1 ULB Indray andro, i Jonatana zanak'i Saoly niteny tamin'ilay zatovo mpitondra ny fiadiany hoe: "Andao, andeha isika hiampita eny amin'ny toby miaramilan'ny Filistina eny ampita." Nefa tsy nolazainy ny rainy. BSB BSB: One day Jonathan son of Saul said to the young man bearing his armor, “Come, let us cross over to the Philistine outpost on the other side.” But Jonathan did not tell his father.
2 ULB Nipetraka teo amin'ny manodidina an'i Gibea ambanin'ny hazon'ampongamben-danitra izay tao Migrona i Saoly. Teo ho eo amin'ny lehilahy eninjato teo no niaraka taminy, BSB BSB: Meanwhile, Saul was staying under the pomegranate tree in Migron on the outskirts of Gibeah. And the troops who were with him numbered about six hundred men,
3 ULB anisan'izany Ahia, zanak'i Ahitoba (rahalahin'i Ikaboda) zanak'i Finehasa zanak'i Ely, ilay mpisoron'i Yaveh tao Silo, izay niakanjo efoda. Tsy fantatry ny vahoaka hoe lasa i Jonatana. BSB BSB: including Ahijah, who was wearing an ephod. He was the son of Ichabod’s brother Ahitub son of Phinehas, the son of Eli the priest of the LORD in Shiloh. But the troops did not know that Jonathan had left.
4 ULB Teo amin'ny lafy tsirairay amin'ny fitàna izay nirian'i Jonatana handehanana mba hankanesana any amin'ireo miaramilan'ny Filistina, dia nisy haram-bato teo amin'ny andaniny ary haram-bato hafa teo amin'ny ankilany. Ny harambato iray nantsoina hoe Bozeza ary ny harambato iray hafa nantsoina hoe Sene. BSB BSB: Now there were cliffs on both sides of the pass that Jonathan intended to cross to reach the Philistine outpost. One was named Bozez and the other Seneh.
5 ULB Ny haram-bato iray nijoro teo avaratra nanoloana an'i Mikmasy, ary ilay hafa teo atsimo teo anoloan'i Geba. BSB BSB: One cliff stood to the north toward Michmash, and the other to the south toward Geba.
6 ULB Hoy Jonatana tamin'ilay zatovo mpitondra ny fiadiany: "Andao, andeha isika hiampita eny amin'ny miaramilan'ireo namana tsy voafora ireo. Angamba Yaveh mba hiasa ho antsika, fa tsy misy na inona na inona mahasakana an'i Yaveh amin'ny famonjena amin'ny maro na amin'ny olona vitsy." BSB BSB: Jonathan said to the young man bearing his armor, “Come, let us cross over to the outpost of these uncircumcised men. Perhaps the LORD will work on our behalf. Nothing can hinder the LORD from saving, whether by many or by few.”
7 ULB Namaly ny mpitondra ny fiadiany hoe: "Ataovy ny zavatra rehetra izay ao am-ponao. Mandrosoa, indro, miaraka aminao aho, mba hankatoa ireo baikonao rehetra." BSB BSB: His armor-bearer replied, “Do all that is in your heart. Go ahead; I am with you heart and soul.”
8 ULB Dia hoy Jonatana hoe: "Hiampita ho eny amin'ireo lehilahy isika, ary hiseho eo amin'izy ireo. BSB BSB: “Very well,” said Jonathan, “we will cross over toward these men and show ourselves to them.
9 ULB Raha miteny amintsika izy ireo hoe: "Miandrasa eny mandra-pahatonganay eny aminareo'—dia hijanona eo amin'ny toerantsika isika ka tsy hiampita eny amin'izy ireo. BSB BSB: If they say, ‘Wait until we come to you,’ then we will stay where we are and will not go up to them.
10 ULB Kanefa raha mamaly izy ireo hoe: 'Mankanesa aty aminay', dia hiampita isika; satria efa natolotr'i Yaveh ho eo an-tanantsika izy ireo. Izany no ho famantarana ho antsika." BSB BSB: But if they say, ‘Come on up,’ then we will go up, because this will be our sign that the LORD has delivered them into our hands.”
