1 ULB Ary Solomona namory ireo loholon'Israely, ireo mpitariky ny foko rehetra, ary ireo lohan'ny fianakavian'ny vahoakan'Israely, teo anatrehany tao Jerosalema, mba hitondra ny fiaran'ny faneken'i Yaveh hiakatra avy any amin'ny tanànan'i Davida, izany hoe, i Ziona. BSB BSB: At that time Solomon assembled before him in Jerusalem the elders of Israel—all the tribal heads and family leaders of the Israelites—to bring up the ark of the covenant of the LORD from Zion, the City of David.
2 ULB Nivory teo anatrehan'i Solomona Mpanjaka tao amin'ny lanonana avokoa ny olon'Israely rehetra, tamin'ny volana Etanima, izay volana fahafito. BSB BSB: And all the men of Israel came together to King Solomon at the feast in the seventh month, the month of Ethanim.
3 ULB Tonga avokoa ireo loholon'Israely rehetra, ary nampiakarin'ireo mpisorona ny fiara. BSB BSB: When all the elders of Israel had arrived, the priests took up the ark,
4 ULB Nentin'izy ireo niakatra ny fiaran'i Yaveh, ny trano lay fihaonana, ary ireo fanaka masina rehetra izay tao anaty lay. Nentin'ireo mpisorona sy ireo Levita niakatra avokoa ireo zavatra rehetra ireo. BSB BSB: and they brought up the ark of the LORD and the Tent of Meeting with all its sacred furnishings. So the priests and Levites carried them up.
5 ULB Niara-nankeo anoloan'ny fiara avokoa i Solomona Mpanjaka sy ny fivondronan'Israely rehetra, nanao sorona ondry sy omby tsy tambo isaina. BSB BSB: There, before the ark, King Solomon and the whole congregation of Israel who had assembled with him sacrificed so many sheep and oxen that they could not be counted or numbered.
6 ULB Nampidirin'ireo mpisorona teo amin'ny fitoerany ny fiaran'ny faneken'i Yaveh, tao amin'ny efitra anatin'ny trano, dia tao amin'ny toerana masina indrindra, ambany elatr'ireo Kerobima. BSB BSB: Then the priests brought the ark of the covenant of the LORD to its place in the inner sanctuary of the temple, the Most Holy Place, beneath the wings of the cherubim.
7 ULB Fa namelatra ny elany teo amin'ny fitoeran'ny fiara ireo kerobima, ary nanarona ny fiara sy ny bao izay nilanjana azy izany. BSB BSB: For the cherubim spread their wings over the place of the ark and overshadowed the ark and its poles.
8 ULB Lava tokoa ireo bao hany ka hita avy eo amin'ny fitoerana masina teo anoloan'ny efitra anatiny ny tendrony, saingy tsy hita avy eny ivelany ireo. Ary mbola eo ireo mandrak'ankehitriny. BSB BSB: The poles extended far enough that their ends were visible from the Holy Place in front of the inner sanctuary, but not from outside the Holy Place; and they are there to this day.
9 ULB Tsy nisy na inona na inona tao amin'ny fiara afa-tsy ireo vato fisaka roa izay napetrak'i Mosesy tany Horeba, fony Yaveh nanao fanekena tamin'ny olon'Israely rehefa nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta izy ireo. BSB BSB: There was nothing in the ark except the two stone tablets that Moses had placed in it at Horeb, where the LORD had made a covenant with the Israelites after they had come out of the land of Egypt.
10 ULB Ary rehefa nivoaka avy tao amin'ny fitoerana masina ireo mpisorona, dia nameno ny tempolin'i Yaveh ny rahona. BSB BSB: And when the priests came out of the Holy Place, the cloud filled the house of the LORD
11 ULB Tsy afa-nitsangana hanompo ireo mpisorona nohon'ny rahona, fa nameno ny tranony ny voninahitr'i Yaveh. BSB BSB: so that the priests could not stand there to minister because of the cloud. For the glory of the LORD filled the house of the LORD.
12 ULB Dia hoy Solomona hoe: "Nambaran'i Yaveh fa honina ao anaty aizim-pito Izy, BSB BSB: Then Solomon declared: “The LORD has said that He would dwell in the thick cloud.
13 ULB kanefa nanorina trano tsara taraehy ho Anao aho, dia toerana honenanao mandrakizay." BSB BSB: I have indeed built You an exalted house, a place for You to dwell forever.”
