1 ULB Ary Davida nandositra avy tany Naiota any Rama ka nankany amin'i Jonatana ary nanao hoe: "Fa inona no nataoko? Inona no heloko? Inona no fahotako teo anatrehan'ny rainao, no mitady hifofo ny aiko izy" BSB BSB: Then David fled from Naioth in Ramah. He came to Jonathan and asked, “What have I done? What is my iniquity? How have I sinned against your father, that he wants to take my life?”
2 ULB Jonatana nanao tamin'i Davida hoe: "Sanatria anie izany; tsy ho faty ianao. Tsy manao zavatra na lehibe na kely ka tsy milaza izany amiko ny raiko. Nahoana no tokony hanafina izany zavatra izany amiko ny raiko? Tsy izany velively." BSB BSB: “Far from it!” Jonathan replied. “You will not die. Indeed, my father does nothing, great or small, without telling me. So why would he hide this matter from me? This cannot be true!”
3 ULB Ary nivoady indray Davida ka nanao hoe: "Fantatry ny rainao tsara fa nahita sitraka teo imasonao aho. Efa nilaza izy hoe: 'Aza avela ho fantatr'i Jonatana izao, raha tsy izany dia halahelo izy.' Nefa raha velona marina Yaveh, ary raha mbola velona koa ianao, dia kely fotsiny ny elanelana eo amiko sy ny fahafatesana." BSB BSB: But David again vowed, “Your father knows very well that I have found favor in your eyes, and he has said, ‘Jonathan must not know of this, or he will be grieved.’ As surely as the LORD lives and as you yourself live, there is but a step between me and death.”
4 ULB Ary hoy i Jonatana tamin'i Davida: "Na inona na inona lazainao, dia hataoko ho anao." BSB BSB: Then Jonathan said to David, “Whatever you desire, I will do for you.”
5 ULB Hoy i Davida tamin'i Jonatana: "Rahampitso ny voaloham-bolana, ka tokony hipetraka hiara-hihinana amin'ny mpanjaka aho. Nefa avelao aho andeha, mba hiafina any an-tsaha hatramin'ny harivan'ny andro fahatelo. BSB BSB: So David told him, “Look, tomorrow is the New Moon, and I am supposed to dine with the king. Instead, let me go and hide in the field until the third evening from now.
6 ULB Raha mahatsiaro ahy ny rainao, dia ataovy hoe: 'Nanao fierana fatratra tamiko i Davida mba hamonjy an'i Betlehema tanànany; satria efa ankatoky ny sorona isan-taona ho an'ny fianakaviana manontolo any.' BSB BSB: If your father misses me at all, tell him, ‘David urgently requested my permission to hurry to Bethlehem, his hometown, because there is an annual sacrifice for his whole clan.’
7 ULB Raha hoy izy hoe: 'Tsara izany,' dia hanam-piadanana ny mpanomponao. Fa raha tezitra mafy izy, dia fantaro fa nanapa-kevitra hanao ratsy izy. BSB BSB: If he says, ‘Good,’ then your servant is safe, but if he is enraged, you will know he has evil intentions.
8 ULB Noho izany dia mifanaraha tsara amin'ny mpanomponao. Fa efa nitondra ny mpanomponao ho amin'ny faneken'i Yaveh niaraka taminao ianao. Nefa raha misy fahotana amiko, dia ianao no hamono ahy; koa nahoana aho no entinao any amin'ny rainao?" BSB BSB: Therefore show kindness to your servant, for you have brought me into a covenant with you before the LORD. If there is iniquity in me, then kill me yourself; why should you bring me to your father?”
9 ULB Hoy i Jonatana: "Sanatria aminao anie izany! Raha nahafantatra aho fa nanapa-kevitra ny hanao ratsy anao ny raiko, dia tsy hilaza aminao ve aho?" BSB BSB: “Never!” Jonathan replied. “If I ever found out that my father had evil intentions against you, would I not tell you?”
10 ULB Dia hoy i Davida tamin'i Jonatana: "Iza no hiteny amiko raha sanatria mamaly anao amin'ny teny mafy ny rainao?" BSB BSB: Then David asked Jonathan, “Who will tell me if your father answers you harshly?”