11 ULB Koa samy niseho teo amin'ny toby miaramilan'ny Filistina izy ireo. Hoy ireo Filistina: "Indro, mivoaka avy ao amin'ireo lavaka izay nanafenan'izy ireo ny tenany ireo Hebreo." BSB BSB: So the two of them showed themselves to the outpost of the Philistines, who exclaimed, “Look, the Hebrews are coming out of the holes in which they were hiding!”
12 ULB Dia niantso an'i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany ireo lehilahin'ny miaramila, ka nanao hoe: "Miakàra aty aminay, dia hampisehoanay zavatra ianareo." Hoy Jonatana tamin'ny mpitondra ny fiadiany: "Manaraha ahy avy ao aoriana, satria efa natolotr'i Yaveh eo an-tanan'ny Israely izy ireo." BSB BSB: So the men of the outpost called out to Jonathan and his armor-bearer, “Come on up, and we will teach you a lesson!” “Follow me,” Jonathan told his armor-bearer, “for the LORD has delivered them into the hand of Israel.”
13 ULB Nihanika tamin'ny tanany sy tongony i Jonatana, ary nanaraka tao aoriany ny mpitondra ny fiadiany. Novonoina teo anoloan'i Jonatana ireo Filistina, ary ny mpitondra ny fiadiany namono ny sasany tao aoriany. BSB BSB: So Jonathan climbed up on his hands and feet, with his armor-bearer behind him. And the Philistines fell before Jonathan, and his armor-bearer followed and finished them off.
14 ULB Izany fanafihana voalohany izay nataon'i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany izany, dia nahafaty tokony ho lehilahy roapolo tao amin'ny faritry ny atsasa-hektara. BSB BSB: In that first assault, Jonathan and his armor-bearer struck down about twenty men in about half an acre of land.
15 ULB Nisy savoritaka lehibe tao an-toby, tany an-tsaha, sy teo amin'ireo vahoaka. Na dia ny miaramila sy ireo mpanafika aza dia natahotra. Nihovitrovitra ny tany, ary nisy tahotra lehibe. BSB BSB: Then panic struck the Philistines in the camp, in the field, and among all the people. Even those in the outposts and raiding parties trembled. Indeed, the earth quaked, and panic spread from God.
16 ULB Ary ireo mpitilin'i Saoly tany Gibean'ny Benjamina nijery; niparitaka ny vahoakan'ny miaramila Filistina, ary nanketsy sy nankeroa izy ireo. BSB BSB: Now when Saul’s watchmen at Gibeah in Benjamin looked and saw the troops melting away and scattering in every direction,
17 ULB Dia hoy Saoly tamin'ny vahoaka izay niaraka taminy: "Isao ary jereo izay tsy eto ny avy amintsika." Rehefa nanisa izy ireo, dia i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany no tsy teo. BSB BSB: Saul said to the troops who were with him, “Call the roll and see who has left us.” And when they had called the roll, they saw that Jonathan and his armor-bearer were not there.
18 ULB Hoy Saoly tamin'i Ahia: "Ento aty ny fiaran'Andriamanitra," fa tany amin'ny vahoakan'ny Israely izany tamin'izany fotoana izany. BSB BSB: Then Saul said to Ahijah, “Bring the ark of God.” (For at that time it was with the Israelites.)
19 ULB Raha mbola niresaka tamin'ny mpisorona i Saoly, dia nitohy sy nitombo ny tabataba tao an-tobin'ny Filistina. Dia hoy Saoly tamin'ny mpisorona: "Ahemory ny tananao." BSB BSB: While Saul was talking to the priest, the commotion in the Philistine camp continued to increase. So Saul said to the priest, “Withdraw your hand.”
20 ULB Nivondrona ary nandeha tany an'ady i Saoly sy ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy. Ny sabatry ny Filistina tsirairay dia namely ny mpiray tanàna taminy, ary nisy fifanjevoana lehibe tokoa. BSB BSB: Then Saul and all his troops assembled and marched to the battle, and they found the Philistines in total confusion, with each man wielding the sword against his neighbor.
21 ULB Ary ireo Hebreo izay niaraka tamin'ireo Filistina taloha ireo, sy izay nandeha niaraka tamin'izy ireo tany an-toby aza dia mba nikambana tamin'ireo Israelita izay niaraka tamin'i Saoly sy Jonatana. BSB BSB: And the Hebrews who had previously gone up into the surrounding camps to join the Philistines now went over to the Israelites who were with Saul and Jonathan.
