1 ULB Mpanjaka teo amin'Israely rehetra i Solomona Mpanjaka. BSB BSB: So King Solomon ruled over Israel,
2 ULB Ireto ireo manam-pahefany: Azaria zanak'i Zadoka no mpisorona. BSB BSB: and these were his chief officials: Azariah son of Zadok was the priest;
3 ULB Elihorefa sy Ahia zanak'i Sisa, no mpitan-tsoratra. Josafata zanak'i Ahiloda no mpitam-boky. BSB BSB: Elihoreph and Ahijah, the sons of Shisha, were secretaries; Jehoshaphat son of Ahilud was the recorder;
4 ULB Benaia zanak'i Joiada no nisahana ny tafika. Zadoka sy Abiatara no mpisorona. BSB BSB: Benaiah son of Jehoiada was in charge of the army; Zadok and Abiathar were priests;
5 ULB Azaria zanak'i Natana no nifehy ireo manam-pahefana. Zaboda zanak'i Natana dia mpisorona sy naman'ny mpanjaka. BSB BSB: Azariah son of Nathan was in charge of the governors; Zabud son of Nathan was a priest and adviser to the king;
6 ULB Ahisara no nifehy ny tokan-trano. Adonirama zanak'i Abda dia teo amin'ireo olona izay no nifehy ireo mpanao asa an-terivozona. BSB BSB: Ahishar was in charge of the palace; and Adoniram son of Abda was in charge of the forced labor.
7 ULB Nanana manam-pahefana roa ambin'ny folo i Solomona manerana an'Israely rehetra, izay niantoka ny sakafo ho an'ny mpanjaka sy ny ankohonany. Ny lehilahy tsirairay avy dia niantoka ny tahirin-tsakafo mandritra ny iray volana ao anatin'ny taona. BSB BSB: Solomon had twelve governors over all Israel to provide food for the king and his household. Each one would arrange provisions for one month of the year,
8 ULB Ireto avy ny anarany: BSB BSB: and these were their names: Ben-hur in the hill country of Ephraim;
9 ULB Beni-hora, avy any an-tany havoan'Efraima; Beni-dakera tao Makaza, Salbima, Beti-semesy, sy Elon-beti-hanana; BSB BSB: Ben-deker in Makaz, in Shaalbim, in Beth-shemesh, and in Elon-beth-hanan;
10 ULB Beni-haseda, tao Arobota (Azy i Soko sy ny tany rehetra tao Hefera); BSB BSB: Ben-hesed in Arubboth (Socoh and all the land of Hepher belonged to him);
11 ULB Beni-Abinadaba, teo amin'ny distrikan'i Dora rehetra (Tafata zanaka vavin'i Solomona no vadiny); BSB BSB: Ben-abinadab in Naphath-dor (Taphath, a daughter of Solomon, was his wife);
12 ULB Bana zanak'i Ahiloda, tao Tanaka sy Megido, sy Beti-sana rehetra izay teo akaikin'i Zaretana ambanin'i Jezirela, avy eo Beti-sana ka hatrany Abela-mehola lavitry ny rivon'i Jokneama; BSB BSB: Baana son of Ahilud in Taanach, in Megiddo, and in all of Beth-shean next to Zarethan below Jezreel, from Beth-shean to Abel-meholah and on past Jokmeam;
13 ULB Beni-gabera tao Ramota-gileada (Azy ny tananan'i Jaïra zanak'i Manase, izay tao Gileada, ary ny faritr'Argoba dia azy, izay tany Basana, tanàna lehibe enimpolo misy rindrina sy hidim-baravarana varahina); BSB BSB: Ben-geber in Ramoth-gilead (the villages of Jair son of Manasseh in Gilead belonged to him, as well as the region of Argob in Bashan with its sixty great cities with walls and bronze bars);
14 ULB Ahinadaba zanak'i Ido, tao Mahanaima; BSB BSB: Ahinadab son of Iddo in Mahanaim;
15 ULB Ahimaza, tao Naftaly (novadiany ihany koa i Basemata zanaka vavin'i Solomona); BSB BSB: Ahimaaz in Naphtali (he had married Basemath, a daughter of Solomon);
16 ULB Bana zanak'i Hosay, tao Asera sy Bealota; BSB BSB: Baana son of Hushai in Asher and in Aloth;
17 ULB Josafata zanak'i Paroa, tao Isakara; BSB BSB: Jehoshaphat son of Paruah in Issachar;
18 ULB Simey zanak'i Ela, tao Benjamina; BSB BSB: Shimei son of Ela in Benjamin;
19 ULB ary Gabera zanak'i Ory, any amin'ny tanin'i Gileada, tanànan'i Sihona mpanjakan'ny Amorita sy Oga mpanjakan'i Basana, ary izy irery no manam-pahefana izay tao amin'ny tany. BSB BSB: Geber son of Uri in the land of Gilead, including the territories of Sihon king of the Amorites and of Og king of Bashan. There was also one governor in the land of Judah.
