1 ULB Telo ambin'ny folo taona no nanaovan'i Solomona ny lapany. BSB BSB: Solomon, however, took thirteen years to complete the construction of his entire palace.
2 ULB Nanorina ny Lapa tamin'ny Alan'ny Libanona izy. Zato hakiho ny halavan'izany, dimampolo hakiho ny sakany, ary telopolo hakiho ny hahavony. Namboarina tamin'ny andalan'andry sedera efatra ny lapa niaraka tamin'ny andry sedera teo amin'ireo tsangam-bato. BSB BSB: He built the House of the Forest of Lebanon a hundred cubits long, fifty cubits wide, and thirty cubits high, with four rows of cedar pillars supporting the cedar beams.
3 ULB Notafoana tamin'ny sedera ilay trano izay napetraka teo amin'ireo andry. Ireo andry ireo dia notohanana tamin'ny tsangam-bato. BSB BSB: The house was roofed with cedar above the beams that rested on the pillars—forty-five beams, fifteen per row.
4 ULB Nisy andry dimy amby efapolo teo, dimy ambin'ny folo amin'ny andalana iray. Nisy andry teo amin'ireo andalana telo, ary ny varavarankely tsirairay dia nifanandrify tamin'ny varavarankely telo hafa. BSB BSB: There were three rows of high windows facing one another in three tiers.
5 ULB Ny varavarana sy ny varavarankely rehetra dia natao ho efa-joro niaraka tamin'ireo andry, ary ny varavarankely nifanandrify tamin'ny varavarankely telo hafa. BSB BSB: All the doorways had rectangular frames, with the openings facing one another in three tiers.
6 ULB Nisy andry maro nifanila izay dimampolo hakiho ny halavany ary telopolo hakiho ny sakany, miaraka amin'ny lavarangana eo anoloana sy andry ary tafo. BSB BSB: Solomon made his colonnade fifty cubits long and thirty cubits wide, with a portico in front of it and a canopy with pillars in front of the portico.
7 ULB Nanorina ny rindrin'ny seza fiandrianana izay hitsarana azy i Solomona, dia ny efitranon'ny fahamarinana. Norakofana tamin'ny sedera isaky ny rihana izany. BSB BSB: In addition, he built a hall for the throne, the Hall of Justice, where he was to judge. It was paneled with cedar from floor to ceiling.
8 ULB Ny tranon'i Solomona izay nonenany, tao amin'ny kianja hafa misy ny tanin-dapa, dia novolavolaina mitovy. Nanorina trano toy izany ho an'ny zanaka vavin'i Farao ihany koa izy, izay nalainy ho vady. BSB BSB: And the palace where Solomon would live, set further back, was of similar construction. He also made a palace like this hall for Pharaoh’s daughter, whom he had married.
9 ULB Ireo trano ireo dia noravahana tamin'ny vato lafo vidy voapaika, voarefy tsara ary voatapaka tamin'ny tsofa ary natao nalama tamin'ny lafiny rehetra. Ireo vato ireo dia nampiasaina ho amin'ny fanorenana ireo vato eo an-tampony, sy tany ivelany ka hatramin'ny kianja lehibe ihany koa. BSB BSB: All these buildings were constructed with costly stones, cut to size and trimmed with saws inside and out from the foundation to the eaves, and from the outside to the great courtyard.
10 ULB Ny fototra naorina tamin'ny vato lehibe, sy lafo vidy izay valo sy folo hakiho ny halavany. BSB BSB: The foundations were laid with large, costly stones, some ten cubits long and some eight cubits long.
11 ULB Teo ambony dia nisy vato lafo vidy voapaika izay voafaritra tsara amin'ny habeny, ary andry sedara. BSB BSB: Above these were costly stones, cut to size, and cedar beams.
12 ULB Nisy andalana vato voatapaka telo sy tapaka andry sedara iray ny kianja lehibe izay nanodidina ny lapa toy ny kianja ao anatin'ny tempolin'i Yaveh ary ny tempolin'ny lavarangana. BSB BSB: The great courtyard was surrounded by three rows of dressed stone and a row of trimmed cedar beams, as were the inner courtyard and portico of the house of the LORD.
13 ULB Nampaka an'i Hirama i Solomona mpanjaka ary nitondra azy avy any Tyro. BSB BSB: Now King Solomon sent to bring Huram from Tyre.