14 ULB Dia nitodika ny mpanjaka ary nitso-drano ny fivondronan'Israely rehetra, raha teo am-pitsanganana ny fivondronan'Israely rehetra. BSB BSB: And as the whole assembly of Israel stood there, the king turned around and blessed them all
15 ULB Hoy izy hoe: "Ho deraina anie Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, izay niteny tamin'i Davida raiko, ary nahatanteraka izany tamin'ny tanany ihany, nanao hoe: BSB BSB: and said: “Blessed be the LORD, the God of Israel, who has fulfilled with His own hand what He spoke with His mouth to my father David, saying,
16 ULB "Hatramin'ny nitondrako ny vahoakako nivoaka avy tao Egypta, dia tsy nifidy tanàna teo amin'ny fokon'Israely rehetra hanorenana trano Aho, mba hitoeran'ny anarako ao. Kanefa, nifidy an'i Davida mba hanapaka eo amin'ny Israely oloko Aho.' BSB BSB: ‘Since the day I brought My people Israel out of Egypt, I have not chosen a city from any tribe of Israel in which to build a house so that My Name would be there. But I have chosen David to be over My people Israel.’
17 ULB Ary tao am-pon'i Davida raiko ny hanorina trano ho an'ny anaran'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely. BSB BSB: Now it was in the heart of my father David to build a house for the Name of the LORD, the God of Israel.
18 ULB Fa hoy i Yaveh tamin'i Davida raiko hoe: 'Fa nataonao tao am-ponao ny hanorina trano ho an'ny anarako, dia tsara ny nanaovanao izany tao am-ponao. BSB BSB: But the LORD said to my father David, ‘Since it was in your heart to build a house for My Name, you have done well to have this in your heart.
19 ULB Na izany aza dia tsy hanorina ilay trano ianao; fa kosa, ny zanakao lahy, izay teraka avy amin'ny voanao, no hanorina ny trano ho an'ny anarako.' BSB BSB: Nevertheless, you are not the one to build it; but your son, your own offspring, will build the house for My Name.’
20 ULB Notanterahin'i Yaveh ny teny izay nolazainy, fa nitsangana handimby ny toeran'i Davida raiko aho, ka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'Israely, araka ny nampanantenain'i Yaveh. Naoriko ho an'ny anaran'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely ny trano. BSB BSB: Now the LORD has fulfilled the word that He spoke. I have succeeded my father David, and I sit on the throne of Israel, as the LORD promised. I have built the house for the Name of the LORD, the God of Israel.
21 ULB Efa nanamboatra fitoerana ho an'ny fiara any aho, izay misy ny faneken'i Yaveh, izay nataony tamin'ireo razantsika fony nitondra azy ireo nivoaka avy tao amin'ny tany Egypta Izy." BSB BSB: And there I have provided a place for the ark, which contains the covenant of the LORD that He made with our fathers when He brought them out of the land of Egypt.”
22 ULB Nijoro teo anoloan'ny alitaran'i Yaveh i Solomona, teo anatrehan'ny fivondronan'Israely rehetra, ary namelatra ny tanany ho any amin'ny lanitra. BSB BSB: Then Solomon stood before the altar of the LORD in front of the whole assembly of Israel, spread out his hands toward heaven,
23 ULB Hoy izy hoe: "Ry Yaveh, Andriamanitr'Israely o, tsy misy Andriamanitra tahaka Anao na any amin'ny lanitra ambony na ety an-tany ambany, izay mitàna ny tsy fivadiham-panekeny amin'ireo mpanomponao izay mandeha eo anatrehanao amin'ny fony manontolo; BSB BSB: and said: “O LORD, God of Israel, there is no God like You in heaven above or on earth below, keeping Your covenant of loving devotion with Your servants who walk before You with all their hearts.
24 ULB Ianao izay nitàna ny fampanantenanao tamin'i Davida raiko mpanomponao. Eny, niteny tamin'ny vavanao Ianao ary notanterahinao tamin'ny tananao izany, tahaka ny androany. BSB BSB: You have kept Your promise to Your servant, my father David. What You spoke with Your mouth You have fulfilled with Your hand this day.
