1 ULB Nandritra ny telo taona lasa dia tsy nisy ady teo amin'i Arama sy i Israely. BSB BSB: Then three years passed without war between Aram and Israel.
2 ULB Ary tamin'ny taona fahatelo, dia nidina tany amin'ny mpanjakan'i Israely i Josafata mpanjakan'i Joda. BSB BSB: However, in the third year, Jehoshaphat king of Judah went down to visit the king of Israel,
3 ULB Ary ny mpanjakan'i Israely dia efa niteny tamin'ny mpanompony hoe: "Mba fantatrareo ve fa Ramota-gileada dia antsika, saingy tsy manao na inona na inona isika mba hakana izany eo an-tanan'i mpanjakan'i Arama?" BSB BSB: who said to his servants, “Do you not know that Ramoth-gilead is ours, but we have failed to take it from the hand of the king of Aram?”
4 ULB Dia hoy izy tamin'i Josafata: "Hiaraka amiko hiady any Ramota-gileada ve ianao?" Josafata namaly ny mpanjakan'i Israely hoe: "Izaho dia tahaka anao, ny vahoakako dia tahaka ny vahoakanao, ary ireo soavaliko dia tahaka ireo soavalinao." BSB BSB: So he asked Jehoshaphat, “Will you go with me to fight against Ramoth-gilead?” Jehoshaphat answered the king of Israel, “I am as you are, my people are your people, and my horses are your horses.”
5 ULB Hoy i Josafata tamin'ny mpanjakan'Israely hoe: "Mitadiava re tari-dalana avy amin'ny tenin'i Yaveh ny amin'izay tokony hataonao voalohany." BSB BSB: But Jehoshaphat also said to the king of Israel, “Please inquire first for the word of the LORD.”
6 ULB Dia nampivory ireo mpaminany niaraka ny mpanjakan'Israely, lehilahy efajato, ary teneno izy ireo hoe: "Tokony ho any Ramota-gileada ve aho mba hiady, sa tsy tokony?" Dia hoy izy ireo hoe: "Manafiha, fa ny Tompo hanome izany ho eo an-tanan'ny mpanjaka." BSB BSB: So the king of Israel assembled the prophets, about four hundred men, and asked them, “Should I go to war against Ramoth-gilead, or should I refrain?” “Go up,” they replied, “and the Lord will deliver it into the hand of the king.”
7 ULB Fa hoy i Josafata hoe: "Tsy misy mpaminanin'Andriamanitra hafa izay mety hahazoantsika hevitra intsony ve eto?" BSB BSB: But Jehoshaphat asked, “Is there not still a prophet of the LORD here of whom we can inquire?”
8 ULB Dia hoy ny mpanjakan'Israely tamin'i Josafata hoe: "Mbola misy lehilahy iray izay mety hahazoantsika hevitra avy amin'i Yaveh mba ho fanampiana, Mikaia zanaka lahin'i Jimia, saingy halako izy satria tsy mba maminany zavatra tsara mahakasika ahy, fa loza ihany." Fa hoy i Josafata hoe: "Tsy hiteny izany anie ny mpanjaka." BSB BSB: The king of Israel answered, “There is still one man through whom we can inquire of the LORD, but I hate him because he never prophesies anything good for me, but only bad. He is Micaiah son of Imlah.” “The king should not say that!” Jehoshaphat replied.
9 ULB Dia niantso manam-pahefana iray ny mpanjakan'i Israely ary nanome baiko hoe: "Ento aty i Mikaia zanaka lahin'i Imla, izao dia izao." BSB BSB: So the king of Israel called one of his officials and said, “Bring Micaiah son of Imlah at once.”
10 ULB Ary i Ahaba mpanjakan'Israely sy i Josafata mpanjakan'i Joda dia samy nipetraka tamin'ny seza fiandrianana avy, niakanjo ny akanjon'izy ireo, teo amin'ny toerana malalaka teo amin'ny fidiran'ny vavahadin'i Samaria, ary ireo mpaminany rehetra dia naminany teo alohan'izy ireo. BSB BSB: Dressed in royal attire, the king of Israel and Jehoshaphat king of Judah were sitting on their thrones at the threshing floor by the entrance of the gate of Samaria, with all the prophets prophesying before them.