22 ULB Rehefa ren'ny olon'Israely rehetra izay niafina tany amin'ireo havoana akaikin'i Efraima fa nandositra ireo Filistina, dia nenjehin'izy ireo hatrany an'ady ireo. BSB BSB: When all the Israelites who had been hiding in the hill country of Ephraim heard that the Philistines were fleeing, they also joined the battle in close pursuit.
23 ULB Koa tamin'izany andro izany dia nanavotra ny Israely i Yaveh, ary nihoatra hatrany Betavena ny ady. BSB BSB: So the LORD saved Israel that day, and the battle moved on beyond Beth-aven.
24 ULB Ory ny olon'ny Israely tamin'izany andro izany satria i Saoly nametraka ny vahoaka tao ambany fianianana ary nanao hoe: "Voaozona ny olona izay mihinana sakafo mandra-pahariva ary izaho dia hamaly faty eo amin'ireo fahavaloko." Dia tsy nisy olona avy ao amin'ny antoko nanendry sakafo. BSB BSB: Now the men of Israel were in distress that day, for Saul had placed the troops under an oath, saying, “Cursed is the man who eats any food before evening, before I have taken vengeance on my enemies.” So none of the troops tasted any food.
25 ULB Ary niditra tao an'ala ny vahoaka rehetra ary nisy tantely teo amin'ny tany. BSB BSB: Then all the troops entered the forest, and there was honey on the ground.
26 ULB Rehefa niditra tao an'ala ny vahoaka, dia nikoriana ny tantely, nefa tsy nisy olona nanao ny tanany tao am-bavany satria natahotra ny fianianana ny vahoaka. BSB BSB: And when they entered the forest and saw the flowing honey, not one of them put his hand to his mouth, because they feared the oath.
27 ULB Nefa tsy ren'i Jonatana fa namatotra ny vahoaka tamin'ny fianianana ny rainy. Dia nanandratra ny tendron'ny tehiny izay teny an-tanany izy ary nanatsoboka izany tao amin'ny tohon-tantely. Nampiakatra ny tanany teo am-bavany izy, ka nazava ny masony. BSB BSB: Jonathan, however, had not heard that his father had bound the people with the oath. So he reached out the end of the staff in his hand, dipped it into the honeycomb, and put his hand to his mouth, and his eyes brightened.
28 ULB Ary ny iray tamin'ny vahoaka, namaly hoe: "Novesaran'ny rainao tamin'ny fianianana henjana tokoa ny vahoaka, tamin'ny nilazany hoe: 'Voaozona ny olona izay mihinana sakafo amin'ity andro ity', na dia malemin'ny hanoanana aza ny vahoaka." BSB BSB: Then one of the soldiers told him, “Your father bound the troops with a solemn oath, saying, ‘Cursed is the man who eats food today.’ That is why the people are faint.”
29 ULB Dia hoy Jonatana: "Nanakorontana ny tany ny raiko. Jereo fa lasa nazava ny masoko satria nanandrana kely tamin'ity tantely ity aho. BSB BSB: “My father has brought trouble to the land,” Jonathan replied. “Just look at how my eyes have brightened because I tasted a little of this honey.
30 ULB Mainka raha nihinana am-palalahana tamin'izay voaroba tamin'ireo fahavalon'izy ireo izay hitany androany ny olona? Satria tsy lehibe teo amin'ireo Filistina ny famonoana ankehitriny." BSB BSB: How much better it would have been if the troops had eaten freely today from the plunder they took from their enemies! Would not the slaughter of the Philistines have been much greater?”
31 ULB Tamin'io andro io dia nanafika ireo Filistina nanomboka tao Mikmasy hatrany Aialona izy ireo. Reraka tanteraka ny vahoaka. BSB BSB: That day, after the Israelites had struck down the Philistines from Michmash to Aijalon, the people were very faint.
32 ULB Nihazakazaka fatratra tamin'ireo voaroba ny vahoaka ka naka ondry, omby sy zanak'omby, ary namono ireo teo amin'ny tany. Nihinana izany niaraka tamin'ny rà ny vahoaka. BSB BSB: So they rushed greedily to the plunder, taking sheep, cattle, and calves. They slaughtered them on the ground and ate meat with the blood still in it.
