2 ULB I Saoly sy ireo lehilahin'Israely dia niangona ary nitoby tao amin'ny Lohasahan'i Elaha, ary nandamina ny filaharan'izy ireo amin'ny ady mba hifanehitra amin'ireo Filistina. BSB BSB: Saul and the men of Israel assembled and camped in the Valley of Elah, arraying themselves for battle against the Philistines.
3 ULB Nitsangana teo ambony tendrombohitra teny am-pita ireo Filistina, ary ny Israely nitsangana teo ambony tendrombohitra teny am-pita ary lohasaha no nanelanelana azy ireo. BSB BSB: The Philistines stood on one hill and the Israelites stood on another, with the valley between them.
5 ULB Nanao satroka fiarovan-doha varahina teo amin'ny lohany izy, ary niakanjo fiarovan-tratra. Varahina dimy arivo sekely no lanjan'ilay akanjo. BSB BSB: and he had a bronze helmet on his head. He wore a bronze coat of mail weighing five thousand shekels,
6 ULB Nanao fiarovan-dranjo varahina sy lefona varahina teo anelanelan'ny sorony izy. BSB BSB: and he had armor of bronze on his legs and a javelin of bronze slung between his shoulders.
7 ULB Lehibe ny zaran-defony, miaraka amin'ny tady volomboloina fanipazana azy tahaka ny tady eo amin'ny vodi-tenon'ny mpanenona. Ny lohan'ny lefony dia vy milanja sekely eninjato. Nandeha teo alohany ny mpitondra ampingany. BSB BSB: The shaft of his spear was like a weaver’s beam, and its iron point weighed six hundred shekels. In addition, his shield bearer went before him.
8 ULB Nitsangana izy ary nihiaka mafy tamin'ireo filaharan'ny Israely: "Nahoana ianareo no tonga hilahatra hiady? Moa tsy Filistina ve aho, ary ianareo mpanompon'i Saoly? Misafidiana lehilahy iray aminareo ary aoka izy hidina ety amiko. BSB BSB: And Goliath stood and shouted to the ranks of Israel, “Why do you come out and array yourselves for battle? Am I not a Philistine, and are you not servants of Saul? Choose one of your men and have him come down against me.
9 ULB Raha mahay miady amiko ary mahavono ahy izy, dia ho mpanomponareo izahay. Fa raha mandresy azy ary mahavono azy aho, dia ho mpanomponay ianareo ary hiasa ho anay." BSB BSB: If he is able to fight me and kill me, then we will be your servants. But if I prevail against him and kill him, then you shall be our servants and work for us.”
10 ULB Dia hoy indray ilay Filistina hoe: "Manao fanamby amin'ireo filaharan'Israely aho androany. Omeo lehilahy iray aho mba ho afaka hiara-hiady izahay." BSB BSB: Then the Philistine said, “I defy the ranks of Israel this day! Give me a man to fight!”
11 ULB Rehefa nandre izay nolazain'ilay Filistina i Saoly sy ny Israely rehetra dia kivy izy ireo, ary natahotra mafy. BSB BSB: On hearing the words of the Philistine, Saul and all the Israelites were dismayed and greatly afraid.
12 ULB Ary i Davida dia zanaka lahin'ilay Efratita avy any Betlehema ao Joda, i Jese no anarany. Nanan-janaka lahy valo izy. Jese dia efa lehilahy antitra tamin'ny andron'i Saoly, tena antitra tokoa teo amin'ireo lehilahy. BSB BSB: Now David was the son of a man named Jesse, an Ephrathite from Bethlehem of Judah who had eight sons. And in the days of Saul, Jesse was old and well along in years.
13 ULB Ireo zokiny telo amin'ireo zanaka lahin'i Jese dia nanaraka an'i Saoly tany amin'ny ady. Ny anaran'ireo zanaka lahiny telo izay nankany amin'ny ady ireo dia i Eliaba no lahimatoa, faharoa manaraka azy i Abinadaba, ary i Sama no fahatelo. BSB BSB: The three older sons of Jesse had followed Saul into battle: The firstborn was Eliab, the second was Abinadab, and the third was Shammah.
