1 ULB Ary rehefa afaka andro maromaro dia tonga tamin'i Elia ny tenin'i Yaveh, tamin'ny taona fahatelon'ny hain-tany, nanao hoe: "Mandehana, misehoa amin'i Ahaba dia handefa orana amin'ny tany Aho." BSB BSB: After a long time, in the third year of the drought, the word of the LORD came to Elijah: “Go and present yourself to Ahab, and I will send rain upon the face of the earth.”
2 ULB Nandeha niseho tamin'i Ahaba Elia; ary mafy ny mosary tany Samaria. BSB BSB: So Elijah went to present himself to Ahab. The famine was severe in Samaria,
3 ULB Ahaba niantso an'i Obadia, izay nisahana ny lapa. Ary Obadia dia nanome voninahitra an'i Yaveh tokoa, BSB BSB: and Ahab summoned Obadiah, who was in charge of the palace. (Now Obadiah greatly feared the LORD,
4 ULB ka rehefa namono ireo mpaminanin'i Yaveh Jezebela, dia naka ireo mpaminany zato ary nanafina azy ireo isan-dimampolo tao an-davabato ary namahana azy ireo tamin'ny mofo sy rano i Obadia. BSB BSB: for when Jezebel had slaughtered the prophets of the LORD, Obadiah had taken a hundred prophets and hidden them, fifty men per cave, providing them with food and water.)
5 ULB Ary hoy Ahaba tamin'i Obadia: "Mandehana mitety ny tany hatrany amin'ny loharano sy ireo lohasahan-driaka rehetra. Fa mety hahita ahi-maitso hamelomana ny soavaly sy ny ampondra isika, mba tsy hisy ho very ny biby fiompy rehetra." BSB BSB: Then Ahab said to Obadiah, “Go throughout the land to every spring and every valley. Perhaps we will find grass to keep the horses and mules alive so that we will not have to destroy any livestock.”
6 ULB Koa nifampizaran'izy ireo ny tany mba andehanany amin'izany ary itadiavany rano. Ahaba nandeha tamin'ny lalana iray ary Obadia nandeha tamin'ny lalana hafa. BSB BSB: So they divided the land to explore. Ahab went one way by himself, and Obadiah went the other way by himself.
7 ULB Raha mbola teny an-dalana Obadia, dia nifanena tampoka tamin'i Elia izy. Obadia nahalala azy ka nampiankohoka ny tavany tamin'ny tany. Hoy izy hoe: "Ianao ve ity, ry Elia tompoko?" BSB BSB: Now as Obadiah went on his way, Elijah suddenly met him. When Obadiah recognized him, he fell facedown and said, “Is it you, my lord Elijah?”
8 ULB Elia namaly azy hoe: "Izaho ity. Mandehana teneno ny tomponao hoe: 'Indro, ato Elia.'" BSB BSB: “It is I,” he answered. “Go tell your master, ‘Elijah is here!’”
9 ULB Dia namaly Obadia hoe: "Inona no fahotako, no atolotrao eo an-tanan'i Ahaba ny mpanomponao, mba hamonoany ahy? BSB BSB: But Obadiah replied, “How have I sinned, that you are handing your servant over to Ahab to put me to death?
10 ULB Raha mbola velona koa Yaveh Andriamanitrao, dia tsy misy firenena na fanjakana izay tsy nandefasan'ny tompoko olona hitady anao. Na oviana na oviana no misy firenena na fanjakana miteny hoe: 'Tsy ato Elia, dia ampanaovin'i Ahaba fianianana hianiana fa tsy nahita anao izy ireo. BSB BSB: As surely as the LORD your God lives, there is no nation or kingdom where my lord has not sent someone to search for you. When they said, ‘He is not here,’ he made that kingdom or nation swear that they had not found you.
11 ULB Nefa ankehitriny hoy ianao: 'Mandehana, teneno ny tomponao fa atsy Elia.' BSB BSB: And now you say, ‘Go tell your master that Elijah is here!’
12 ULB Vantany vao miala aminao aho, ny fanahin'i Yaveh hitondra anao any amin'ny toerana tsy fantatro. Ka raha handeha aho ary hiteny amin'i Ahaba, ary raha tsy hahita anao izy, dia hovonoiny aho. Kanefa izaho, mpanomponao, dia nanompo an'i Yaveh hatramin'ny fahatanorako. BSB BSB: I do not know where the Spirit of the LORD may carry you off when I leave you. Then when I go and tell Ahab and he does not find you, he will kill me. But I, your servant, have feared the LORD from my youth.
