1 ULB Nanangona ny tafiny hitambatra i Beni-hadada mpanjakan'i Syria. Nisy mpanjaka kely roa amby telopolo niaraka taminy, ary soavaly sy kalesy. Niakatra izy, nanao fahirano an'i Samaria sy niady nanohitra izany. BSB BSB: Now Ben-hadad king of Aram assembled his entire army. Accompanied by thirty-two kings with their horses and chariots, he marched up, besieged Samaria, and waged war against it.
2 ULB Nandefa iraka nankany amin'ny tanàna ho an'i Ahaba mpanjakan'Israely izy, ka niteny taminy hoe: "Izao no nolazain'i Beni-hadada hoe: BSB BSB: Then he sent messengers into the city to Ahab king of Israel,
3 ULB 'Ny volafotsinao sy ny volamenanao dia ahy. Ireo vadinao sy ny zanakao ihany koa, ireo tsara indrindra, dia ahy ankehitriny.'" BSB BSB: saying, “This is what Ben-hadad says: ‘Your silver and gold are mine, and your best wives and children are mine!’”
4 ULB Namaly ny mpanjakan'Israely ka nanao hoe: "Ho tanteraka araka ny teninao izany, ry mpanjaka, tompoko. Izaho sy izay rehetra hananako dia anao." BSB BSB: And the king of Israel replied, “Just as you say, my lord the king: I am yours, along with all that I have.”
5 ULB Tonga indray ireo iraka ka nanao hoe: "Izao no lazain' i Beni-hadada hoe: 'Nandefa teny taminao aho fa ianao dia tsy maintsy hanolotra ny volafotsinao, ny volamenanao, ireo vadinao, ary ireo zanakao ho ahy. BSB BSB: The messengers came back and said, “This is what Ben-hadad says: ‘I have sent to you to demand your silver, your gold, your wives, and your children.
6 ULB Nefa haniraka ireo mpanompoko any aminao aho rahampitso amin'ny ora toy izao, ary hitady ny tranonao sy ny tranon'ireo mpanomponao izy ireo. Hisambotra amin'ny tanany izy ireo ka haka izay rehetra mafinaritra ny mason'izy ireo.'" BSB BSB: But about this time tomorrow I will send my servants to search your palace and the houses of your servants. They will seize and carry away all that is precious to you.’”
7 ULB Ary niantso ireo loholon'ny tany rehetra niaraka ny mpanjakan'Israely ka nanao hoe: "Mba raiso an-tsoratra ka jereo ny fomba hitadiavan'ity lehilahy ity olana. Efa nandefa teny tamiko izy mba hangalana ireo vadiko, ireo zanako, ary ny volafotsiko sy ny volamenako, ary tsy mbola nandà azy aho." BSB BSB: Then the king of Israel summoned all the elders of the land and said, “Please take note and see that this man is looking for trouble, for when he demanded my wives, my children, my silver, and my gold, I did not deny him.”
8 ULB Ireo loholona rehetra sy ny vahoaka rehetra niteny tamin'i Ahaba hoe: "Aza mihaino azy na manaiky izay fangatahany." BSB BSB: And the elders and the people all said, “Do not listen to him or consent to his terms.”
9 ULB Dia hoy i Ahaba tamin'ireo irak'i Beni-hadada hoe: "Lazao ny mpanjaka tompoko hoe: 'Manaiky ny zavatra rehetra izay nanirahanao ny mpanomponao hatao tamin'ny voalohany aho, kanefa tsy afaka hanaiky ity fangatahana faharoa ity aho.'" BSB BSB: So Ahab answered the messengers of Ben-hadad, “Tell my lord the king, ‘All that you demanded of your servant the first time I will do, but this thing I cannot do.’” So the messengers departed and relayed the message to Ben-hadad.
10 ULB Ka lasa ireo iraka ary nitondra izany valin-teny izany teo amin'i Beni-hadada. Dia nandefa ny valin-teniny ho an'i Ahaba i Beni-hadada, ka nanao hoe: "Enga anie ireo andriamanitra hanao izany amiko ary mihoatra aza, raha ho ampy hanana eran'ny tanana avy amin'ny lavenon'i Samaria ireo vahoaka rehetra izay manaraka ahy." BSB BSB: Then Ben-hadad sent another message to Ahab: “May the gods deal with me, and ever so severely, if enough dust remains of Samaria for each of my men to have a handful.”
11 ULB Namaly ny mpanjakan'Israely ka nanao hoe: "Lazao i Beni-hadada hoe: 'Tsy misy olona mametraka ny fiadiany, ka tokony hirehareha ho amin'ny nanesorany izany.'" BSB BSB: And the king of Israel replied, “Tell him: ‘The one putting on his armor should not boast like one taking it off.’”
