1 ULB Telopolo taona i Saoly no nanomboka nanjaka; rehefa nanjaka efapolo taona teo amin'Israely izy, BSB BSB: Saul was thirty years old when he became king, and he reigned over Israel forty-two years.
2 ULB dia nifantina lehilahy telo arivo teo amin'Israely. Roa arivo no niaraka taminy tany Mikmasy sy tany amin'ny havoan'ny tanànan'i Betela, raha ny arivo kosa niaraka tamin'i Jonatana tany Gibean'i Benjamina. Ireo miaramila sisa tavela dia nalefany nody, ny lehilahy tsirairay samy ho any an-dainy avy. BSB BSB: He chose for himself three thousand men of Israel: Two thousand were with Saul at Michmash and in the hill country of Bethel, and a thousand were with Jonathan in Gibeah of Benjamin. And the rest of the troops he sent away, each to his own home.
3 ULB Nandresy ny toby miaramilan'ny Filistina i Jonatana izay tany Geba ary nandre izany ireo Filistina. Dia nitsoka trompetra nanerana ny tany rehetra i Saoly, niteny hoe: "Aoka handre ireo Hebreo." BSB BSB: Then Jonathan attacked the Philistine outpost at Geba, and the Philistines heard about it. So Saul blew the ram’s horn throughout the land, saying, “Let the Hebrews hear!”
4 ULB Ren'ny Israely rehetra fa i Saoly dia nandresy ny miaramilan'ny Filistina, ary ny Israely ihany koa dia tonga fofona lo ho an'ireo Filistina. Ary ireo miaramila dia nampiantsoina hivondrona hanaraka an'i Saoly any Gilgala. BSB BSB: And all Israel heard the news: “Saul has attacked an outpost of the Philistines, and now Israel has become a stench to the Philistines!” Then the people were summoned to join Saul at Gilgal.
5 ULB Niara-nivondrona ireo Filistina mba hiady hanohitra ny Israely: kalesy telo arivo, lehilahy enina arivo hitondra ireo kalesy, ary antoko maro an'isa toy ny fasika eny amoron-dranomasina. Niakatra izy ireo ary nitoby tany Mikmasy, atsinanan'i Betavena. BSB BSB: Now the Philistines assembled to fight against Israel with three thousand chariots, six thousand horsemen, and troops as numerous as the sand on the seashore. They went up and camped at Michmash, east of Beth-aven.
6 ULB Rehefa hitan'ireo lehilahin'Israely fa nisavoritaka izy ireo—fa ory ny vahoaka, dia niafina tao amin'ireo zohy, tao amin'ny kirihitr'ala, tao amin'ireo haram-bato, tao amin'ny famorian-drano, ary tao anaty lavaka ny vahoaka. BSB BSB: Seeing that they were in danger because their troops were hard-pressed, the men of Israel hid in caves and thickets, among the rocks, and in cellars and cisterns.
7 ULB Ny sasany tamin'ireo Hebreo niampita an'i Jordana ho any amin'ny tanin'i Gada sy Gileada. Fa i Saoly kosa mbola tany Gilgala, ary ny vahoaka rehetra nanaraka azy tamim-pangovitana. BSB BSB: Some Hebrews even crossed the Jordan into the land of Gad and Gilead. Saul, however, remained at Gilgal, and all his troops were quaking in fear.
8 ULB Niandry nandritra ny fito andro izy, ny fotoana izay nomen'i Samoela. Fa Samoela tsy tonga tany Gilgala, ary ny vahoaka dia niparitaka niala teo amin'i Saoly. BSB BSB: And Saul waited seven days for the time appointed by Samuel, but Samuel did not come to Gilgal, and the troops began to desert Saul.
9 ULB Hoy Saoly: "Ento aty amiko ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana." Dia natolony ny fanatitra dorana. BSB BSB: So he said, “Bring me the burnt offering and the peace offerings.” And he offered up the burnt offering.
10 ULB Vantany vao voatolony ny fanatitra dorana dia tonga i Samoela. Nivoaka nitsena sy niarahaba azy i Saoly. BSB BSB: Just as he finished offering the burnt offering, Samuel arrived, and Saul went out to greet him.
11 ULB Ary hoy Samoela: "Inona ny nataonao?" Namaly i Saoly hoe: "Rehefa hitako fa niala tamiko ny vahoaka, ary tsy tonga teto amiko tamin'ny fotoana nomena ianao, ary ireo Filistina efa niangona tany Mikmasy, BSB BSB: “What have you done?” Samuel asked. And Saul replied, “When I saw that the troops were deserting me, and that you did not come at the appointed time and the Philistines were gathering at Michmash,
12 ULB dia hoy aho hoe: 'Ankehitriny ireo Filistina dia hidina hanohitra ahy ao Gilgala, ary izaho tsy nitady ny fankasitrahan'i Yaveh.' Koa nanery ny tenako hanolotra ny fanatitra dorana aho." BSB BSB: I thought, ‘Now the Philistines will descend upon me at Gilgal, and I have not sought the favor of the LORD.’ So I felt compelled to offer the burnt offering.”
