1 ULB Fotoana vitsy taty aoriana, nanana tanim-boaloboka tao Jezirela i Nabota ilay Jezirelita, teo akaikin'ny lapan'i Ahaba, mpanjakan'i Samaria. BSB BSB: Some time after these events, Naboth the Jezreelite owned a vineyard in Jezreel next to the palace of Ahab king of Samaria.
2 ULB Niresaka tamin'i Nabota i Ahaba nanao hoe: "Omeo ahy ny tanim-boalobokao, mba ho zaridainana legiomako izany, satria akaikin'ny tranoko. Ho takalon'izany, homeko tanim-boaloboka tsaratsara kokoa ianao, na raha tianao, dia homeko vola sandan'izany ianao. BSB BSB: So Ahab said to Naboth, “Give me your vineyard to use as a vegetable garden, since it is next to my palace. I will give you a better vineyard in its place—or if you prefer, I will give you its value in silver.”
3 ULB Nabota namaly an'i Ahaba hoe: "Ho raràn'i Yaveh anie izay tokony lovan'ireo razambeko omeko anao." BSB BSB: But Naboth replied, “The LORD forbid that I should give you the inheritance of my fathers.”
4 ULB Ka dia nandeha tao amin'ny lapany tam-pahatezarana ary hasorenana i Ahaba nohon'ny valin-teny nomen'i Nabota ilay Jezerelita azy hoe: "Tsy homeko anao ny lovan'ireo razambeko." Nandry nitsilany teo am-pandriany izy, nanodina ny tavany, ary tsy nety nihinan-kanina izy. BSB BSB: So Ahab went to his palace, sullen and angry because Naboth the Jezreelite had told him, “I will not give you the inheritance of my fathers.” He lay down on his bed, turned his face away, and refused to eat.
5 ULB Jezebela vadiny nankao aminy ary nanao taminy hoe: "Nahoana no malahelo loatra ny fonao, izany ve no tsy hihinananao hanina?" BSB BSB: Soon his wife Jezebel came in and asked, “Why are you so sullen that you refuse to eat?”
6 ULB Namaly azy izy hoe: "Niresaka tamin'i Nabota ilay Jezirelita aho ary nanao taminy hoe: "Omeo ahy ny tanim-boalobokao atakaloko vola, na raha tianao dia homeko tanim-boaloboka hafa ho anao ianao.' Ary namaly ahy izy hoe: 'Tsy homeko anao ny tanim-boaloboko.'" BSB BSB: Ahab answered, “Because I spoke to Naboth the Jezreelite and told him, ‘Give me your vineyard for silver, or if you wish, I will give you another vineyard in its place.’ And he replied, ‘I will not give you my vineyard!’”
7 ULB Ary Jezebela vadiny namaly azy hoe: "Fa tsy mbola manapaka ny fanjakan'ny Israely ve moa ianao? Mitsangàna ary misakafoana; aoka ho faly ny fonao. Ho alaiko ho anao ny tanim-boalobok'i Nabota ilay Jezirelita." BSB BSB: But his wife Jezebel said to him, “Do you not reign over Israel? Get up, eat some food, and be cheerful, for I will get you the vineyard of Naboth the Jezreelite.”
8 ULB Ary Jezebela nanoratra taratasy amin'ny anaran'i Ahaba, notombohany tamin'ny tombo-kaseny izany, ary nalefany tany amin'ireo loholona sy ireo mpanan-karena izay nipetraka niaraka taminy tao amin'ny fihaonana, ary ireo izay nipetraka akaikin'i Nabota izany. BSB BSB: Then Jezebel wrote letters in Ahab’s name, sealed them with his seal, and sent them to the elders and nobles who lived with Naboth in his city.
9 ULB Nosoratany tao amin'ny taratasy hoe: "Manambarà fifadian-kanina ary apetraho ambonin'ny vahoaka i Nabota. BSB BSB: In the letters she wrote: “Proclaim a fast and give Naboth a seat of honor among the people.