13 ULB Moa tsy nolazaina taminao ve, ry tompoko, izay nataoko rehefa novonoin'i Jezebela ny mpaminanin'i Yaveh, ny fomba nanafenako ny mpaminanin'Yaveh zato ka dimampolo avy no tao anaty lava-bato sy ny namahanako mofo sy rano azy ireo? BSB BSB: Was it not reported to my lord what I did when Jezebel slaughtered the prophets of the LORD? I hid a hundred prophets of the LORD, fifty men per cave, and I provided them with food and water.
14 ULB Ankehitriny hoy ianao amiko: "Mandehana ary teneno ny tomponao fa eto Elia, ka dia hovonoiny aho." BSB BSB: And now you say, ‘Go tell your lord that Elijah is here!’ He will kill me!”
15 ULB Dia namaly Elia hoe: "Raha mbola velona koa Yaveh tompon'ny maro, izay hitsanganako eo anatrehany, dia hiseho amin'i Ahaba tokoa aho androany." BSB BSB: Then Elijah said, “As surely as the LORD of Hosts lives, before whom I stand, I will present myself to Ahab today.”
16 ULB Ka lasa Obadia nandeha mba hijery an'i Ahaba, ary niteny taminy izay nolazain'i Elia. Dia nandeha nihaona tamin'i Elia ny mpanjaka. BSB BSB: So Obadiah went to inform Ahab, who went to meet Elijah.
17 ULB Rehefa nahita an'i Elia i Ahaba, dia hoy izy taminy: "Ianao ve io? Ianao ilay iray izay mitondra korontana ho an'Israely!" BSB BSB: When Ahab saw Elijah, he said to him, “Is that you, O troubler of Israel?”
18 ULB Dia namaly Elia hoe: "Tsy nitondra korontana ho an'Israely aho, fa ianao sy ny fianakavian'ny rainao no olona nampisy korontana tamin'ny alalan'ny fialanareo tamin'ny didin'i Yaveh sy ny fanarahanareo an'i Bala. BSB BSB: “I have not troubled Israel,” Elijah replied, “but you and your father’s house have, for you have forsaken the commandments of the LORD and have followed the Baals.
19 ULB Koa ankehitriny, mandefasa teny ary hangony eto amiko ny Israely rehetra ao an-tendrombohitr'i Karmela, miaraka amin'ireo mpaminanin'i Bala 450 sy ireo mpaminanin'i Aseraha efajato izay nihinana teo an-databatr'i Jezebela." BSB BSB: Now summon all Israel to meet me on Mount Carmel, along with the four hundred and fifty prophets of Baal and the four hundred prophets of Asherah who eat at Jezebel’s table.”
21 ULB Ary Elia nanatona ny vahoaka rehetra ka niteny hoe: "Mandra-pahoviana ianao no hiova hevitra hatrany? Raha i Yaveh no Andriamanitra, dia manaraha Azy. Fa raha i Bala no Andriamanitra, dia manaraha azy." Fa ny olona tsy namaly teny azy. BSB BSB: Then Elijah approached all the people and said, “How long will you waver between two opinions? If the LORD is God, follow Him. But if Baal is God, follow him.” But the people did not answer a word.
22 ULB Dia hoy i Elia tamin'ny vahoaka hoe: "Izaho, dia izaho irery ihany, no sisa mpaminanin'i Yaveh, nefa ny mpaminanin'i Bala dia olona 450. BSB BSB: Then Elijah said to the people, “I am the only remaining prophet of the LORD, but Baal has four hundred and fifty prophets.
23 ULB Koa aoka ireo no hanome omby roa ho antsika. Aoka izy ireo hisafidy omby iray ho an'izy ireo sy handrasarasa izany, ary hampandry izany eo amin'ny kitay, nefa tsy handrehitra afo eo ambanin'izany. Dia hikarakara ilay omby iray hafa aho ka hametraka izany eo amin'ny kitay, ary tsy hanisy afo eo ambanin'izany BSB BSB: Get two bulls for us. Let the prophets of Baal choose one bull for themselves, cut it into pieces, and place it on the wood but not light the fire. And I will prepare the other bull and place it on the wood but not light the fire.
24 ULB Dia hiantso ny anaran'ny andriamanitrareo ianareo, ary izaho hiantso ny anaran'i Yaveh, ary ny Andriamanitra izay hamaly amin'ny afo, dia Aoka izy no ho Andriamanitra." Koa namaly ny olona rehetra ary niteny hoe: "Mety izany." BSB BSB: Then you may call on the name of your god, and I will call on the name of the LORD. The God who answers by fire, He is God.” And all the people answered, “What you say is good.”