25 ULB Ankehitriny ary, ry Yaveh, Andriamanitr'Israely, tanteraho izay nampanantenainao tamin'i Davida raiko mpanomponao, rehefa niteny Ianao hoe: 'Tsy ho foana aminao ny hanana olona hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'Israely eo imasoko, raha mitandrina ny handeha eo anatrehako ny taranakao, tahaka ny nandehananao teo anatrehako.' BSB BSB: Therefore now, O LORD, God of Israel, keep for Your servant, my father David, what You promised when You said: ‘You will never fail to have a man to sit before Me on the throne of Israel, if only your descendants guard their way to walk before Me as you have done.’
26 ULB Ankehitriny ary, ry Andriamanitr'Israely, mivavaka aho mba ho tanteraka ny fampanantenana nataonao tamin'i Davida raiko mpanomponao. BSB BSB: And now, O God of Israel, please confirm what You promised to Your servant, my father David.
27 ULB Fa tena honina ety an-tany tokoa ve Andriamanitra? Indro, iza tontolo izao sy ny lanitra aza tsy omby Anao—mainka fa ity tempoly izay naoriko ity! BSB BSB: But will God indeed dwell upon the earth? The heavens, even the highest heavens, cannot contain You, much less this temple I have built.
28 ULB Kanefa mba henoy re ity vavaky ny mpanomponao sy ny fangatahany ity, ry Yaveh Andriamanitro; mihainoa ny antso sy ny vavaka ataon'ny mpanomponao eto anatrehanao anio. BSB BSB: Yet regard the prayer and plea of Your servant, O LORD my God, so that You may hear the cry and the prayer that Your servant is praying before You today.
29 ULB Enga anie ka hisokatra amin'ity tempoly ity andro aman'alina ny masonao, eo amin'ny toerana izay nilazanao hoe: "Ho ao ny anarako sy ny fanatrehako.'—mba hihainoana ny vavaka hataon'ny mpanomponao izay manatrika ity toerana ity. BSB BSB: May Your eyes be open toward this temple night and day, toward the place of which You said, ‘My Name shall be there,’ so that You may hear the prayer that Your servant prays toward this place.
30 ULB Koa mihainoa ny fangatahan'ny mpanomponao sy ny Israely olonao rehefa mivavaka manatrika ity toerana ity izahay. Eny, mihainoa avy any amin'ny toerana honenanao, avy any an-danitra; ary rehefa mihaino Ianao, dia mba mamelà. BSB BSB: Hear the plea of Your servant and of Your people Israel when they pray toward this place. May You hear from heaven, Your dwelling place. May You hear and forgive.
31 ULB Raha manota amin'ny namany ny olona iray ka tsy maintsy hampanaovina fianianana, ary raha tonga ka manao fianianana eo anatrehan'ny alitaranao ato amin'ity trano ity izy, BSB BSB: When a man sins against his neighbor and is required to take an oath, and he comes to take an oath before Your altar in this temple,
32 ULB dia mihainoa avy any an-danitra ka miasà; tsarao ireo mpanomponao, mba hanameloka ny meloka ary hampanody izay nataony ho eo amin'ny lohany ihany, ary hanambara ny marina mba ho tsy manan-tsiny, sy hamaly soa azy nohon'ny fahamarinany. BSB BSB: then may You hear from heaven and act. May You judge Your servants, condemning the wicked man by bringing down on his own head what he has done, and justifying the righteous man by rewarding him according to his righteousness.
33 ULB Rehefa resin'ny fahavalo ny Israely olonao satria nanota taminao, ka raha miverina aminao izy ireo, manaiky ny anaranao, mivavaka, ary mangataka famelana avy aminao ato amin'ity tempoly ity— BSB BSB: When Your people Israel are defeated before an enemy because they have sinned against You, and they return to You and confess Your name, praying and pleading with You in this temple,
34 ULB dia mihainoa any an-danitra re ary mamelà ny fahotan'ny Israely olonao; ento miverina any amin'ny tany izay nomenao ny razany izy ireo. BSB BSB: then may You hear from heaven and forgive the sin of Your people Israel. May You restore them to the land You gave to their fathers.
