1 ULB Hoy i Samoela tamin'ny Israely rehetra: "Efa nihaino ny zavatra rehetra nolazainareo tamiko aho, ary efa nanendry mpanjaka teo aminareo. BSB BSB: Then Samuel said to all Israel, “I have listened to your voice in all that you have said to me, and I have set over you a king.
2 ULB Ankehitriny, indro mandeha eo anoloanareo ny mpanjaka; ary efa antitra sy fotsy volo aho; ary, ireo zanako dia eo aminareo. Efa nandeha teo anatrehanareo hatramin'ny fahatanorako ka mandrak'androany aho. BSB BSB: Now here is the king walking before you, and I am old and gray, and my sons are here with you. I have walked before you from my youth until this day.
3 ULB Inty aho; mijoroa vavolombelona hanohitra ahy eo anatrehan'i Yaveh sy eo anatrehan'ilay voahosony. Ombin'iza no efa nalaiko? Ampondran'iza no efa nalaiko? Iza no efa nambakaiko? Iza no efa nampijaliako? Avy tamin'ny tanan'iza no efa nandraisako kolikoly mba hahatampina ny masoko? Mijoroa vavolombelona hanohitra ahy, fa haveriko aminareo izany." BSB BSB: Here I am. Bear witness against me before the LORD and before His anointed: Whose ox or donkey have I taken? Whom have I cheated or oppressed? From whose hand have I accepted a bribe and closed my eyes? Tell me, and I will restore it to you.”
4 ULB Hoy izy ireo hoe: "Tsy namitaka anay ianao, tsy nampijaly anay, na naka na inona na inona avy teo an-tanan'olona." BSB BSB: “You have not cheated us or oppressed us,” they replied, “nor have you taken anything from the hand of man.”
5 ULB Dia hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Yaveh no vavolombelona aminareo, ary ilay voahosony no vavolombelona androany, fa tsy nahita na inona na inona teo an-tanako ianareo." Izy ireo namaly hoe: "Yaveh no vavolombelona." BSB BSB: Samuel said to them, “The LORD is a witness against you, and His anointed is a witness today, that you have not found anything in my hand.” “He is a witness,” they replied.
6 ULB Hoy i Samoela tamin'ireo vahoaka hoe: "Yaveh no nanendry an'i Mosesy sy Arona, ary nitondra ny razambenareo niakatra avy tao amin'ny tany Egypta. BSB BSB: Then Samuel said to the people, “The LORD is the One who appointed Moses and Aaron, and who brought your fathers up out of the land of Egypt.
7 ULB Koa ankehitriny, atolory ny tenanareo, mba hahafahako mifandahatra aminareo eo anatrehan'i Yaveh mahakasika ireo asa marin'i Yaveh, izay nataony ho anareo sy ny razambenareo. BSB BSB: Now present yourselves, so that I may confront you before the LORD with all the righteous acts He has done for you and your fathers.
8 ULB Rehefa tonga tany Egypta i Jakoba, ary nitaraina tamin'i Yaveh ireo razambenareo, dia nandefa an'i Mosesy sy i Arona i Yaveh, izay nitarika ireo razambenareo hivoaka an'i Egypta ary nonina tamin'ity toerana ity izy ireo. BSB BSB: When Jacob went to Egypt, your fathers cried out to the LORD, and He sent them Moses and Aaron, who brought your fathers out of Egypt and settled them in this place.
9 ULB Fa izy ireo nanadino an'i Yaveh Andriamaniny; ka nivarotra azy ireo teo an-tanan'i Sisera, mpitarika ireo tafik'i Hazora izy, teo an-tanan'ireo Filistina, ary teo an-tanan'ny mpanjakan'i Moaba; ireo rehetra ireo no niady tamin'ny razambenare. BSB BSB: But they forgot the LORD their God, and He sold them into the hand of Sisera the commander of the army of Hazor, and into the hands of the Philistines and the king of Moab, who fought against them.
10 ULB Nitaraina tamin'i Yaveh izy ireo ary nanao hoe: 'Efa nanota izahay, satria nahafoy an'i Yaveh ary efa nanompo an'ireo Bala sy ireo Astarta. Fa ankehitriny manafaha anay eo an-tanan'ireo fahavalonay, dia hanompo anao izahay.' BSB BSB: Then they cried out to the LORD and said, ‘We have sinned, for we have forsaken the LORD and served the Baals and Ashtoreths. Now deliver us from the hands of our enemies, that we may serve You.’
11 ULB Noho izany dia naniraka an'i Jerobala, Bedana, Jefta, ary Samoela i Yaveh, ary nanome fandresena anareo teo amin'ireo fahavalonareo rehetra manodidina anareo, ka nahafahanareo niaina am-pilaminana. BSB BSB: So the LORD sent Jerubbaal, Barak, Jephthah, and Samuel, and He delivered you from the hands of your enemies on every side, and you dwelt securely.