25 ULB Ary hoy i Elia tamin'ireo mpaminanin'i Bala: "Mifidiana omby iray ho anareo, ary homano mialoha izany, fa olona betsaka ianareo. Dia antsoy ny anaran'ny andriamanitrareo, nefa aza asina afo eo ambanin'ny omby." BSB BSB: Then Elijah said to the prophets of Baal, “Since you are so numerous, choose for yourselves one bull and prepare it first. Then call on the name of your god, but do not light the fire.”
26 ULB Dia naka ny omby izay nomena azy izy ireo ary nikarakara izany, dia niantso ny anaran'i Bala hatramin'ny maraina mandra-pitatao-vovonana izy ireo, nanao hoe: "Ry Bala o, mihainoa anay." Nefa tsy nisy feo, na nisy namaly akory. Nandihy nanodidina ny alitara namboariny izy ireo. BSB BSB: And they took the bull that was given them, prepared it, and called on the name of Baal from morning until noon, shouting, “O Baal, answer us!” But there was no sound, and no one answered as they leaped around the altar they had made.
27 ULB Nony mitatao-vovonana dia naneso azy ireo i Elia nanao hoe: "Miantsoa mafy ihany! fa andriamanitra izy! angamba mbola mieritreritra izy, na manamaivana ny tenany, na nisy dia nalehany, na angamba matory izy ka tokony nofohazina." BSB BSB: At noon Elijah began to taunt them, saying, “Shout louder, for he is a god! Perhaps he is deep in thought, or occupied, or on a journey. Perhaps he is sleeping and must be awakened!”
28 ULB Fa mbola niantso mafy ihany izy ireo, ary nandrasa ny tenan'izy ireo, araka ny fanaony matetika miaraka amin'ny sabatra sy lefona, mandra-pahaloa-drà ny tenan'izy ireo. BSB BSB: So they shouted louder and cut themselves with knives and lances, as was their custom, until the blood gushed over them.
29 ULB Lasa ny mitatao-vovonana, dia mbola nisafoaka ihany izy hatramin'ny fotoan'ny fanatitra hariva, nefa tsy nisy feo na nisy namaly akory; tsy nisy nihaino ny fitalahoan'izy ireo. BSB BSB: Midday passed, and they kept on raving until the time of the evening sacrifice. But there was no response; no one answered, no one paid attention.
30 ULB Dia hoy i Elia tamin'ny olona rehetra: "Manatona eto amiko," dia nanatona azy ny olona rehetra. Dia namboatra ny alitaran'i Yaveh izay rava tanteraka izy. BSB BSB: Then Elijah said to all the people, “Come near to me.” So all the people approached him, and he repaired the altar of the LORD that had been torn down.
31 ULB Naka vato roa ambin'ny folo Elia, ny vato tsirairay avy dia maneho ny iray amin'ireo fokon'ireo zanaka lahin'i Jakoba_ilay Jakoba niavian'ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: "Israely no ho anaranao." BSB BSB: And Elijah took twelve stones, one for each tribe of the sons of Jacob, to whom the word of the LORD had come and said, “Israel shall be your name.”
32 ULB Tamin'ireo vato ireo no nanorenany ny alitara tamin'ny anaran'i Yaveh ary izy dia nandavaka hady kely manodidina ny alitara lehibe omby voan-javatra indroan'ny famaran. BSB BSB: And with the stones, Elijah built an altar in the name of the LORD. Then he dug a trench around the altar large enough to hold two seahs of seed.
33 ULB Nandahatra ny kitay ho an'ny afo izy, nandrasarasa ny omby, ary nametraka ireo omby voarasa teo amin'ny kitay. Hoy izy hoe: "Fenoy rano ny siny efatra ka araraho eo amin'ny fanatitra dorana sy eo amin'ny kitay." BSB BSB: Next, he arranged the wood, cut up the bull, placed it on the wood,
34 ULB Dia hoy izy: "Ataovy fanindroany izany," dia nataon'izy ireo fanindroany izany. Dia hoy indray izy: "Ataovy fanintelony izany," Dia nataon'izy ireo fanintelony. BSB BSB: and said, “Fill four waterpots and pour the water on the offering and on the wood.” “Do it a second time,” he said, and they did it a second time. “Do it a third time,” he said, and they did it a third time.
35 ULB Dia niraraka nanodidina ny alitara ny rano ary nameno ny hady kely. BSB BSB: So the water ran down around the altar and even filled the trench.
