1 ULB Avy eo Nahasy Amonita nandeha ary nitoby tany Jabesi-Gileada. Hoy ny olon'i Jabesy rehetra tamin'i Nahasy hoe: "Manaova fanekena miaraka aminay, dia hanompo anareo izahay." BSB BSB: Then Nahash the Ammonite came up and laid siege to Jabesh-gilead. All the men of Jabesh said to him, “Make a treaty with us, and we will serve you.”
2 ULB Dia namaly i Nahasy Amonita hoe: "Amin'izao fepetra izao no hanaovako fifanekena aminareo, dia ny hipotsirako ny maso ankavananareo rehetra, ary izany no fomba hitondrana fahafaham-baraka eo amin'Israely rehetra." BSB BSB: But Nahash the Ammonite replied, “I will make a treaty with you on one condition, that I may put out everyone’s right eye and bring reproach upon all Israel.”
3 ULB Ary ny loholon'i Jabesy namaly azy hoe: "Avelao irery mandritra ny fito andro izahay, mba hahafahanay mandefa iraka mankany amin'ny fari-tanin'Israely rehetra. Ary, raha tsy misy na iray aza hamonjy anay, dia hitolo-batana aminareo izahay." BSB BSB: “Hold off for seven days,” replied the elders of Jabesh, “and let us send messengers throughout Israel. If there is no one to save us, we will surrender to you.”
4 ULB Dia tonga tany Gibea, izay nitoeran'i Saoly ireo iraka, ary nilaza izay zava-nitranga tamin'ny vahoaka. Dia nitomany mafy ny vahoaka rehetra. BSB BSB: When the messengers came to Gibeah of Saul and relayed these words in the hearing of the people, they all wept aloud.
5 ULB Ary nanaraka ireo omby avy tao an-tsaha i Saoly. Hoy i Saoly: "Inona no mahazo an'ireo vahoaka ka mampitomany azy ireo?" Dia noresahin'izy ireo tamin'i Saoly izay nolazain'ny lehilahin'i Jabesy. BSB BSB: Just then Saul was returning from the field, behind his oxen. “What troubles the people?” asked Saul. “Why are they weeping?” And they relayed to him the words of the men from Jabesh.
6 ULB Rehefa ren'i Saoly izay nolazain'izy ireo, dia nilatsaka teo aminy ny Fanahin'Andriamanitra, ka tezitra mafy izy. BSB BSB: When Saul heard their words, the Spirit of God rushed upon him, and he burned with great anger.
7 ULB Naka ziogan'omby iray izy, ka nokapakapainy, ary nalefany nanerana ny Israely rehetra niaraka tamin'ireo iraka ireo. Hoy izy: "Izay rehetra tsy hivoaka hanaraka an'i Saoly sy Samoela, dia toy ireny no hanaovana ny ombiny." Ary nilatsaka tamin'ny vahoaka ny horohoron'i Yaveh, ka niara-nivoaka toy ny olona iray izy ireo. BSB BSB: He took a pair of oxen, cut them into pieces, and sent them by messengers throughout the land of Israel, proclaiming, “This is what will be done to the oxen of anyone who does not march behind Saul and Samuel.” Then the terror of the LORD fell upon the people, and they came out together as one man.
8 ULB Rehefa namory azy ireo tany Bezeka izy, dia dia nisy telo hetsy ny vahoakan'Israely, ary ny olon'ny Joda dia telo alina. BSB BSB: And when Saul numbered them at Bezek, there were 300,000 Israelites and 30,000 men of Judah.
9 ULB Hoy izy ireo tamin'ireo iraka izay tonga: "Hilaza amin'ny olon'ny Jabesi-Gileada ianareo hoe: 'Rahampitso, amin'ny fotoana mampahamay ny masoandro, dia ho voavonjy ianareo."' Koa nandeha ireo iraka ary nilaza tamin'ny olon'i Jabesy, ary faly izy ireo. BSB BSB: So they said to the messengers who had come, “Tell the men of Jabesh-gilead: ‘Deliverance will be yours tomorrow by the time the sun is hot.’” And when the messengers relayed this to the men of Jabesh, they rejoiced.
10 ULB Dia hoy ny olon'i Jabesy tamin'i Nahasy: "Hitolo-batana aminao izahay rahampitso, dia afaka ataonao aminay izay hitanao fa mety aminao." BSB BSB: Then the men of Jabesh said to Nahash, “Tomorrow we will come out, and you can do with us whatever seems good to you.”
11 ULB Ny ampitso dia napetrak'i Saoly tao anaty vondrona telo ny vahoaka. Dia nankeo afovoan'ny toby tamin'ny fiambenana maraina izy ireo, ary nanafika izy ireo ka naharesy ireo Amonita mandra-pahamay ny andro. Ireo izay mbola velona dia naely, mba tsy hisian'ny roa hiara-tavela. BSB BSB: The next day Saul organized the troops into three divisions, and during the morning watch they invaded the camp of the Ammonites and slaughtered them, until the hottest part of the day. And the survivors were so scattered that no two of them were left together.
12 ULB Dia hoy ny vahoaka tamin'i Samoela: "Iza ilay niteny hoe: 'Hanjaka eto amintsika ve i Saoly?' Ento ireo olona, mba hahafahantsika mamono azy ireo." BSB BSB: Then the people said to Samuel, “Who said that Saul should not reign over us? Bring those men here so we can kill them!”
13 ULB Fa hoy i Saoly: "Aoka mba tsy hisy ho faty na iray aza amin'ity andro ity, satria nanavotra an'Israely Yaveh androany." BSB BSB: But Saul ordered, “No one shall be put to death this day, for today the LORD has worked salvation in Israel.”
14 ULB Avy eo dia hoy i Samoela tamin'ny vahoaka: "Andao, andeha isika handeha any Gilgala ary hanavao ny fanjakana any indray." BSB BSB: Then Samuel said to the people, “Come, let us go to Gilgal and renew the kingship there.”
15 ULB Koa nandeha tany Gilgala ny vahoaka rehetra ary nanao an'i Saoly ho mpanjaka teo anatrehan'i Yaveh tany Gilgala. Tany no nanaovan'izy ireo sorona fanati-pihavanana teo anatrehan'i Yaveh, ary Saoly sy ireo lehilahin'Israely dia feno hafaliana tanteraka. BSB BSB: So all the people went to Gilgal and confirmed Saul as king in the presence of the LORD. There they sacrificed peace offerings before the LORD, and Saul and all the Israelites rejoiced greatly.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.