11 ULB Jonatana nanao tamin'i Davida hoe: "Andao, andeha isika hivoaka any an-tsaha." Ka nivoaka tany an-tsaha izy roa lahy. BSB BSB: “Come,” he replied, “let us go out to the field.” So the two of them went out into the field,
12 ULB Hoy i Jonatana tamin'i Davida: "Yaveh, Andriamanitr'Israely anie no ho vavolombelona. Rehefa avy manontany an-draiko aho rahampitso amin'izao ora izao, na amin'ny andro fahatelo, jereo, raha misy zava-tsoa ho an'i Davida, moa tsy haniraka ho any aminao sy hampahafantatra anao ve aho? BSB BSB: and Jonathan said, “By the LORD, the God of Israel, I will sound out my father by this time tomorrow or the next day. If he is favorable toward you, will I not send for you and tell you?
13 ULB Raha mahafaly an-draiko ny hanao ratsy anao, Yaveh anie hanao izany amin'i Jonatana ary mihoatra aza raha tsy mampahafantatra izany aminao sy mandefa anao aho, mba handehananao am-piadanana. Homba anao anie Yaveh, tahaka ny efa nombàny ny raiko. BSB BSB: But if my father intends to bring evil on you, then may the LORD punish me, and ever so severely, if I do not tell you and send you on your way in safety. May the LORD be with you, just as He has been with my father.
14 ULB Fa raha mbola velona koa aho, moa tsy hampiseho ahy ny tsy fivadiham-paneken'i Yaveh ve ianao, mba tsy ho faty aho? BSB BSB: And as long as I live, treat me with the LORD’s loving devotion, that I may not die,
15 ULB Aza manapaka ny tsy fivadiam-panekenao hiala amin'ny ankohonako mandrakizay—na dia foanan'i Yaveh eo amin'ny tany aza ny fahavalon'i Davida rehetra." BSB BSB: and do not ever cut off your loving devotion from my household—not even when the LORD cuts off every one of David’s enemies from the face of the earth.”
16 ULB Ary Jonatana nanao fanekena tamin'ny ankohonan'i Davida ka nanao hoe: "Yaveh anie hitaky ny honitra eo amin'ny tanan'ireo fahavalon'i Davida." BSB BSB: So Jonathan made a covenant with the house of David, saying, “May the LORD hold David’s enemies accountable.”
17 ULB Nampanao voady an'i Davida indray i Jonatana noho ny fitiavany azy, satria tia azy tahaka ny fitiavany ny fanahiny ihany izy. BSB BSB: And Jonathan had David reaffirm his vow out of love for him, for Jonathan loved David as he loved himself.
18 ULB Dia hoy i Jonatana taminy: "Rahampitso ny voaloham-bolana. Ho tsaroana ianao satria foana ny sezanao. BSB BSB: Then Jonathan said to David, “Tomorrow is the New Moon, and you will be missed, because your seat will be empty.
19 ULB Rehefa nijanona telo andro ianao, dia midìna haingana ary mankanesa any amin'ny toerana izay niafenanao rehefa teo am-pelatanana ny raharaha, ary miandrasa eo akaikin'ny vatolampy Ezela. BSB BSB: When you have stayed three days, hurry down to the place you hid on the day this trouble began, and remain beside the stone Ezel.
20 ULB Handefa zana-tsipìka telo eo anilan'izany aho, toy ny hoe mtifitra zavatra kendrena. BSB BSB: I will shoot three arrows to the side of it, as if I were aiming at a target.
21 ULB Ary haniraka ny zatovolahiko aho ka hiteny aminy hoe: 'Andeha tadiavo ireo zana-tsipìka.' Raha miteny amin'ilay zatovolahy aho hoe: 'Indro, itsy ankilanao itsy ireo zana-tsipìka; alaivo ireo," dia tongava; fa hisy fiarovana ary tsy hisy ratsy ho anao, raha mbola velona koa Yaveh. BSB BSB: Then I will send a boy and say, ‘Go, find the arrows!’ Now, if I expressly say to him, ‘Look, the arrows are on this side of you; bring them,’ then come, because as surely as the LORD lives, it is safe for you, and there is no danger.