13 ULB Ary hoy Samoela tamin'i Saoly: "Nanao adalana ianao. Tsy nitandrina ny didin'i Yaveh Andriamanitrao izay nomeny anao ianao. Fa tamin'izany no nametrahan'i Yaveh ny fanapahanao eo amin'Israely mandrakizay. BSB BSB: “You have acted foolishly,” Samuel declared. “You have not kept the command that the LORD your God gave you; if you had, the LORD would have established your kingdom over Israel for all time.
14 ULB Fa ankehitriny dia tsy hitohy ny fanapahanao. Nitady lehilahy iray araka ny fony ihany Yaveh, ary Yaveh nanendry azy ho andriana eo amin'ny vahoakany, satria tsy nankatoa izay nandidiany anao ianao." BSB BSB: But now your kingdom will not endure; the LORD has sought a man after His own heart and appointed him ruler over His people, because you have not kept the command of the LORD.”
15 ULB Avy eo dia nanainga i Samoela ka niakatra avy any Gilgala ho any Gibean'ny Benjamina. Ary Saoly nanisa ny vahoaka izay tonga niaraka taminy teo, teo ho eo amin'ny enin-jato lahy teo. BSB BSB: Then Samuel set out from Gilgal and went up to Gibeah in Benjamin. And Saul numbered the troops who were with him, about six hundred men.
16 ULB Saoly, Jonatana zanany lahy, ary ny vahoaka izay tonga niaraka tamin'izy ireo, dia nitoetra tao Gibean'ny Benjamina. Fa ireo Filistina kosa nitoby tany Mikmasy. BSB BSB: Now Saul and Jonathan his son and the troops with them were staying in Geba of Benjamin, while the Philistines camped at Michmash.
17 ULB Nivoaka avy tao amin'ny tobin'ireo Filistina tamin'ny vondrona telo ireo mpanafika. Ny vondrona iray nankany Ofra, any amin'ny tanin'i Soala. BSB BSB: And raiders went out of the Philistine camp in three divisions. One headed toward Ophrah in the land of Shual,
18 ULB Ny vondrona iray hafa nankany Beti-horona, ary ny vondrona iray hafa nankany amin'ny sisin-tany izay hahatazanana ny Lohasahan'i Zeboima manatrika ny tany efitra. BSB BSB: another toward Beth-horon, and the third down the border road overlooking the Valley of Zeboim facing the wilderness.
19 ULB Tsy nahitana mpanefy nanerana ny Israely rehetra, satria hoy ireo Filistina: "Raha tsy izany ireo Hebreo dia hanamboatra sabatra na lefona ho azy ireo." BSB BSB: And no blacksmith could be found in all the land of Israel, because the Philistines had said, “The Hebrews must not be allowed to make swords or spears.”
20 ULB Fa ireo lehilahin'Israely rehetra dia efa zatra nidina nankany amin'ireo Filistina, ny tsirairay mba handranitra ny tendron'angadiny, ny fihadian-taniny, ny famakiny, ary ny antsim-bilony. BSB BSB: Instead, all the Israelites would go down to the Philistines to sharpen their plowshares, mattocks, axes, and sickles.
21 ULB Ny sarany dia roa ampahatelon'ny sekely ny tendron'angady, sy ny fihadian-tany, ary iray ampahatelon'ny sekely ny fandranitana ny famaky sy ny fanitsiana ny fanindronana. BSB BSB: The charge was a pim for sharpening a plowshare or mattock, a third of a shekel for sharpening a pitchfork or an axe, and a third of a shekel for repointing an oxgoad.
22 ULB Koa tamin'ny andron'ny ady, dia tsy nahitana sabatra na lefona teo an-tanan'ireo miaramila izay niaraka tamin'i Saoly sy Jonatana; i Saoly sy Jonatana zanany ihany no nanana an'izany. BSB BSB: So on the day of battle not a sword or spear could be found in the hands of the troops with Saul and Jonathan; only Saul and his son Jonathan had weapons.
23 ULB Ireo miaramilan'ny Filistina dia nivoaka nankany amin'ny lalan'i Mikmasy. BSB BSB: And a garrison of the Philistines had gone out to the pass at Michmash.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.