1 ULB Rehefa avy niresaka tamin'i Saoly izy, dia nifamatotra tamin'ny fanahin'i Davida ny fanahin'i Jonatana, ary notiavian'i Jonatana tahaka ny fanahiny ihany izy. BSB BSB: After David had finished speaking with Saul, the souls of Jonathan and David were knit together, and Jonathan loved him as himself.
2 ULB Nalain'i Saoly ho amin'ny fanompoana azy i Davida tamin'io andro io; tsy navelany hiverina any an-tranon-drainy izy. BSB BSB: And from that day Saul kept David with him and did not let him return to his father’s house.
3 ULB Avy eo Jonatana sy Davida nanao faneken-pinamanana satria notiavin'i Jonatana tahaka ny fanahiny ihany izy. BSB BSB: Then Jonathan made a covenant with David because he loved him as himself.
4 ULB Nanala ny akanjo lava izay nanaovany i Jonatana ary nanome izany an'i Davida niaraka taminy fiarovany, sy ny sabany, ny tsipìka, ary fehin-kibo. BSB BSB: And Jonathan removed the robe he was wearing and gave it to David, along with his tunic, his sword, his bow, and his belt.
5 ULB Dia nandeha tany amin'izay toerana nanirahan'i Saoly azy i Davida, ary nahomby izy. Nametraka azy teo amin'ireo lehilahin'ady i Saoly. Nankasitrahana teo imason'ny vahoaka rehetra izany ary teo imason'ireo mpanompon'i Saoly ihany koa. BSB BSB: So David marched out and prospered in everything Saul sent him to do, and Saul set him over the men of war. And this was pleasing in the sight of all the people, and of Saul’s officers as well.
6 ULB Raha nandeha nody avy nandresy ireo Filistina izy ireo, dia tonga avy tamin'ireo tanànan'Israely rehetra ireo vehivavy, nihira sy nandihy, mba hitsena an'i Saoly mpanjaka, niaraka tamin'ny amponga tapaka, hafaliana, ary zava-maneno. BSB BSB: As the troops were returning home after David had killed the Philistine, the women came out of all the cities of Israel to meet King Saul with singing and dancing, with joyful songs, and with tambourines and other instruments.
7 ULB Nifandimby nihira ireo vehivavy raha nilalao izy ireo. Nihira izy ireo hoe: "Novonoin'i Saoly ireo an'arivony, ary Davida kosa ireo an'aliny." BSB BSB: And as the women danced, they sang out: “Saul has slain his thousands, and David his tens of thousands.”
8 ULB Tezitra mafy i Saoly, ary tsy nahafaly azy izany hira izany. Hoy izy hoe: "Efa nanome an'alina ho an'i Davida izy ireo, nefa an'arivony ihany no nomen'izy ireo ho ahy. Inona ihany koa no afaka hananany afa-tsy ny fitondram-panjakana?" BSB BSB: And Saul was furious and resented this song. “They have ascribed tens of thousands to David,” he said, “but only thousands to me. What more can he have but the kingdom?”
9 ULB Nijery an'i Davida tam-piahiahiana i Saoly nanomboka tamin'io andro io. BSB BSB: And from that day forward Saul kept a jealous eye on David.
10 ULB Ny andro manaraka dia nisy fanahy mampidi-doza avy amin'Andriamanitra nidina teo amin'i Saoly ary nirediredy tao an-trano izy. Noho izany dia nilalao ny zava-manenony tahaka ny ataony isan'andro i Davida. Ary nanana lefona teny an-tanany i Saoly. BSB BSB: The next day a spirit of distress sent from God came upon Saul, and he prophesied inside the house while David played the harp as usual. Now Saul was holding a spear,
11 ULB Natsipin'i Saoly ilay lefona, satria nieritreritra izy hoe: "Ho tsindroniko ho eo amin'ny rindrina i Davida." Kanefa indroa tafala ny fanatrehan'i Saoly tamin'izany fomba izany i Davida. BSB BSB: and he hurled it, thinking, “I will pin David to the wall.” But David eluded him twice.
12 ULB Natahotra an'i Davida i Saoly, satria nomba azy Yaveh, fa tsy nomba an'i Saoly intsony. BSB BSB: So Saul was afraid of David, because the LORD was with David but had departed from Saul.
13 ULB Koa nesorin'i Saoly teo amin'ny fanatrehany izy ary notendreny ho mpifehy ny arivo. Izany no fomba nivoahan'i Davida sy nankanesany teo anoloan'ny vahoaka. BSB BSB: Therefore Saul sent David away and gave him command of a thousand men. David led the troops out to battle and back,
14 ULB Nambinina tamin'ny lalany rehetra i Davida, satria nomba azy Yaveh. BSB BSB: and he continued to prosper in all his ways, because the LORD was with him.
15 ULB Rehefa hitan'i Saoly fa nambinina izy, dia talanjona taminy izy. BSB BSB: When Saul saw that David was very successful, he was afraid of him.
16 ULB Fa tia an'i Davida ny Israely sy Joda rehetra, satria nivoaka izy ary nankeo anoloan'izy ireo. BSB BSB: But all Israel and Judah loved David, because he was leading them out to battle and back.
