1 ULB Dia naka ny tavoara misy ny diloilo i Samoela, nandraraka izany teo ambony lohan'i Saoly, ary nanoroka azy. Hoy izy hoe: "Moa ve Yaveh tsy efa nanosotra anao ho mpanapaka ny lovany? BSB BSB: Then Samuel took a flask of oil, poured it on Saul’s head, kissed him, and said, “Has not the LORD anointed you ruler over His inheritance?
2 ULB Rehefa handao ahy ianao anio, dia hahita lehilahy anankiroa eo akaikin'ny fasan-dRahely, ao amin'ny faritanin'i Benjamina ao Zelza. Hiteny aminao izy ireo hoe: 'Ireo boriky izay notadiavinao dia efa hita. Ankehitriny ny razambenao dia nitsahatra tsy niahiahy ny amin'ireo boriky ary dia manahy ny momba anao, miteny hoe: "Inona no tokony hataoko mahakasika ny zanako lahy?"' BSB BSB: When you leave me today, you will find two men at Rachel’s tomb in Zelzah on the border of Benjamin. They will say to you, ‘The donkeys you seek have been found, and now your father has stopped worrying about the donkeys and started worrying about you, asking, “What should I do about my son?”’
3 ULB Dia handeha lavidavitra kokoa avy any ianao, ary ho tonga eo amin'ny hazo terebintan'i Tabara. Hihaona amin'ny lehilahy telo mandeha ho any amin'Andriamanitra any Betela ianao, ny iray mitondra zanak'osy telo, ny hafa mitondra mofo telo, ary ny hafa mitondra sinin-divay hoditra. BSB BSB: Then you will go on from there until you come to the Oak of Tabor. Three men going up to God at Bethel will meet you there, one carrying three young goats, another carrying three loaves of bread, and another carrying a skin of wine.
4 ULB Hiarahaba anao izy ireo ary hanome mofo roa anao, izay halainao avy eo an-tanan'izy ireo. BSB BSB: They will greet you and give you two loaves of bread, which you will accept from their hands.
5 ULB Aorian'izany, dia hiverina ho eo amin'ny havoan'Andriamanitra ianao, izay misy ny miaramilan'ny Filistina. Rehefa tonga ao amin'ilay tanàna ianao, dia hihaona amin'ny andiana mpaminany hidina avy any amin'ny toerana avo miaraka amin'ny lokanga, amponga tapaka, sodina, ary valiha eo alohan'izy ireo; haminany izy ireo. BSB BSB: After that you will come to Gibeah of God, where the Philistines have an outpost. As you approach the city, you will meet a group of prophets coming down from the high place, preceded by harps, tambourines, flutes, and lyres, and they will be prophesying.
6 ULB Ny Fanahin'i Yaveh hilatsaka eo aminao, ary haminany miaraka amin'izy ireo ianao, ka hiova ho lehilahy hafa. BSB BSB: Then the Spirit of the LORD will rush upon you, and you will prophesy with them; and you will be transformed into a different person.
7 ULB Ary rehefa tonga aminao ireo famantarana ireo, dia ataovy izay rehetra hitan'ny tananao fa tokony ho atao, satria Andriamanitra momba anao. BSB BSB: When these signs have come, do as the occasion demands, for God is with you.
8 ULB Midìna eo mialoha ahy ho any Gilgala. Dia hidina any aminao aho hanolotra ireo fanatitra dorana ary hanao sorona fanati-pihavanana. Miandrasa fito andro mandra-pandehanako ho eo aminao ary hampisehoako aminao izay tokony hataonao." BSB BSB: And you shall go before me to Gilgal, and surely I will come to you to offer burnt offerings and to sacrifice peace offerings. Wait seven days until I come to you and show you what you are to do.”
9 ULB Rehefa nitodi-damosina handao an'i Samoela i Saoly, dia nomen'Andriamanitra azy ny fo vaovao. Dia tonga ireo famantarana rehetra ireo tamin'izany andro izany. BSB BSB: As Saul turned to leave Samuel, God changed Saul’s heart, and all the signs came to pass that day.
10 ULB Rehefa tonga teny amin'ny havoana izy ireo, dia nisy andiana mpaminany nihaona taminy, ary ny Fanahin'Andriamanitra nidina teo aminy ka naminany niaraka tamin'izy ireo izy. BSB BSB: When Saul and his servant arrived at Gibeah, a group of prophets met him. Then the Spirit of God rushed upon him, and he prophesied along with them.
11 ULB Rehefa nahita azy niaraka tamin'ireo mpaminany ny olona rehetra izay nahalala azy teo aloha, dia nifampiteny ny olona hoe: "Inona no nahazo ny zanaka lahin'i Kisy? Anisan'ny iray amin'ireo mpaminany koa ve i Saoly? BSB BSB: When all those who had formerly known Saul saw him prophesying with the prophets, they asked one another, “What has happened to the son of Kish? Is Saul also among the prophets?”
12 ULB Nisy lehilahy nipetraka teo amin'io toerana io namaly hoe: "Dia iza no rain'izy ireo?" Noho izany, dia lasa fiteny ny hoe: "Anisan'ireo mpaminany ihany koa ve i Saoly?" BSB BSB: Then a man who lived there replied, “And who is their father?” So the saying became a proverb: “Is Saul also among the prophets?”
13 ULB Rehefa nahavita ny faminaniana izy dia nankany amin'ny fitoerana avo. BSB BSB: And when Saul had finished prophesying, he went up to the high place.
