1 ULB Hoy Samoela tamin'i Saoly: "Yaveh naniraka ahy hanosotra anao ho mpanjaka eo amin'ny Israely olony. Ankehitriny dia henoy ny tenin'i Yaveh. BSB BSB: Then Samuel said to Saul, “The LORD sent me to anoint you king over His people Israel. Now therefore, listen to the words of the LORD.
2 ULB Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: 'Efa tsinjoko ny nataon'i Amaleka tamin'ny vahoakan'Israely tamin'ny nanoherany azy ireo teny an-dalana, rehefa niakatra avy tany Egypta izy ireo. BSB BSB: This is what the LORD of Hosts says: ‘I witnessed what the Amalekites did to the Israelites when they opposed them on their way up from Egypt.
3 ULB Ankehitriny mandehana ka tafiho i Amaleka ary poteho tanteraka izay rehetra hananan'izy ireo. Aza miaro azy ireo, fa samy vonoy na ny lahy na ny vavy, ny ankizy sy ny zaza, ny omby sy ny ondry, ary ny rameva sy ny boriky."' BSB BSB: Now go and attack the Amalekites and devote to destruction all that belongs to them. Do not spare them, but put to death men and women, children and infants, oxen and sheep, camels and donkeys.’”
4 ULB Nampiantso ny vahoaka i Samoela ary nanisa azy ireo tao amin'ny tanànan'i Telaima: lehilahy nandeha an-tongotra roa hetsy, ary lehilahin'i Joda iray alina. BSB BSB: So Saul summoned the troops and numbered them at Telaim—200,000 foot soldiers and 10,000 men of Judah.
5 ULB Avy eo i Saoly dia tonga tany amin'ny tanànan'i Amaleka ary niandry tany an-dohasaha. BSB BSB: Saul came to the city of Amalek and lay in wait in the valley.
6 ULB Dia hoy i Saoly tamin'ireo Kenita: "Mandehana, mialà, mivoaha avy eo amin'ireo Amalekita, mba tsy handringanako anareo miaraka amin'izy ireo. Fa nampiseho hatsaram-panahy tamin'ny Israely rehetra ianareo, fony tonga avy tany Egypta izy ireo." Noho izany dia niala teo amin'ireo Amalekita ireo Kenita. BSB BSB: And he warned the Kenites, “Since you showed kindness to all the Israelites when they came up out of Egypt, go on and get away from the Amalekites. Otherwise I will sweep you away with them.” So the Kenites moved away from the Amalekites.
7 ULB Avy eo dia namely an'ireo Amalekita i Saoly, hatrany Havilaha ka hatrany Sora, izay any atsinanan'i Egypta. BSB BSB: Then Saul struck down the Amalekites all the way from Havilah to Shur, which is east of Egypt.
8 ULB Ary nataony sambo-belona i Agaga mpanjakan'i Amalekita; naringany tanteraka tamin'ny lelan-tsabatra ny vahoaka rehetra. BSB BSB: He captured Agag king of Amalek alive, but devoted all the others to destruction with the sword.
9 ULB Fa niaro an'i Agaga, mbamin'ireo ondry, omby, ombivavy mifahy, ary zanak'ondry tsara indrindra i Saoly sy ireo olona. Ny zavatra rehetra izay tsara, dia tsy nopotehin'izy ireo. Fa nopotehin'izy ireo kosa ny zavatra rehetra izay namavoina sy tsy misy dikany. BSB BSB: Saul and his troops spared Agag, along with the best of the sheep and cattle, the fat calves and lambs, and the best of everything else. They were unwilling to devote them to destruction, but they devoted to destruction all that was despised and worthless.
10 ULB Dia tonga tamin'i Samoela ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: Then the word of the LORD came to Samuel, saying,
11 ULB "Nanenenako ny nanaovako an'i Saoly ho mpanjaka, fa niala tamin'ny fanarahana Ahy izy ary tsy nampihatra ny didiko." Tezitra i Samoela; nihiaka mafy tamin'i Yaveh izy nandritra ny alina tontolo. BSB BSB: “I regret that I have made Saul king, for he has turned away from following Me and has not carried out My instructions.” And Samuel was distressed and cried out to the LORD all that night.
12 ULB Nifoha aloha i Samoela mba hihaona amin'i Saoly ny maraina. Nambara tamin'i Samoela hoe: "Tonga tany Karmela i Saoly ary nanangana tsangam-bato ho an'ny tenany, ary nitodi-doha ka nanohy nidina nankany Gilgala." BSB BSB: Early in the morning Samuel got up to confront Saul, but he was told, “Saul has gone to Carmel, and behold, he has set up a monument for himself and has turned and gone down to Gilgal.”