14 ULB Hirama dia zanaky ny mpitondra tena iray tao amin'ny fokon'i Naftaly; olon'i Tyro ny rainy, izay mpanao asa-tanana amin'ny varahina. Feno fahendrena sy fahazavan-tsaina ary fahaizana mba hanao asa lehibe amin'ny varahina i Hirama. Nandeha nankany amin'i Solomona Mpanjaka izy mba hiasa amin'ny varahina ho an'ny mpanjaka. BSB BSB: He was the son of a widow from the tribe of Naphtali, and his father was a man of Tyre, a craftsman in bronze. Huram had great skill, understanding, and knowledge for every kind of bronze work. So he came to King Solomon and carried out all his work.
15 ULB Namboatra ireo andry roa tamin'ny varahina i Hirama, valo ambin'ny folo hakiho ny hahavony ary roa ambin'ny folo hakiho ny manodidina ny tsirairay. BSB BSB: He cast two pillars of bronze, each eighteen cubits high and twelve cubits in circumference.
16 ULB Nanao kapitaly roa tamin'ny varahina voakosoka izy mba hapetraka eo an-tampon'ireo andry. Dimy hakiho ny hahavon'ny kapitaly tsirairay. BSB BSB: He also made two capitals of cast bronze to set on top of the pillars, each capital five cubits high.
17 ULB Makarakara mitarehin-karato sy tanjomiolaka mitarehin-drojo ampiasaina ho an'ireo kapitaly no nandravaka ny tendron'ireo andry fito isaky ny kapitaly. BSB BSB: For the capitals on top of the pillars he made a network of lattice, with wreaths of chainwork, seven for each capital.
18 ULB Ka nanao andalana ampongamben-danitra roa nanodidina ny tendron'ny andry tsirairay i Hirama mba handravahana ireo kapitalin'izy ireo. BSB BSB: Likewise, he made the pillars with two rows of pomegranates around each grating to cover each capital atop the pillars.
19 ULB Ireo kapitaly teo an-tendron'ireo andrin'ny lavarangana dia noravahana tamin'ny lilia, efatra hakiho ny hahavony. BSB BSB: And the capitals atop the pillars in the portico were shaped like lilies, four cubits high.
20 ULB Tao amin'ireo kapitaly tamin'ireo andry roa ireo koa dia nahitana, ampongamben-danitra roanjato mitandahatra manodidina ny tampon'izy rehetra. BSB BSB: On the capitals of both pillars, just above the rounded projection next to the network, were the two hundred pomegranates in rows encircling each capital.
21 ULB Nanangana ireo andry tao an-davarangan'ny tempoly izy. Ilay andry teo ankavanana dia nantsoina hoe Jakina, ary ilay andry teo ankavia dia nantsoina hoe Boaza. BSB BSB: Thus he set up the pillars at the portico of the temple. The pillar to the south he named Jachin, and the pillar to the north he named Boaz.
22 ULB Teo an-tendron'ireo andry dia nisy ireo haingo toy ny lilia. Izany no fomba nandrafetana ireo andry. BSB BSB: And the tops of the pillars were shaped like lilies. So the work of the pillars was completed.
23 ULB Nanao ny koveta tamin'ny vy i Hirama, folo hakiho isaky ny sisiny. Dimy hakiho ny hahavony, ary telopolo hakiho ny manodidina ny koveta. BSB BSB: He also made the Sea of cast metal. It was circular in shape, measuring ten cubits from rim to rim, five cubits in height, and thirty cubits in circumference.
24 ULB Nisy tanatanamanga tao ambanin'ny sisiny nanodidina ny koveta, folo isaky ny hakiho, ary natambatra ho iray niaraka tamin'ny koveta raha ny koveta mihitsy no natao. BSB BSB: Below the rim, ornamental buds encircled it, ten per cubit all the way around the Sea, cast in two rows as a part of the Sea.
25 ULB Teo amin'ireo omby roa ambin'ny folo ilay koveta, telo nanatrika ny avaratra, telo nanatrika ny andrefana, telo nanatrika ny atsimo, ary telo nanatrika ny antsinanana. Napetraka teo amin'ny tampon'ireo ilay koveta, ary nifanila ny faritry ny vodin'izy rehetra. BSB BSB: The Sea stood on twelve oxen, three facing north, three facing west, three facing south, and three facing east. The Sea rested on them, with all their hindquarters toward the center.
26 ULB Natevina tahaka ny sakan'ny tanana ilay koveta, ary ny sisin'izany dia naorina toy ny sisin'ny kaopy, toy ny famoan'ny lilia. Omby rano roa arivo bata ilay koveta. BSB BSB: It was a handbreadth thick, and its rim was fashioned like the brim of a cup, like a lily blossom. It could hold two thousand baths.