33 ULB Dia hoy izy ireo tamin'i Saoly: "Indro, nanota tamin'i Yaveh tamin'ny fihinanana niaraka tamin'ny rà ny vahoaka." Hoy i Saoly: "Nanao izay tsy mahatoky ianareo. Ankehitriny, manakodiava vato lehibe eto ho ahy." BSB BSB: Then someone reported to Saul: “Look, the troops are sinning against the LORD by eating meat with the blood still in it.” “You have broken faith,” said Saul. “Roll a large stone over here at once.”
34 ULB Hoy i Saoly: "Mivoaha avy eo amin'ny vahoaka, ary lazao azy ireo hoe: 'Aoka ny olona tsirairay hitondra ny ombiny sy ny ondriny, vonoy eto ireo, ary hano. Aza manota amin'i Yaveh amin'ny fihinanana miaraka amin'ny rà."' Koa ny tsirairay tamin'ny vahoaka dia nitondra ny ombiny niaraka taminy io alina io ary namono izany teo. BSB BSB: Then he said, “Go among the troops and tell them, ‘Each man must bring me his ox or his sheep, slaughter them in this place, and then eat. Do not sin against the LORD by eating meat with the blood still in it.’” So that night everyone brought his ox and slaughtered it there.
35 ULB Nanamboatra alitara ho an'i Yaveh i Saoly, izay alitara voalohany namboariny ho an'i Yaveh. BSB BSB: Then Saul built an altar to the LORD; it was the first time he had built an altar to the LORD.
36 ULB Dia hoy Saoly: "Andeha isika hanenjika ireo Filistina rahalina ary handroba azy ireo mandra-maraina; andeha tsy avelantsika hisy ho velona na dia iray amin'izy ireo aza." Namaly izy ireo hoe: "Ataovy ny zavatra rehetra izay mety ho tsara aminao." Nefa hoy ny mpisorona: "Andeha isika hanatona an'Andriamanitra eto." BSB BSB: And Saul said, “Let us go down after the Philistines by night and plunder them until dawn, leaving no man alive!” “Do what seems good to you,” the troops replied. But the priest said, “We must consult God here.”
37 ULB Nanontany an'Andriamanitra i Saoly hoe: "Tokony hanenjika ireo Filistina ve aho?" Hanolotra azy ireo eo an-tanan'ny Israely ve Ianao? Nefa tsy namaly azy Andriamanitra tamin'io andro io. BSB BSB: So Saul inquired of God, “Shall I go down after the Philistines? Will You give them into the hand of Israel?” But God did not answer him that day.
38 ULB Dia hoy i Saoly: "Avia eto, ianareo mpitarika ny vahoaka rehetra; fantaro ary jereo ny fomba nitrangan'izao fahotana izao androany. BSB BSB: Therefore Saul said, “Come here, all you leaders of the troops, and let us investigate how this sin has occurred today.
39 ULB Fa, raha mbola velona koa Yaveh, izay manavotra ny Israely, na dia ao amin'i Jonatana zanako aza izany, dia ho faty tokoa izy." Nefa tsy nisy tamin'ireo olona teo amin'ny vahoaka rehetra namaly azy. BSB BSB: As surely as the LORD who saves Israel lives, even if it is my son Jonathan, he must die!” But not one of the troops said a word.
40 ULB Dia hoy izy tamin'ny Israely rehetra: "Mitsangàna eo amin'ny ankilany, ary izaho sy Jonatana zanako dia ho eo amin'ny andaniny." Hoy ny vahoaka tamin'i Saoly: "Ataovy izay mety ho tsara aminao." BSB BSB: Then Saul said to all Israel, “You stand on one side, and I and my son Jonathan will stand on the other side.” “Do what seems good to you,” the troops replied.
41 ULB Ka dia hoy Saoly tamin'i Yaveh, Andriamanitry ny Israely: "Asehoy ny Tomima." Jonatana sy Saoly no azo taminy filokana, fa tafiala tsy voafidy kosa ny vahoaka. BSB BSB: So Saul said to the LORD, the God of Israel, “Why have You not answered Your servant this day? If the fault is with me or my son Jonathan, respond with Urim, but if the fault is with the men of Israel, respond with Thummim.” And Jonathan and Saul were selected, but the people were cleared of the charge.