11 ULB Zedekia zanaka lahin'i Kenana tenany dia nanao tandroka vy ary niteny hoe: "Izao no voalazan'i Yaveh: 'Amin'ireto no hanotoanao ny Syriana mandra-paharingany.'" BSB BSB: Now Zedekiah son of Chenaanah had made for himself iron horns and declared, “This is what the LORD says: ‘With these you shall gore the Arameans until they are finished off.’”
12 ULB Ary ny mpaminany rehetra naminany nitovy, nanao hoe: "Tafiho Ramota-gileada ka mahazoa fandresena, fa i Yaveh efa nanolotra azy ho eo an-tanan'ny mpanjaka." BSB BSB: And all the prophets were prophesying the same, saying, “Go up to Ramoth-gilead and triumph, for the LORD will deliver it into the hand of the king.”
13 ULB Ny mpitondra hafatra izay nandeha niantso an'i Mikaia niteny taminy, nanao hoe: "Indro ankehitriny, ny tenin'ireo mpaminany dia manambara zavatra tsara ho an'ny mpanjaka tamin'ny vava iray. Aoka re ny teninao mba ho tahaka ny iray amin'ireo ary milaza zavatra tsara." BSB BSB: Then the messenger who had gone to call Micaiah instructed him, “Behold now, with one accord the words of the prophets are favorable to the king. So please let your words be like theirs, and speak favorably.”
14 ULB Dia namaly Mikaia hoe: "Raha mbola velona koa i Yaveh, dia izay lazain'i Yaveh amiko no ho lazaiko." BSB BSB: But Micaiah said, “As surely as the LORD lives, I will speak whatever the LORD tells me.”
15 ULB Rehefa tonga teo amin'ny mpanjaka izy, dia hoy ny mpanjaka taminy hoe: "Ry Mikaia, tokony handeha hiady any Ramota-Gileada ve izahay, sa tsia?" Mikaia namaly azy hoe: "Manafiha ka mandrese. Hanolotra azy ho eo an-tanan'ny mpanjaka i Yaveh." BSB BSB: When Micaiah arrived, the king asked him, “Micaiah, should we go to war against Ramoth-gilead, or should we refrain?” “Go up and triumph,” Micaiah replied, “for the LORD will deliver it into the hand of the king.”
16 ULB Ary hoy ny mpanjaka taminy hoe: "Impiry moa aho no nila anao hianiaiana mba tsy hiteny na inona na inona amiko amin'ny anaran'i Yaveh afa-tsy ny marina ihany?" BSB BSB: But the king said to him, “How many times must I make you swear not to tell me anything but the truth in the name of the LORD?”
17 ULB Dia hoy i Mikaia hoe: "Hitako niely teny an-tendrombohitra ny Israely rehetra, tahaka ny ondry tsy misy mpiandry, ary Yaveh nanao hoe: 'Tsy manana mpiandry ireo. Aoka ny lehilahy tsirairay hody soa aman-tsara any an-tranony.'" BSB BSB: So Micaiah declared: “I saw all Israel scattered on the hills like sheep without a shepherd. And the LORD said, ‘These people have no master; let each one return home in peace.’”
18 ULB Dia hoy ny mpanjakan'Israely tamin'i Josafata hoe: "Tsy efa niteny taminao ve aho fa tsy mety maminany zavatra tsara mahakasika ahy izy, fa loza ihany?" BSB BSB: Then the king of Israel said to Jehoshaphat, “Did I not tell you that he never prophesies good for me, but only bad?”
19 ULB Dia hoy Mikaia hoe: "Noho izany henoy ny tenin'i Yaveh: nahita an'i Yaveh nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany aho, ary ireo miaramilan'ny lanitra rehetra dia nijoro teo akaikiny teo an-kavanany sy teo an-kaviany. BSB BSB: Micaiah continued, “Therefore hear the word of the LORD: I saw the LORD sitting on His throne, and all the host of heaven standing by Him on His right and on His left.
