritra ny roa ambin'ny folo taona. Nanjaka tany Tirza nandritra ny enin-taona izy. BSB BSB: In the thirty-first year of Asa’s reign over Judah, Omri became king of Israel, and he reigned twelve years, six of them in Tirzah.
24 ULB Novidiany tamin'i Samera tamin'ny talenta volafotsy roa ny havoan'i Samaria. Nanorina tanàna teo amin'ilay havoana izy ary nanao ny anaran'ny tanàna hoe Samaria, araka ny anaran'i Samera, ilay tompon'ny havoana teo aloha. BSB BSB: He bought the hill of Samaria from Shemer for two talents of silver and built a city there, calling it Samaria after the name of Shemer, who had owned the hill.
25 ULB Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh i Omry ary ratsy fanahy mihoatra izay rehetra teo alohany. BSB BSB: But Omri did evil in the sight of the LORD and acted more wickedly than all who were before him.
26 ULB Fa nandeha tamin'ny lalana rehetra an'i Jeroboama zanak'i Nebata sy ny fahotany izay nitarihany ny Israely hanota, mba hiantsy an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, mba ho tezitra amin'ny sampin'izy ireo izay tsy misy dikany izy. BSB BSB: For he walked in all the ways of Jeroboam son of Nebat and in his sins, which he caused Israel to commit, provoking the LORD, the God of Israel, to anger with their worthless idols.
27 ULB Raha ny amin'ny raharaha hafa mahakasika izay nataon'i Omry, sy ny hery izay nasehony, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely ve ireo? BSB BSB: As for the rest of the acts of Omri, along with his accomplishments and the might he exercised, are they not written in the Book of the Chronicles of the Kings of Israel?
28 ULB Koa dia nodimandry niaraka tamin'ireo razany i Omry ary nalevina tany Samaria ary Ahaba zanany lahy no lasa mpanjaka nandimby ny toerany. BSB BSB: And Omri rested with his fathers and was buried in Samaria, and his son Ahab reigned in his place.
30 ULB Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh i Ahaba zanak'i Omry, mihoatra noho ireo rehetra izay teo alohany. BSB BSB: However, Ahab son of Omri did evil in the sight of the LORD, more than all who were before him.
31 ULB Zavatra tsy nisy dikany tamin'i Ahaba ny nandeha tamin'ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nebata, koa dia nalainy ho vadiny i Jezebela zanaka vavin'i Etibala, mpanjakan'ireo Sidoniana; nandeha ary nanompo an'i Bala izy ka niankohoka taminy. BSB BSB: And as if it were not enough for him to walk in the sins of Jeroboam son of Nebat, he even married Jezebel the daughter of Ethbaal king of the Sidonians, and he then proceeded to serve and worship Baal.
32 ULB Nanorina alitara ho an'i Bala tao an-tranon'i Bala izy, izay naoriny tany Samaria. BSB BSB: First, Ahab set up an altar for Baal in the temple of Baal that he had built in Samaria.
33 ULB Dia nanamboatra baon'Aseraha i Ahaba. Mbola nanao mihoatra noho izany aza i Ahaba mba hampahatezitra an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, mihoatra an'ireo mpanjakan'Israely rehetra teo alohany. BSB BSB: Then he set up an Asherah pole. Thus Ahab did more to provoke the LORD, the God of Israel, to anger than all the kings of Israel before him.
34 ULB Nandritra ny fitondran'i Ahaba, dia namerina nanorina an'i Jeriko i Hiela avy any Betela. Hiela dia nametraka ny fototry ny tanàna tamin'ny ain'i Abirama, zanany lahimatoany; ary Segoba, faralahiny; dia namoy ny ainy raha nanorenany ireo vavahadin'ny tanàna, araka ny tenin'i Yaveh izay nolazainy tamin'i Josoa zanak'i Nona. BSB BSB: In Ahab’s days, Hiel the Bethelite rebuilt Jericho. At the cost of Abiram his firstborn he laid its foundation, and at the cost of Segub his youngest he set up its gates, according to the word that the LORD had spoken through Joshua son of Nun.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.