17 ULB Ary hoy i Saoly tamin'i Davida hoe: "Inty i Meraba zanako vavy zokiny indrindra. Homeko anao ho vady izy. Fa manàna herim-po ho ahy ary miadia ny adin'i Yaveh." Fa nieritreritra Saoly hoe: "Aza avela eo aminy tanako, fa aoka ny tanan'ireo Filistina no ho eo aminy." BSB BSB: Then Saul said to David, “Here is my older daughter Merab. I will give her to you in marriage. Only be valiant for me and fight the LORD’s battles.” But Saul was thinking, “I need not raise my hand against him; let the hand of the Philistines be against him.”
18 ULB Hoy i Davida tamin'i Saoly hoe: "Iza moa aho, ary iza moa ireo havako, na ny fianakavian'ny raiko any Israely, no tokony ho vinanto lahin'ny mpanjaka aho?" BSB BSB: And David said to Saul, “Who am I, and what is my family or my father’s clan in Israel, that I should become the son-in-law of the king?”
19 ULB Fa tamin'ny fotoana tokony nanomezana an'i Meraba, zanaka vavin'i Saoly ho an'i Davida, dia nomena an'i Adriela Meholatita ho vady izy. BSB BSB: So when it was time to give Saul’s daughter Merab to David, she was given in marriage to Adriel of Meholah.
20 ULB Kanefa i Mikala, zanaka vavin'i Saoly, dia tia an'i Davida. Niteny tamin'i Saoly izy ireo, ary nahafaly azy izany. BSB BSB: Now Saul’s daughter Michal loved David, and when this was reported to Saul, it pleased him.
21 ULB Avy eo i Saoly nieritreritra hoe: "Homeko azy izy, mba ho fandrika ho azy, ary mba hanohitra azy ny tanan'ireo Filistina." Ka niteny fanindroany an'i Davida indray i Saoly hoe: "Ho vinanto lahiko ianao." BSB BSB: “I will give her to David,” Saul thought, “so that she may be a snare to him, and the hand of the Philistines may be against him.” So Saul said to David, “For a second time now you can be my son-in-law.”
22 ULB Nandidy ireo mpanompony i Saoly hoe: "Miresaha manokana amin'i Davida, ary lazao hoe: 'Indro, mankasitraka anao ny mpanjaka, ary tia anao ireo mpanompony rehetra. Koa ankehitriny, meteza ho vinanto lahin'ny mpanjaka.'" BSB BSB: Then Saul ordered his servants, “Speak to David privately and tell him, ‘Behold, the king is pleased with you, and all his servants love you. Now therefore, become his son-in-law.’”
23 ULB Koa nilaza ireo teny ireo tamin'i Davida ireo mpanompon'i Saoly. Avy eo Davida nilaza hoe: "Zavatra kely ho anao ve ny ho vinanton'ny mpanjaka, satria olona mahantra aho, ary atao tsinontsinona?" BSB BSB: But when Saul’s servants relayed these words to David, he replied, “Does it seem trivial in your sight to be the son-in-law of the king? I am a poor man and lightly esteemed.”
24 ULB Nitatitra taminy ireo teny izay nolazain'i Davida ireo mpanompon'i Saoly. BSB BSB: And the servants told Saul what David had said.
25 ULB Ary hoy i Saoly hoe: "Lazao an'i Davida izao: 'Tsy maniry vodiondry ny mpanjaka, fa lohan-tsitsy zaton'ireo Filistina ihany, mba hamaliana faty ireo fahavalon'ny mpanjaka."' Ary Saoly nieritreritra ny handavo an'i Davida tamin'ny tanan'ireo Filistina. BSB BSB: Saul replied, “Say to David, ‘The king desires no other dowry but a hundred Philistine foreskins as revenge on his enemies.’” But Saul intended to cause David’s death at the hands of the Philistines.
26 ULB Rehefa nilaza ireo teny ireo tamin'i Davida ireo ny mpanompony, dia nahafaly an'i Davida ny ho vinanton'ny mpanjaka. BSB BSB: When the servants reported these terms to David, he was pleased to become the king’s son-in-law. Before the wedding day arrived,
27 ULB Talohan'ny nahadila an'ireo andro ireo, dia nandeha niaraka tamin'ireo olony Davida ary namono Filistina roan-jato. Nentin'i Davida ny lohan-tsitsin'izy ireo, ary nomen'izy ireo ho an'ny mpanjaka avokoa ireo, mba ho lasa vinanton'ny mpanjaka izy. Koa nomen'i Saoly azy ho vady i Mikala zanany vavy. BSB BSB: David and his men went out and killed two hundred Philistines. He brought their foreskins and presented them as payment in full to become the king’s son-in-law. Then Saul gave his daughter Michal to David in marriage.
28 ULB Rehefa hitan'i Saoly, sy fantany fa nomba an'i Davida i Yaveh, ary Mikala zanaka vavin'i Saoly, dia tia azy, BSB BSB: When Saul realized that the LORD was with David and that his daughter Michal loved David,
29 ULB dia natahotra mafy kokoa an'i Davida i Saoly. Ary fahavalon'i Davida hatrany i Saoly. BSB BSB: he grew even more afraid of David. So from then on Saul was David’s enemy.
30 ULB Avy eo ireo andrian-dahin'ireo Filistina nivoaka hiady, ary arakaraky ny nivoahan'izy ireo matetika, no nahombiazan'i Davida bebe kokoa noho ireo mpanompon'i Saoly rehetra, koa dia nisandratra avo ny anarany. BSB BSB: Every time the Philistine commanders came out for battle, David was more successful than all of Saul’s officers, so that his name was highly esteemed.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.