20 ULB Hoy i Yaveh hoe: "Iza no hitaona an'i Ahaba, mba hiakatra izy ka ho lavo any Ramota-gileada?' Ny iray tamin'izy ireo niteny izao ary ny iray hafa niteny izao. BSB BSB: And the LORD said, ‘Who will entice Ahab to march up and fall at Ramoth-gilead?’ And one suggested this, and another that.
21 ULB Avy eo dia nisy fanahy iray nandroso, nijoro teo anoloan'i Yaveh, ka nanao hoe: 'Izaho no hitaona azy.' Dia hoy Yaveh taminy hoe: 'Amin'ny fomba ahoana?' BSB BSB: Then a spirit came forward, stood before the LORD, and said, ‘I will entice him.’ ‘By what means?’ asked the LORD.
22 ULB Dia namaly ilay fanahy hoe: 'Hivoaka aho ary ho fanahy mandainga eo am-bavan'ireo mpaminaniny rehetra.' Yaveh namaly hoe: 'Hahataona azy ianao, ary hahomby ihany koa. Koa mandehana ary ataovy izany.' BSB BSB: And he replied, ‘I will go out and be a lying spirit in the mouths of all his prophets.’ ‘You will surely entice him and prevail,’ said the LORD. ‘Go and do it.’
23 ULB Dia indro, Yaveh nametraka fanahy mandainga teo am-bavan'ireo mpaminaninao rehetra ireo, ary Yaveh efa nilaza loza ho anao." BSB BSB: So you see, the LORD has put a lying spirit in the mouths of all these prophets of yours, and the LORD has pronounced disaster against you.”
24 ULB Ary Zedekia zanaka lahin'i Kenana, niakatra, namelaka ny takolak'i Mikaia, sady nanao hoe: "Taiza no lalan'ny fanahin'i Yaveh niala tamiko mba hiteny aminao?" BSB BSB: Then Zedekiah son of Chenaanah went up, struck Micaiah in the face, and demanded, “Which way did the Spirit of the LORD go when He departed from me to speak with you?”
25 ULB Dia hoy i Mikaia hoe: "Indro, ho fantatrao izany amin'izany andro izany, rehefa miditra ny efitra anatiny mba hiafina ianao." BSB BSB: Micaiah replied, “You will soon see, on that day when you go and hide in an inner room.”
26 ULB Hoy ny mpanjakan'Israely tamin'ny mpanompony hoe: "Sambory Mikaia ary ento any amin'i Amona, ilay governoran'ny tanàna, ary any amin'i Joasy, zanako lahy. BSB BSB: And the king of Israel declared, “Take Micaiah and return him to Amon the governor of the city and to Joash the king’s son,
27 ULB Lazao izy hoe: 'Ampidiro am-ponja ity lehilahy ity hoy ny mpanjaka, ary fahano mofo kely sy rano kely fotsiny izy, mandra-pahatongako soa aman-tsara. BSB BSB: and tell them that this is what the king says: ‘Put this man in prison and feed him only bread and water until I return safely.’”
28 ULB Ary hoy i Mikaia hoe: "Raha tahiany ka tafaverina soa aman-tsara ianao, dia tsy nampitenenin'i Yaveh aho tsy akory." Ary nampiany hoe: "Henoy izany, ry vahoaka rehetra." BSB BSB: But Micaiah replied, “If you ever return safely, the LORD has not spoken through me.” Then he added, “Take heed, all you people!”
29 ULB Dia niakatra ho any Ramota-gileada i Ahaba, mpanjakan'Israely, sy Josafata, mpanjakan'i Joda. BSB BSB: So the king of Israel and Jehoshaphat king of Judah went up to Ramoth-gilead.
30 ULB Ny mpanjakan'i Israely niteny tamin'i Josafata hoe: "Hody olon-kafa aho ary hirotsaka ao anaty ady, fa ianao kosa hanao ny akanjon'ny mpanjaka ihany." Dia nody ho olon-kafa ny mpanjakan'Israely ka nirotsaka tany anaty ady. BSB BSB: And the king of Israel said to Jehoshaphat, “I will disguise myself and go into battle, but you wear your royal robes.” So the king of Israel disguised himself and went into battle.