12 ULB Dia nandre izany hafatra izany i Beni-hadada raha nisotro izy, dia izy sy ireo mpanjaka ambaniny izay tao anatin'ny lain'izy ireo. Beni-hadada nandidy ireo lehilahiny hoe: "Milahara ho amin'ny ady ianareo." Dia nanomana ny tenan'izy ireo ho amin'ny ady izy ireo mba hamely ny tanàna. BSB BSB: Ben-hadad received this message while he and the kings were drinking in their tents, and he said to his servants, “Take your positions.” So they stationed themselves against the city.
13 ULB Ary indro, nisy mpaminany tonga teo amin'i Ahaba mpanjakan'Israely ka nanao hoe: "Hoy i Yaveh: 'Efa hitanao ve ity tafika lehibe ity? Indro, hametraka izany eo an-tananao aho anio, ary ho fantatrao tokoa fa Izaho no Yaveh.'" BSB BSB: Meanwhile a prophet approached Ahab king of Israel and declared, “This is what the LORD says: ‘Do you see this entire great army? Behold, I will deliver it into your hand this very day, and you will know that I am the LORD.’”
15 ULB Dia nanambatra ireo tanora manam-pahefana izay nanompo ny komandin'ny isan'antokony i Ahaba. Niisa 232 izy ireo. Taorian'izy ireo dia nanambatra ireo miaramila rehetra izy; ny tafik'Israely rehetra; niisa fito arivo. BSB BSB: So Ahab assembled the young officers of the district governors, and there were 232 men. And after them, he assembled the rest of the Israelite troops, 7,000 in all.
16 ULB Nivoaka tamin'ny mitatao vovonana izy ireo. Beni-hadada dia efa avy nisotro ary nahamamo ny tenany tao an-dainy, izy sy ireo mpanjaka kely roa amby telopolo izay nanohana azy. BSB BSB: They marched out at noon while Ben-hadad and the 32 kings allied with him were in their tents getting drunk.
17 ULB Ireo tanora manam-pahefana izay nanompo ny komandin'ny isan'antokony no nandroso mialoha. Dia nampahalalain'ireo tily izay nirahiny i Beni-hadada hoe: "Misy lehilahy mivoaka avy ao Samaria." BSB BSB: And the young officers of the district governors marched out first. Now Ben-hadad had sent out scouts, who reported to him, “Men are marching out of Samaria.”
18 ULB Hoy i Beni-hadada hoe: "Na tamin'ny filaminana na tamin'ny ady no nivoahan'izy ireo, dia sambory velona izy ireo." BSB BSB: “If they have marched out in peace,” he said, “take them alive. Even if they have marched out for war, take them alive.”
19 ULB Dia nivoaka ny tanàna ireo tanora manam-pahefana izay nanompo ireo governoran'ny isan'antokony ary nanaraka azy ireo ny tafika. BSB BSB: Meanwhile, these young officers of the district governors marched out of the city, with the army behind them,
20 ULB Namono ny fahavalony avy izy ireo ka nandositra ireo Syriana. Nanenjika azy ireo ny Israely. Beni-hadada mpanjakan'i Syria kosa nitsoaka tamin'ny soavaly niaraka tamin'ireo mpitaingin-tsoavaly sasany. BSB BSB: and each one struck down his opponent. So the Arameans fled, with the Israelites in pursuit. But Ben-hadad king of Aram escaped on horseback with the cavalry.
21 ULB Ary nivoaka ny mpanjakan'Israely ka nanafika ireo soavaly sy ireo kalesy, ary namono ireo Syriana tamin'ny famonoana lehibe. BSB BSB: Then the king of Israel marched out and attacked the horses and chariots, inflicting a great slaughter on the Arameans.
22 ULB Dia nanatona ny mpanjakan'Israely ny mpaminany ka niteny taminy hoe: "Mandehana, atanjaho ny tenanao, ka takaro sy omano izay ataonao, satria amin'ny herintaona dia hiakatra hanohitra anao indray ny mpanjakan'i Syria." BSB BSB: Afterward, the prophet approached the king of Israel and said, “Go and strengthen your position, and take note what you must do, for in the spring the king of Aram will come up against you.”
23 ULB Ireo mpanompon'ny mpanjakan'ny Syria niteny taminy hoe: "Ny andriamanitr'izy ireo dia andriamanitry ny havoana. Izany no antony nampatanjaka azy ireo noho isika. Fa izao kosa andeha isika hiady amin'izy ireo eny amin'ny lemaka, ary ho azo antoka fa ho mafy noho izy ireo isika. BSB BSB: Meanwhile, the servants of the king of Aram said to him, “Their gods are gods of the hills. That is why they prevailed over us. Instead, we should fight them on the plains; surely then we will prevail.
24 ULB Noho izany dia izao no tsy maintsy ataonao: esory eo amin'ny toeran'ny fahefany ireo mpanjaka rehetra ka soloy mpifehy miaramila izy ireo. BSB BSB: So do this: Dismiss all the kings from their positions and replace them with other officers.