20 ULB Joda sy Israely dia maro toy ny fasika amoron-dranomasina. Nihinana sy nisotro izy ireo ary faly. BSB BSB: The people of Judah and Israel were as numerous as the sand on the seashore, and they were eating and drinking and rejoicing.
21 ULB I Solomona dia nandidy ny fanjakana rehetra hatreo amin'ny Ony ka hatrany an-tanin'ny Filistina sy ny sisin-tanin'i Egypta. Nitondra fanomezam-boninahitra sy nanompo an'i Solomona izy ireo nandritra ny androm-piainany rehetra. BSB BSB: And Solomon reigned over all the kingdoms from the Euphrates to the land of the Philistines, as far as the border of Egypt. These kingdoms offered tribute and served Solomon all the days of his life.
22 ULB Ny tahirin-tsakafon'i Solomona anatin'ny iray andro dia koba tsara toto telopolo kora sy sakafo enimpolo kora, BSB BSB: Solomon’s provisions for a single day were thirty cors of fine flour, sixty cors of meal,
23 ULB omby matavy folo, omby tsy nihinam-bilona roampolo, ary ondry zato, afa-tsy ny serfa, gazela, kapreola, ary vorona noatavezina. BSB BSB: ten fat oxen, twenty range oxen, and a hundred sheep, as well as deer, gazelles, roebucks, and fattened poultry.
24 ULB Satria nanam-pahefana tamin'ny faritra rehetra manila ny ony iny izy, avy eo Tifsa ka hatrany Gaza, mihoatra ireo mpanjaka rehetra izay nanila ny Ony, dia nanana fiadanana tamin'ny nanodidina azy rehetra izy. BSB BSB: For Solomon had dominion over everything west of the Euphrates—over all the kingdoms from Tiphsah to Gaza—and he had peace on all sides.
25 ULB Niaina am-pitoniana i Joda sy Israely, ny olona rehetra dia teo ambanin'ny voalobony sy ny aviaviny, avy eo Dana hatrany Beri-sheba, tamin'ny andron'i Solomona rehetra. BSB BSB: Throughout the days of Solomon, Judah and Israel dwelt securely from Dan to Beersheba, each man under his own vine and his own fig tree.
26 ULB Nanana tranon-tsoavaly efapolo alina izy ho an'ny kalesiny, ary mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina. BSB BSB: Solomon had 4,000 stalls for his chariot horses and 12,000 horses.
27 ULB Ireo manam-boninahitra ireo dia niantoka sakafo ho an'i Solomona mpanjaka sy ho an'ireo rehetra izay avy teo amin'ny latabatr'i Solomona, ny olon-drehetra tamin'ny volany avy. Ka tsy navelan'izy ireo ho tsy ampy ny zavatra rehetra. BSB BSB: Each month the governors in turn provided food for King Solomon and all who came to his table. They saw to it that nothing was lacking.
28 ULB Nitondra vary hordea sy mololo ho an'ireo soavaly mpitarika kalesy sy soavaly fitaingina izy ireo, samy mitondra izay zakany avy ny tsirairay. BSB BSB: Each one also brought to the required place their quotas of barley and straw for the chariot horses and other horses.
29 ULB Nomen'Andriamanitra fahendrena sy fahazavan-tsaina be i Solomona, ary fivelaran-tsaina toy ny fasika eny amoron-dranomasina. BSB BSB: And God gave Solomon wisdom, exceedingly deep insight, and understanding beyond measure, like the sand on the seashore.
30 ULB Ny fahendren'i Solomona dia nihoatra ny fahendren'ireo olona rehetra tany antsinanana sy ny fahendren'i Egypta. BSB BSB: Solomon’s wisdom was greater than that of all the men of the East, greater than all the wisdom of Egypt.
31 ULB Nanam-pahendrena noho ny olona rehetra izy_noho i Etana Ezrahita, Hemana, Kalkola sy Darda zanak'i Mahola_ary ny lazany dia tonga tany amin'ny firenena manodidina rehetra. BSB BSB: He was wiser than all men—wiser than Ethan the Ezrahite, and wiser than Heman, Calcol, and Darda, the sons of Mahol. And his fame spread throughout the surrounding nations.
32 ULB Niteny ohabolana telo arivo izy ary dimy amby arivo ny hirany raha hisaina. BSB BSB: Solomon composed three thousand proverbs, and his songs numbered a thousand and five.
33 ULB Namaritra ny zava-maniry izy, avy amin'ny sedara tany Libanona ka hatramin'ny hysopa izay maniry manaraka ny rindrina. Nanazava momba ireo biby ihany koa izy, ireo vorona, ireo zavatra mandady, ary ny hazan-drano. BSB BSB: He spoke of trees, from the cedar in Lebanon to the hyssop growing in the wall, and he taught about animals, birds, reptiles, and fish.
34 ULB Tonga avy tamin'ny firenena rehetra ny olona mba hihaino ny fahendren'i Solomona. Izy ireo dia avy amin'ireo mpanjaka rehetran'ny tany izay efa nandre ny fahendreny. BSB BSB: So men of all nations came to listen to Solomon’s wisdom, sent by all the kings of the earth, who had heard of his wisdom.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.