1 ULB Taorian'ny nahafatesan'i Ahaba dia nikomy hanohitra an'Israely i Moaba. BSB BSB: After the death of Ahab, Moab rebelled against Israel.
2 ULB Dia nikarapoka teo amin'ny makarakara tao amin'ny efitranony ambony tao Samaria i Ahazia, ary naratra. Ka nalefany ireo mpitondra ny hafany ary hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Mandehana, manontania an'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, raha ho sitrana amin'ity ratrako ity aho." BSB BSB: Now Ahaziah had fallen through the lattice of his upper room in Samaria and injured himself. So he sent messengers and instructed them: “Go inquire of Baal-zebub, the god of Ekron, whether I will recover from this injury.”
3 ULB Fa ny anjelin'i Yaveh nilaza tamin'i Elia Tisbita hoe: "Miaingà, miakara hihaona amin'ireo mpitondra ny hafatry ny mpanjakan'i Samaria, ary anontanio amin'izy ireo hoe: 'Satria ve tsy misy Andriamanitra ao Israely no handeha haka hevitra any amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona ianao? BSB BSB: But the angel of the LORD said to Elijah the Tishbite, “Go up to meet the messengers of the king of Samaria and ask them, ‘Is it because there is no God in Israel that you are on your way to inquire of Baal-zebub, the god of Ekron?’
4 ULB Noho izany dia hoy i Yaveh hoe: "Tsy hidina avy eo amin'ny fandrianao izay efa niakaranao ianao; fa kosa, ho faty tokoa ianao."" Avy eo dia lasa i Elia. BSB BSB: Therefore this is what the LORD says: ‘You will not get up from the bed on which you are lying. You will surely die.’” So Elijah departed.
5 ULB Rehefa niverina tany amin'i Ahazia ireo mpitondra hafatra, dia hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Fa ahoana no niverina ianareo?" BSB BSB: When the messengers returned to the king, he asked them, “Why have you returned?”
6 ULB Hoy izy ireo taminy: "Nisy lehilahy iray nihaona taminay nilaza hoe: 'Miverena any amin'ny mpanjaka izay nandefa anareo, ary lazao azy hoe: "Izao no lazain'i Yaveh: 'Satria ve tsy misy Andriamanitra ao Israely no nandefa ny olonao haka hevitra any amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona ianao? Ka noho izany dia tsy hidina avy eo amin'ny fandrinao izay efa niakaranao ianao; fa kosa, ho faty tokoa ianao.""' BSB BSB: They replied, “A man came up to meet us and said, ‘Go back to the king who sent you and tell him that this is what the LORD says: Is it because there is no God in Israel that you are sending these men to inquire of Baal-zebub, the god of Ekron? Therefore you will not get up from the bed on which you are lying. You will surely die.’”
7 ULB Ahazia niteny tamin'ireo mpandefa ny hafany hoe: "Lehilahy tahaka ny ahoana, izany olona nihaona taminareo ary nilaza ireo teny ireo izany?" BSB BSB: The king asked them, “What sort of man came up to meet you and spoke these words to you?”
8 ULB Izy ireo namaly azy hoe: "Nitafy akanjo vita amin'ny volo izy ary fehin-kibo hoditra teo amin'ny andilany." Ary ny mpanjaka namaly hoe: "Elia Tisbita izany." BSB BSB: “He was a hairy man,” they answered, “with a leather belt around his waist.” “It was Elijah the Tishbite,” said the king.
9 ULB Ary nandefa kapiteny miaraka amin'ny miaramila dimampolo ho any amin'i Elia ny mpanjaka. Niakatra tany amin'i Elia izay nipetraka tany an-tampon-kavoana ilay kapiteny. Hoy ilay kapiteny taminy hoe: "Ianao, ry lehilahin'Andriamanitra, nilaza ny mpanjaka hoe: 'Midìna."' BSB BSB: Then King Ahaziah sent to Elijah a captain with his company of fifty men. So the captain went up to Elijah, who was sitting on top of a hill, and said to him, “Man of God, the king declares, ‘Come down!’”
