1 ULB Nolazain'i Ahaba tamin'i Jezebela avokoa izay rehetra nataon'i Elia sy ny namonoany ireo mpaminany rehetra tamin'ny sabatra. BSB BSB: Now Ahab told Jezebel everything that Elijah had done and how he had killed all the prophets with the sword.
2 ULB Ary Jezebela nandefa mpitondra hafatra tany amin'i Elia, nilaza hoe: "Hataon'ireo andriamanitra amiko anie izany, eny mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko ho toy ny ain'ny anankiray tamin'ireny mpaminany izay maty ireny ny ainao rahampitso amin'ny ora toy izao." BSB BSB: So Jezebel sent a messenger to Elijah, saying, “May the gods deal with me, and ever so severely, if by this time tomorrow I have not made your life like the lives of those you killed!”
3 ULB Rehefa ren'i Elia izany, dia nitsangana izy ka lasa nandositra namonjy ny ainy ary nakany Beri-sheba, izay an'i Joda, ary navelany teo ny mpanompony. BSB BSB: And Elijah was afraid and ran for his life. When he came to Beersheba in Judah, he left his servant there,
4 ULB Fa izy nandeha lalana indray andro tany an'efitra, dia tonga ary nipetraka teo ambany hazo kifafambohitra. Nangataka ny ho faty izy, ka nanao hoe: "Ampy izay, ankehitriny, ry Yaveh; esory ny aiko, satria tsy tsara noho ireo razambeko aho." BSB BSB: while he himself went a day’s journey into the wilderness. He sat down under a broom tree and prayed that he might die. “I have had enough, LORD,” he said. “Take my life, for I am no better than my fathers.”
5 ULB Ka dia nandry nitsilany teo ambany kifafambohitra izy. Tampoka teo dia nisy anjely nikasika azy ka niteny taminy hoe: "Mifohaza ary mihinàna." BSB BSB: Then he lay down under the broom tree and fell asleep. Suddenly an angel touched him and said, “Get up and eat.”
6 ULB Nijery i Elia, ary teo akaikin'ny lohany dia nisy mofo voahendy tamin'ny vato mahamay sy rano iray tavoara. Ary nihinana sy nisotro izy ka nandry nitsilany indray. BSB BSB: And he looked around, and there by his head was a cake of bread baked over hot coals, and a jar of water. So he ate and drank and lay down again.
7 ULB Tonga fanindroany indray ilay anjelin'i Yaveh, ka nikasika azy ary niteny hoe: "Miharena ary mihinàna, satria ho lava aminao ny dia." BSB BSB: A second time the angel of the LORD returned and touched him, saying, “Get up and eat, or the journey will be too much for you.”
8 ULB Ka nitsangana izy ary nihinana sy nisotro, ary nandeha tamin'ny hery azony tamin'izany sakafo izany nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina ho any Horeba, ilay tendrombohitr'Andriamanitra. BSB BSB: So he got up and ate and drank. And strengthened by that food, he walked forty days and forty nights until he reached Horeb, the mountain of God.
9 ULB Nandeha tao amin'ny zohy iray tany izy ary nitoetra tao amin'izany. Dia tonga taminy ny tenin'i Yaveh ary nilaza taminy hoe: "Inona no ataonao ato, ry Elia?" BSB BSB: There Elijah entered a cave and spent the night. And the word of the LORD came to him, saying, “What are you doing here, Elijah?”
10 ULB Elia namaly hoe: "Be zotom-po ho an'i Yaveh, Andriamanitra tompon'ny maro aho, satria efa nahafoy ny fanekenao ny olon'Israely, nandrava ireo alitaranao, ary namono ireo mpaminaninao tamin'ny sabatra. Ankehitriny izaho, dia izaho irery, no sisa tavela ary mikasa ny hifofo ny aiko koa izy ireo." BSB BSB: “I have been very zealous for the LORD, the God of Hosts,” he replied, “but the Israelites have forsaken Your covenant, torn down Your altars, and killed Your prophets with the sword. I am the only one left, and they are seeking my life as well.”
11 ULB Yaveh namaly hoe: "Mivoaha ka mitsangàna eo amin'ny tendrombohitra eo anoloako." Ary nandalo i Yaveh, ka nisy rivotra mahery namely ny tendrombohitra ary namaky ireo vatolampy ho potipotika teo anatrehan'i Yaveh, kanefa tsy tao anatin'ny rivotra i Yaveh. Ary taorian'ny rivotra, dia nisy horohoron-tany tonga, kanefa tsy tao anatin'ny horohoron-tany i Yaveh. BSB BSB: Then the LORD said, “Go out and stand on the mountain before the LORD. Behold, the LORD is about to pass by.” And a great and mighty wind tore into the mountains and shattered the rocks before the LORD, but the LORD was not in the wind. After the wind there was an earthquake, but the LORD was not in the earthquake.
