2 ULB Ny tempoly izay namboarin'i Solomona Mpanjaka ho an'i Yaveh dia enimpolo hakiho ny halavany, roapolo hakiho ny sakany, ary telopolo hakiho ny hahavony. BSB BSB: The house that King Solomon built for the LORD was sixty cubits long, twenty cubits wide, and thirty cubits high.
3 ULB Ny lavarangana eo anoloan'ny efitrano lehiben'ny tempoly dia roapolo hakiho ny halavany, mitovy amin'ny sakan'ny tempoly, ary folo hakiho halaliny eo anoloan'ny tempoly. BSB BSB: The portico at the front of the main hall of the temple was twenty cubits long, extending across the width of the temple and projecting out ten cubits in front of the temple.
4 ULB Ireo varavaran-kelin'ny trano dia nataony tery rafitra noho ny anatiny ny ivelany. BSB BSB: He also had narrow windows framed high in the temple.
5 ULB Nanamboarany efitra ny manodidina ireo rindrin'ny efitrano lehibe, manodidina ny ivelany sy ny anatin'ny efitra. Nasiany efitra ny manodidina ireo sisiny rehetra. BSB BSB: Against the walls of the temple and the inner sanctuary, Solomon built a chambered structure around the temple, in which he constructed the side rooms.
6 ULB Ny ambany indrindra dia dimy hakiho ny sakany, ny afovoany dia enina hakiho ny sakany, ary ny farany dia fito hakiho ny sakany. Fa ny ivelany dia nahenany ny rindrina manodidina ny trano rehetra mba tsy hisaraka amin'ireo andry amin'ny rindrin'ny trano. BSB BSB: The bottom floor was five cubits wide, the middle floor six cubits, and the third floor seven cubits. He also placed offset ledges around the outside of the temple, so that nothing would be inserted into its walls.
7 ULB Vato voapaika no nanamboarana ny trano. Tsy nisy tantantana, famaky, na vy maranitra heno tao an-trano tamin'ny nanamboarana azy. BSB BSB: The temple was constructed using finished stones cut at the quarry, so that no hammer or chisel or any other iron tool was heard in the temple while it was being built.
8 ULB Ny avy any atsimon'ny tempoly dia nisy fidirana tao amin'ny rihana ambany, nisy tohatra iray fiakarana mankany amin'ny rihana voalohany, ary avy eo afovoany no miakatra mankany amin'ny rihana faharoa. BSB BSB: The entrance to the bottom floor was on the south side of the temple. A stairway led up to the middle level, and from there to the third floor.
9 ULB Koa namboarin'i Solomona ny tempoly ary novitainy izany; norakofany andry sy hazo sedera fisaka ilay trano. BSB BSB: So Solomon built the temple and finished it, roofing it with beams and planks of cedar.
10 ULB Namboariny teo ampitan'ny efitranon'ny tempoly ireo efitra an-daniny, dimy hakiho isaky ny an-daniny; ka hazo sedera no nampifandray ny trano sy ny hazo sedera. BSB BSB: He built chambers all along the temple, each five cubits high and attached to the temple with beams of cedar.
11 ULB Tonga tamin'i Solomona ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: Then the word of the LORD came to Solomon, saying:
12 ULB "Ny momba ity tempoly izay namboarinao ity, raha handeha araka ny lalàko sy hanao ny rariny ianao, hitandrina ny didiko rehetra ary hanaraka izany, dia hamafisiko aminao ny fampanantenana izay nataoko tamin'i Davida rainao. BSB BSB: “As for this temple you are building, if you walk in My statutes, carry out My ordinances, and keep all My commandments by walking in them, I will fulfill through you the promise I made to your father David.
13 ULB Hitoetra eo amin'ny vahoakan'Israely Aho ary tsy hahafoy azy ireo." BSB BSB: And I will dwell among the Israelites and will not abandon My people Israel.”