10 ULB Elia namaly ary nilaza tamin'ilay kapiteny hoe: "Raha lehilahin'Andriamanitra aho, aoka hilatsaka avy eny amin'ny lanitra ny afo ary handevona anao sy ireo dimampolo lahinao." Dia nilatsaka avy teny amin'ny lanitra ny afo ary nandevona azy sy ireo dimampolo lahiny. BSB BSB: Elijah answered the captain, “If I am a man of God, may fire come down from heaven and consume you and your fifty men.” And fire came down from heaven and consumed the captain and his fifty men.
11 ULB Nandefa kapiteny hafa indray niaraka tamin'ireo miaramila dimampolo ho any amin'i Elia i Ahazia mpanjaka. Hoy koa izany kapiteny izany tamin'i Elia hoe: "Ianao, ry lehilahin'Andriamanitra, nilaza ny mpanjaka hoe: 'Midìna faingana."' BSB BSB: So the king sent to Elijah another captain with his fifty men. And the captain said to Elijah, “Man of God, the king declares, ‘Come down at once!’”
12 ULB Elia namaly ary nilaza tamin'izy ireo hoe: "Raha lehilahin'Andriamanitra aho, aoka hilatsaka avy eny amin'ny lanitra ny afo ary handevona anao sy ireo dimampolo lahinao." Dia nilatsaka avy teny amin'ny lanitra indray ny afon'Andriamanitra ary nandevona azy sy ireo dimam-polo lahiny. BSB BSB: Again Elijah replied, “If I am a man of God, may fire come down from heaven and consume you and your fifty men.” And the fire of God came down from heaven and consumed the captain and his fifty men.
13 ULB Mbola nandefa vondrona mpiady dimampolo fanintelony indray ny mpanjaka. Niakatra io kapiteny io, nandohalika teo anoloan'ny Elia izy, ary niangavy azy sy nilaza taminy hoe: "Ianao, ry lehilahin'Andriamanitra, mangataka aminao aho, aoka ho sarobidy eo imasonao ny aiko sy ny ain'ireto mpanomponao dimampolo ireto. BSB BSB: So the king sent a third captain with his fifty men. And the third captain went up, fell on his knees before Elijah, and begged him, “Man of God, may my life and the lives of these fifty servants of yours please be precious in your sight.
14 ULB Eny tokoa, nilatsaka avy eny amin'ny lanitra ny afo ary nandevina ireo kapiteny anankiroa voalohany mbamin'ireo lehilahiny, fa ankehitriny aoka ho sarobidy eo imasonao ny aiko." BSB BSB: Behold, fire has come down from heaven and consumed the first two captains of fifty, with all their men. But now may my life be precious in your sight.”
15 ULB Ary ny anjelin'i Yaveh nilaza tamin'i Elia hoe: "Midìna miaraka aminy. Aza matahotra azy." Ka nitsangana Elia ary nidina niaraka taminy ho any amin'ny mpanjaka. BSB BSB: Then the angel of the LORD said to Elijah, “Go down with him. Do not be afraid of him.” So Elijah got up and went down with him to the king.
16 ULB Taoriana kelin'izany dia hoy Elia tamin'i Ahazia hoe: "Izao no nolazain'i Yaveh: 'Efa nandefa mpitondra hafatra haka hevitra tany amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona ianao. Satria ve tsy misy Andriamanintra ao Israely izay afaka angatahinao fampahafantarana? Koa ankehitriny, tsy hidina avy eo amin'ny fandriana izay niakaranao ianao; fa ho faty tokoa ianao."' BSB BSB: And Elijah said to King Ahaziah, “This is what the LORD says: Is there really no God in Israel for you to inquire of His word? Is that why you have sent messengers to inquire of Baal-zebub, the god of Ekron? Therefore you will not get up from the bed on which you are lying. You will surely die.”
17 ULB Dia maty araka ny tenin'i Yaveh izay nolazain'i Elia i Ahazia mpanjaka. Jorama no nanomboka nanjaka teo amin'ny toerany, tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Jehorama zanak'i Josafata mpanjakan'i Joda, satria tsy nanan-janaka i Ahazia. BSB BSB: So Ahaziah died according to the word of the LORD that Elijah had spoken. And since he had no son, Jehoram succeeded him in the second year of the reign of Jehoram son of Jehoshaphat over Judah.
18 ULB Ary ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Ahazia, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'Israely ve izany? BSB BSB: As for the rest of the acts of Ahaziah, along with his accomplishments, are they not written in the Book of the Chronicles of the Kings of Israel?
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.