1 ULB Ary Saoly niteny tamin'i Jonatana zanany lahy sy tamin'ireo mpanompony ny tokony hamonoan'izy ireo an'i Davida. Kanefa i Jonatana, zanak'i Saoly, dia tia an'i Davida fatratra. BSB BSB: Then Saul ordered his son Jonathan and all his servants to kill David. But Jonathan delighted greatly in David,
2 ULB Koa hoy i Jonatana tamin'i Davida: "Mitady hamono anao i Saoly raiko. Noho izany miambena amin'ny maraina ary miafena amin'ny toerana mangingina. BSB BSB: so he warned David, saying, “My father Saul intends to kill you. Be on your guard in the morning; find a secret place and hide there.
3 ULB Izaho hivoaka hitsangana eo anilan'ny raiko eo amin'ny saha izay misy anao, ary hiresaka momba anao amin'ny raiko aho. Raha mahafantatra zavatra aho, dia hoteneniko ianao." BSB BSB: I will go out and stand beside my father in the field where you are, so I can ask about you. And if I find out anything, I will tell you.”
4 ULB Nilaza soa momba an'i Davida tamin'i Saoly rainy i Jonatana ka hoy izy taminy: "Aoka tsy hanota amin'i Davida mpanompony ny mpanjaka. Fa tsy nanota taminao izy, ary nitondra soa ho anao ireo asany. BSB BSB: Then Jonathan spoke well of David to his father Saul and said to him, “The king should not sin against his servant David; he has not sinned against you. In fact, his actions have been highly beneficial to you.
5 ULB Fa izy efa nanao ny ainy tsy ho zavatra ka namono ilay Filistina. Yaveh efa nitondra fandresena lehibe ho an'Israely rehetra. Nahita izany ianao ka faly. Nahoana no hanota hanohitra ny rà tsy manan-tsiny amin'ny famonoana an'i Davida tsy ahoan-tsy ahoana ianao?" BSB BSB: He took his life in his hands when he struck down the Philistine, and the LORD worked a great salvation for all Israel. You saw it and rejoiced, so why would you sin against innocent blood by killing David for no reason?”
6 ULB Nihaino an'i Jonatana i Saoly. Ka nianiana hoe: "Raha mbola velona koa Yaveh, dia tsy hovonoina izy." BSB BSB: Saul listened to the voice of Jonathan and swore an oath: “As surely as the LORD lives, David will not be put to death.”
7 ULB Dia niantso an'i Davida i Jonatana, ary noteneniny tamin'i Davida izany zavatra rehetra izany. Nentin'i Jonatana tany amin'i Saoly i Davida, ary teo amin'ny fanatrehany toy ny teo aloha indray izy. BSB BSB: So Jonathan summoned David and told him all these things. Then Jonathan brought David to Saul, and David was with Saul as before.
8 ULB Ary nisy ady indray, dia nivoaka hiady amin'ny Filistina i Davida ka nandresy azy ireo tamin'ny famonoana lehibe. Dia nandositra teo anatrehany izy ireo. BSB BSB: When war broke out again, David went out and fought the Philistines and struck them with such a mighty blow that they fled before him.
9 ULB Tonga tamin'i Saoly ny fanahy ratsy avy amin'i Yaveh raha nipetraka tao an-tranony niaraka tamin'ny lefona teny an-tanany izy, ary raha nitendry zava-maneno iny i Davida. BSB BSB: But as Saul was sitting in his house with his spear in his hand, a spirit of distress from the LORD came upon him. While David was playing the harp,
10 ULB Ary i Saoly nanandrana nikendry an'i Davida teo amin'ny rindrina tamin'ny lefony, kanefa nandositra ny fanatrehan'i Saoly izy, ka natsatok'i Saoly teo amin'ny rindrina ny lefona. Nitsoaka i Davida ary afa-nandositra tamin'iny alina iny. BSB BSB: Saul tried to pin him to the wall with his spear. But David eluded him and the spear struck the wall. And David fled and escaped that night.
11 ULB Nandefa iraka tany an-tranon'i Davida mba hijery azy mba hahafahany mamono azy i Saoly ny maraina. Mikala, vadin'i Davida, niteny azy hoe: "Raha tsy mamonjy ny ainao anio alina ianao, dia hovonoina ianao rahampitso." BSB BSB: Then Saul sent messengers to David’s house to watch him and kill him in the morning. But David’s wife Michal warned him, “If you do not run for your life tonight, tomorrow you will be dead!”