14 ULB Davida no zandriny indrindra. Ireo telo zokiny indrindra no nanaraka an'i Saoly. BSB BSB: And David was the youngest. The three oldest had followed Saul,
15 ULB Ary i Davida dia nandroso sy niverina teo amin'ny tafik'i Saoly sy ireo ondrin'ny rainy tao Betlehema, mba hamahana azy ireo. BSB BSB: but David went back and forth from Saul to tend his father’s sheep in Bethlehem.
16 ULB Marain-tsy hariva nandritra ny efapolo andro ilay lehilahy Filistina matanjaka no tonga nanakaiky mba hanolotra ny tenany ho amin'ny ady. BSB BSB: For forty days the Philistine came forward every morning and evening to take his stand.
17 ULB Dia hoy i Jese tamin'i Davida zanany hoe: "Makà iray efaha amin'ity vary voaendy ity ary ireto mofo folo ireto ho an'ireo rahalahinao, ary ento haingana any amin'ny tobin'ireo rahalahinao ireto. BSB BSB: One day Jesse said to his son David, “Take this ephah of roasted grain and these ten loaves of bread for your brothers and hurry to their camp.
18 ULB Ento any amin'ny kapitenin'ireo arivo ihany koa ireto fromazy folo ireto. Jereo hoe manao ahoana ireo rahalahinao ary mitondrà porofo miverina aty fa tsy maninona izy ireo. BSB BSB: Take also these ten portions of cheese to the commander of their unit. Check on the welfare of your brothers and bring back an assurance from them.
19 ULB Miaraka amin'i Saoly sy ireo lehilahin'Israely rehetra any amin'ny lohasahan'i Elaha, miady amin'ireo Filistina ireo rahalahinao." BSB BSB: They are with Saul and all the men of Israel in the Valley of Elah, fighting against the Philistines.”
20 ULB Nifoha aloha i Davida ny maraina ary namela ireo andian'ondry aman'osiny nokarakarain'ny mpiandry ondry iray. Naka ireo fitaovana izy ary lasa, araka ny nandidian'i Jese azy. Tonga teo amin'ny toby izy raha iny nandeha nivoaka teo amin'ny sahan'ady mba hihiaka ady iny ny tafika. BSB BSB: So David got up early in the morning, left the flock with a keeper, loaded up, and set out as Jesse had instructed him. He reached the camp as the army was marching out to its position and shouting the battle cry.
21 ULB Avy eo dia nilahatra hiady ny Israely sy ireo Filistina, tafika manohitra tafika. BSB BSB: And Israel and the Philistines arrayed in formation against each other.
22 ULB Namela ireo fananany tamin'ny mpitàna ireo fitaovana izy, nihazakazaka nankany amin'ny tafika, ary nihaona tamin'ireo rahalahiny. BSB BSB: Then David left his supplies in the care of the quartermaster and ran to the battle line. When he arrived, he asked his brothers how they were doing.
23 ULB Raha iny niresaka tamin'izy ireo iny izy, ilay lehilahy matanjaka, ilay Filistina avy any Gata, antsoina amin'ny hoe: Goliata, dia nivoaka avy tao amin'ny laharan'ireo Filistina, ka niteny ireo teny izay efa nolazainy teo aloha, dia ren'i Davida izy ireo. BSB BSB: And as he was speaking with them, suddenly the champion named Goliath, the Philistine from Gath, came forward from the ranks of the Philistines and shouted his usual words, which David also heard.
24 ULB Rehefa nahita ilay lehilahy ireo olon'Israely rehetra, dia nandositra azy ary natahotra tokoa izy ireo. BSB BSB: When all the men of Israel saw Goliath, they fled from him in great fear.
25 ULB Ireo lehilahin'Israely niteny hoe: "Hitanareo ve iny lehilahy miakatra iny? Tonga mba hihantsy ny Israely izy. Hanome harena be an'izay mamono azy ny mpanjaka, ary hanome azy ny zanany vavy ho vadiny izy, ary hanafaka ny ankohonan-drainy amin'ny fandoavan-ketra ao Israely." BSB BSB: Now the men of Israel had been saying, “Do you see how this man keeps coming out to defy Israel? To the man who kills him the king will give great riches. And he will give him his daughter in marriage and exempt his father’s house from taxation in Israel.”