13 ULB Dia tonga tany amin'i Saoly i Samoela, ary hoy Saoly taminy hoe: "Endrey voatahin'i Yaveh ianao! Tanterako ny didin'i Yaveh." BSB BSB: When Samuel reached him, Saul said to him, “May the LORD bless you. I have carried out the LORD’s instructions.”
14 ULB Hoy i Samoela hoe: "Inona izany fitrenan'ny ondry ao an-tsofiko izany, sy ny fitrenan'ny omby izay reko izany?" BSB BSB: But Samuel replied, “Then what is this bleating of sheep and lowing of cattle that I hear?”
15 ULB Namaly i Saoly hoe: "Efa nentin'izy ireo avy amin'ireo Amalekita izany. Fa niaro ireo ondry sy omby tsara indrindra ireo olona, mba hanaovana sorona ho an'i Yaveh Andriamanitrao. Efa naringanay tanteraka ny sisa tavela." BSB BSB: Saul answered, “The troops brought them from the Amalekites; they spared the best sheep and cattle to sacrifice to the LORD your God, but the rest we devoted to destruction.”
16 ULB Dia hoy i Samoela tamin'i Saoly hoe: "Andraso, dia ho lazaiko anao izay nambaran'i Yaveh tamiko tamin'ny alina." Dia hoy i Saoly taminy hoe: "Mitenena!" BSB BSB: “Stop!” exclaimed Samuel. “Let me tell you what the LORD said to me last night.” “Tell me,” Saul replied.
17 ULB Hoy i Samoela hoe: "Na dia kely eo imasonao ihany aza ianao, moa tsy natao ho lohan'ireo fokon'Israely ve ianao? Ary Yaveh nanosotra anao ho mpanjaka eo amin'Israely, BSB BSB: And Samuel said, “Although you were once small in your own eyes, have you not become the head of the tribes of Israel? The LORD anointed you king over Israel
18 ULB ary Yaveh naniraka anao tamin'ny lalanao nanao hoe: 'Mandehana ary haringano tanteraka ireo mpanota, ireo Amalekita, ary miadia amin'izy ireo ambara-paharingan'izy ireo.' BSB BSB: and sent you on a mission, saying, ‘Go and devote to destruction the sinful Amalekites. Fight against them until you have wiped them out.’
19 ULB Nahoana ianao no tsy nankatoa ny feon'i Yaveh, fa naka ireo babo kosa ianao ary nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh?" BSB BSB: So why did you not obey the LORD? Why did you rush upon the plunder and do evil in the sight of the LORD?”
20 ULB Dia hoy i Saoly tamin'i Samoela: "Nankatoa ny feon'i Yaveh tokoa aho, ary efa nandeha tamin'ny lalana izay nanirahan'i Yaveh ahy. Efa nosamboriko i Agaga, mpanjakan'ny Amaleka, ary efa naringako tanteraka ireo Amalekita. BSB BSB: “But I did obey the LORD,” Saul replied. “I went on the mission that the LORD gave me. I brought back Agag king of Amalek and devoted the Amalekites to destruction.
21 ULB Saingy naka ny sasany tamin'ireo babo—ondry sy omby, ny zavatra tsara indrindra natokana ho an'ny fandravana, mba hanaovana sorona ho an'i Yaveh Andriamanitrao any Gilgala ny olona." BSB BSB: The troops took sheep and cattle from the plunder, the best of the things devoted to destruction, in order to sacrifice them to the LORD your God at Gilgal.”
22 ULB Namaly i Samoela hoe: "Mankasitraka ny fanatitra dorana sy ny sorona tokoa ve Andriamanitra, tahaka ny amin'ny fankatoavana ny feon'i Yaveh? Tsara noho ny sorona ny fankatoavana, ary ny mihaino no tsara mihoatra ny tavin'ny ondry lahy. BSB BSB: But Samuel declared: “Does the LORD delight in burnt offerings and sacrifices as much as in obedience to His voice? Behold, obedience is better than sacrifice, and attentiveness is better than the fat of rams.