27 ULB Nanao tongotra varahina folo i Hirama. Efatra hakiho ny halavan'ny tongotra tsirairay ary efatra hakiho ny velarany, ary telo hakiho ny hahavony. BSB BSB: In addition, he made ten movable stands of bronze, each four cubits long, four cubits wide, and three cubits high.
28 ULB Toy izany ny fanaovana ireo tongony. BSB BSB: This was the design of the stands: They had side panels attached to uprights,
29 ULB Nisy takelaka teo anelanelan'ireo zana-kazo ireo, ary nisy liona, omby sy kerobima teo amin'ireo takelaka sy teo amin'ireo zanan-kazo. Teo ambony sy tao ambanin'ireo liona sy ireo omby dia nisy fehiloha voatefy tsara. BSB BSB: and on the panels between the uprights were lions, oxen, and cherubim. On the uprights was a pedestal above, and below the lions and oxen were wreaths of beveled work.
30 ULB Nisy kodia varahina efatra sy tanan-kodia ny tsanganany rehetra, ary nisy tohana tao ambanin'ny sisiny efatr'ilay koveta. Nasiana fehiloha ny sisin'ny tsirairain'ireo fanohanana. BSB BSB: Each stand had four bronze wheels with bronze axles and a basin resting on four supports, with wreaths at each side.
31 ULB Boribory toy ny faladia ny fisokafana, iray hakiho sy sasany ny sakany, ary tao anatin'ny satro-boninahitra izay iray hakiho ny halavany. Voasoratra teo amin'ny fisokafany, ary ny takelak'ireo dia efa-joro, fa tsy boribory. BSB BSB: The opening to each stand inside the crown at the top was one cubit deep, with a round opening like the design of a pedestal, a cubit and a half wide. And around its opening were engravings, but the panels of the stands were square, not round.
32 ULB Tao ambanin'ny takelaka ireo kodia efatra, ary ny tanan-kodia sy ireo fitoerany dia tao amin'ny tsanganana. Ny hahavon'ny kodia iray dia iray hakiho sy sasany. BSB BSB: There were four wheels under the panels, and the axles of the wheels were attached to the stand; each wheel was a cubit and a half in diameter.
33 ULB Ary natao toy ny kodian'ny kalesy ireo kodia. Ireo fitoerany, ireo sisiny, ireo tanamasoandrony, sy ireo ivony dia natao vy avokoa. BSB BSB: The wheels were made like chariot wheels; their axles, rims, spokes, and hubs were all of cast metal.
34 ULB Nisy sorony efatra tamin'ireo sisiny efatry ny tsanganan'ny tsirairay, natao tao amin'ny tsanganana ihany. BSB BSB: Each stand had four handles, one for each corner, projecting from the stand.
35 ULB Teo an-tampon'ireo tsanganana dia nisy fehim-barika iray izay antsasaka hakiho ny halaliny, ary eo an-tampon'ilay tsanganana no namatorana ireo tohana sy ireo takelaka. BSB BSB: At the top of each stand was a circular band half a cubit high. The supports and panels were cast as a unit with the top of the stand.
36 ULB Voasoratr'i Hirama kerobima, liona, sy hazo rofia ny velaran'ireo fanohanana sy ireo takelaka izay nandrakotra ireo toerana malalaka, ary voadidina fehiloha ireo. BSB BSB: He engraved cherubim, lions, and palm trees on the surfaces of the supports and panels, wherever each had space, with wreaths all around.
37 ULB Izany no fomba nanaovany an'ireo tsanganana folo. Natao tamin'ny lasitra mitovy avokoa izy rehetra, ary nanana habe, sy endrika mitovy. BSB BSB: In this way he made the ten stands, each with the same casting, dimensions, and shape.
38 ULB Nanao koveta varahina folo i Hirama. Ny koveta iray dia afaka mitahiry rano efapolo bata. Efatra hakiho ny sakan'ny koveta tsirairay avy ary nisy koveta iray isaky ny tsanganana folo. BSB BSB: He also made ten bronze basins, each holding forty baths and measuring four cubits across, one basin for each of the ten stands.
39 ULB Nanao tsanganana dimy teo amin'ny lafiny atsimon'ny tempoly izy ary dimy teo amin'ny lafiny avaratry ny tempoly. Nataony teo amin'ny sisiny antsinanana ny koveta, manatrika any atsimon'ny tempoly. BSB BSB: He set five stands on the south side of the temple and five on the north, and he put the Sea on the south side, at the southeast corner of the temple.