26 ULB Hoy i Davida tamin'ireo lehilahy izay nitsangana teo akaikiny: "Inona no hatao ho an'ilay lehilahy izay mamono ity Filistina ity sy hanala ny fahafaham-baraka amin'Israely? Iza ity Filistina tsy voafora ity no mihantsy an'ireo tafiky ny Andriamanitra velona?" BSB BSB: David asked the men who were standing with him, “What will be done for the man who kills this Philistine and removes this disgrace from Israel? Just who is this uncircumcised Philistine, that he should defy the armies of the living God?”
27 ULB Dia naverin'ny olona izay efa nolazain'izy ireo ary nilaza taminy izy hoe: "Dia toy izany ihany no ho atao ho an'ilay lehilahy izay mamono azy." BSB BSB: The people told him about the offer, saying, “That is what will be done for the man who kills him.”
28 ULB Nandre azy niresaka tamin'ireo lehilahy i Eliaba zokiny lahimatoa. Dia nirehitra tamin'i Davida ny hatezeran'i Eliaba, ka hoy izy: "Nahoana ianao no midina ety?" Iza no namelànao an'ireo ondry vitsy any an-tany efitra? Fantatro ny avonavona sy ny sompatra ao anatin'ny fonao; fa tonga nidina tety ianao mba hahita ny ady." BSB BSB: Now when David’s oldest brother Eliab heard him speaking to the men, his anger burned against David. “Why have you come down here?” he asked. “And with whom did you leave those few sheep in the wilderness? I know your pride and wickedness of heart—you have come down to see the battle!”
29 ULB Hoy i Davida: "Inona izao no nataoko? Moa tsy fanontaniana fotsiny ve izany?" BSB BSB: “What have I done now?” said David. “Was it not just a question?”
30 ULB Niala teo aminy nankany amin'ny hafa izy, ary niteny toy izany ihany. Dia namaly toy ny teo aloha ihany ny olona. BSB BSB: Then he turned from him toward another and asked about the offer, and those people answered him just as the first ones had answered.
31 ULB Rehefa re ireo teny izay nolazain'i Davida, dia namerina izany tamin'i Saoly ireo miaramila, ary nampaniraka ho an'i Davida izy. BSB BSB: Now David’s words were overheard and reported to Saul, who sent for him.
32 ULB Avy eo dia hoy Davida tamin'i Saoly: "Aoka tsy hisy lehilahy ho ketraka noho io Filistina io ny fony; ny mpanomponao dia handeha ka hiady amin'io Filistina io." BSB BSB: And David said to Saul, “Let no man’s heart fail on account of this Philistine. Your servant will go and fight him!”
33 ULB Hoy i Saoly tamin'i Davida: "Tsy afaka handeha hanohitra io Filistina io ary hiady aminy ianao; satria mbola tanora ianao, ary izy dia lehilahin'ady nanomboka tamin'ny fahatanorany." BSB BSB: But Saul replied, “You cannot go out against this Philistine to fight him. You are just a boy, and he has been a warrior from his youth.”
34 ULB Fa hoy i Davida tamin'i Saoly: "Efa zatra niandry ny andian'ondrin'ny rainy ny mpanomponao. Rehefa tonga sy maka zanak'ondry amin'ny andian'ondry ny liona na bera, BSB BSB: David replied, “Your servant has been tending his father’s sheep, and whenever a lion or a bear came and carried off a lamb from the flock,
35 ULB dia nanenjika izany sy namely izany aho, ary nanavotra izany avy tao amin'ny vavany. Rehefa nitsangana hanohitra ahy izy, dia tratrako tamin'ny volombavany, nasiko izy, ary matiko. BSB BSB: I went after it, struck it down, and delivered the lamb from its mouth. If it reared up against me, I would grab it by its fur, strike it down, and kill it.