25 ULB Manangàna tafika tahaka ny tafika maty teo—soavaly solon'ny soavaly ary kalesy solon'ny kalesy—mba hahafahantsika miady amin'izy ireo eny amin'ny lemaka. Dia ho azo antoka fa hahery noho izy ireo isika." Dia nihaino ny torohevitr'izy ireo i Beni-hadada ary nanao izay natoron'izy ireo. BSB BSB: And you must raise an army like the one you have lost—horse for horse and chariot for chariot—so we can fight the Israelites on the plain, where we will surely prevail.” And the king approved their plan and acted accordingly.
26 ULB Taorian'ny fiantombohan'ny taom-baovao, dia nanambatra ireo Syriana i Beni-hadada ka niakatra ho any Afeka mba hiady amin'Israely. BSB BSB: In the spring, Ben-hadad mobilized the Arameans and went up to Aphek to fight against Israel.
27 ULB Nangonina ireo vahoakan'Israely ary novatsiana mba hiady amin'izy ireo. Nitoby teo anoloan'izy ireo toy ny andian'osy kely roa toko ny vahoakan'Israely, nefa ireo Syriana nanenika ny tany. BSB BSB: The Israelites also mobilized, gathered supplies, and marched out to meet them. The Israelites camped before them like two small flocks of goats, while the Arameans covered the countryside.
28 ULB Dia nanatona akaiky ny lehilahin'Andriamanitra iray ka niteny tamin'ny mpanjakan'ny Israely hoe: "Hoy Yaveh hoe: 'Satria ireo Syriana efa niteny fa Yaveh dia andriamanitry ny havoana, fa tsy mba andriamanitr'ireo lohasaha, dia hapetrako eo an-tananao ity tafika lehibe ity, ary ho fantatrao fa Izaho no Yaveh."' BSB BSB: Then the man of God approached the king of Israel and said, “This is what the LORD says: ‘Because the Arameans have said that the LORD is a god of the hills and not of the valleys, I will deliver all this great army into your hand. Then you will know that I am the LORD.’”
29 ULB Dia nitoby nifanandrify ireo tafika nandritra ny fito andro. Ary nanomboka ny ady tamin'ny andro fahafito. Namono Syriana mpandeha an-tongotra 100. 000 ny vahoakan'Israely tanatin'ny iray andro. BSB BSB: For seven days the armies camped opposite each other, and on the seventh day the battle ensued, and the Israelites struck down the Arameans—a hundred thousand foot soldiers in one day.
30 ULB Ny sisa nitsoaka tany Afeka, tao amin'ny tanàna, ary nianjera tamin'ireo lehilahy fito arivo sy roa alina izay tavela ny manda. Nitsoaka i Beni-hadada ka nankany amin'ny tanàna, tanaty efitrano iray. BSB BSB: The rest of them fled into the city of Aphek, where the wall fell on twenty-seven thousand of the remaining men. Ben-hadad also fled to the city and hid in an inner room.
31 ULB Niteny taminy ireo mpanompon'i Beni-hadada hoe: "Indro ankehitriny, renay fa ireo mpanjakan'ny zanak'Israely dia mpanjaka mpamindra fo. Mba avelao re izahay hisikina lamba fisaonana eo amin'ny valahanay sy tady eo amin'ny lohanay, ary hivoaka ho any amin'ny mpanjakan'Israely. Mety hamindra fo aminao angamba izy." BSB BSB: Then the servants of Ben-hadad said to him, “Look now, we have heard that the kings of the house of Israel are merciful. Let us go out to the king of Israel with sackcloth around our waists and ropes around our heads. Perhaps he will spare your life.”
32 ULB Ka nisikina lamba fisaonana teny am-balahany izy ireo sy tady teny an-dohan'izy ireo ary avy eo nankany amin'ny mpanjakan'Israely ka nanao hoe: "Beni-hadada mpanomponao niteny hoe: 'Mba avelao re aho ho velona.'" Hoy i Ahaba hoe: "Mbola velona ve izy? Rahalahiko izy." BSB BSB: So with sackcloth around their waists and ropes around their heads, they went to the king of Israel and said, “Your servant Ben-hadad says, ‘Please spare my life.’” And the king answered, “Is he still alive? He is my brother.”
33 ULB Ary nihaino izay ho famantarana avy tamin'i Ahaba ireo lehilahy, ka namaly azy faingana izy ireo hoe: "Eny, Beni-hadada rahalahinao dia velona." Ary hoy i Ahaba hoe: "Mandehana ary ento izy." Avy eo dia tonga teo aminy i Beni-hadada, ary tafakatra tany amin'i Ahaba tamin'ny kalesiny izy. BSB BSB: Now the men were looking for a sign of hope, and they quickly grasped at this word and replied, “Yes, your brother Ben-hadad.” “Go and get him!” said the king. Then Ben-hadad came out, and Ahab had him come up into his chariot.