12 ULB Ary taorian'ny horohoron-tany dia tonga ny afo, kanefa tsy tao anatin'ny afo i Yaveh. Ary taorian'ny afo, dia nisy feo malefaka tonga. BSB BSB: After the earthquake there was a fire, but the LORD was not in the fire. And after the fire came a still, small voice.
13 ULB Rehefa ren'i Elia ilay feo, dia notakonany tamin'ny lambany ny tavany, nivoaka izy, ary nitsangana teo amin'ny fidiran'ilay zohy. Ary nisy feo tonga taminy nanao hoe: "Inona no ataonao eto, ry Elia?" BSB BSB: When Elijah heard it, he wrapped his face in his cloak and went out and stood at the mouth of the cave. Suddenly a voice came to him and said, “What are you doing here, Elijah?”
14 ULB Elia namaly hoe: "Be zotom-po ho an'i Yaveh, Andriamanitra tompon'ny maro aho, fa ny olon'Israely nahafoy ny fanekenao, nandrava ireo alitaranao, ary namono ireo mpaminaninao tamin'ny sabatra. Ankehitriny, izaho dia izaho irery, no sisa tavela ary mikasa ny hifofo ny aiko koa izy ireo." BSB BSB: “I have been very zealous for the LORD, the God of Hosts,” he replied, “but the Israelites have forsaken Your covenant, torn down Your altars, and killed Your prophets with the sword. I am the only one left, and they are seeking my life as well.”
15 ULB Ary Yaveh nilaza taminy hoe: "Mandehana, miverena amin'ny lalanao ho any an'efitr'i Damaskosy, ary rehefa tonga any ianao dia hanosotra an'i Hazaela ho mpanjakan'i Syria, BSB BSB: Then the LORD said to him, “Go back by the way you came, and go to the Desert of Damascus. When you arrive, you are to anoint Hazael as king over Aram.
16 ULB ary ianao hanosotra an'i Jeho zanaka lahin'i Nimsy ho mpanjakan'ny Israely, ary ianao hanosotra an'i Elisa zanaka lahin'i Safata avy any Abela-mehola ho mpaminany handimby ny toeranao. BSB BSB: You are also to anoint Jehu son of Nimshi as king over Israel and Elisha son of Shaphat from Abel-meholah to succeed you as prophet.
17 ULB Ary amin'izany dia hovonoin'i Jeho izay rehetra tafatsoaka tamin'ny sabatr'i Hazaela, hovonoin'i Elisa izay rehetra tafatsoaka amin'ny sabatr'i Jeho. BSB BSB: Then Jehu will put to death whoever escapes the sword of Hazael, and Elisha will put to death whoever escapes the sword of Jehu.
18 ULB Kanefa Izaho hamela olona fito arivo ho ahy any Israely, ireo izay nandohalika ka tsy niankohoka tamin'ny Bala, sy ireo vava izay tsy mbola nanoroka azy." BSB BSB: Nevertheless, I have reserved seven thousand in Israel—all whose knees have not bowed to Baal and whose mouths have not kissed him.”
19 ULB Ka niala teo i Elia ary nahita an'i Elisa zanaka lahin'i Safata, izay niasa niaraka tamin'ny ziogan'omby roa ambin'ny folo nanoloana azy, ary izy tenany ihany no niasa niaraka tamin'ny zioga faha-roa ambin'ny folo. Niampita nankeo amin'i Elisa i Elia ka nanarona ny lambany taminy. BSB BSB: So Elijah departed and found Elisha son of Shaphat. He was plowing with twelve teams of oxen, and he was with the twelfth team. Elijah passed by him and threw his cloak around him.
20 ULB Avy eo dia nandao ireo ombiny i Elisa ka nihazakazaka nanenjika an'i Elia; hoy izy: "Avelao re aho hanoroka ny raiko sy ny reniko, ary hanaraka anao aho avy eo." Dia hoy i Elia taminy: "Miverena ary, kanefa saino izay efa nataoko taminao." BSB BSB: So Elisha left the oxen, ran after Elijah, and said, “Please let me kiss my father and mother goodbye, and then I will follow you.” “Go on back,” Elijah replied, “for what have I done to you?”
21 ULB Ka niverina avy any amin'i Elia i Elisa ary naka ny ziogan'omby, namono ireo biby, ary nahandro ny hena tamin'ny hazo ziogan'omby. Dia nomeny ny olona izany ka nihinana izy ireo. Avy eo dia nitsangana izy, nanaraka an'i Elia ary nanompo azy. BSB BSB: So Elisha turned back from him, took his pair of oxen, and slaughtered them. Using the oxen’s equipment for fuel, he cooked the meat and gave it to the people, and they ate. Then he set out to follow and serve Elijah.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.