35 ULB Raha mihidy ny lanitra ka tsy misy orana satria nanota taminao ny vahoaka—raha mivavaka manatrika ity toerana ity izy ireo, manaiky ny anaranao, ary miala amin'ny fahotany rehefa avy nampahorianao— BSB BSB: When the skies are shut and there is no rain because Your people have sinned against You, and they pray toward this place and confess Your name, and they turn from their sins because You have afflicted them,
36 ULB dia mihainoa any an-danitra ary mamelà ny fahotan'ny mpanomponao sy ny Israely olonao, rehefa mampianatra azy ireo ny lalana tsara izay tokony halehany Ianao. Mandatsaha orana eo amin'ny taninao, izany nomenao ho lovan'ny olonao. BSB BSB: then may You hear from heaven and forgive the sin of Your servants, Your people Israel, so that You may teach them the good way in which they should walk. May You send rain on the land that You gave Your people as an inheritance.
37 ULB Raha atao hoe misy mosary eo amin'ny tany, na atao hoe misy areti-mandringana, fahamainan'ny vary na maty fotsy, valala na sompanga; na atao hoe misy fahavalo manafika ny vavahadin'ny tanàna ao amin'ny tanin'izy ireo, na misy loza na aretina— BSB BSB: When famine or plague comes upon the land, or blight or mildew or locusts or grasshoppers, or when their enemy besieges them in their cities, whatever plague or sickness may come,
38 ULB ary raha atao indray hoe misy vavaka sy fangatahana nataon'ny olona iray na ny Israely vahoakanao manontolo— izay samy mahalala ny loza any am-pony avy raha mamelatra ny tanany ho amin'ity tempoly ity izy. BSB BSB: then may whatever prayer or petition Your people Israel make—each knowing his own afflictions and spreading out his hands toward this temple—
39 ULB Dia mihainoa any an-danitra, ilay toerana honenanao, mamelà ary miasà, ary valio soa ny olona rehetra noho izay ataony; Ianao mahalala ny fony, fa Ianao dia Ianao ihany no mahalala ny fon'ny olombelona rehetra. BSB BSB: be heard by You from heaven, Your dwelling place. And may You forgive and act, and repay each man according to all his ways, since You know his heart—for You alone know the hearts of all men—
40 ULB Ataovy izany mba hahatahoran'izy ireo Anao amin'ny andro rehetra hiainan'izy ireo eo amin'ny tany izay nomenao ny razanay. BSB BSB: so that they may fear You all the days they live in the land that You gave to our fathers.
41 ULB Fanampin'izany, mahakasika ireo vahiny izay tsy anisan'ny Israely vahoakanao: raha tonga avy any amin'ny firenen-davitra izy nohon'ny Anaranao— BSB BSB: And as for the foreigner who is not of Your people Israel but has come from a distant land because of Your name—
42 ULB fa handre momba ny anaranao lehibe, ny tananao mahery, ary ny sandrinao misandratra izy ireo— rehefa tonga sy mivavaka manatrika ity tempoly ity izy ireo, BSB BSB: for they will hear of Your great name and mighty hand and outstretched arm—when he comes and prays toward this temple,
43 ULB dia mihainoa re any an-danitra, izay toerana honenanao, ary ataovy izay rehetra angatahin'ilay vahiny aminao. Ataovy izany mba hahafantaran'ny vondron'olona rehetra eto an-tany ny anaranao ka hahatahoran'izy ireo Anao, araka ny ataon'Israely olonao manokana. Ataovy izany mba hahafantaran'izy ireo fa ity trano izay naoriko ity dia antsoina amin'ny anaranao. BSB BSB: then may You hear from heaven, Your dwelling place, and do according to all for which the foreigner calls to You. Then all the peoples of the earth will know Your name and fear You, as do Your people Israel, and they will know that this house I have built is called by Your Name.
44 ULB Raha atao hoe mandeha mivoaka hiady amin'ny fahavalo ny olonao, na inona na inona fomba nandefasanao azy ireo, ary raha mivavaka aminao, Yaveh, manatrika ny tanàna izay voafidinao izy ireo, ary manatrika ny trano izay naoriko ho an'ny anaranao. BSB BSB: When Your people go to war against their enemies, wherever You send them, and when they pray to the LORD in the direction of the city You have chosen and the house I have built for Your Name,
45 ULB Dia mihainoa ny vavaka sy ny fangatahan'izy ireo any an-danitra, ary omeo rariny izy. BSB BSB: then may You hear from heaven their prayer and their plea, and may You uphold their cause.