31 ULB Dia nandidy ny kapitenin'ny kalesiny roa amby telopolo ny mpanjakan'i Syria, nanao hoe: "Aza manafika ny miaramila kely na ny lehibe. Fa ny mpanjakan'i Israely ihany no tafiho." BSB BSB: Now the king of Aram had ordered his thirty-two chariot commanders, “Do not fight with anyone, small or great, except the king of Israel.”
32 ULB Ary rehefa nahita an'i Josafata ireo kapitenin'ny kalesy dia nanao hoe: "Iny tokoa no mpanjakan'Israely." Nihodina izy ireo mba hamely azy, ka niantsoantso mafy i Josafata. BSB BSB: When the chariot commanders saw Jehoshaphat, they said, “Surely this is the king of Israel!” So they turned to fight against him, but Jehoshaphat cried out.
33 ULB Ary rehefa hitan'ireo mpifehy ny kalesy fa tsy iny no mpanjakan'i Israely, dia niverina tamin'ny fanenjehana azy izy ireo. BSB BSB: And when the chariot commanders saw that he was not the king of Israel, they turned back from pursuing him.
34 ULB Fa nisy lehilahy iray nandefa ny zana-tsipìkany kitoatoa ary nahavoa ny mpanjakan'i Israely teo anelanelan'ireo fiarovan-tratrany. Ary i Ahaba niteny tamin'ny mpamily ny kalesiny hoe: "Mihodìna ka ento mivoaka ny ady aho, fa naratra mafy aho." BSB BSB: However, a certain man drew his bow without taking special aim, and he struck the king of Israel between the joints of his armor. So the king said to his charioteer, “Turn around and take me out of the battle, for I am badly wounded!”
35 ULB Nihamafy ny ady tamin'izany andro izany ary ny mpanjaka dia notohanana hitsangana tao amin'ny kalesiny nanatrika ny Syriana. Maty izy nony hariva. Nijininika avy teo amin'ny ratrany ka hatrany amin'ny vodi-kalesy ny rà. BSB BSB: The battle raged throughout that day, and the king was propped up in his chariot facing the Arameans. And the blood from his wound ran out onto the floor of the chariot, and that evening he died.
36 ULB Ary nony efa hilentika ny masoandro, dia nisy antsoantso mafy nanerana ny tafika, nanao hoe: "Samia mody any amin'ny tanànany avy ny lehilahy rehetra; ary samia mody any amin'ny faritaniny avy ny lehilahy rehetra!" BSB BSB: As the sun was setting, the cry rang out in the army: “Every man to his own city, and every man to his own land!”
37 ULB Dia maty i Ahaba mpanjaka ary nentina tany Samaria, ka nalevin'izy ireo tao Samaria izy. BSB BSB: So the king died and was brought to Samaria, where they buried him.
38 ULB Nosasan'izy ireo teo amin'ny farihin'i Samaria ny kalesy, ary nolelafin'ny amboa ny ràny (teo no fandron'ireo vehivavy janga), araka izay efa nambaran'ny tenin'i Yaveh. BSB BSB: And the chariot was washed at the pool of Samaria where the prostitutes bathed, and the dogs licked up Ahab’s blood, according to the word that the LORD had spoken.
40 ULB Ary nodimandry tany amin'ireo razambeny i Ahaba, ka i Ahazia zanany lahy no lasa mpanjaka nandimby ny toerany. BSB BSB: And Ahab rested with his fathers, and his son Ahaziah reigned in his place.
41 ULB Ary i Josafata zanaka lahin'i Asa nanomboka nanjaka nanerana an'i Joda tamin'ny taona faha-efatra nanjakan'i Ahaba mpanjakan'Israely. BSB BSB: In the fourth year of Ahab’s reign over Israel, Jehoshaphat son of Asa became king of Judah.
