2 ULB Hoy i Davida tamin'i Ahimeleka mpisorona hoe: "Nandefa ahy hanatanteraka iraka ny mpanjaka ary niteny tamiko hoe: 'Aza avela hisy hahafantatra na inona na inona momba ny raharaha izay hanirahako anao, sy izay handidiako anao.' Nanoro lalana ireo zatovolahy ho any amina toerana iray aho. BSB BSB: “The king has given me a mission,” David replied. “He told me no one is to know about the mission on which I am sending you. And I have directed my young men to meet me at a certain place.
3 ULB Koa inona ary no an-tananao izao? Omeo mofo dimy aho, na izay rehetra misy ato." BSB BSB: Now then, what do you have on hand? Give me five loaves of bread, or whatever can be found.”
4 ULB Namaly an'i Davida ilay mpisorona ka nanao hoe: "Tsy misy mofo tsotra eto an-tanako, fa kosa misy mofo masina—raha nahatandri-tena tamin'ny vehivavy ireo tovolahy." BSB BSB: “There is no common bread on hand,” the priest replied, “but there is some consecrated bread—provided that the young men have kept themselves from women.”
5 ULB Davida namaly an'ilay mpisorona nanao hoe: "Nahatandri-tena tamin'ny vehivavy tokoa izahay nandritra ireo telo andro lasa, tahaka ny fanao isaky ny miainga aho. Efa natokana ny fananan'ireo lehilahy ireo na dia ho amin'ireo iraka tsotra aza. Mainka aza voatokana izay hananan'izy ireo ankehitriny!" BSB BSB: David answered, “Women have indeed been kept from us, as is usual when I set out. And the bodies of the young men are holy even on common missions. How much more so today!”
6 ULB Koa dia nanome azy ilay mofo izay voatokana ilay mpisorona. Fa tsy nisy mofo afa-tsy ny mofon'ny fanatrehana mantsy tao, izay efa nesorina teo anatrehan'i Yaveh, mba hametrahana mofo vaovao eo amin'ny toeran'izany tamin'ny andro nanesorana izany. BSB BSB: So the priest gave him the consecrated bread, since there was no bread there but the Bread of the Presence, which had been removed from before the LORD and replaced with hot bread on the day it was taken away.
7 ULB Ary ny iray tamin'ireo mpanompon'i Saoly izay tany tamin'izany andro izany, dia voatazona teo anatrehan'i Yaveh. Doega Edomita no anarany, lehiben'ireo mpiandry ombin'i Saoly. BSB BSB: Now one of Saul’s servants was there that day, detained before the LORD. And his name was Doeg the Edomite, the chief shepherd for Saul.
8 ULB Dia hoy Davida tamin'i Ahimeleka hoe: "Tsy misy lefona na sabatra azo ampiasaina ve eo an-tananao? Fa tsy nahatondra akory aho na ny sabatro na ireo fitaovam-piadiako taty amiko, satria tena maika tokoa ny raharahan'ny mpanjaka." BSB BSB: Then David asked Ahimelech, “Is there not a spear or sword on hand here? For I have brought neither my sword nor my weapons with me, because the king’s mission was urgent.”
9 ULB Hoy ilay mpisorona hoe: "Ny sabatr'i Goliata ilay Filistina, izay novonoinao tany amin'ny Lohasahan'i Elaha, izay mifono lamba ao ambadiky ny efoda no ato. Raha tianao alaina izany, dia alaivo, fa tsy misy fitaovam-piadiana hafa ato." Hoy i Davida hoe: "Tsy misy sabatra tahaka izany iray izany; omeo ahy izany." BSB BSB: The priest replied, “The sword of Goliath the Philistine, whom you killed in the Valley of Elah, is here; it is wrapped in a cloth behind the ephod. If you want, you may take it. For there is no other but this one here.” And David said, “There is none like it; give it to me.”
10 ULB Dia nitsangana i Davida ary nitsoaka an'i Saoly tamin'izany andro izany ka nankany amin'i Akisa, mpanjakan'i Gata. BSB BSB: That day David fled from Saul and went to Achish king of Gath.
11 ULB Ireo mpanompon'i Akisa niteny taminy hoe: "Tsy i Davida, ilay mpanjakan'ny tany ve ity? Tsy ity ve ilay nifampihirahiran'izy ireo tamin'ny dihy hoe: 'Saoly namono an'arivony, ary Davida namono an'aliny'?" BSB BSB: But the servants of Achish said to him, “Is this not David, the king of the land? Did they not sing about him in their dances, saying: ‘Saul has slain his thousands, and David his tens of thousands’?”
12 ULB Noraisin'i Davida am-po izany teny izany ka natahotra mafy an'i Akisa, mpanjakan'i Gata izy. BSB BSB: Now David took these words to heart and was very much afraid of Achish the king of Gath.
13 ULB Nanova ny fihetsiny teo anatrehan'izy ireo izy ka nodiany ho very saina teo an-tanan'izy ireo; nanoratsoratra teo amin'ny lela-bavahady izy ary navelany hitsororoka teo amin'ny volom-bavany ny iviny. BSB BSB: So he changed his behavior before them and feigned madness in their hands; he scratched on the doors of the gate and let his saliva run down his beard.
14 ULB Avy eo dia hoy i Akisa tamin'ireo mpanompony hoe: "Indro, hitanareo fa very saina ilay lehilahy. Nahoana no nentinareo eto amiko izy? BSB BSB: Then Achish said to his servants, “Look, you can see that the man is insane! Why have you brought him to me?
15 ULB Tsy ampy olona adala angaha aho, no dia nentinareo eto amiko io mba hanao fihetsika tahaka izao eto anatrehako? Hiditra ao an-tranoko tokoa ve io namana io?" BSB BSB: Am I in need of madmen, that you have brought this man to rave in my presence? Must this man come into my house?”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.