46 ULB Raha atao hoe manota aminao izy ireo, satria tsy misy olona tsy manota, ary raha atao hoe tezitra amin'izy ireo Ianao ka manolotra azy ireo ho eo amin'ny fahavalo, ka alain'ny fahavalo ho babo ho any amin'ny taniny izy ireo, na lavitra na akaiky. BSB BSB: When they sin against You—for there is no one who does not sin—and You become angry with them and deliver them to an enemy who takes them as captives to his own land, whether far or near,
47 ULB Ary raha atao hoe tsaroan'izy ireo fa any amin'ny tany izay nanaovana sesin-tany azy izy ireo, ary raha atao hoe mibebaka izy ireo ka mitady sitraka aminao any amin'ny tanin'ireo nambabo azy ireo. Raha miteny izy ireo hoe: 'Nanao zavatra tsy nety izahay ary nanota. Ratsy fitondran-tena izahay.' BSB BSB: and when they come to their senses in the land to which they were taken, and they repent and plead with You in the land of their captors, saying, ‘We have sinned and done wrong; we have acted wickedly,’
48 ULB Ka miverina aminao amin'ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo any amin'ny tanin'ireo fahavalony izay nambabo azy izy ireo, ary raha atao hoe mivavaka aminao manandrify ny taniny, izay nomenao ny razan'izy ireo, ary manandrify ny tanàna izay nofidinao izy ireo, ary manandrify ny trano izay naoriko ho an'ny anaranao. BSB BSB: and when they return to You with all their heart and soul in the land of the enemies who took them captive, and when they pray to You in the direction of the land that You gave to their fathers, the city You have chosen, and the house I have built for Your Name,
49 ULB Dia mihainoa ny vavak'izy ireo sy ny fangatahan'izy ireo famonjena, any an-danitra, izay toerana honenanao, ary hanamarina ny raharaha ho azy ireo Ianao. BSB BSB: then may You hear from heaven, Your dwelling place, their prayer and petition, and may You uphold their cause.
50 ULB Mamelà ny olonao, izay nanota taminao, sy ny fahotany rehetra izay nandikany ny didinao. Mihantrà azy ireo manoloana ny fahavalony izay nitondra azy ho babo, mba hiantran'ny fahavalon'izy ireo ny vahoakanao ihany koa. BSB BSB: May You forgive Your people who have sinned against You and all the transgressions they have committed against You, and may You grant them compassion in the eyes of their captors to show them mercy.
51 ULB Vahoakanao izay nofidianao izy ireo, izay navotanao avy tany Egypta toy ny avy tao amin'ny fatana fandrendreham-by. BSB BSB: For they are Your people and Your inheritance; You brought them out of Egypt, out of the furnace for iron.
52 ULB Mivavaka aho mba hisokatra amin'ny fangatahan'ny mpanomponao sy ny fangatahan'ny Israely olonao ny masonao, mba hihaino azy ireo na oviana na oviana hiantsoany Anao. BSB BSB: May Your eyes be open to the pleas of Your servant and of Your people Israel, and may You listen to them whenever they call to You.
53 ULB Fa navahanao teo amin'ireo vahoakan'ny tany rehetra izy ireo mba ho Anao ary handray ireo fampanantenanao, araka ny nazavainao tamin'ny alalan'i Mosesy mpanomponao, fony nitondra ny razanay nivoaka an'i Egypta Ianao, ry Tompo Yaveh." BSB BSB: For You, O Lord GOD, have set them apart from all the peoples of the earth as Your inheritance, as You spoke through Your servant Moses when You brought our fathers out of Egypt.”
54 ULB Koa rehefa avy nanao izany vavaka sy fangatahana rehetra izany tamin'i Yaveh i Solomona, dia nitsangana avy teo anoloan'ny alitaran'i Yaveh izy, rehefa avy nandohalika sy namelatra ny tanany nanatrika ny lanitra. BSB BSB: Now when Solomon had finished praying this entire prayer and petition to the LORD, he got up before the altar of the LORD, where he had been kneeling with his hands spread out toward heaven.
55 ULB Nitsangana izy ary nitso-drano ny fivondronan'Israely rehetra tamin'ny feo mafy, nanao hoe: BSB BSB: And he stood and blessed the whole assembly of Israel in a loud voice, saying:
56 ULB "Deraina anie Yaveh, ilay nanome fitsaharana ho an'Israely olony, tamin'ny fitanany ny fampanantenany rehetra. Tsy nisy teny latsaka avy tamin'ny fampanantenana soan'i Yaveh izay nataony tamin'i Mosesy mpanompony. BSB BSB: “Blessed be the LORD, who has given rest to His people Israel according to all that He promised. Not one word has failed of all the good promises He made through His servant Moses.