14 ULB Dia hoy ny dadatoan'i Saoly taminy sy ny mpanompony hoe: "Taiza no nalehanareo?" Namaly izy hoe: "Nitady ireo boriky. Rehefa hitanay fa tsy nety hitanay ireo, dia nankany amin'i Samoela izahay." BSB BSB: Now Saul’s uncle asked him and his servant, “Where did you go?” “To look for the donkeys,” Saul replied. “When we saw they were not to be found, we went to Samuel.”
15 ULB Hoy ny dadatoan'i Saoly hoe: "Mba teneno amiko re izay nolazain'i Samoela taminareo." BSB BSB: “Tell me,” Saul’s uncle asked, “what did Samuel say to you?”
16 ULB Namaly ny rahalahin-drainy i Saoly hoe: "Niteny taminay mazava tsara izy fa efa hita ireo boriky." Fa tsy nilaza taminy ny momba ilay resaka fanjakana, izay efa nolazain'i Samoela izy. BSB BSB: And Saul replied, “He assured us that the donkeys had been found.” But Saul did not tell his uncle what Samuel had said about the kingship.
17 ULB Dia nantsoin'i Samoela hiaraka teo anoloan'i Yaveh tao Mizpa ireo vahoaka. BSB BSB: After this, Samuel summoned the people to the LORD at Mizpah
18 ULB Hoy izy tamin'ireo olon'Israely hoe: "Izao no zavatra nolazain'i Yaveh, Andriamanitry ny Israely: 'Namoaka ny Israely hiala avy tao Egypta Aho ary nanavotra anareo teo amin'ny tananan'ireo Egyptiana, ary tamin'ny tanan'ireo fanjakana rehetra izay nampahory anareo.' BSB BSB: and said to the Israelites, “This is what the LORD, the God of Israel, says: ‘I brought Israel up out of Egypt, and I rescued you from the hands of the Egyptians and of all the kingdoms that oppressed you.’
19 ULB Fa ankehitriny nandà ny Andriamanitrareo, izay nanavotra anareo tamin'ireo loza sy fahorianareo rehetra ianareo; ary nilaza taminy ianareo hoe: 'Mametraha mpanjaka eo aminay.' Ankehitriny atolory eo anoloan'i Yaveh araka ireo fokonareo sy ireo vondronareo ny tenanareo." BSB BSB: But today you have rejected your God, who saves you from all your troubles and afflictions, and you have said to Him, ‘No, set a king over us.’ Now therefore present yourselves before the LORD by your tribes and clans.”
20 ULB Dia nanakaiky an'i Samoela ireo fokon'Israely rehetra, ary ny fokon'i Benjamina no voafidy. BSB BSB: Thus Samuel had all the tribes of Israel come forward, and the tribe of Benjamin was selected.
21 ULB Avy eo dia nentiny nanakaiky ny vondron'izy ireo ny fokon'i Benjamina; ary ny fokon'ny Matrita no voafidy, ary Saoly zanaka lahin'i Kisy dia voafidy. Fa rehefa nandeha nitady azy izy ireo, dia tsy nety hita izy. BSB BSB: Then he had the tribe of Benjamin come forward by its clans, and the clan of Matri was selected. Finally, Saul son of Kish was selected. But when they looked for him, they could not find him.
22 ULB Ary ny olona dia te-hametra-panontaniana bebe kokoa tamin'Andriamanitra hoe: "Mbola misy lehilahy hafa ho avy ve?" Yaveh namaly hoe: "Nanafina ny tenany eo amin'ireo entana izy." BSB BSB: So again they inquired of the LORD, “Has the man come here yet?” And the LORD replied, “Behold, he has hidden himself among the baggage.”
23 ULB Dia nihazakazaka izy ireo ary naka an'i Saoly avy tao. Rehefa nitsangana teo amin'ireo olona izy, dia lava mihoatra ny olona rehetra avy eo an-tsorony no ho miakatra izy. BSB BSB: So they ran and brought Saul, and when he stood among the people, he was a head taller than any of the others.
24 ULB Dia hoy Samoela tamin'ireo olona hoe: "Hitanareo ve ilay lehilahy izay efa voafidin'i Yaveh? Tsy misy olona tahaka azy eo amin'ny vahoaka rehetra!" Ny olona rehetra niantsoantso hoe: "Ho ela velona ny mpanjaka!" BSB BSB: Samuel said to all the people, “Do you see the one the LORD has chosen? There is no one like him among all the people.” And all the people shouted, “Long live the king!”
25 ULB Dia nilaza tamin'ny vahoaka ireo fomba sy ireo fitsipiky ny fanjakana i Samoela, nanoratra ireo tao anaty boky, ary nametraka izany teo anatrehan'i Yaveh. Avy eo dia nalefan'i Samoela ny vahoaka rehetra, ho any amin'ny tranony avy. BSB BSB: Then Samuel explained to the people the rights of kingship. He wrote them on a scroll and laid it up before the LORD. And Samuel sent all the people away, each to his own home.
26 ULB Nody tany an-tranony tao Gibea ihany koa i Saoly, ary niaraka tamin'ireo lehilahy matanjaka sasany, izay nokasihin'Andriamanitra ny fony. BSB BSB: Saul also went to his home in Gibeah, and the men of valor whose hearts God had touched went with him.
27 ULB Fa ny sasany tamin'ireo olona tsy misy dikany nanao hoe: "Ahoana no hahafahan'io lehilahy io manavotra anay?" Nanaraby an'i Saoly ireo olona ireo ary tsy mba nitondra fanomezana ho azy. Fa nangina kosa i Saoly. BSB BSB: But some worthless men said, “How can this man save us?” So they despised him and brought him no gifts; but Saul remained silent about it.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.