22 ULB "Nefa raha miteny amin'ilay zatovolahy aho hoe: 'Indro, ao aorianao ireo zana-tsipìka,' dia mandehana amin'ny lalanao, fa efa nandefa anao i Yaveh. BSB BSB: But if I say to the young man, ‘Look, the arrows are beyond you,’ then you must go, for the LORD has sent you away.
23 ULB Raha ny amin'ny fifanarahana izay nifampiresahantsika, indro, eo afovoantsika mandrakizay i Yaveh.'" BSB BSB: And as for the matter you and I have discussed, the LORD is a witness between you and me forever.”
24 ULB Koa niafina tany an-tsaha i Davida. Rehefa tonga ny voaloham-bolana, dia nipetraka nihinana sakafo ny mpanjaka. BSB BSB: So David hid in the field, and when the New Moon had come, the king sat down to eat.
25 ULB Nipetraka teo amin'ny sezany ny mpanjaka, tahaka ny mahazatra, teo amin'ny seza teo akaikin'ny rindrina. Nijoro i Jonatana, ary Abnera nipetraka teo anilan'i Saoly. Nefa foana ny sezan'i Davida. BSB BSB: He sat in his usual place by the wall, opposite Jonathan and beside Abner, but David’s place was empty.
26 ULB Tsy mbola niteny na inona na inona i Saoly tamin'io andro io, satria nieritreritra izy hoe: "Nisy zavatra nahazo azy. Tsy madio izy; azo antoka fa tsy madio izy." BSB BSB: Saul said nothing that day because he thought, “Something has happened to David to make him ceremonially unclean—surely he is unclean.”
27 ULB Fa tamin'ny andro faharoa kosa, ny ampitson'ny voaloham-bolana, dia foana ny sezan'i Davida. Hoy i Saoly tamin'i Jonatana zanany lahy: "Nahoana no tsy tonga amin'ny fisakafoana ny zanaka lahin'i Jese na omaly na androany?" BSB BSB: But on the day after the New Moon, the second day, David’s place was still empty, and Saul asked his son Jonathan, “Why hasn’t the son of Jesse come to the meal either yesterday or today?”
28 ULB Jonatana namaly an'i Saoly hoe: "Nangataka alalana fatratra tamiko mba handeha any Betlehema i Davida. BSB BSB: Jonathan answered, “David urgently requested my permission to go to Bethlehem,
29 ULB Hoy izy: 'Avelao re aho mba handeha. Fa ny fianakavianay manana sorona ao an-tanàna, ary ny rahalahiko nandidy ahy ho any. Ankehitriny, raha efa nahita sitraka teo imasonao aho, dia avelao re aho handeha ary hijery ireo rahalahiko.' Izany no antony tsy nahatongavany teo an-databatry ny mpanjaka." BSB BSB: saying, ‘Please let me go, because our clan is holding a sacrifice in the city, and my brother has told me to be there. So now, if I have found favor in your eyes, please let me go and see my brothers.’ That is why he has not come to the king’s table.”
30 ULB Koa nirehitra tamin'i Jonatana ny hatezeran'i Saoly, ary hoy izy taminy: "Ianao ry zanaka lahin'ny mpamadika, vehivavy mpikomy! Moa ve aho tsy mahafantatra fa efa nisafidy ny zanaka lahin'i Jese ho fahamenarana ho anao, sy ho fahamenaran'ny fitanjahan'ny reninao ianao? BSB BSB: Then Saul’s anger burned against Jonathan, and he said to him, “You son of a perverse and rebellious woman! Do I not know that you have chosen the son of Jesse to your own shame and to the shame of the mother who bore you?
31 ULB Fa raha mbola miaina eto an-tany ny zanaka lahin'i Jese, dia tsy ho tafapetraka na ianao na ny fanjakanao. Koa ankehitriny, alefaso ary ento aty amiko izy, fa tsy maintsy ho faty tokoa izy." BSB BSB: For as long as the son of Jesse lives on this earth, neither you nor your kingdom shall be established. Now send for him and bring him to me, for he must surely die!”