36 ULB Nahavono liona sy bera ny mpanomponao. Ary io Filistina tsy mifora io dia ho tahaka ny iray amin'ireo, satria nihantsy ireo tafiky ny Andriamanitra velona izy." BSB BSB: Your servant has killed lions and bears; this uncircumcised Philistine will be like one of them, for he has defied the armies of the living God.”
37 ULB Hoy i Davida: "Nanavotra ahy tamin'ny tongotry ny liona sy ny tongotry ny bera i Yaveh. Hanavotra ahy amin'ny tanan'io Filistina io Izy." Dia hoy i Saoly tamin'i Davida: "Mandehana, ka homba anao anie i Yaveh." BSB BSB: David added, “The LORD, who delivered me from the claws of the lion and the bear, will deliver me from the hand of this Philistine.” “Go,” said Saul, “and may the LORD be with you.”
38 ULB Nampiakanjoan'i Saoly tamin'ny akanjo fiadiany i Davida. Napetrany teo amin'ny lohany ny satroka fiarovan-doha varahina, ary nampiakanjoany akanjo fiarovan-tratra izy. BSB BSB: Then Saul clothed David in his own tunic, put a bronze helmet on his head, and dressed him in armor.
39 ULB Namehy ny sabany tamin'ny akanjo fiadiany i Davida. Fa tsy afaka namindra izy, satria mbola tsy nofanina tamin'ireny. Dia hoy i Davida tamin'i Saoly: "Tsy afaka hivoaka hiady miaraka amin'itony aho, satria mbola tsy nofanina tamin'ireto." Koa nalan'i Davida ireo. BSB BSB: David strapped his sword over the tunic and tried to walk, but he was not accustomed to them. “I cannot walk in these,” David said to Saul. “I am not accustomed to them.” So David took them off.
40 ULB Nalainy teny an-tanany ny tehiny ary nifantina vato malama dimy avy tao amin'ny lohasahan-driaka izy; ary napetrany tao amin'ny kitapony fiandrasany ondry ireo. Teny an-tanany ny antsamotadiny rehefa nanatona ilay Filistina izy. BSB BSB: And David took his staff in his hand, selected five smooth stones from the brook, and put them in the pouch of his shepherd’s bag. And with his sling in hand, he approached the Philistine.
41 ULB Tonga ary nanatona an'i Davida ilay Filistina, ary teo alohany ny mpitondra ny ampingany. BSB BSB: Now the Philistine came closer and closer to David, with his shield-bearer before him.
42 ULB Rehefa nijery ny manodidina ka nahita an'i Davida ilay Filistina, dia nanao tsinontsinona azy, satria mbola zaza izy, mena volo, ary tsara endrika. BSB BSB: When the Philistine looked and saw David, he despised him because he was just a boy, ruddy and handsome.
44 ULB Hoy ilay Filistina tamin'i Davida: "Mankanesa eto amiko, dia homeko ho an'ireo vorona eny an-danitra sy ho an'ireo bibidia any an-tsaha ny nofonao." BSB BSB: “Come here,” he called to David, “and I will give your flesh to the birds of the air and the beasts of the field!”
45 ULB Namaly ilay Filistina i Davida hoe: "Tonga eto amiko miaraka amin'ny sabatra, ary lefona ianao. Fa izaho tonga eo aminao amin'ny anaran'i Yaveh tompon'ny maro, ilay Andriamanitry ny tafik'Israely, izay nihantsinao. BSB BSB: But David said to the Philistine, “You come against me with sword and spear and javelin, but I come against you in the name of the LORD of Hosts, the God of the armies of Israel, whom you have defied.
46 ULB Anio dia hanome ahy ny fandresena anao i Yaveh, ka hamono anao aho ary hanala ny lohanao amin'ny vatanao. Anio dia hanome ny fatin'ny tafik'ilay Filistina ho an'ireo vorona eny an-danitra sy ho an'ireo bibidia ety an-tany aho, mba hahafantaran'ny tany rehetra fa misy Andriamanitra ao Israely, BSB BSB: This day the LORD will deliver you into my hand. This day I will strike you down, cut off your head, and give the carcasses of the Philistine army to the birds of the air and the creatures of the earth. Then the whole world will know that there is a God in Israel.