14 ULB Ka namboarin'i Solomona ny tempoly ary novitainy izany. BSB BSB: So Solomon built the temple and finished it.
15 ULB Avy eo dia namboariny tamin'ireo hazo sedera ny rindrina tao anatin'ny trano. Hatramin'ny tany ka hatramin'ny valin-drihana, dia norakofany hazo ny tao anatin'ireo, ary hazo kypreso no nanaromany ny ambany. BSB BSB: He lined the interior walls with cedar paneling from the floor of the temple to the ceiling, and he covered the floor with cypress boards.
16 ULB Nataony roapolo hakiho hatreo an-damosin'ny trano misy hazo sedera hatrany ambany ka hatrany amin'ny valin-drihana. Nataony ho efitra anatiny izany efitra izany, ilay toerana masina indrindra. BSB BSB: He partitioned off the twenty cubits at the rear of the temple with cedar boards from floor to ceiling to form within the temple an inner sanctuary, the Most Holy Place.
17 ULB Ny efi-trano lehibe, izay toerana masina eo anoloan'ny toerana masina indrindra, dia efapolo hakiho ny halavany. BSB BSB: And the main hall in front of this room was forty cubits long.
18 ULB Nisy sedera tao anatin'ny trano, voasokitra niendrika voatango sy voninkazo mivelatra. Sedera daholo ny ao anatiny. Tsy nisy rafi-bato tazana tao anatiny. BSB BSB: The cedar paneling inside the temple was carved with gourds and open flowers. Everything was cedar; not a stone could be seen.
19 ULB Nanomana ny efitrano anatiny tao anatin'ilay trano mba hametrahana ny fiara faneken'i Yaveh tao i Solomona. BSB BSB: Solomon also prepared the inner sanctuary within the temple to set the ark of the covenant of the LORD there.
20 ULB Ny efitrano anatiny dia roapolo hakiho ny halavany, roapolo hakiho ny sakany, ary roapolo hakiho ny hahavony. Nofenoin'i Solomona volamena tsy misy fangarony ireo rindrina ary norakofany hazo sedera ny alitara. BSB BSB: The inner sanctuary was twenty cubits long, twenty cubits wide, and twenty cubits high. He overlaid the inside with pure gold, and he also overlaid the altar of cedar.
21 ULB Nofenoin'i Solomona volamena tsy mifangaro ny anatin'ny tempoly ary nampiany rojom-bolamena teo anoloanan'ny efitrano anatiny ary nofenoina volamena ny anoloana. BSB BSB: So Solomon overlaid the inside of the temple with pure gold, and he extended gold chains across the front of the inner sanctuary, which was overlaid with gold.
22 ULB Ny anatiny manontolo dia norakofany volamena mandra-pahavitan'ny Tempoly rehetra. Nofenoiny volamena ihany koa manerana ny alitara izay ao amin'ny efitrano anatiny. BSB BSB: So he overlaid with gold the whole interior of the temple, until everything was completely finished. He also overlaid with gold the entire altar that belonged to the inner sanctuary.
23 ULB Nanamboatra kerobima roa tamin'ny hazo oliva i Solomona, samy folo hakiho avy ny halavany, ho an'ny efitra anatiny. BSB BSB: In the inner sanctuary he made two cherubim, each ten cubits high, out of olive wood.
24 ULB Ny elatry ny kerobima iray dia folo hakiho ny halavany, ary ny elany hafa dia dimy hakiho ihany koa. Ny halavirana eo amin'ny tendron'ny elatra iray hatrany amin'ny tendron'ny elatra hafa. BSB BSB: One wing of the first cherub was five cubits long, and the other wing was five cubits long as well. So the full wingspan was ten cubits.
25 ULB Ny tendron'ny elatra anankiray ka hatramin'ny tendron'ny elatra anankiray dia manana elanelana folo hakiho. Ilay kerobima hafa dia manana elatra folo hakiho. BSB BSB: The second cherub also measured ten cubits; both cherubim had the same size and shape,
26 ULB Ny kerobima roa dia samy mitovy refy sy endrika. Ny hahavon'ny kerobima iray dia folo hakiho ary tahaka izany koa ilay kerobima hafa. BSB BSB: and the height of each cherub was ten cubits.