10 ULB Mametraha ihany koa olona tsy marina roa miaraka aminy ka aoka izy ireo hiampanga azy hoe: 'Nanozona an'Andriamanitra sy ny mpanjaka ianao.'" Ary avoahy izy ka toraho vato ho faty. BSB BSB: But seat two scoundrels opposite him and have them testify, ‘You have cursed both God and the king!’ Then take him out and stone him to death.”
11 ULB Ka nanao izay nofariparitan'i Jezebela tamin'izy ireo, araka ny voasoratra ao amin'ny taratasy izay nalefany ho azy ireo ny lehilahin'ny tanànany, ireo loholona sy ny mpanankarena izay nipetraka tao amin'ny tanànan'i Nabota. BSB BSB: So the elders and nobles who lived in Naboth’s city did as Jezebel had instructed in the letters she had written to them.
12 ULB Nanambara fifadian-kanina sy nametraka an'i Nabota teo ambonin'ny vahoaka izy ireo. BSB BSB: They proclaimed a fast and gave Naboth a seat of honor among the people.
13 ULB Niditra ireo lehilahy tsy marina roa ary nipetraka teo anoloan'i Nabota; niampanga an'i Nabota teo amin'ny fanatrehan'ny vahoaka izy ireo, ka nanao hoe: "Nanozona an'Andriamanitra sy ny mpanjaka i Nabota." Ary dia nentin'izy ireo nivoaka ny tanana izy ka notoraham-bato ho faty. BSB BSB: And the two scoundrels came in and sat opposite Naboth, and these men testified against him before the people, saying, “Naboth has cursed both God and the king!” So they took him outside the city and stoned him to death.
14 ULB Avy eo ireo loholona dia nandefa teny tany amin'i Jezebela nanao hoe: "Notoraham-bato i Nabota ka maty." BSB BSB: Then they sent word to Jezebel: “Naboth has been stoned to death.”
15 ULB Ary rehefa ren'i Jezebela fa notoroham-bato i Nabota ka maty, dia hoy izy tamin'i Ahaba: "Mitsangàna ary alaivo ho fananana ny tanim-boalobok'i Nabota ilay Jezirelita, izay nandà ny hanome anao ny vola ho sandany, satria efa tsy velona intsony i Nabota, fa efa maty." BSB BSB: When Jezebel heard that Naboth had been stoned to death, she said to Ahab, “Get up and take possession of the vineyard of Naboth the Jezreelite, who refused to give it to you for silver. For Naboth is no longer alive, but dead.”
16 ULB Rehefa ren'i Ahaba fa maty i Nabota, dia nitsangana izy ary nidina tany amin'ny tanim-boalobok'i Nabota ilay Jezirelita ary naka izany ho fananana. BSB BSB: And when Ahab heard that Naboth was dead, he got up and went down to take possession of the vineyard of Naboth the Jezreelite.
17 ULB Ary tonga tamin'i Elia ilay Tisbita ny tenin'i Yaveh manao hoe: BSB BSB: Then the word of the LORD came to Elijah the Tishbite, saying,
18 ULB "Mitsangàna ary mandehana mihaona amin'i Ahaba mpanjakan'Israely, izay mipetraka any Samaria. Ao amin'ny tanim-boalobok'i Nabota izy, any amin'izay nandehanany mba ho alainy ho fananana. BSB BSB: “Get up and go down to meet Ahab king of Israel, who is in Samaria. See, he is in the vineyard of Naboth, where he has gone to take possession of it.
19 ULB Tsy maintsy miresaka aminy ianao ary lazao hoe izao no lazain'i Yaveh: 'Sady efa namono ve ianao no mbola naka ho fananao ihany koa?' Ary holazainao azy hoe izao no lazain'Yaveh: "Eo amin'ny toerana izay nilelafan'ny amboa ny ràn'i Nabota, no hilelafan'ny amboa ny rànao koa, eny, ny rànao.'" BSB BSB: Tell him that this is what the LORD says: ‘Have you not murdered a man and seized his land?’ Then tell him that this is also what the LORD says: ‘In the place where the dogs licked up the blood of Naboth, there also the dogs will lick up your blood—yes, yours!’”