40 ULB Nanao ny koveta sy ny lapelina ary ny lovia famafazana i Hirama. Ka dia vitany ny asa rehetra izay nataony ho an'i Solomona Mpanjaka tao an-tempolin'i Yaveh: BSB BSB: Additionally, Huram made the pots, shovels, and sprinkling bowls. So Huram finished all the work that he had undertaken for King Solomon in the house of the LORD:
41 ULB ireo andry roa, sy ireo lovia-toy ireo kapitaly izay teo an-tampon'ireo andry roa, ary ireo haingon'arato roa makarakara mba hanaronana ny lovia roa toy ireo kapitaly izay teo an-tampon'ny ireo andry. BSB BSB: the two pillars; the two bowl-shaped capitals atop the pillars; the two sets of network covering both bowls of the capitals atop the pillars;
42 ULB Nanao ireo ampongaben-danitra efatra izy ho an'ireo haingon'arato roa voavitrana: andalan'ampongaben-danitra roa ho an'ny harato tsirairay mba hanaronana ny lovia roa-toy ireo kapitaly izay teo amin'ireo andry, BSB BSB: the four hundred pomegranates for the two sets of network (two rows of pomegranates for each network covering both the bowl-shaped capitals atop the pillars);
43 ULB tsanganana folo, sy koveta folo teo amin'ireo tsanganana. BSB BSB: the ten stands; the ten basins on the stands;
44 ULB Nataony tao ambanin'izany ny koveta sy ireo omby roa ambin'ny folo; BSB BSB: the Sea; the twelve oxen underneath the Sea;
45 ULB ireo tavy, ireo lapelina, ireo koveta be, ary ireo fitaovana hafa rehetra ihany koa. Nataon'i Hirama tamin'ny varahina voakosoka ireo, ho an'i Solomona Mpanjaka, ary ho an'ny tempolin'i Yaveh. BSB BSB: and the pots, shovels, and sprinkling bowls. All the articles that Huram made for King Solomon in the house of the LORD were made of burnished bronze.
46 ULB Napetraky ny mpanjaka teny amin'ny tany lemak'i Jordana ireo, tao amin'ny tanimanga anelanelan'i Sokota sy Zaretana. BSB BSB: The king had them cast in clay molds in the plain of the Jordan between Succoth and Zarethan.
47 ULB Tsy nolanjain'i Solomona ireo fanaka rehetra satria betsaka loatra raha holanjaina, satria tsy afaka nolanjaina ny lanjan'ny varahina. BSB BSB: Solomon left all these articles unweighed, because there were so many. The weight of the bronze could not be determined.
48 ULB Nanao ny fanaka rehetra izay tao an-tempolin'i Yaveh tamin'ny volamena i Solomona: dia ny alitara volamena sy latabatra izay nametrahana ny mofon'ny fanatrehana. BSB BSB: Solomon also made all the furnishings for the house of the LORD: the golden altar; the golden table on which was placed the Bread of the Presence;
49 ULB Ireo fanaovan-jiro, dimy eo amin'ny ilany ankavanana ary dimy eo ankavia, teo alohan'ny efitra anatiny, dia vita tamin'ny volamena madio, ary ireo voninkazo, ireo jiro, ary ireo lelany dia vita tamin'ny volamena madio. BSB BSB: the lampstands of pure gold in front of the inner sanctuary, five on the right side and five on the left; the gold flowers, lamps, and tongs;
50 ULB Ireo kapoaka, ireo antsy, ireo koveta, ireo sotro, sy ireo fandorana ditin-kazo manitra dia natao tamin'ny volamena madio avokoa. Ireo savilin'ireo varavarana ao amin'ny efitra anatiny ihany koa, izay toerana masina indrindra, sy ireo varavaran'ny efitra lehiben'ilay tempoly, dia natao tamin'ny volamena madio izy rehetra. BSB BSB: the pure gold basins, wick trimmers, sprinkling bowls, ladles, and censers; and the gold hinges for the doors of the inner temple (that is, the Most Holy Place) as well as for the doors of the main hall of the temple.
51 ULB Tamin'izany fomba izany, no nahavitana ireo asa rehetra izay nataon'i Solomona Mpanjaka ho an'ny tranon'i Yaveh. Koa nentin'i Solomona tao anatiny ireo zavatra natokan'i Davida, rainy, sy ireo volafotsy, volamena, sy ireo fanaka, ary napetrany tao amin'ny efitra fitahirizana tao amin'ny tranon'i Yaveh ireo. BSB BSB: So all the work that King Solomon had performed for the house of the LORD was completed. Then Solomon brought in the items his father David had dedicated—the silver, the gold, and the furnishings—and he placed them in the treasuries of the house of the LORD.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.