27 ULB Napetrak'i Solomona teo afovoan'ny trano ny kerobima. Navelatra ireo elatry ny kerobima mba hikasihan'ny elatra ny iray amin'ny rindrina iray ary elatr'ilay kerobima hafa hikasika ilay rindrina hafa. Nifampikasoka teo afovoan'ilay toerana masina indrindra ny elatr'izy ireo. BSB BSB: And he placed the cherubim inside the innermost room of the temple. Since their wings were spread out, the wing of the first cherub touched one wall, while the wing of the second cherub touched the other wall, and in the middle of the room their wingtips touched.
28 ULB Norakofan'i Solomona tamin'ny volamena ny kerobima. BSB BSB: He also overlaid the cherubim with gold.
29 ULB Noravahany tamin'ireo sarin'ny kerobima ireo rindrina rehetra manodidina ny trano, hazon-drofia, ary voninkazo mamelana, ny ivelany sy ny anatin'ireo efitra. BSB BSB: Then he carved the walls all around the temple, in both the inner and outer sanctuaries, with carved engravings of cherubim, palm trees, and open flowers.
30 ULB Norakofan'i Solomona tamin'ny volamena ny gorodona, ny efitra ivelany sy ny anatiny. BSB BSB: And he overlaid the temple floor with gold in both the inner and outer sanctuaries.
31 ULB Namboarin'i Solomona tamin'ny hazon'ny oliva ireo varavarana fidirana mankao amin'ny efitra anatiny. Ny tolàna sy ny lelam-baravarana dia ampahadimin'ireo faritra natao. BSB BSB: For the entrance to the inner sanctuary, Solomon constructed doors of olive wood with five-sided doorposts.
32 ULB Dia nanamboatra varavarana roa tamin'ny hazon'ny oliva izy, ary nampiany sary sokitry ny kerobima teo amin'izany, hazon-drofia, ary voninkazo mamelana. Norakofany tamin'ny volamena ireo ary naparitany volamena teo amin'ny kerobima ary hazon- drofia. BSB BSB: The double doors were made of olive wood, and he carved into them cherubim, palm trees, and open flowers and overlaid the cherubim and palm trees with hammered gold.
33 ULB Toy izany koa, namboarin'i Solomona tamin'ny hazo oliva ireo andrim-baravarana fidirana ao an-tempoly izay mizara efatra BSB BSB: In the same way he made four-sided doorposts of olive wood for the sanctuary entrance.
34 ULB ary ny varavarana roa dia hazo kypreso. Ireo kopaka roan'ny varavarana dia mivalona ary ireo kopaka roan'ny varavarana hafa dia mivalona. BSB BSB: The two doors were made of cypress wood, and each had two folding panels.
35 ULB Nasiany sary sokitra kerobima teo amin'izy ireo, hazon- drofia, ary voninkazo mivelatra, ary manisy volamena eo amin'ny asa-sokitra matetika izy. BSB BSB: He carved into them cherubim, palm trees, and open flowers, and he overlaid them with gold hammered evenly over the carvings.
36 ULB Namboariny tamin'ny vato voapaika andalana telo ny kianja tao anatiny ary andry sedera iray andalana. BSB BSB: Solomon built the inner courtyard with three rows of dressed stone and one row of trimmed cedar beams.
37 ULB Ny fanorenana ny tranon'i Yaveh dia napetraka tamin'ny taona faha efatra, tamin'ny volan'ny Ziva. BSB BSB: The foundation of the house of the LORD was laid in the fourth year of Solomon’s reign, in the month of Ziv.
38 ULB Tamin'ny taona faha-iraika ambin'ny folo, tamin'ny volan'i Bola, izay volana fahavalo, dia vita tanteraka tamin'ny lafiny rehetra sy ny famaritana rehetra ny trano. Nandany fito taona i Solomona nanamboatra ny tempoly. BSB BSB: In the eleventh year, in the month of Bul, the eighth month, the temple was finished in every detail and according to every specification. So he built the temple in seven years.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.