12 ULB Rehefa hitanareo fa avy hanohitra anareo i Nahasa mpanjakan'ny vahoakan'i Amona, dia hoy ianareo tamiko hoe: 'Tsia! Fa aoka, ho mpanjaka kosa no hanjaka eto aminay'—kanefa Yaveh Andriamanitrareo, no mpanjakanareo. BSB BSB: But when you saw that Nahash king of the Ammonites was moving against you, you said to me, ‘No, we must have a king to rule over us’—even though the LORD your God was your king.
13 ULB Indro ankehitriny ny mpanjaka izay nosafidinareo, izay nangatahinareo, ary izay notendren'i Yaveh ho mpanjaka eo aminareo anio. BSB BSB: Now here is the king you have chosen, the one you requested. Behold, the LORD has placed a king over you.
14 ULB Raha matahotra an'i Yaveh ianareo, dia manompoa Azy, ankatoavy ny feony, ary aza mikomy hanohitra ny didin'i Yaveh, ary samy ho mpanaraka an'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo sy ny mpanjaka izay manjaka eo aminareo. BSB BSB: If you fear the LORD and serve Him and obey His voice, and if you do not rebel against the command of the LORD, and if both you and the king who rules over you follow the LORD your God, then all will be well.
15 ULB Fa raha tsy mankatò ny feon'i Yaveh ianareo, fa mikomy manohitra ireo didin'i Yaveh, dia hamely anareo ny tanan'i Yaveh, tahaka ny namelezana ireo razambenareo. BSB BSB: But if you disobey the LORD and rebel against His command, then the hand of the LORD will be against you as it was against your fathers.
16 ULB Koa mitsangàna ankehitriny ary jereo izao zavatra lehibe izay hataon'i Yaveh eto imasonareo izao. BSB BSB: Now, therefore, present yourselves and see this great thing that the LORD will do before your eyes.
17 ULB Moa ve tsy fotoam-pijinjana vary tritrika izao? Hiantso an'i Yaveh aho, mba handefasany kotroka sy orana. Dia ho fantatrareo sy ho hitanareo fa lehibe ny haratsiam-panahinareo, izay nataonareo teo imason'i Yaveh, tamin'ny alalan'ny fangatahanareo mpanjaka." BSB BSB: Is it not the wheat harvest today? I will call on the LORD to send thunder and rain, so that you will know and see what a great evil you have committed in the sight of the LORD by asking for a king.”
18 ULB Koa dia niantso an'i Yaveh i Samoela; ary tamin'izany andro izany ihany dia nandefa oram-baratra i Yaveh. Ary dia natahotra mafy an'i Yaveh sy i Samoela ny vahoaka rehetra. BSB BSB: So Samuel called to the LORD, and on that day the LORD sent thunder and rain. As a result, all the people greatly feared the LORD and Samuel.
19 ULB Dia hoy ireo vahoaka rehetra tamin'i Samoela hoe: "Mivavaha ho an'ireo mpanomponao amin'i Yaveh Andriamanitrao, mba tsy ho faty izahay. Satria efa nanampy ny fahotanay rehetra tamin'izao zava-dratsy izao tamin'ny alalan'ny fangatahana mpanjaka izahay." BSB BSB: They pleaded with Samuel, “Pray to the LORD your God for your servants so that we will not die! For we have added to all our sins the evil of asking for a king.”
20 ULB Dia namaly Samoela hoe: "Aza matahotra. Efa nanao izao ratsy rehetra izao ianareo, kanefa aza miala amin'i Yaveh, fa manompoa an'i Yaveh amin'ny fonareo manontolo. BSB BSB: “Do not be afraid,” Samuel replied. “Even though you have committed all this evil, do not turn aside from following the LORD, but serve the LORD with all your heart.
21 ULB Aza mivily manaraka ireo zava-poana izay tsy mahasoa na mahavonjy anareo, satria dia tsy misy ilàna azy ireo. BSB BSB: Do not turn aside after worthless things that cannot profit you or deliver you, for they are empty.
22 ULB Fa nohon'ny anarany lehibe, dia tsy handà ny olony i Yaveh, satria mahafaly an'i Yaveh ny hanao anareo ho vahoakany. BSB BSB: Indeed, for the sake of His great name, the LORD will not abandon His people, because He was pleased to make you His own.
23 ULB Raha ny amiko, dia sanatriaviko ny hanota amin'i Yaveh amin'ny fitsaharana ny hivavaka ho anareo. Fa kosa hampianatra anareo ny lalana izay tsara sy marina aho. BSB BSB: As for me, far be it from me that I should sin against the LORD by ceasing to pray for you. And I will continue to teach you the good and right way.
24 ULB Yaveh ihany hatahorana ary manompoa Azy amin'ny fahamarinana amin'ny fonareo manontolo. Hevero ireo zava-dehibe izay efa nataony taminareo. BSB BSB: Above all, fear the LORD and serve Him faithfully with all your heart; consider what great things He has done for you.
25 ULB Fa raha mikiry ny hanao ratsy ianareo, dia samy ho ringana ianareo sy ny mpanjakanareo." BSB BSB: But if you persist in doing evil, both you and your king will be swept away.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.