32 ULB Jonatana namaly an'i Saoly rainy hoe: "Fa inona no antony tokony hamonoana azy? Inona no nataony?" BSB BSB: “Why must he be put to death?” Jonathan replied. “What has he done?”
33 ULB Ary Saoly nanipy ny lefony taminy mba hamono azy. Ka dia fantatr'i Jonatana fa tapa-kevitra ny hamono an'i Davida ny rainy. BSB BSB: Then Saul hurled his spear at Jonathan to kill him. So Jonathan knew that his father was determined to kill David.
34 ULB Nitsangana niala tam-pahavinirana teo amin'ny latabatra ary tsy nihinana sakafo i Jonatana ny andro faharoan'ny volana, fa nalahelo an'i Davida izy, satria nanala baraka azy ny rainy. BSB BSB: Jonathan got up from the table in fierce anger and did not eat any food that second day of the month, for he was grieved by his father’s shameful treatment of David.
35 ULB Ny maraina, nivoaka nankany an-tsaha tamin'ny fotoana voatondro niaraka tamin'i Davida i Jonatana, sy ny zatovolahy niaraka taminy. BSB BSB: In the morning Jonathan went out to the field for the appointment with David, and a small boy was with him.
36 ULB Hoy izy tamin'ilay zatovolahiny: "Mihazakazaha ary tadiavo ireo zana-tsipìka izay natifitro." Ary raha nihazakazaka ilay zatovolahy, dia notifiriny zana-tsipìka tao aoriany. BSB BSB: He said to the boy, “Run and find the arrows I shoot.” And as the boy ran, Jonathan shot an arrow beyond him.
37 ULB Rehefa tonga teo amin'ny toerana izay nitsatohan'ny zana-tsipìka nalefan'i Jonatana ilay zatovolahy, dia niantso ilay zatovolahy i Jonatana avy eo, ary nanao hoe: "Moa tsy ao aorianao ve ny zana-tsipìka?" BSB BSB: When the boy reached the place where Jonathan’s arrow had fallen, Jonathan called to him, “Isn’t the arrow beyond you?”
38 ULB Ary niantso ilay zatovolahy i Jonatana hoe: "Faingàna, malakia, aza mijanona!" Ary ilay zatovolahin'i Jonatana nanangona ireo zana-tsipìka niakatra ary nankany amin'ny tompony. BSB BSB: Then Jonathan cried out, “Hurry! Make haste! Do not delay!” So the boy picked up the arrow and returned to his master.
39 ULB Nefa tsy nahalala na inona na inona ilay zatovolahy. Jonatana sy Davida ihany no nahalala ny raharaha. BSB BSB: But the boy did not know anything; only Jonathan and David knew the arrangement.
40 ULB Nomen'i Jonatana an'ilay zatovolahiny ireo fitaovam-piadiana ary hoy izy taminy: "Mandehana, ento any an-tanàna ireo." BSB BSB: Then Jonathan gave his equipment to the boy and said, “Go, take it back to the city.”
41 ULB Raha vao lasa ilay tovolahy, dia nitsangana avy tao ambadiky ny dongon-tany i Davida, niankohoka teo amin'ny tany, ary niondrika intelo. Nifanoroka sy niara-nitomany izy ireo, ary Davida nitomany mafy. BSB BSB: When the young man had gone, David got up from the south side of the stone, fell facedown, and bowed three times. Then he and Jonathan kissed each other and wept together—though David wept more.
42 ULB Hoy i Jonatana tamin'i Davida: "Mandehana am-piadanana, satria efa samy nianiana tamin'ny anaran'i Yaveh isika ary nanao hoe: 'Yaveh anie ho eo afovoantsika, ary eo afovoan'ireo taranako sy ireo taranakao mandrakizay.'" Ary nitsangana Davida ka lasa, fa Jonatana kosa niverina tany an-tanàna. BSB BSB: And Jonathan said to David, “Go in peace, for the two of us have sworn in the name of the LORD, saying, ‘May the LORD be a witness between you and me, and between your descendants and mine forever.’” Then David got up and departed, and Jonathan went back into the city.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.