47 ULB ary hahafantaran'ireo vory rehetra ireo fa i Yaveh dia tsy manome fandresena amin'ny sabatra na lefona. Fa an'i Yaveh ny ady, ka hanolotra anareo eo an-tananay Izy." BSB BSB: And all those assembled here will know that it is not by sword or spear that the LORD saves; for the battle is the LORD’s, and He will give all of you into our hands.”
48 ULB Rehefa nitsangana sy nanatona an'i Davida ilay Filistina, dia nihazakazaka haingana nankeny amin'ny tafika fahavalo i Davida mba hitsena azy. BSB BSB: As the Philistine started forward to attack him, David ran quickly toward the battle line to meet him.
49 ULB Nampidiriny tao anatin'ny kitapony ny tanany, naka vato avy tao izy, nalefany tamin'ny antsamotady izany, ka nahavoa an'ilay Filistina teo amin'ny handrina. Nilentika tao amin'ny handrin'ilay Filistina ny vato, ka nidaraboka tamin'ny tavany teo amin'ny tany izy. BSB BSB: Then David reached into his bag, took out a stone, and slung it, striking the Philistine on the forehead. The stone sank into his forehead, and he fell facedown on the ground.
50 ULB Resin'i Davida tamin'ny antsamotady sy vato ilay Filistina. Voany ilay Filistina ka matiny. Tsy nisy sabatra teny an-tanan'i Davida. BSB BSB: Thus David prevailed over the Philistine with a sling and a stone; without a sword in his hand he struck down the Philistine and killed him.
51 ULB Avy eo dia nihazakazaka i Davida ka nitsangana teo ambonin'ilay Filistina sy naka ny sabany, namoaka izany avy tao amin'ny tranony, namono azy, ary nanapaka ny lohany tamin'izany. Rehefa hitan'ireo Filistina fa maty ilay lehilahy matanjak'izy ireo, dia nandositra izy ireo. BSB BSB: David ran and stood over him. He grabbed the Philistine’s sword and pulled it from its sheath and killed him, and he cut off his head with the sword. When the Philistines saw that their hero was dead, they turned and ran.
53 ULB Niverina avy tamin'ny fanenjehana ireo Filistina ny olon'Israely, ary nandroba ny tobin'izy ireo. BSB BSB: When the Israelites returned from their pursuit of the Philistines, they plundered their camps.
54 ULB Nalain'i Davida ny lohan'ilay Filistina ary nentiny tany Jerosalema izany, fa ny akanjo fiadiany dia napetrany tao amin'ny lainy. BSB BSB: David took the head of the Philistine and brought it to Jerusalem, and he put Goliath’s weapons in his own tent.
55 ULB Rehefa nahita an'i Davida nivoaka nanohitra an'ilay Filistina i Saoly, dia hoy izy tamin'i Abnera, kapitenin'ny tafika: "Ry Abnera, zanak'iza io tovolahy io?" Dia hoy i Abnera: "Raha mbola velona koa ianao, ry mpanjaka, dia tsy fantatro" BSB BSB: As Saul had watched David going out to confront the Philistine, he said to Abner the commander of the army, “Abner, whose son is this young man?” “As surely as you live, O king,” Abner replied, “I do not know.”
56 ULB Ny mpanjaka niteny hoe: "Anontanio ireo izay mety mahafantatra, hoe zanak'iza io zazalahy io." BSB BSB: “Find out whose son this young man is!” said the king.
57 ULB Rehefa niverina avy tany amin'ny famonoana ilay Filistina i Davida, dia naka azy i Abnera, ary nitondra azy teo anatrehan'i Saoly niaraka tamin'ny lohan'ilay Filistina teny an-tanany. BSB BSB: So when David returned from killing the Philistine, still holding his head in his hand, Abner took him and brought him before Saul.
58 ULB Hoy i Saoly taminy: "Zanak'iza ianao, ry tovolahy?" Namaly i Davida hoe: "Zanak'i Jese Betlehemita mpanomponao aho." BSB BSB: “Whose son are you, young man?” asked Saul. “I am the son of your servant Jesse of Bethlehem,” David replied.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.