42 ULB Dia hoy Saoly: "Manaova filokana amiko sy Jonatana zanako." Dia i Jonatana no voafidy tamin'ny filokana. BSB BSB: Then Saul said, “Cast the lot between me and my son Jonathan.” And Jonathan was selected.
43 ULB Dia hoy Saoly tamin'i Jonatana: "Lazao ahy izay nataonao." Hoy Jonatana taminy: "Nanandrana kely tamin'ny tantely teo amin'ny vodin'ny hazo izay tety an-tanako aho. Inty aho; ho faty aho." BSB BSB: “Tell me what you have done,” Saul commanded him. So Jonathan told him, “I only tasted a little honey with the end of the staff that was in my hand. And now I must die?”
44 ULB Hoy Saoly: "Hanao izany Andriamanitra ary hanao mihoatra amiko ihany koa, raha tsy maty ianao, ry Jonatana." BSB BSB: And Saul declared, “May God punish me, and ever so severely, if you, Jonathan, do not surely die!”
45 ULB Dia hoy ny vahoaka tamin'i Saoly: "Tokony ho faty ve i Jonatana, izay nahatanteraka izao fandresena lehibe ho an'ny Israely izao? Sanatria anie izany! Raha mbola velona koa i Yaveh, dia tsy hisy singany iray amin'ny volon-dohany hilatsaka amin'ny tany, fa niasa niaraka tamin'Andriamanitra izy androany." Ka nanavotra an'i Jonatana ny vahoaka hany ka tsy maty izy. BSB BSB: But the people said to Saul, “Must Jonathan die—he who accomplished such a great deliverance for Israel? Never! As surely as the LORD lives, not a hair of his head will fall to the ground, for with God’s help he has accomplished this today.” So the people rescued Jonathan, and he did not die.
46 ULB Dia nitsahatra tsy nanenjika ny Filistina i Saoly, ary nandeha tany amin'ny toeran'izy ireo ny Filistina. BSB BSB: Then Saul gave up his pursuit of the Philistines, and the Philistines returned to their own land.
47 ULB Rehefa nanomboka nanapaka ny Israely i Saoly, dia niady tamin'ireo fahavalony rehetra teny amin'ny lafiny rehetra izy. Niady tamin'ny Moaba, ireo Amonita, Edoma, ireo mpanjakan'i Zoba, ary ireo Filistina izy. Na taiza na taiza nitodihany, dia nampitondrany sazy izy ireo. BSB BSB: After Saul had assumed the kingship over Israel, he fought against all his enemies on every side—the Moabites, the Ammonites, the Edomites, the kings of Zobah, and the Philistines. Wherever he turned, he routed them.
48 ULB Niasa tamin-kerim-po lehibe izy ka nandresy ireo Amalekita. Namonjy ny Israely ho afaka tamin'ny tanan'ireo izay nandroba azy ireo izy. BSB BSB: He fought valiantly and defeated the Amalekites, delivering Israel from the hands of its plunderers.
49 ULB Ireo zanaka lahin'i Saoly dia i Jonatana, Jisvy, ary Malkisoa. Ny anaran'ireo zanany roa vavy dia i Meraba, vavimatoa, ary Mikala, faravavy. BSB BSB: Now the sons of Saul were Jonathan, Ishvi, and Malchishua. His two daughters were named Merab (his firstborn) and Michal (his younger daughter).
50 ULB Ahinoama no anaran'ny vadin'i Saoly; zanaka vavin'i Ahimaza izy. Ny anaran'ny kapitenin'ny tafiny dia Abnera zanak'i Nera, rahalahin-drain'i Saoly. BSB BSB: His wife’s name was Ahinoam daughter of Ahimaaz. The name of the commander of his army was Abner, the son of Saul’s uncle Ner.
51 ULB Kisy no rain'i Saoly; ary Nera, rain'i Abnera, no zanaka lahin'i Abiela. BSB BSB: Saul’s father Kish and Abner’s father Ner were sons of Abiel.
52 ULB Nisy ady mafy teo amin'ireo Filistina tamin'ny andron'i Saoly rehetra. Rehefa nahita olona mahery, na olona mahery fo i Saoly, dia nalainy ho azy izy. BSB BSB: And the war with the Philistines was fierce for all the days of Saul. So whenever he noticed any strong or brave man, Saul would enlist him.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.