42 ULB Dimy amby telopolo taona i Josafata no nanomboka nanjaka, ary nanjaka tao Jerosalema nandritra ny dimy amby roapolo taona izy. Azoba no anaran-dreniny, ilay zanaka vavin'i Sily. BSB BSB: Jehoshaphat was thirty-five years old when he became king, and he reigned in Jerusalem twenty-five years. His mother’s name was Azubah daughter of Shilhi.
43 ULB Nanaraka ny fomban'i Asa rainy izy; tsy niala tamin'ireo izy; nanao izay marina teo imason'i Yaveh izy. Kanefa ny toerana avo dia tsy mba noravàna. Fa ny vahoaka mbola nanao sorona sy nandoro ditin-kazo manitra teo amin'ireo toerana avo ihany. BSB BSB: And Jehoshaphat walked in all the ways of his father Asa; he did not turn away from them, but did what was right in the eyes of the LORD. The high places, however, were not removed; the people still sacrificed and burned incense on the high places.
44 ULB Ary i Josafata nihavana tamin'ny mpanjakan'i Israely. BSB BSB: Jehoshaphat also made peace with the king of Israel.
45 ULB Ary ny raharaha hafa mahakasika an'i Josafata, sy ny hery izay nasehony, ary ny fomba niadiany, moa ve ireo tsy efa voasoratra ao anatin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'i Joda? BSB BSB: As for the rest of the acts of Jehoshaphat, along with the might he exercised and how he waged war, are they not written in the Book of the Chronicles of the Kings of Judah?
46 ULB Nesoriny teo amin'ny tany ireo sisa tavela tamin'ny olona nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy izay mbola tamin'ny andron'i Asa rainy. BSB BSB: He banished from the land the male shrine prostitutes who remained from the days of his father Asa.
47 ULB Tsy nisy mpanjaka tao Edoma, fa olona voatendry no nitondra tao. BSB BSB: And there was no king in Edom; a deputy served as king.
48 ULB Josafata nanao sambo fitaterana an-dranomasina; nandeha nankany Ofira izy ireo haka volamena, kanefa tsy lasa satria nikatso tao Ezion-gebera ireo sambo. BSB BSB: Jehoshaphat built ships of Tarshish to go to Ophir for gold, but they never set sail, because they were wrecked at Ezion-geber.
49 ULB Dia hoy Ahazia zanaka lahin'i Ahaba tamin'i Josafata hoe: "Aoka mba hiara-hiantsambo amin'ny mpanomponao ny mpanompoko." Fa i Josafata tsy namela izany. BSB BSB: At that time Ahaziah son of Ahab said to Jehoshaphat, “Let my servants sail with your servants,” but Jehoshaphat refused.
50 ULB Nodimandry tany amin'ireo razambeny i Josafata ary nalevina niaraka tamin'izy ireo tao an-tanànan'i Davida, razambeny; ary Jerohama zanany lahy no lasa mpanjaka nandimby ny toerany. BSB BSB: And Jehoshaphat rested with his fathers and was buried with them in the city of his father David. And his son Jehoram reigned in his place.
51 ULB Ahazia zanaka lahin'i Ahaba dia nanomboka nanjaka nanerana an'Israely tany Samaria tamin'ny taona faha-fito ambin'ny folo nanjakan'i Josafata mpanjakan'i Joda, ary nanjaka roa taona teo amin'i Israely izy. BSB BSB: In the seventeenth year of Jehoshaphat’s reign over Judah, Ahaziah son of Ahab became king of Israel, and he reigned in Samaria two years.
52 ULB Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy ary nanaraka ny fomban'ny rainy, tamin'ny fomban'ny reniny, ary tamin'ny fomban'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata, izay nitarihany ny Israely hanota. BSB BSB: And he did evil in the sight of the LORD and walked in the ways of his father and mother and of Jeroboam son of Nebat, who had caused Israel to sin.
53 ULB Nanompo an'i Bala sy nivavaka taminy izy ary nanao izay nahatezitra an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, tahaka ny efa nataon-drainy ihany. BSB BSB: Ahaziah served and worshiped Baal, provoking the LORD, the God of Israel, to anger, just as his father had done.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.