57 ULB Homba antsika anie Yaveh Andriamanintsika, tahaka ny nombàny an'ireo razantsika. BSB BSB: May the LORD our God be with us, as He was with our fathers. May He never leave us or forsake us.
58 ULB Tsy handao antsika anie Izy na hahafoy antsika, mba hampitongilaniny ho Aminy ny fontsika, mba hiaina amin'ny lalany rehetra sy hitandrina ireo didy aman-dalàny ary ireo fitsipiny, izay nandidiany an'ireo razantsika. BSB BSB: May He incline our hearts to Himself, to walk in all His ways and to keep the commandments and statutes and ordinances He commanded our fathers.
59 ULB Aoka ireo teny izay nambarako, izay nangatahiko teo anatrehan'i Yaveh, ho akaikin'i Yaveh Andriamanitsika andro aman'alina, mba hanomezany rariny ny mpanompony sy ny Israely olony, araka izay ilaina isan'andro; BSB BSB: And may these words with which I have made my petition before the LORD be near to the LORD our God day and night, so that He may uphold the cause of His servant and of His people Israel as each day requires,
60 ULB mba ho fantatry ny firenena rehetra eto an-tany fa i Yaveh, no Andriamanitra, ary tsy misy Andriamanitra hafa! BSB BSB: so that all the peoples of the earth may know that the LORD is God. There is no other!
61 ULB Koa aoka ho marina amin'i Yaveh Andriamanitsika ny fonareo, mba handeha eo amin'ny lalàny ary hitandrina ireo didiny, tahaka ny anio." BSB BSB: So let your heart be fully devoted to the LORD our God, as it is this day, to walk in His statutes and to keep His commandments.”
62 ULB Koa dia nanolotra sorona ho an'i Yaveh ny mpanjaka sy ireo Israely rehetra niaraka taminy. BSB BSB: Then the king and all Israel with him offered sacrifices before the LORD.
63 ULB Nanolotra sorona fanati-pihavanana i Solomona, izay nataony ho an'i Yaveh: omby roa arivo sy roa alina ary ondry 120. 000. Koa dia notokanan'ny mpanjaka sy ireo vahoakan'Israely rehetra ny tranon'i Yaveh. BSB BSB: And Solomon offered as peace offerings to the LORD 22,000 oxen and 120,000 sheep. So the king and all the Israelites dedicated the house of the LORD.
64 ULB Ny andron'io ihany dia natokan'ny mpanjaka ny afovoan'ny kianja teo anoloan'ny tempolin'i Yaveh, fa teo no nanolorany ny fanatitra dorana, ny fanatitra vary, ary ny tavin'ny fanati-pihavanana, satria kely loatra raha handraisana ny fanatitra dorana, ny fanatitra hohanina, ary ny tavin'ireo fanati-pihavanana ny alitara varahina izay teo anatrehan'i Yaveh. BSB BSB: On that same day the king consecrated the middle of the courtyard in front of the house of the LORD, and there he offered the burnt offerings, the grain offerings, and the fat of the peace offerings, since the bronze altar before the LORD was too small to contain all these offerings.
65 ULB Koa nataon'i Solomona, mbamin'ireo Israely rehetra niaraka taminy, izay fivondronam-be, hatrany Lebo-hamata ka hatrany amin'ny lohasahan-driakan'i Egypta, teo anatrehan'i Yaveh Andriamanitsika nandritra ny fito andro ary nandritra ny fito andro hafa koa, izay mira efatra ambin'ny folo andro ny lanonana tamin'izany fotoana izany. BSB BSB: So at that time Solomon and all Israel with him—a great assembly of people from Lebo-hamath to the Brook of Egypt—kept the feast before the LORD our God for seven days and seven more days—fourteen days in all.
66 ULB Ary tamin'ny andro fahavalo dia nampody ireo vahoaka izy, ary nitso-drano ny mpanjaka izy ireo ka nody tany an-tranony tamin'ny fo ravoravo sy falifaly nohon'ny amin'ny fahatsarana rehetra nasehon'i Yaveh tamin'i Davida mpanompony, ary tamin'Israely olony. BSB BSB: On the fifteenth day Solomon sent the people away. So they blessed the king and went home, joyful and glad in heart for all the good things that the LORD had done for His servant David and for His people Israel.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.