23 ULB Fa ny fikomiana dia tahaka ny fahotan'ny sikidy, ary ny fahamafisan-doha dia tahaka ny faharatsiana sy heloka. Satria efa nolavinao ny tenin'i Yaveh, dia nandà anao tsy ho mpanjaka ihany koa Izy." BSB BSB: For rebellion is like the sin of divination, and arrogance is like the wickedness of idolatry. Because you have rejected the word of the LORD, He has rejected you as king.”
24 ULB Dia hoy i Saoly tamin'i Samoela hoe: "Efa nanota aho; satria nandika ny didin'i Yaveh sy ireo teninao, satria natahotra ny olona aho ary nankatoa ny feon'izy ireo. BSB BSB: Then Saul said to Samuel, “I have sinned; I have transgressed the LORD’s commandment and your instructions, because I feared the people and obeyed their voice.
25 ULB Ankehitriny, mba mamelà re ny heloko, ary miverena miaraka amiko mba hanompoako an'i Yaveh." BSB BSB: Now therefore, please forgive my sin and return with me so I can worship the LORD.”
26 ULB Hoy i Samoela tamin'i Saoly hoe: "Tsy hiverina hiaraka aminao aho; satria nandà ny tenin'i Yaveh ianao, ary efa nandà anao tsy ho mpanjaka eo amin'ny Israely i Yaveh.' BSB BSB: “I will not return with you,” Samuel replied. “For you have rejected the word of the LORD, and He has rejected you as king over Israel.”
27 ULB Raha iny nitodi-doha hiala iny Samoela, dia nohazonin'i Saoly ny moron-tongotr'akanjony, ka nitriatra izany. BSB BSB: As Samuel turned to go, Saul grabbed the hem of his robe, and it tore.
28 ULB Hoy i Samoela taminy: "Efa nesorin'i Yaveh hiala aminao ny fanjakan'Israely androany ary efa nomeny ho an'ny namanao, izay tsara noho ianao. BSB BSB: So Samuel said to him, “The LORD has torn the kingdom of Israel from you today and has given it to your neighbor who is better than you.
29 ULB Ary koa, ny Tanjak'Israely dia tsy handainga na hampiova ny heviny akory; fa tsy olona Izy, ka hiova hevitra." BSB BSB: Moreover, the Glory of Israel does not lie or change His mind, for He is not a man, that He should change His mind.”
30 ULB Dia hoy i Saoly hoe: "Efa nanota aho. Saingy mba omeo voninahitra eo anatrehan'ireo loholon'ny vahoakako sy eo anatrehan'ny Israely re aho ankehitriny. Miaraha miverina amiko indray, mba hanompoako an'i Yaveh Andriamanitrao." BSB BSB: “I have sinned,” Saul replied. “Please honor me now before the elders of my people and before Israel. Come back with me, so that I may worship the LORD your God.”
31 ULB Koa niverina nanaraka an'i Saoly indray i Samoela, ary nanompo an'i Yaveh i Saoly. BSB BSB: So Samuel went back with Saul, and Saul worshiped the LORD.
32 ULB Dia hoy i Samoela hoe: "Ento aty amiko etoana i Agaga mpanjakan'ireo Amalekita." Dia nankany aminy i Agaga mifatotra amin'ny gadra-vy ary nanao hoe: "Efa lasa tokoa ny fangidian'ny fahafatesana." BSB BSB: Then Samuel said, “Bring me Agag king of the Amalekites.” Agag came to him cheerfully, for he thought, “Surely the bitterness of death is past.”
33 ULB Namaly i Samoela hoe: "Araka ny nanaovan'ny sabatrao ireo vehivavy ho momba, dia ho momba toy izany koa ny reninao eo amin'ireo vehivavy." Dia nokapakapain'i Samoela teo anatrehan'i Yaveh tany Gilgala i Agaga. BSB BSB: But Samuel declared: “As your sword has made women childless, so your mother will be childless among women.” And Samuel hacked Agag to pieces before the LORD at Gilgal.
34 ULB Nankany Rama i Samoela, ary Saoly niakatra tany an-tranony tany Gibean'i Saoly. BSB BSB: Then Samuel went to Ramah, but Saul went up to his home in Gibeah of Saul.
35 ULB Tsy nahita an'i Saoly i Samoela hatramin'ny andro nahafatesany, fa nalahelo mafy an'i Saoly izy. Ary nanenina i Yaveh ny amin'ny nanaovany an'i Saoly ho mpanjaka teo amin'ny Israely. BSB BSB: And to the day of his death, Samuel never again visited Saul. Samuel mourned for Saul, and the LORD regretted that He had made Saul king over Israel.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.