1 ULB Ary niala tany Davida ka nandositra tao an-dava-baton'i Adolama. Raha nahare izany ireo rahalahiny sy ny ankohonan-drainy rehetra, dia nidina tany aminy izy ireo. BSB BSB: So David left Gath and took refuge in the cave of Adullam. When his brothers and the rest of his father’s household heard about it, they went down to him there.
2 ULB Ny olona rehetra izay tao anaty fahoriana, ny olona rehetra izay tao anaty trosa, ary ny olona rehetra izay tsy faly— izy rehetra dia niangona tao aminy. Lasa kapitenin'ny mpiambina teo amin'izy ireo i Davida. Nisy teo amin'ny efa-jato lahy teo no niaraka taminy. BSB BSB: And all who were distressed or indebted or discontented rallied around him, and he became their leader. About four hundred men were with him.
3 ULB Ary niala teo ho any Mizpa ao Moaba i Davida. Hoy izy tamin'ny mpanjakan'i Moaba hoe: "Mba miangavy re aoka ny raiko sy ny reniko hivoaka hiaraka aminao mandram-pahafantarako izay hataon'Andriamanitra ho ahy." BSB BSB: From there David went to Mizpeh of Moab, where he said to the king of Moab, “Please let my father and mother stay with you until I learn what God will do for me.”
4 ULB Navelany niaraka tamin'ny mpanjakan'i Moaba izy ireo. Ny rainy sy reniny nitoetra niaraka taminy tamin'ny fotoana rehetra naha-tao amin'ny fiarovany mafy an'i Davida. BSB BSB: So he left them in the care of the king of Moab, and they stayed with him the whole time David was in the stronghold.
5 ULB Ary Gada mpaminany niteny tamin'i Davida hoe: "Aza mijanona ao amin'ny fiarovanao mafy. Miaingà ary mandehana any amin'ny tanin'i Joda." Ka dia niala tao Davida ary nandeha tao amin'ny alan'i Hareta. BSB BSB: Then the prophet Gad said to David, “Do not stay in the stronghold. Depart and go into the land of Judah.” So David left and went to the forest of Hereth.
6 ULB Ren'i Saoly fa hita niaraka tamin'ireo lehilahy izay niaraka taminy i Davida. Ary nipetraka tany Gibea tambanin'ny hazo tamariska tao Rama i Saoly, niaraka tamin'ny lefony teny an-tanany, ary ny mpanompony rehetra nijoro nanodidina azy. BSB BSB: Soon Saul learned that David and his men had been discovered. At that time Saul was sitting under the tamarisk tree on the hill at Gibeah, with his spear in hand and all his servants standing around him.
7 ULB Hoy i Saoly tamin'ireo mpanompo nitsangana manodidina azy: "Henoy izao, ry vahoakan'i Benjamina, moa ve hanome saha sy tanim-boaloboka ho an'ny tsirairay avy aminareo ny zanaka lahin'i Jese? Moa ve hanao anareo rehetra ho kapitenin'ny tafika an'arivony sy an-jatony izy, BSB BSB: Then Saul said to his servants, “Listen, men of Benjamin! Is the son of Jesse giving all of you fields and vineyards and making you commanders of thousands or hundreds?
8 ULB ho takalon'ny tetikareo rehetra hanohitra ahy? Tsy nisy taminareo nampahafantatra ahy rehefa nanao fanekena tamin'ny zanaka lahin'i Jese ny zanako lahy. Tsy nisy taminareo nangoraka ahy. Tsy nisy taminareo nampahafantatra ahy fa ny zanako lahy dia namporisika an'i Davida mpanompoko hanohitra ahy. Anio dia miafina sy miandry ahy izy ary mety hanafika ahy." BSB BSB: Is that why all of you have conspired against me? Not one of you told me that my own son had made a covenant with the son of Jesse. Not one of you has shown concern for me or revealed to me that my son has stirred up my own servant to lie in wait against me, as is the case today.”
9 ULB Ary i Doega Edomita, izay nitsangana teo amin'ireo mpanompon'i Saoly, namaly hoe: "Hitako nankany Noba ny zanaka lahin'i Jese, tao amin'i Ahimeleka zanaka lahin'i Ahitoba. BSB BSB: But Doeg the Edomite, who had stationed himself with Saul’s servants, answered: “I saw the son of Jesse come to Ahimelech son of Ahitub at Nob.
10 ULB Nivavaka tamin'i Yaveh izy mba hanampiany azy, ary nomeny azy ny vatsy sy ny sabatr'i Goliata Filistina". BSB BSB: Ahimelech inquired of the LORD for him and gave him provisions. He also gave him the sword of Goliath the Philistine.”
11 ULB Ary ny mpanjaka naniraka olona mba hiantso an'i Ahimeleka mpisorona zanaka lahin'i Ahitoba sy ny ankohonan-drainy rehetra, ireo mpisorona izay tao Noba. Izy rehetra ireo dia tonga teo amin'ny mpanjaka. BSB BSB: Then the king sent messengers to summon Ahimelech the priest, the son of Ahitub, and his father’s whole family, who were priests at Nob. And all of them came to the king.