20 ULB Hoy i Ahaba tamin'i Elia: "Efa nahita ahy ve ianao, ry fahavaloko?" dia namaly i Elia hoe: 'Efa hitako ianao, satria efa nivarotra ny tenanao mba hanao izay ratsy eo imason'i Yaveh ianao. BSB BSB: When Elijah arrived, Ahab said to him, “So you have found me out, my enemy.” He replied, “I have found you out because you have sold yourself to do evil in the sight of the LORD.
21 ULB Izao no lazain'Yaveh aminao: 'Indro, hitondra loza eo aminao sy hanimba tanteraka ary hamongotra eo aminao ny zanaka lahy rehetra sy ny andevo ary ny lehilahy afaka ao Israely Aho. BSB BSB: This is what the LORD says: ‘I will bring calamity on you and consume your descendants; I will cut off from Ahab every male in Israel, both slave and free.
22 ULB Hataoko tahaka ny fianakavian'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata ny fianakavianao, ary tahaka ny fianakavian'i Basa zanaka lahin'i Ahia, satria nihantsy Ahy tamin'ny fahatezarana ary nitondra an'ny Israely hanota ianao.' BSB BSB: I will make your house like that of Jeroboam son of Nebat and like that of Baasha son of Ahijah, because you have provoked My anger and caused Israel to sin.’
23 ULB Yaveh ihany koa dia niresaka momban'i Jezebela hoe: 'Hihinana an'i Jezebela eo akaikin'ny mandan'i Jezirela ny amboa.' BSB BSB: And the LORD also speaks concerning Jezebel: ‘The dogs will devour Jezebel by the wall of Jezreel.’
24 ULB Izay an'i Ahaba rehetra ka maty tao an-tanàna, dia hohanin'ny amboa; ary ireo vorona eny amin'ny lanitra hihinana ireo rehetra izay maty eny an-tsaha." BSB BSB: Anyone belonging to Ahab who dies in the city will be eaten by dogs, and anyone who dies in the field will be eaten by the birds of the air.”
25 ULB Tsy nisy olona tahaka an'i Ahaba, izay nivarotra ny tenany mba hanao izay ratsy eo imason'i Yaveh, izay namporisihan'i Jezebela vadiny hanota. BSB BSB: (Surely there was never one like Ahab, who sold himself to do evil in the sight of the LORD, incited by his wife Jezebel.
26 ULB Nanao asa vetaveta ho an'ny sampy arahiny i Ahaba, tahaka izay rehetra efa nataon'ireo Hamorita, ireo izay nesorin'i Yaveh teo anatrehan'ny olon'ny Israely. BSB BSB: He committed the most detestable acts by going after idols, just like the Amorites whom the LORD had driven out before the Israelites.)
27 ULB Rehefa ren'i Ahaba ireo teny ireo, dia nandriatra ny akanjony izy ary nanao akanjo fisaonana ka nifady hanina, ary nandry tamin'ny akanjo fisaonana sy tena nalahelo mafy. BSB BSB: When Ahab heard these words, he tore his clothes, put on sackcloth, and fasted. He lay down in sackcloth and walked around meekly.
28 ULB Ary tonga tamin'i Elia ilay Tisbita ny tenin'i Yaveh hoe: BSB BSB: Then the word of the LORD came to Elijah the Tishbite, saying:
29 ULB "Hitanao ve ny fanetren-tenan'i Ahaba eto anatrehako? Satria manetry ny tenany eto anatrehako izy, dia tsy hitondra ny loza efa ho avy amin'ireo androny Aho; amin'ny andron'ny zanany lahy no hitondrako loza eo amin'ny fianakaviany." BSB BSB: “Have you seen how Ahab has humbled himself before Me? Because he has humbled himself before Me, I will not bring the calamity during his days, but I will bring it upon his house in the days of his son.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.