36 ULB Nitranga izany tamin'ny fotoan'ny fanatitra tamin'ny sorona amin'ny hariva, ary Elia mpaminany dia nanatona akaiky ka niteny hoe: "Ry Yaveh, Andriamanitr'i Abrahama, sy Isaka, ary Israely, aoka ho fantatra eto anio fa Ianao no Andriamanitra eto amin'ny Israely, ary izaho dia mpanomponao, ary nanao izao zavatra rehetra izao araka ny teninao aho. BSB BSB: At the time of the evening sacrifice, Elijah the prophet approached the altar and said, “O LORD, God of Abraham, Isaac, and Israel, let it be known this day that You are God in Israel and that I am Your servant and have done all these things at Your command.
37 ULB Mihainoa ahy, ry Yaveh, mihainoa ahy, mba hahafantaran'ireto olona ireto fa Ianao, Yaveh, dia Andriamanitra, ary Ianao no nampitodika ny fon'izy ireo taminao indray." BSB BSB: Answer me, O LORD! Answer me, so that this people will know that You, the LORD, are God, and that You have turned their hearts back again.”
38 ULB Ary ny afon'Yaveh nilatsaka ka nandevona ny fanatitra dorana, ary koa ny kitay, ireo vato, ary ny vovoka, ary nandritra ny rano izay tao amin'ny hady kely. BSB BSB: Then the fire of the LORD fell and consumed the sacrifice, the wood, the stones, and the dust, and it licked up the water in the trench.
39 ULB Rehefa nahita izany ny olona rehetra, dia nampiankohoka ny tavany teo amin'ny tany ary niteny hoe: "Yaveh, Izy no Andriamanitra! Yaveh, Izy no Andriamanitra!" BSB BSB: When all the people saw this, they fell facedown and said, “The LORD, He is God! The LORD, He is God!”
40 ULB Koa hoy i Elia tamin'izy ireo: "Sambory ireo mpaminanin'i Bala. Aza avela hisy handositra izy ireo na dia iray aza." Koa nosamborina izy ireo, ary i Elia nitondra ireo mpaminanin'i Bala nidina tany amin'ny lohasahan-driaka Kisona ary namono azy ireo tany. BSB BSB: Then Elijah ordered them, “Seize the prophets of Baal! Do not let a single one escape.” So they seized them, and Elijah brought them down to the Kishon Valley and slaughtered them there.
41 ULB Hoy i Elia tamin'i Ahaba: "Mitsangàna, mihinàna ary misotroa, fa injany ny feon'ny oram-be." BSB BSB: And Elijah said to Ahab, “Go up, eat and drink, for there is the sound of a heavy rain.”
42 ULB Koa niakatra mba hihinana sy hisotro i Ahaba. Dia niakatra teo an-tampon'i Karmela i Elia, niondrika teo amin'ny tany izy, ary nametraka ny tavany teo anelanelan'ny lohaliny. BSB BSB: So Ahab went up to eat and drink. But Elijah climbed to the summit of Carmel, bent down on the ground, and put his face between his knees.
43 ULB Ary hoy izy tamin'ny mpanompony: "Miakara ankehitriny, ka mitazàna eny amin'ny ranomasina." Dia niakatra ny mpanompony ka nitazana ary nanao hoe: "Tsy misy na inona na inona." Ka hoy indray i Elia: "Mandehana indray, impito." BSB BSB: “Go and look toward the sea,” he said to his servant. So the servant went and looked, and he said, “There is nothing there.” Seven times Elijah said, “Go back.”
44 ULB Ary nony fanim-pitony dia hoy ny mpanompony: "Indro, misy rahona miakatra avy amin'ny ranomasina, kely tahaka ny tanan'olona." Dia namaly i Elia hoe: "Miakara ka lazao amin'i Ahaba hoe: 'Ataovy vonona ny kalesinao ka midina mialohan'ny hanakanan'ny orana anao'" BSB BSB: On the seventh time the servant reported, “There is a cloud as small as a man’s hand rising from the sea.” And Elijah replied, “Go and tell Ahab, ‘Prepare your chariot and go down before the rain stops you.’”
45 ULB Ary vetivety monja raha niha-maintin'ny rahona sy rivotra ny lanitra, dia nisy oram-be. Ary i Ahaba nitaingina kalesy ka niakatra nankany Jezirela, BSB BSB: Meanwhile, the sky grew dark with clouds and wind, and a heavy rain began to fall. So Ahab rode away and went to Jezreel.
46 ULB fa ny tanan'i Yaveh dia nomba an'i Ahaba. Nisikina ny akanjony teo amin'ny fehin-kibony izy ary nihazakazaka teo alohan'i Ahaba teo amin'ny fidirana mankao Jezirela. BSB BSB: And the hand of the LORD came upon Elijah, and he tucked his cloak into his belt and ran ahead of Ahab all the way to Jezreel.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.