12 ULB Navelan'i Mikala hidina teo amin'ny varavarankely i Davida. Dia lasa izy ka nitsoaka, ary afa-nandositra. BSB BSB: So Michal lowered David from the window, and he ran away and escaped.
13 ULB Naka sampy tao an-tranony i Mikala dia nametraka izany teo am-pandriana. Ary naka ondana volon'osy izy ka napetrany teo amin'ny lohany, ary norakofany akanjo izany. BSB BSB: Then Michal took a household idol and laid it in the bed, placed some goat hair on its head, and covered it with a garment.
14 ULB Raha nandefa iraka mba haka an'i Davida i Saoly, dia hoy izy hoe: "Marary izy." BSB BSB: When Saul sent the messengers to seize David, Michal said, “He is ill.”
15 ULB Dia nandefa iraka mba hijery an'i Davida indray i Saoly, ka hoy izy: "Ento hiakatra aty amiko amin'ny fandriana izy, mba hahafahako mamono azy." BSB BSB: But Saul sent the messengers back to see David and told them, “Bring him up to me in his bed so I can kill him.”
16 ULB Raha niditra ireo iraka, indro, ny sampy izay tao an-tranony no teo am-pandriana miaraka amin'ny ondana volon'osy eo amin'ny lohany. BSB BSB: And when the messengers entered, there was the idol in the bed with the goat hair on its head.
17 ULB Dia hoy i Saoly tamin'i Mikala: "Nahoana no namitaka ahy ianao ka namela ny fahavaloko handeha, ka dia afa-nandositra izy?" Mikala namaly an'i Saoly hoe: "Hoy izy tamiko, 'Avelao aho handeha. Nahoana aho no hamono anao?'" BSB BSB: And Saul said to Michal, “Why did you deceive me like this? You sent my enemy away, and he has escaped!” Michal replied, “He said to me, ‘Help me get away, or I will kill you!’”
18 ULB Ary nitsoaka sy afa-nandositra i Davida, dia nankany amin'i Samoela tany Rama ka nilaza taminy ny zavatra rehetra izay nataon'i Saoly taminy. Dia nandeha izy sy Samoela ka nitoetra tany Naiota. BSB BSB: So David ran away and escaped. And he went to Samuel at Ramah and told him all that Saul had done to him. Then he and Samuel went to Naioth and stayed there.
19 ULB Nisy nanambara tamin'i Saoly izany, manao hoe: "Indro, ao Naiota any Rama i Davida." BSB BSB: When Saul was told that David was at Naioth in Ramah,
20 ULB Dia nandefa iraka hisambotra an'i Davida i Saoly. Raha nahita ny naman'ny mpaminany naminany izy ireo, ary Samoela nijoro ho lehiben'izy ireo, ny fanahin'Andriamanitra tonga tamin'ny irak'i Saoly, dia naminany koa izy ireo. BSB BSB: he sent messengers to seize him. But when they saw the group of prophets prophesying, with Samuel leading them, the Spirit of God came upon them, and Saul’s messengers also began to prophesy.
21 ULB Rehefa nilazana izany i Saoly, dia nandefa iraka hafa izy, ary naminany ihany koa izy ireo. Ary nandefa iraka fanintelony indray i Saoly, ka naminany ihany koa ireo. BSB BSB: When this was reported to Saul, he sent more messengers, but they began to prophesy as well. So Saul tried again and sent messengers a third time, and even they began to prophesy.
22 ULB Dia nankany Rama koa izy ary tonga teo amin'ny lava-drano tao Seko. Nanontany izy hoe: "Aiza i Samoela sy Davida?" Nisy olona niteny hoe: "Indro, ao Naiota any Rama izy ireo." BSB BSB: Finally, Saul himself left for Ramah and came to the large cistern at Secu, where he asked, “Where are Samuel and David?” “At Naioth in Ramah,” he was told.
23 ULB Nankany Naiota any Rama i Saoly. Dia tonga tao aminy koa ny fanahin'i Yaveh, ka naminany teny am-pandehanana mandra-pahatongany tany Naiota tany Rama izy. BSB BSB: So Saul went to Naioth in Ramah. But the Spirit of God came upon even Saul, and he walked along prophesying until he came to Naioth in Ramah.
24 ULB Nanala ny fitafiany izy ary naminany teo anatrehan'i Samoela. Nitanjaka nandritra ny andro sy ny alina rehetra izy. Izany no antony nanontanian'izy ireo hoe: "Isan'ireo mpaminany koa ve i Saoly?" BSB BSB: Then Saul stripped off his robes and also prophesied before Samuel. And he collapsed and lay naked all that day and night. That is why it is said, “Is Saul also among the prophets?”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.