12 ULB Hoy i Saoly: "Henoy ary, ry zanaka lahin'i Ahitoba." Dia namaly izy hoe: "Inty aho, tompoko." BSB BSB: “Listen now, son of Ahitub,” said Saul. “Here I am, my lord,” he replied.
13 ULB Ary hoy i Saoly taminy: "Nahoana ianao no nitetika hanohitra ahy, ianao sy ny zanaka lahin'i Jese, tamin'ny nanomezanao azy mofo, sy sabatra, ary nivavaka tamin'Andriamanitra mba hanampiany azy, mba hitsanganany hanohitra ahy, mba hiafina any amin'ny takona, toy izao ataony androany izao?" BSB BSB: And Saul asked him, “Why have you and the son of Jesse conspired against me? You gave him bread and a sword and inquired of God for him so that he could rise up against me to lie in wait, as he is doing today.”
14 ULB Ary i Ahimeleka namaly ny mpanjaka ka nanao hoe: "Iza tamin'ireo mpanomponao rehetra moa no mahatoky fatratra tahaka an'i Davida, izay vinanto lahin'ny mpanjaka no sady mpiambina anao ihany koa, ary omem-boninahitra ao an-tranonao? BSB BSB: Ahimelech answered the king, “Who among all your servants is as faithful as David, the king’s son-in-law, the captain of your bodyguard and honored in your house?
15 ULB Androany angaha no fotoana voalohany nivavahako tamin'Andriamanitra mba hanampiany azy? Sanatria amiko anie izany! Aza mamela ny mpanjaka hanisy na inona na inona amin'ny mpanompony na amin'ny ankohonan-draiko rehetra. Fa ny mpanomponao dia tsy mahalala na inona na inona ny amin'izao raharaha rehetra izao." BSB BSB: Was that day the first time I inquired of God for him? Far be it from me! Let not the king accuse your servant or any of my father’s household, for your servant knew nothing of this whole affair—not in part or in whole.”
16 ULB Namaly ny mpanjaka hoe: "Tsy maintsy ho faty tokoa ianao, ry Ahimeleka, ianao sy ny ankohonan-drainao rehetra." BSB BSB: But the king replied, “You will surely die, Ahimelech, you and all your father’s house!”
17 ULB Dia niteny tamin'ny mpiambina nitsangana nanodidina azy ny mpanjaka nanao hoe: "Mitodiha ary vonoy ireo mpisoron'i Yaveh. Satria ny tanan'izy ireo ihany koa dia miaraka amin'i Davida, ary satria nahafantatra izy ireo fa nandositra izy, kanefa tsy nanambara izany tamiko. Fa ireo mpanompon'ny mpanjaka nefa dia tsy te-haninjitra ny tanany hamono ireo mpisoron'i Yaveh. BSB BSB: Then the king ordered the guards at his side, “Turn and kill the priests of the LORD, because they too sided with David. For they knew he was fleeing, but they did not tell me.” But the king’s servants would not lift a hand to strike the priests of the LORD.
18 ULB Ary niteny tamin'i Doega ny mpanjaka hoe: "Mitodiha ary vonoy ireo mpisorona. Dia nitodika sy namely ireo mpisorona i Doega Edomita; namono olona dimy amby valopolo izay niakanjo efoda rongony fotsy tamin'izany andro izany izy. BSB BSB: So the king ordered Doeg, “You turn and strike down the priests!” And Doeg the Edomite turned and struck down the priests himself. On that day he killed eighty-five men who wore the linen ephod.
19 ULB Tamin'ny lelan-tsabatra, no nanafihany an'i Noba, tanànan'ireo mpisorona, na lehilahy na vehivavy, ankizy na zaza, ary ireo omby sy ireo ampondra ary ondry. Namono azy rehetra tamin'ny lelan-tsabatra izy. BSB BSB: He also put to the sword Nob, the city of the priests, with its men and women, children and infants, oxen, donkeys, and sheep.
21 ULB Ary Abiatara niteny tamin'i Davida fa novonoin'i Saoly ireo mpisoron'i Yaveh. BSB BSB: And Abiathar told David that Saul had killed the priests of the LORD.
22 ULB Hoy i Davida tamin'i Abiatara: "Fantatro tamin'iny andro iny, fa raha tao i Doega ilay Edomita, dia tsy maintsy niteny tamin'i Saoly izy. Izaho no tompon'andraikitra tamin'ny fahafatesana rehetra tamin'ny fianakavian-drainao! BSB BSB: Then David said to Abiathar, “I knew that Doeg the Edomite was there that day, and that he was sure to tell Saul. I myself am responsible for the lives of everyone in your father’s house.
23 ULB Mijanòna miaraka amiko ary aza matahotra. Fa ny olona izay mifofo ny ainao dia mifofo ny ahy ihany koa. Ho voaaro ianao miaraka amiko." BSB BSB: Stay with me; do not be afraid, for he who seeks your life is seeking mine as well. You will be safe with me.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.