34 ULB Beni-hadada niteny tamin'i Ahaba hoe: "Averiko aminao ireo tanàna izay nalain'ny raiko tamin'ny rainao, ary afaka manao fivarotana ho anao any Damaskosy ianao, tahaka ny nataon'ny raiko tany Samaria." Namaly i Ahaba hoe: "Avelako handeha miaraka amin'ity fifanekem-pihavanana ity ianao." Ka nanao fifanekem-pihavanana taminy i Ahaba ary avy eo namela azy handeha. BSB BSB: Ben-hadad said to him, “I will restore the cities my father took from your father; you may set up your own marketplaces in Damascus, as my father did in Samaria.” “By this treaty I release you,” Ahab replied. So he made a treaty with him and sent him away.
35 ULB Nisy lehilahy iray, iray amin'ireo zanaka lahin'ireo mpaminany, niteny tamin'ny iray tamin'ireo mpaminany namany tamin'ny tenin'i Yaveh hoe: "Mba velezo aho." Saingy nandà ny hamely azy ilay lehilahy. BSB BSB: Meanwhile, by the word of the LORD, one of the sons of the prophets said to his companion, “Strike me, please!” But the man refused to strike him.
36 ULB Dia niteny tamin'ilay mpaminany namany ilay mpaminany hoe: "Satria ianao tsy nankatoa ny feon'i Yaveh, ka raha vao mandao ahy ianao, dia hisy liona hamono anao." Raha vao nandao azy ilay lehilahy, dia nisy liona niantsampy taminy ka namono azy. BSB BSB: Then the prophet said to him, “Because you have not obeyed the voice of the LORD, as soon as you depart from me a lion will kill you.” And when he left, a lion found him and killed him.
37 ULB Avy eo dia nahita lehilahy hafa iray indray ilay mpaminany ary niteny hoe: "Mba veleso aho." Ka dia namely azy ilay lehilahy ary nandratra azy. BSB BSB: Then the prophet found another man and said, “Strike me, please!” So the man struck him and wounded him,
38 ULB Dia niala ilay mpaminany ary niandry ny mpanjaka teo amoron-dalana; nanova ny endriny tamin'ny fatotra teo amin'ny masony izy. BSB BSB: and the prophet went and waited on the road for the king, disguising himself with a bandage over his eyes.
39 ULB Raha nandalo iny ny mpanjaka, dia niantso mafy ny mpanjaka ilay mpaminany ary niteny hoe: "Nivoaka ho any anaty ady mangotraka ny mpanomponao, ary miaramila iray no nanakana sy nitondra fahavalo ho ahy ka niteny hoe: 'Jereo ity lehilahy ity. Raha tsy hita amin'ny fomba rehetra izy, dia ny ainao no homena ho solon'ny ainy, na raha tsy izany dia handoa talenta volafotsy ianao.' BSB BSB: As the king passed by, he cried out to the king: “Your servant had marched out into the middle of the battle, when suddenly a man came over with a captive and told me, ‘Guard this man! If he goes missing for any reason, your life will be exchanged for his life, or you will weigh out a talent of silver.’
40 ULB Nefa satria ny mpanomponao dia mbola raikitra tamin'ny fandehanana tetsy sy teroa, dia nitsoaka ilay miaramila fahavalo." Avy eo dia niteny taminy ny mpanjakan'Israely hoe: "Izao no ho sazinao—ny tenanao izao mihitsy no efa nanapa-kevitra izany." BSB BSB: But while your servant was busy here and there, the man disappeared.” And the king of Israel said to him, “So shall your judgment be; you have pronounced it on yourself.”
41 ULB Dia nanala faingana ny fatotra teny amin'ny masony ilay mpaminany, ary fantatry ny mpanjakan'Israely fa iray tamin'ireo mpaminany izy. BSB BSB: Then the prophet quickly removed the bandage from his eyes, and the king of Israel recognized him as one of the prophets.
42 ULB Hoy ilay mpaminany tamin'ny mpanjaka hoe: "Yaveh miteny hoe: 'Satria efa navelanao handeha avy teo an-tananao ilay lehilahy izay nodidiako ho faty, dia ny ainao no hisolo toerana ny ainy, ary ny vahoakanao ho solon'ny vahoakany.'" BSB BSB: And the prophet said to the king, “This is what the LORD says: ‘Because you have let slip from your hand the man I had devoted to destruction, your life will be exchanged for his life, and your people for his people.’”
43 ULB Ka vinitra sy tezitra mafy ny mpanjakan'Israely nankany an-tranony, ary tonga tany Samaria. BSB BSB: Sullen and angry, the king of Israel went home to Samaria.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.