1 ULB Hirama mpanjakan'i Tyro dia nandefa ireo mpanompony ho any amin'i Solomona satria reny fa voahosotr'izy ireo handimby an-drainy izy; satria Hirama dia efa tia an'i Davida foana hatrizay. BSB BSB: Now when Hiram king of Tyre heard that Solomon had been anointed king in his father’s place, he sent envoys to Solomon; for Hiram had always been a friend of David.
2 ULB Nampitondra teny ho any amin'i Hirama i Solomona, nilaza hoe: BSB BSB: And Solomon relayed this message to Hiram:
3 ULB "Fantatrao fa i Davida raiko dia tsy afaka nanamboatra trano ho an'ny anaran'i Yaveh Andriamaniny noho ireo ady izay nanodidina azy, fa nandritra ny androm-piainany i Yaveh dia nametraka ireo fahavalony teo ambany faladian-tongony. BSB BSB: “As you are well aware, due to the wars waged on all sides against my father David, he could not build a house for the Name of the LORD his God until the LORD had put his enemies under his feet.
4 ULB Fa ankehitriny, Yaveh Andriamanitro dia efa nanome ahy fitsaharana amin'ny lafiny rehetra. Tsy misy na mpifanandrina na loza. BSB BSB: But now the LORD my God has given me rest on every side, and there is no adversary or crisis.
5 ULB Koa dia mikasa ny hanorina Tempoly ho an'ny anaran'i Yaveh Andriamanitro aho, araka izay noresahan'i Yaveh tamin'i Davida raiko, nanao hoe: "Ny zanakao lahy, izay hapetrako eo amin'ny seza fiandriananao eo amin'ny toeranao, no hanangana ny Tempoly ho an'ny anarako.' BSB BSB: So behold, I plan to build a house for the Name of the LORD my God, according to what the LORD said to my father David: ‘I will put your son on your throne in your place, and he will build the house for My Name.’
6 ULB Ary ankehitriny mandidia mba hanapahan'izy ireo hazo Sedera avy any Libanona ho ahy. Hiaraka amin'ireo mpanomponao ireo mpanompoko, ary izaho no handoa ny karaman'ireo mpanomponao mba ho voakarama ara-drariny ianao ny amin'ny zavatra rehetra izay nekenao atao. Satria fantatrao fa tsy misy eo aminay mahay ny fomba anapahana hazo toy ireo Sidoniana." BSB BSB: Now therefore, order that cedars of Lebanon be cut down for me. My servants will be with your servants, and I will pay your servants whatever wages you set, for you know that there are none among us as skilled in logging as the Sidonians.”
7 ULB Raha nandre ny tenin'i Solomona i Hirama, dia niravoravo indrindra izy ka niteny hoe: "Hoderaina anie Yaveh anio, izay nanome an'i Davida zanaka lahy hendry ho eo amin'ity vahoaka lehibe ity." BSB BSB: When Hiram received Solomon’s message, he rejoiced greatly and said, “Blessed be the LORD this day! He has given David a wise son over this great people!”
8 ULB Nampitondra teny ho an'i Solomona i Hirama, nilaza hoe: "Efa henoko ny hafatra izay nalefanao ho ahy. Hamatsy ny hazo Sedera sy kypreso rehetra izay irianao aho. BSB BSB: Then Hiram sent a reply to Solomon, saying: “I have received your message; I will do all you desire regarding the cedar and cypress timber.
9 ULB Ho entin'ireo mpanompoko midina avy any Libanona manakany amin'ny ranomasina ireo hazo, ary ho feheziko anaty vatan-kazo ireo ka hitsikafona amin'ny ranomasina mankany amin'ny toerana izay tondronao handefasako azy. Any no hampanapahako azy ireo, ary dia ho alainao ireo. Ho ataonao izay iriko amin'ny fanomezana sakafo ny ankohonako." BSB BSB: My servants will haul the logs from Lebanon to the Sea, and I will float them as rafts by sea to the place you specify. There I will separate the logs, and you can take them away. And in exchange, you can meet my needs by providing my household with food.”
10 ULB Koa nomen'i Hirama an'i Solomona ny hazo sedera sy ny hazo kesika rehetra izay niriany. BSB BSB: So Hiram provided Solomon with all the cedar and cypress timber he wanted,
11 ULB Nomen'i Solomona varimbazaha roa alina kora ho sakafo ho an'ny ankohonany i Hirama ary diloilo tsy mitapoka roapolo kora. Nomen'i Solomona ho an'i Hirama isan-taona izany. BSB BSB: and year after year Solomon would provide Hiram with 20,000 cors of wheat as food for his household, as well as 20,000 baths of pure olive oil.
12 ULB Nomen'i Yaveh fahendrena i Solomona, araka izay efa nampanantenainy azy. Nisy fihavanana teo amin'i Solomona sy Hirama, ka nanao fanekena izy roa tonta. BSB BSB: And the LORD gave Solomon wisdom, as He had promised him. There was peace between Hiram and Solomon, and the two of them made a treaty.
13 ULB Nampiantso mpanao asa an-terivozona tamin'ny Israely rehetra i Solomona Mpanjaka. Miisa telo alina ireo lehilahy mpanao asa an-terivozona. BSB BSB: Then King Solomon conscripted a labor force of 30,000 men from all Israel.
14 ULB Nalefany tany Libanona izy ireo, iray alina no mifandimby isam-bolana. Iray volana izy ireo no tany Libanona ary roa volana tany an-trano. I Adonirama no nanapaka teo amin'ireo lehilahy izay nampanekena ho amin'ny asa an-terivozona. BSB BSB: He sent them to Lebanon in monthly shifts of 10,000 men, so that they would spend one month in Lebanon and two months at home. And Adoniram was in charge of the forced labor.
15 ULB Ary i Solomona nanana mpitondra entana fito alina sy mpamaky vato valo alina izay tany an-tendrombohitra, BSB BSB: Solomon had 70,000 porters and 80,000 stonecutters in the mountains,
16 ULB ankoatra ireo 3. 300 lehiben'ny manam-pahefan'i Solomona izay nanapaka ny asa ary izay nanaramaso ireo mpiasa. BSB BSB: not including his 3,300 foremen who supervised the workers.
17 ULB Araka ny didin'ny mpanjaka dia nandrafitra vato lehibe tsara kalitao mba hapetraka amin'ny fanorenana ny Tempoly izy ireo. BSB BSB: And the king commanded them to quarry large, costly stones to lay the foundation of the temple with dressed stones.
18 ULB Ary ireo mpanorin-tranon'i Solomona sy ireo mpanorin-tranon'i Hirama ary ireo Gebalita no nanao ny fikapana sy ny fikarakarana ny hazo sy ireo vato hanamboarana ny tempoly. BSB BSB: So Solomon’s and Hiram’s builders, along with the Gebalites, quarried the stone and prepared the timber and stone for the construction of the temple.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.